ZARAO ILAY ANJARA
1. ydifas
(
23/02/2011 09:48)
Faly mandroso eo amin'ny toerana amakianao izao hafatra izao ny tenako. Isaorana Ilay Ray Tsitoha nanome antsika izao fotoana izao.
Teo am-pametrahana fanontaniana indrindra isika hoe: Anisan'ireo voavonjy ve isika sa tsia?
Voalaza ombieny ombieny fa "...izay mino sy atao batisa no hovonjena..." (Marka 16/16) ary "...izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra..." (Jaona 1/12).
Ndeha isika hiverina amin'ny fototra. Iza moa Ity hoe raisina Ity? Ary ahoana ny fampandrosoana Azy ao am-po?
Mazava ho azy fa i Jesosy io voalaza io. Izany hoe izay mandray an'i Jesosy dia tonga zanak'Andriamanitra ary ny zanaka no mpandova sy mpiray lova amin'i Jesosy (Romana 8/17)
Hatramin'izay aho dia naka sary an-tsaina hoe "Lehilahy lava volo, miendrika vazaha" no mandòndòna eo am-baravaran'ny foko (Apokalypsy 3/20). Diso anefa aho satria izaho no namorona io sary io araka ny hevitro fotsiny sy ny sary hitako teny rehetra teny (na tamin'ny horonan-tsary izany na sary). Raha ny marina izany dia sampy no hevitr'io (Deoteronomia 4/15 - 19). Ialao izany raha toa izany koa isika.
Ity no fanalahidy: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Jaona 1/1. Izany hoe "Teny" = Andriamanitra
Ahoana ary ny fomba fandraisana an'i Jesosy?
Ao amin'io Jaona toko voalohany io ihany: "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana." Jaona 1/14. Noho izany, Andriamanitra tonga nofo i Jesosy.
Voalaza etsy ambony fa izay mandray Azy (an'i Jesosy) no tonga zanak'Andriamanitra.
Raha atambatra ireo rehetra ireo dia hoe: izay rehetra mandray (na manaiky sy mankato) ny Tenin'Andriamanitra dia natsangana ho zanak'Andriamanitra ary ny zanak'Andriamanitra dia handova ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay (satria mpandova ny zanaka = izay an'Andriamanitra dia an'ny zanany).
Raha miteny izany isika hoe "mandray an'i Jesosy" dia manaiky ny teniny sy mankato izay ambarany rehetra no heviny. Fantatsika tsara fa ny Tenin'Andriamanitra dia ny baiboly. Noho izany, raiso ny Tenin'Andriamanitra (Jesosy), raiketo ao am-po ary iaino izany Teniny izany.
Mino aho fa voaraintsika tsara ilay fanazavàna.
Miverina amin'ny resaka famonjena isika:
"Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy" Romana 10/17.
Voalaza fa " ...izay mino sy atao batisa no hovonjena". Tsy afaka ny hino ny olona raha tsy ambara aminy ny fahamarinana ary tsy ho afaka ny ho voavonjy izy raha tsy toriana aminy ny famonjena.
Ny asam-pamonjena nataon'i Jesosy no ambara amin'ny mpiara-belona amintsika. Ambarao azy fa tena tia azy ireo Jesosy ary nanolotra ny ainy hamonjena azy ireo tahaka ny namonjena antsika ihany koa.
"Dia hahamaro ny taranaÂkao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany reheÂtra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" Genesisy 26/4
Raiso izany teny fikasan'Andriamanitra ho antsika izany. Amafisiko izany ary mitso-drano anao aho: Ho fitahiana ho an'ny ankohonanao anie ianao ka hahataona ny isam-batan'olona ao an-tokatranonao handray an'i Jesosy mba handraisany ny anjara famonjena ho azy.
Fotoana izao ry havana malala hizarantsika izany famonjena izany amin'ny havantsika sy ny ankohonantsika.
Ny fototenin'ny teny hoe "firenena" dia "RENY". Noho izany, manomboka ao an-tokatrano no iandohan'ny fitahiana dia avy aminao izay efa voavonjy izany. Ambarao ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ho an'ireo izay manaiky sy mankato ny handray izany famonjena izany. Asehoy azy ireo fa tena miaina ny tenin'i Kristy isika. Farany, aza hadino ny mivavaka ho azy ireo, angataho ny Fanahy Masina hikasika sy hahataona azy ireo ho ao am-balan'i Kristy satria :"...tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro" Zakaria 4/6
Anjarantsika no mieritreritra: Zakatsika ve raha ny havantsika no any amin'ny fahaverezana mandrakizay? Tsy mahafaly antsika ve ny miara-miaina mandrakizay sy midera an'Andriamanitra eo anilan'ireo havantsika?
Raiso ho andraikitra ho antsika manomboka izao ny hanambara ny famonjena amin'ireo havantsika ireo. Tonga fitahiana ho an'ny firenena no tso-drano ary manomboka ao an-trano izany. Ny firenena aza voavonjy noho isika mainka ve fa ny ao an-trano?
Koa mirary soa antsika hizara sy hampita ny "afom-pamonjena" amin'ny olona rehetra indrindra fa ny havana sy ny ankohonantsika. Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra mandrakizay.
