gasikara ho an' iza marina !
1. majesty
(
26/02/2011 08:15)
nafàna an, natao nanakoako eran'ny tanàna ilay hoe Madagasikara ho an'i Kristy taona vitsivitsy izay fa nankaiza ny niafàrany, nisy aza moa tanàna iray mihitsy teto Antananarivo no nivoy an'io fandaharana io fa ho an'i Kristy hono e !tsy hita anefa izay vokatra , fa ny teo ihany no teo hoy ny lakolosin'i Môpera.
Efa resin'ny fahantràna sa sahirana ny handaniana ny vola azo ny ankamaroan'ny malagasy ka tsy taitra firy intsony @ fivavahana ???
Tsy ifanomezan-tsiny kosa aloha e, ny mpivavaka aza mifanipaka toy ny valala an-karona ko, tsy aleony mijanona mangingina any @ toerana misy azy any !!
mahalasa saina !

novalian'i vonynive ny 10/03/2011 08:30
2. rijadolly
(
26/02/2011 18:12)
Ekena fa ilaina fahasahiana ny fitoriana ny Filazan-tsaran' Kristy, ekena fa tsy ilaina ny fihemborana na fiverenan-dalana, Ekena ihany koa fa mila mijoro ny tena miaramilan' Kristy. Teknika iray izay hanantanterahana ny Sitrapon' Andriamanitra izay hita tena amin' Kristy anefa ny miala ny olona toriana raha mbola iny izireo tsy mandray ny hafatra iny. JAONA 8: 34- 59, 59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly.[ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa].
Ny antony:
- Mila mitsakotsako ilay toriana ny tsirairay fa tsy tian'Andriamanitra ho very isika na dia iray akory aza.
- Mbola nahazo fotoana maro, hitodiana, hiverenana, amin' Andriamanitra
Fisaorana anefa ny omena an' Majesty nampatsiahy ireo izay efa nanomboka satria tsy misy na iray aza manda io tanjona io raha mbola Kristianina ihany. foiny ho an' Kristy ny taniny.

3. niryna
(
27/02/2011 05:04)
Misaotra anareo nizara.Misy teny ao amin'ny soratra masina ao raha adika dia hoe Ity olona mahantra ity no miantso dia mihaino Atra,raha manokatra ny fony izy ka mibebaka dia ho sitraniny ny taniny .Izany hoe raha miaraka avokoa ny malagasy rehetra ka miverina amin'Atra.,mibebaka,manandratra ny anarany,mifamela heloka,mino azy tokoa ary manaray ny odiny sy mangataka Aminy ny silaky ny fony (mba hiova fo,hiala ny fitiavantena,fahazarandratsy,fisehosehoana,fiabohaboana(ahitsiho raha diso ny fanoratro azy e-pride io) na tsy manetritena fa manandratra tena,mitady ny heriny fa tsy manao an'Atra nahary azy ambony noho ny zavatra rehetra dia mbola ho lavitra tokoa ny ezaka.Misy antony avokoa ny zavatra rehetra fa ny fibebahana no lalana tokana ahafantsika miverina amin'Atra .
izay no mba fantatro kely aloha
izay no mba fantatro kely aloha
4. soanja
(
01/03/2011 22:23)
majesty:
nafàna an, natao nanakoako eran'ny tanàna ilay hoe Madagasikara ho an'i Kristy taona vitsivitsy izay fa nankaiza ny niafàrany, nisy aza moa tanàna iray mihitsy teto Antananarivo no nivoy an'io fandaharana io fa ho an'i Kristy hono e !tsy hita anefa izay vokatra , fa ny teo ihany no teo hoy ny lakolosin'i Môpera.
Efa resin'ny fahantràna sa sahirana ny handaniana ny vola azo ny ankamaroan'ny malagasy ka tsy taitra firy intsony @ fivavahana ???
Tsy ifanomezan-tsiny kosa aloha e, ny mpivavaka aza mifanipaka toy ny valala an-karona ko, tsy aleony mijanona mangingina any @ toerana misy azy any !!
mahalasa saina !
Raha hisy tokony hanana an'i Madagasikara voalohany dia tsy iza fa ny Malagasy samy Malagasy.
Raha mbola tsy mifantoka amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny nofo ny olombelona dia mbola tsy ahita izany fahiratana izany na hitonona Kristy isanandro eo aza!
5. majesty
(
03/03/2011 08:30)
soanja : " raha misy milaza fa tia Ahy nefa mankahala ny rahalahiny dia tsy mendrika ho Ahy ..."
miombon-kevitra, zary lasa imolotra mantsy ilay finoana fa tsy iainana ;)

6. vonynive
(
07/03/2011 08:34)
soanja:
majesty:
nafàna an, natao nanakoako eran'ny tanàna ilay hoe Madagasikara ho an'i Kristy taona vitsivitsy izay fa nankaiza ny niafàrany, nisy aza moa tanàna iray mihitsy teto Antananarivo no nivoy an'io fandaharana io fa ho an'i Kristy hono e !tsy hita anefa izay vokatra , fa ny teo ihany no teo hoy ny lakolosin'i Môpera.
Efa resin'ny fahantràna sa sahirana ny handaniana ny vola azo ny ankamaroan'ny malagasy ka tsy taitra firy intsony @ fivavahana ???
Tsy ifanomezan-tsiny kosa aloha e, ny mpivavaka aza mifanipaka toy ny valala an-karona ko, tsy aleony mijanona mangingina any @ toerana misy azy any !!
mahalasa saina !
Raha hisy tokony hanana an'i Madagasikara voalohany dia tsy iza fa ny Malagasy samy Malagasy.
Raha mbola tsy mifantoka amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny nofo ny olombelona dia mbola tsy ahita izany fahiratana izany na hitonona Kristy isanandro eo aza!
miarahaba antsika,
fotoana ahanginana sy andinihantena izao. moa misy tany ho an'i Kristy ve raha tsy ny mponina eo aminy no ho an'i Kristy aloha? ny Malagasy izany no ho an'i Kristy voalohany fa tsy i Madagasikara aloha;
anjarantsika izay mino an'i Kristy no mamabo ny olona ho an'i Kristy @ fanehoana ny fitondrantena marina; dia ny fitiavana ireo mponina eto Madagasikara izany : io ilay tanambokovoko mitsivalana !
tsy natao ho velona ho an'ny tenany ny zanak'Andriamanitra fa ho an'ny hafa koa izy, tahaka ny fanolorantena izay nataon'i Jeso raha tonga teto an-tany Izy.
7. bor2lais
(
08/03/2011 08:51)
vonynive:

Amiko io tanambokovoko mitsivalana io dia miankina lehibe amin'ilay mitsangana : raha tsy ao Ilay mitsangana dia tsy ipetraka mihitsy ilay mitsivalana !
Fijeriko manokana io a !
8. vonynive
(
10/03/2011 08:30)
bor2lais:

marina izany
ny fitiavantsika an'Atra (mitsangana) tokoa dia tokony hahatonga antsika hitia ny namantsika; fotoana iverenana izao fa tsy mbola tara;