marina ve fa hoe maha mal chance ny miaraka @ taranaka andevo?

41. ravonjison ( 17/03/2011 18:48)

soanja:

Tsy disoako mihitsy ny hevitr'i Ravonjison kanefa kosa eo amin'ny resaka hoe "chance" no tsy ekeko. Ilay hevitra hoe " male chance" amiko dia entina handemena ilay olona.

Isika rehetra dia vokatry ny safidin-tsika eo amin'ny fiainana ary isika koa no mpanoritra ny lalana alehantsika raha tena haintsika ny mandamina izany mifanaraka amin'ny fikasan'Andriamanitra dia tsy inona fa ilay fitiavana lehibe, marim-po ary mpameno izay banga na mpamaha olana.

Isika olombelona tokoa mantsy dia isan'ny malemy rehefa iharan'ny fandemen'ny atidohan'ny sasany. Misy olombelona mora ajedakin'ny hetraketraky ny sasany. Misy koa anefa mpiady mafy. dia eo amin'ny ahafantsika manomana izany fiainana atrehana izany sy izay momba antsika no ho andevo isika na ho mpanjaka. Noho izany dia zava-poana izay hoe "obstacle" raha vonona hiatrika zavamisy ary hamaha olana ny olona iray. Tsy hipetraka ny fandemen-tsaina sy ny fefin'ny manodidina.

Fefy napetraky ny manodidina ny hoe " ratsy vintana sy ny hoe tsy ho vanona" Izy moa ireo no handahatra ny momba anao? Ianao dia ianao no mahalala izay hahasoa anao.

Zavatra iray monja anefa no fitaovana ilaina dia ny fahafahan'ilay iray mahalala fa olon'afaka izy.

Salut Soanja !

Eny e misy resaka fandementsaina sy fanapepoana ao.
Asa na voa remarquer-nao fa tsy naveriko ilay teny hoe " male chance" , fa kosa nosoloiko ny teny hoe : ENY, mahatonga fahasahiranana tokoa ny manambady andevo

Efa tsy any amin"ilay resaka firazanana intsony anefa no tiako ho fantatr" ilay ranamana. Iny efa mazava fa tsy marina ary tsy azo ianteherana. Fa ny tena mba tiako ho tonga ao antsin"ilay ranamana dia : ny fahalalána fa nisy akony izy io ka tsara raha fantarina mialoha ilay akony , ary arakaraka izay no hanamboarany ny fianinany.

Tsy ampy ilay filazána hoe " tsy misy an"izany ( na ilay fahafahana voalazanao), fa mila mijery ny hoe : inona no atao mba hanatsarany ny fiainany miaraka amin"io vadiny io. Satria io vadiny io , noho izy taranaka andevo dia mety misy zavatra be dia be tsy ampy ao aminy : fianarana, fahalalána, fitaizana, harena kely ho entina miatomboka ny fiainana sns....

Tsy ilay teny hoe " andevo " mihitsy izany no manandanja eto fa kosa ilay vokany : manan-takao ve ilay vehivavy sa tsia.
Satria raha tsy manankatao ilay vehivavy dia mazava fa tsy maintsy ilay ranamana no voatery tsy maintsy miezaka be amin" ny fiainan" izy roa.
Efa resaka en general izany : ny vehivavy sasany rehefa hanambady dia mba efa nanangonan-dRainy vola kely. Ao ny nandalo onivestité, ao ny nampianarin" ny mamany nahandro, ao ny efa nampianarina ny atao hoe tokatrano.

Ka asakasak"ilay ranamana raha mba misy atao io vadiny io ? na koa tsy mampaninona azy na dia tsy mahay inon"inona aza. Fa mba tsara ho fanatny dieny mialoha fotsiny izany.
42. soanja ( 17/03/2011 21:42)
ravonjison:

Mazava tsara Ravonjison. Misaotra nanazava ary marina tokoa ny teninao. Betsaka amin'ny olan'olombelona dia ireo nipoirina sy azo tamin'ny nanabeaza sy ny tsy azo tamin'izany.
43. mimino ( 27/05/2011 15:40)

[quote=hasiniony]

Ny fanontanianao moa manao hoe: marina ve fa hoe maha mal chance ny miaraka @ taranaka andevo?
Dia tsoriko aminao fa tsy anganongano izany tsiakory fa tena misy ary avy hatrany dia mihantra; na aminao na amin'ny taranakao...satria teny na ozona mipetraka io.

