marina ve fa hoe maha mal chance ny miaraka @ taranaka andevo?

1. kamongo ( 23/02/2011 15:03)
Bjr daholo,
tsy zany fa misy meilleure amieko manambady taranaka andevo vô veti2, d ts navelan ny RARneny izy fa oe maha mal chance hono. @ko aloha ts mitombina io principe io ! Inona ny hevitrareo???
novalian'i avyany ny 21/05/2015 11:33
2. dadasy ( 23/02/2011 16:14)
Mbola misy an'zany toetsaina zany foana ve @ zao vaninandro zao e? mahamenatra!!!
3. tsintso ( 23/02/2011 17:51)
tsis an izany e! amizao ve de mbola manana toetsaina hotrizany ihany!!!! mampalahelo , refa mifankatia de mifanampy , tafavoaka fona amin ny fiainana,
satria ve mainty sy ngita volo be le olona , de atao an izany !! nefa any ivelany efa firy ny bandy afrikana mahazaka blonde ok, refa nakamban Andriamanitra de lasa fona e!
4. vale ( 23/02/2011 18:36)
kamongo< lainga be fotsiny izany fa tsy misy an'izany, mampalahelo tokoa raha mbola misy manao izany fisainana izany ihany, sady ny mampiomé ahy dia tsy misy ny olombelona hoe ny mainty ihany no tsara, fa samy misy tsara sy ratsy taré dol na ny mainty na ny fotsy na ny mena na ny mavo, ny vazah fotsy taloha be no nanana izany toetra manaratsy ny "andevo" (oul ngita volo sy mainty) izany satria teo ambany fahefany ireo olona ireo, dia nihevitra izy fa supérieur mihoatra amin'izy ireo. Ary porofo amin'izao fotona izao ry zareo manambady ireny oul mainty ngita volo ireny nony nisy ny fivoarana tao amin'izy ireny, resaka bidule, la honte pour eux, rhf oe teo ambany fahefany sy tsy mba nahalala ny civilisations zareo ireo dia ratsy ny fijeriny azy. jereo fotsiny ry Carembeu (le footballeur) fa ny sipa indray no mifandrombaka anazy, satria izy misy moyens sady célèbre, preuve ny vadiny blonde tsarataré be, noho izany na fotsy enao na mavo, na maintsy, na mena, na beige ihany koa rehefa manan-katao sy mivoatra na malaza dia hifandrombahana.
trop drôle, et misy raha laterra! Lol!
5. 3188 ( 23/02/2011 20:22)
efa nilaozany toetr-andro efa ela be zany fa aza ampatsiahivina intsony e!ny automobil ary zao efa handeha @ ny herin'ny masaondro ao aorina kely ao .hihihihi
6. soanja ( 24/02/2011 00:32)
kamongo:

Bjr daholo,
tsy zany fa misy meilleure amieko manambady taranaka andevo vô veti2, d ts navelan ny RARneny izy fa oe maha mal chance hono. @ko aloha ts mitombina io principe io ! Inona ny hevitrareo???

Ity misy fahendrena Amerikanina iray izay isan'ny imatimatesako. Raha sanatria misy olona manambany olona indrindra raha resaka razana sy volon-koditra ary voajanahary dia indro atolory azy ny fahalalana.

"We hold these truths to be self-evident, that all men are created equal, that they are endowed by their Creator with certain unalienable Rights, that among these are Life, Liberty and the pursuit of Happiness."

Raha afohezina io dia milaza hoe izay olombelona rehetra dia namboarin'ilay Nahary hitovy ary manan-jo hiaina sy halalaka ary koa hikaroka izay mahasambatra azy.

Omeo tso-drano faran'izay tsara indrindra ao amponao ilay namanao dia ahita ianao fa hanana ny anjara mahasoa ao amin'ny tokatrano izy ireo raha manankina ny fiainany amin'Andriamanitra.

7. soanja ( 24/02/2011 00:39)
dadasy:

Mbola misy an'zany toetsaina zany foana ve @ zao vaninandro zao e? mahamenatra!!!

Indrisy mantsy fa ny toetsain'olombelona ihany no tena manandevo azy.

Hoy i Bob Marley izay hoe " Emancipate yourselves from mental slavery , none but ourselves can free our minds."
8. hasiniony ( 24/02/2011 12:35)
Salama i se!
...Marina tokoa fa isika malagasy dia niaina tao anaty fiaraha-monina nisy izany atao hoe "FOMBA" izany. Io no rafitra manamporofo fa misy hy fiarahamonina iray. Ankehitriny anefa noho ny fivoarana sy ny "sivilizasiaona" mitsioka dia voafafa na odiana ho toy ny tsy misy izy io, saingy miandalana izany fa tsy avy hatrany...
Isika tanora matetika no ianjadian'izy io, hany ka ny filelalelan'ny afomololon'ny fitiavana no fiarovantena entitsika, saingy marefo izany; izay tsy anomezan-tsiny be fahantany... fa ho soa lavo hahay mamindra.