ono hoy aho ry hasiniony endraso amin'ny fiainanao eo zé itondra chance o anao. fa o anay mpino aloha tsy misy ny vintana fa Andriamanitra no mamaritra ny zava-drehetra. Izy no tompon'izao rht izao ka eo ambany fahefany avokoa izany. ka na andriana toa inona aza enao rhf Andriamanitra no tsy d'accord aminao dé vita ny momba anao. tsy itondra anao aiza ny maha andriana anao, tsy oe misokatra o azy ny varavaran'ny lanitra f andriana, na oe satria andriana dé nomen Andriamanitra fahefana manokana hanavakavak olona eo amin'ny fiainana. tandremo an!!! mitovy avokoa rhf olombelona na inona loko na aona volo!!! nofo aman-drà, ary porofon'izany ny rà samy mena avokoa na mainty enao na mavo,... sa ny ranao andriana io fotsy be koa ??? tsarovy fa enao ané tsy nanantsafidy raha nataon Andriamanaitra mainty be sy ngita volo be e. ngà enao no nifidy an'io lokonao io ? sady sao dé ovainy gena be tampoka eo vao o gaga
44. Dan23 ( 28/05/2011 05:51)

mimino:

mimino>melsi mits zan a,tiko b zan ertrertrao zan d toizo fa tsara,koun a
45. Rapha ( 01/06/2011 09:17)
tandremo fa mitady ho lasa ny toe-tsaina...fitiavana io ka anjaranao..
kamongo:

Bjr daholo,
tsy zany fa misy meilleure amieko manambady taranaka andevo vô veti2, d ts navelan ny RARneny izy fa oe maha mal chance hono. @ko aloha ts mitombina io principe io ! Inona ny hevitrareo???
46. MARASIL ( 08/06/2011 12:10)
Amiko dia tsy izany olana ara-bolokoditra izany tsony no tokony ho olana @ zao fotoana izao, blème aratoetsain'ireo tsy mbola tena liampandrosoana izany, raha hipetraka amin'zany foana nahoana raha haverina any amin'ny taonan'ny fahapanjaka e! taona arivo fahatelo ve dia mbola misy manana izany toetsaina zany foana? mampalahelo , samy malagasy ry reto a ,mifankatiava!
47. Rapha ( 09/06/2011 05:22)
NY AHY ALOHA AOKA HAZAVA FA RAHA NAKA NA NAHITA NY VADIKO MALALAKO AHO DIA NISY NY CRITIQUE NATAOKO...FIHAVIANA NA FIRAZANANA NA NY MOMBA AZY REHETRA.BETSILEO (TOMPON'ANARAN-DRAY AVY AO AMBOSITRA)NY TENAKO IZY VAKINIADIANA(SAMBAINA MANJAKANDRIANA).AMINAY TSY TAFIDITRA AM-PASANA NY OLONA TSY MITOVY FIHAVIANA...ANKEHITRINY ROAVAVY NY ZANAKO TSY NATAOKO SAKANA IZANY SATRIA TIAKO IZY.MIANKINA AMIN'NY SAFIDY NY FITIAVANA LAINGA IZAY TSY MAMPIHATRA IZANY NA LAHY NA VAVY.TSY FANTATRO HOE MIDIKA INONA RAHA MAINTY NA FOTSY ILAY OLONA TIAVINA.OHATRA IZAO NY OLONA NA TANANA MITOMANY ANDRIANA ( AMBOHIMALAZA) MANAMBADY HAVANA AKAIKY MIHITSY.AHOANA NY FIARAHA-MONINA..ANDEVO..MBOLA MISY VE IZANY...NY TOETRA MISARY ANDEVO NO TSY TIAKO AMIKO..MANOKANA. LEHILAHY AHO NO MITENY.IRENY VEHIVAVY MANAMBANY TOETRA IRENY ( MAMO LAVA.FOTSY VARAVARAVA.TIA ADY AMAN'OLONA.MPAKA VADIN'OLONA.BE FIALONANA.TSY TIA FAHAMARINANA.RATSY FITONDRAN-TENA SY NY SISA E!).VAZAHA MAINTY NA FOTSY HODITRA FA ANGAHA LANY NY MALAGASY MITOVY FIHAVIANA AMIKO NO ANY AHO NO HITADY...IO FITIAVANA IO DIA SAFIDY FA IZAY NY AHY.
soanja:

bazylou:

amin'ny fomba tsy miangatra ary fijery tsy mitongilana ary fo madio,

valio ity fanontaniana ity.

" ianareo vehivavy malagasy na lehilahy malagasy ve sahy manam bady mainty hoditra kokoa noho ianareo????""( afrikanina, andevo, ..........)
Raha ny firazana ataloh ano jerena dia tandremo fa misy andevo fotsy an

Odryyyyy!!!!

Raha mbola afaka natao mainty kokoa ny misy aza ny vadiko dia tena nataoko saingy akory atao io tsy fotsy tsy mainty io no hoditra nomen'Andriamanitra azy ka dia izay nifaliako.