Sao misy mitompoteny fantatra amin'ny ilay voambolana hoe "ANDRON'NY MAZAVA IZAO", saingy hizingiziniko fa tsia, ny talohan'izao andro iainantsika izao no ANDRO MAZAVA; rehefa mifampivoady, mifanaiky dia tsy misy fanoherana na famadihana fa hajaina sy toavina izany; ankehitriny nefa rava tsikelikely io foto-pisainana mendrika io; ka mahatonga fifanoheran'ny mpiara-belona ary indrindra fa mampifandrafy ny mpianakavy mihintsy.

Ny fanontanianao moa manao hoe: marina ve fa hoe maha mal chance ny miaraka @ taranaka andevo?
Dia tsoriko aminao fa tsy anganongano izany tsiakory fa tena misy ary avy hatrany dia mihantra; na aminao na amin'ny taranakao...satria teny na ozona mipetraka io.

9. milamm ( 24/02/2011 14:00)
fisainana notovozina t@ androny mpanjaka izany tsy mifanaraka ny rafimpiarahamonina mila avaozina ny lafiny fitoviantsaranga sy ny zo ary sata mifanaraka taonjato 21, saranga noforonina arapiarahamonina anavahana ny malagasy sy ampisarahana azy mba tsy hizarazarany harena teo antanan'olombitsy dia navadiky ny sasany teo aloha oe fomba sy arahina ozona mihintsy aza. Na ireo taranak'andriana any @ firenena matanjaka monarchy koa aza manana io fomba mba itazomany ny ra tsy mifangaro any aminy (mbola misy aza firenena sasany any ivelany mijoro @ zao fotoana manana azy ireo toy ny canada, u.k, australia sns antsoiny oe house of lord/dean of lord eo anivony fitondrampanjakana mahaleo tena mahefa sy manapaka ary manolotsaina). tsara tsipihina mazava efa nisy tafiakatra araky ny tantarampirenentsika taorinany rep1 @ magistrature supreme (nakahalainy ireo club des 48 taranakandriana) ilay rainy demokrasia marina ary novonoina ilay maherifo sy ny fanatenana nitsilopilopy nitsioka avy @ ilay Malagasy nahilika fa taranakandevo.Raha ny zo fototra sy ny fahafahana dia mitovy tsy misy hafa intsony (zao aza reo andrina godrakaka indray no voalatsa fa tsy ny taranak'andevo zany tsony...), fehiny marina io koziny bob lazainy soanja io oe ny toetsaina no manandevo ny olona sy ny vatany fa tsy ny hafa ka raha mety aminy namanao ny manambady olona tiany na aiza fiaviny de tsy tokony ho olana mipetraka zay vavany spekta any
10. kamongo ( 24/02/2011 16:16)
Slt daôly,
Dia marina avokoa ny zavtra lazainareo rehetra. Efa nalefako @ namako ny conversation tsika d efa namaly izy fa nanomé hery be azy ny hevitra avy @nareo. Tonga saina izy oe ny RARniny mintsy no manao toe tsaina mirefarefa. Ay oy izy ny olona mivoatra tokony ts hanana toe tsaina toy izany.Aiza v d considérer na hôtra tsy an isan ny fianakaviana tsony izy noho lay izy nanambady andevo.
Misaotra betsaka antsika rehetra fa nankahery ny namako ny hevtirareo.
soanja:

kamongo:

Bjr daholo,
tsy zany fa misy meilleure amieko manambady taranaka andevo vô veti2, d ts navelan ny RARneny izy fa oe maha mal chance hono. @ko aloha ts mitombina io principe io ! Inona ny hevitrareo???

Ity misy fahendrena Amerikanina iray izay isan'ny imatimatesako. Raha sanatria misy olona manambany olona indrindra raha resaka razana sy volon-koditra ary voajanahary dia indro atolory azy ny fahalalana.

"We hold these truths to be self-evident, that all men are created equal, that they are endowed by their Creator with certain unalienable Rights, that among these are Life, Liberty and the pursuit of Happiness."

Raha afohezina io dia milaza hoe izay olombelona rehetra dia namboarin'ilay Nahary hitovy ary manan-jo hiaina sy halalaka ary koa hikaroka izay mahasambatra azy.

Omeo tso-drano faran'izay tsara indrindra ao amponao ilay namanao dia ahita ianao fa hanana ny anjara mahasoa ao amin'ny tokatrano izy ireo raha manankina ny fiainany amin'Andriamanitra.

11. vale ( 25/02/2011 22:02)
Ny fanontanianao moa manao hoe: marina ve fa hoe maha mal chance ny miaraka @ taranaka andevo?
Dia tsoriko aminao fa tsy anganongano izany tsiakory fa tena misy ary avy hatrany dia mihantra; na aminao na amin'ny taranakao...satria teny na ozona mipetraka io.

----------------------------------------------

TSY Lôjika izany, fa avy aiza ny destin, chance, etc fa tsy avy amin'A/tra nahary izao tontolo izao?! resakin'ny RATSY fisainana izay te hanaratsy ireo olona nadevozina ireo fotsiny izany, satria fahamenarana ho an'ilay fianankaviana ohatra ny manambady azy ireny satria heveriny fa : tsy sahala amin'ny olombelona rehetra! mampalahelo, tena mbola tsy nahita porofo ho amin'izany alo ra za manonkana e, sady tsy logique izany e, ny chance dia natao ho an'ny olona rehetra, fa tsy hoe "Andevo" akory ilay olona dia mitondra "poisse" izay!!
Ary mba inona avy ary hoe izany "malheur" hoetin-ny fanambadiana ny andevo izany!!
Hihihihi, mampiome loatra! Ary raha iteny enao hoe: ny tsinin'ny Ray aman-drenin'ilay no sakanana, na ny fianankaviana nanankana, dia tena mbola tsy mitombona mihintsy satria ny olombelona dia "toy ny ladimboatavo ka iray ihany no fototra", izay efa hain'ny malagasy tsara (satria ny MLG saika mpino dhl) dia i Adam et eve izany, ka ahoana ary no lazaina fa mitondra "poisse" zareo ireo?! resaka foronin'ireo mpanankana fotsiny izany fa tsy mitombona, Lol.
12. vale ( 25/02/2011 22:07)
Hoy i Kamongo>

Efa nalefako @ namako ny conversation tsika d efa namaly izy fa nanomé hery be azy ny hevitra avy @nareo. Tonga saina izy oe ny RARniny mintsy no manao toe tsaina mirefarefa. Ay oy izy ny olona mivoatra tokony ts hanana toe tsaina toy izany!
---------------------------------------
100% d'accord aminy koa aho ry kamongo, ny oul mamorona an'izany mints no manana fisainana mirefarefa!
13. soanja ( 26/02/2011 04:07)

Ireo olona miteny andevo andevo ao Madagasikara ireo dia matetika tsy ny fanandevozana taloha no eritreretiny fa te hanavakava-bolokoditra fotsiny. Ny fotsy sy ny mainty ary ao koa tsy mahalala mihitsy izay zavatra resahiny mihitsy.

Fa raha zohina mantsy ny tantarantsika ry izy mianakavy dia isankarazany ny karazan'andevo taloha tao Madagasikara ary nisy dia nisy tokoa ny andevo fotsy fihodirana nohon'ny antony maro samihafa.

Ka ahoana ny ahalalana hoe taranaka andevo ity sy ity satria samy nisy daholo ireo karazam-bokoloditra ireo? Tsy dia tsara ny iverenana intsony hitanisana izany eto fa toa mampalahelo ihany ny mahita ny tsy fahalalana ka mahatonga ny olona lasa misaina mirefarefa.
14. majesty ( 26/02/2011 07:23)
1) fa inona ilay atao hoe andevo ???
2) fanamarihana : nilaza ireo mpandinika fa avy ao Afrika no nihavian'ny olona voalohany, araka ireo tsongo-dia sy fanadihadiana natao ;) inona izany ny volon-koditr'ireo olona voalohany ireo hummm !!!
3) teto Madagasikara no tena novoizina ilay hoe rehefa mainty sy ngita volo hono dia andevo ;) kanefa Rangita sy Rafohy anie ka Mpanjaka e, nefa inona ny volon-kodiny ??? ary i Andrianampoinimerina ??? toa hafa koa ny volon-kodiny, ;)

Efa lany andro amiko izany andevo sy andriana izany fa aleo tsy voizina intsony fa efa tsy nahasoa no mbola tsy ahasoa antsika ;)

15. vale ( 26/02/2011 13:09)

[quote=soanja]

Ireo olona miteny andevo andevo ao Madagasikara ireo dia matetika tsy ny fanandevozana taloha no eritreretiny fa te hanavakava-bolokoditra fotsiny. Ny fotsy sy ny mainty ary ao koa tsy mahalala mihitsy izay zavatra resahiny mihitsy.