Amiko aloha dia mety afaka hanambady olona iray aho na ao anaty maizina azy izahay roa e! Satria ny mivoaka ny vavany sy ny ataon'ny sandriny/ vatany no handrefesako azy!

Samy manana ny fitiavany ny olona ary inoako koa fa ny anjara no mandamina koa ny fifanintonana.
48. kapistra ( 23/07/2011 16:14)

mahaliana ihany ity hevitra iray ity.
marina ve fa hoe maha mal chance ny miaraka @ taranaka andevo.
ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe ilay tarakin'ny olona resy an'ady dia lasa andevo ve (misy mainty ,misy fotsy) ? sa ilay olona mainty fihodirana ngiita volo?.
Raha ity faharoa aloha no raisina dia tena misy fahamarinany no betsaka.
ny antony dia izao,tena misy fahamasamihafany mihintsy ny kolotsaina sy ny fomba fiainan'ireo,olona roa ireo ka izay no miteraka ny olana,ka io olana io no tena tsy mampandroso azy roa,ary tsy izy roa ihany fa hatramin'ny fianakaviany mihintsy.
ny iray manana kolotsaina sy fomba afrikana ,ary ny iray manana kolotsaina sy fomba fiainana aziatika.
ny ety amin'ny faritra misy anay izao dia ilay karazan'olona mainty ireny no maro an'isa.
tena manana fomba sy kolotsaina miavaka rizareo.mampaneno mozika mafibe mandrampaharainan'ny andro.tia mampandihy fitombenana.tsy dia tia mozika milantolanto loatra.tia misotro toaka ,tena manana fomba hafa mihintsy e!.izay fomba sy kolotsaina amin'ny ankapobeny izay no tena mahatonga ny olana ao antokatrano sy ny fianakaviana.
marina fa misy ny fahasamihafana eo amin'ny mpivady ,fa tena mifanipaka be mihintsy ilay izy @ ankapobeny.
ny ahy ny hevitro dia aleo ilay olona ,mitovy ihany no tokony hivady ,fa izany tsy akory hoe manavaka,fa manaja ny tsy mitovy fomba sy kolotsaina amin'ny tena.fa izay no tena mampirindra sy mampilamina ny fiaraha monina sady misy fiadanana.
49. avylavitra ( 19/08/2011 18:45)

kamongo:

Bjr daholo,
tsy zany fa misy meilleure amieko manambady taranaka andevo vô veti2, d ts navelan ny RARneny izy fa oe maha mal chance hono. @ko aloha ts mitombina io principe io ! Inona ny hevitrareo???

Ny saina no maha-andevo na tsy andevo. Izaho izay manoratra dia taranaka olona nanandevo ny hafa. Tsy mahamenatra ahy ny mitney izany: ary tena tsorika fa raha sendra nahita tahiry mikasika ny traite nataon'ireo razambe tavela tato anaty vata tato aho, dia tena nirotsaka ranomaso. Misy andriana (tsy lazaina eto izay antony) lasa ho andevo, ary dia naparitaka taman'olona izy mianakavy; ny ray lasan-drakoto, ny reny any amin-dravao, ny zanakalahy ary amin-dry rafotsy, sns.... Izany hoe na iza na iza dia mety ho lasa andevo avokoa, ka tsy tokony hatao ho zavatra hifikirana ny sarangam-piarahamonina toy izany raha ny hevitro. Raha resaka volon-koditra no tsy itiavana an'ilay olona, dia mety ho takatro ihany ny antony. Fa raha resaka saranga hoe andriana, na andevo, dia mahatsikaiky ihany.
50. avyany ( 21/05/2015 11:29)

mila fantarinao tsara alou oe ny mahaanao anao.Ny nipoiranao.Izay ianao vao mitady ny teny ampiasainao.Ny mahaandriana anie ho aho avy tany amin'ny loharano nipoirana e.Tsy safidy io fa tonga,nalahatra tahaky ny oe vehivavy sy hoe lehilahy.Ianao angaha no nisafidy anzany.fa efa eo izy aloha.Dia izay.
Ny mahatonga ilay hevitra dia ilay fomba fisainana mifanohitra foana.Dia mahatonga fitsitonganana.Manana ny fomba fijery koa mantsy ilay olona.Tsy oe ambany na ambony fa fomba fisainana efa any amin'ny loharano tany aloha.anjaran ny tsi11 zany no mieritreritra fa rah izaho aloha tena tsy ho aminizany.
51. avyany ( 21/05/2015 11:33)
fomba fisainana no tsy mampitovy satria ny niaingana samihafa.Raha ny marina dia safidio dia hohitanao eo.
andevo sy andriana?Kolotsaina no andresfesana azy zay vao endrika ivelany.
Nysource ny mahanadriana kou anie misy tsy mahay mamaritra azy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093