Fa raha zohina mantsy ny tantarantsika ry izy mianakavy dia isankarazany ny karazan'andevo taloha tao Madagasikara ary nisy dia nisy tokoa ny andevo fotsy fihodirana nohon'ny antony maro samihafa.

Ka ahoana ny ahalalana hoe taranaka andevo ity sy ity satria samy nisy daholo ireo karazam-bokoloditra ireo? Tsy dia tsara ny iverenana intsony hitanisana izany eto fa toa mampalahelo ihany ny mahita ny tsy fahalalana ka mahatonga ny olona lasa misaina mirefarefa.
----------------------------------------------------------------

Misaotra Soanja nanohy ny hevitra, fa saika hanohy hameno izay tsy voalazako teo aho ka tena voalazanao daholo ny tiako mbola niverenana, hi hi hi ;-)
16. soanja ( 27/02/2011 04:51)
Vale> tsy misy fisaorana aky fa dia faly mifandray aminareo eto. :)
17. soanja ( 27/02/2011 04:56)
majesty:

1) fa inona ilay atao hoe andevo ???
2) fanamarihana : nilaza ireo mpandinika fa avy ao Afrika no nihavian'ny olona voalohany, araka ireo tsongo-dia sy fanadihadiana natao ;) inona izany ny volon-koditr'ireo olona voalohany ireo hummm !!!
3) teto Madagasikara no tena novoizina ilay hoe rehefa mainty sy ngita volo hono dia andevo ;) kanefa Rangita sy Rafohy anie ka Mpanjaka e, nefa inona ny volon-kodiny ??? ary i Andrianampoinimerina ??? toa hafa koa ny volon-kodiny, ;)

Efa lany andro amiko izany andevo sy andriana izany fa aleo tsy voizina intsony fa efa tsy nahasoa no mbola tsy ahasoa antsika ;)

Manao ahoana i majesty,

Marina mihitsy. amiko olona efa lany bala no mbola mamohy io toetsaina mampalahelo io satria ny azy efa lany atoraka dia iny sisa ny kipikipiny handatsahana ny hafa.

Faly mahita an'i majesty eto indray!
18. bazylou ( 27/02/2011 13:20)

amin'ny fomba tsy miangatra ary fijery tsy mitongilana ary fo madio,

valio ity fanontaniana ity.

" ianareo vehivavy malagasy na lehilahy malagasy ve sahy manam bady mainty hoditra kokoa noho ianareo????""( afrikanina, andevo, ..........)
Raha ny firazana ataloh ano jerena dia tandremo fa misy andevo fotsy an
19. dadasy ( 27/02/2011 15:51)
Inona moa no tsy ahasahiana an'zany? za efa nitety an' Afrika atsinanana, atsimo ary avaratra, nahita fa misy tsara tarehy sy manam-panahy tokoa ny mainty hoditra. Raha ho ahy, tsy hitako izay problema tsy hanambadiana mainty hoditra raha mbola afaka manambady sy/na raha mbola tsy manambady ilay olona. mbola tsy henon'i bazylou angah le hoe "black is beautiful"? Ny vazaha aza miraparapa mitady azy ireny! Ary farany, aoka ho fantantsika fa raha vao mivoaka an'i M/kara isika ka mandeha any @ firenena tsy afrikana, dia voasokajy ho mainty foana, na dia fotsy ohatra ny vovontsavony aza ny tarehinao. Saino.
bazylou:

amin'ny fomba tsy miangatra ary fijery tsy mitongilana ary fo madio,

valio ity fanontaniana ity.

" ianareo vehivavy malagasy na lehilahy malagasy ve sahy manam bady mainty hoditra kokoa noho ianareo????""( afrikanina, andevo, ..........)
Raha ny firazana ataloh ano jerena dia tandremo fa misy andevo fotsy an
20. soanja ( 01/03/2011 22:33)

Odryyyyy!!!!

Raha mbola afaka natao mainty kokoa ny misy aza ny vadiko dia tena nataoko saingy akory atao io tsy fotsy tsy mainty io no hoditra nomen'Andriamanitra azy ka dia izay nifaliako.

Amiko aloha dia mety afaka hanambady olona iray aho na ao anaty maizina azy izahay roa e! Satria ny mivoaka ny vavany sy ny ataon'ny sandriny/ vatany no handrefesako azy!

Samy manana ny fitiavany ny olona ary inoako koa fa ny anjara no mandamina koa ny fifanintonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1784