Hafatra:
"Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory hianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba; fandrao manao ratsy hianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy, na sarim-biby izay ety ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka, na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany. Ary andrao raha miandrandra ny lanitra hianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona hianao hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra." Deoteronomia 4 / 15 - 19

novalian'i majesty ny 03/03/2011 08:39
2. lagoon
(
23/02/2011 13:03)
tandremo fa mety rasta be miaraka dreadlocks ilay Mpamonjy ka sao dia lavinao rehefa tonga izy.
3. majesty
(
26/02/2011 07:33)
Fanontaniana : fa aiza marina Jesosy ankehitriny e! fa angah tsy efa niakatra any an-danitra indray koa ao raisina ao am-po @ ahona ?????
Fakafakao ihany ;)
Fakafakao ihany ;)
4. niryna
(
27/02/2011 05:10)
majesty:ahoana no fieritreretan'i majesty azy kosa aloha e,mba zarao izay fantatrao dia ho tohizana miandalana ilay izy ok
Fanontaniana : fa aiza marina Jesosy ankehitriny e! fa angah tsy efa niakatra any an-danitra indray koa ao raisina ao am-po @ ahona ?????
Fakafakao ihany ;)
5. niryna
(
27/02/2011 05:16)
ydifas:misaotra anao nizara fa mazava be ilay izy
Faly mandroso eo amin'ny toerana amakianao izao hafatra izao ny tenako. Isaorana Ilay Ray Tsitoha nanome antsika izao fotoana izao.
Teo am-pametrahana fanontaniana indrindra isika hoe: Anisan'ireo voavonjy ve isika sa tsia?
Voalaza ombieny ombieny fa "...izay mino sy atao batisa no hovonjena..." (Marka 16/16) ary "...izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra..." (Jaona 1/12).
Ndeha isika hiverina amin'ny fototra. Iza moa Ity hoe raisina Ity? Ary ahoana ny fampandrosoana Azy ao am-po?
Mazava ho azy fa i Jesosy io voalaza io. Izany hoe izay mandray an'i Jesosy dia tonga zanak'Andriamanitra ary ny zanaka no mpandova sy mpiray lova amin'i Jesosy (Romana 8/17)
Hatramin'izay aho dia naka sary an-tsaina hoe "Lehilahy lava volo, miendrika vazaha" no mandòndòna eo am-baravaran'ny foko (Apokalypsy 3/20). Diso anefa aho satria izaho no namorona io sary io araka ny hevitro fotsiny sy ny sary hitako teny rehetra teny (na tamin'ny horonan-tsary izany na sary). Raha ny marina izany dia sampy no hevitr'io (Deoteronomia 4/15 - 19). Ialao izany raha toa izany koa isika.
Ity no fanalahidy: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Jaona 1/1. Izany hoe "Teny" = Andriamanitra
Ahoana ary ny fomba fandraisana an'i Jesosy?
Ao amin'io Jaona toko voalohany io ihany: "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana." Jaona 1/14. Noho izany, Andriamanitra tonga nofo i Jesosy.
Voalaza etsy ambony fa izay mandray Azy (an'i Jesosy) no tonga zanak'Andriamanitra.
Raha atambatra ireo rehetra ireo dia hoe: izay rehetra mandray (na manaiky sy mankato) ny Tenin'Andriamanitra dia natsangana ho zanak'Andriamanitra ary ny zanak'Andriamanitra dia handova ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay (satria mpandova ny zanaka = izay an'Andriamanitra dia an'ny zanany).
Raha miteny izany isika hoe "mandray an'i Jesosy" dia manaiky ny teniny sy mankato izay ambarany rehetra no heviny. Fantatsika tsara fa ny Tenin'Andriamanitra dia ny baiboly. Noho izany, raiso ny Tenin'Andriamanitra (Jesosy), raiketo ao am-po ary iaino izany Teniny izany.
Mino aho fa voaraintsika tsara ilay fanazavàna.
Miverina amin'ny resaka famonjena isika:
"Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy" Romana 10/17.
Voalaza fa " ...izay mino sy atao batisa no hovonjena". Tsy afaka ny hino ny olona raha tsy ambara aminy ny fahamarinana ary tsy ho afaka ny ho voavonjy izy raha tsy toriana aminy ny famonjena.
Ny asam-pamonjena nataon'i Jesosy no ambara amin'ny mpiara-belona amintsika. Ambarao azy fa tena tia azy ireo Jesosy ary nanolotra ny ainy hamonjena azy ireo tahaka ny namonjena antsika ihany koa.
"Dia hahamaro ny taranaÂkao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany reheÂtra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" Genesisy 26/4
Raiso izany teny fikasan'Andriamanitra ho antsika izany. Amafisiko izany ary mitso-drano anao aho: Ho fitahiana ho an'ny ankohonanao anie ianao ka hahataona ny isam-batan'olona ao an-tokatranonao handray an'i Jesosy mba handraisany ny anjara famonjena ho azy.
Fotoana izao ry havana malala hizarantsika izany famonjena izany amin'ny havantsika sy ny ankohonantsika.
Ny fototenin'ny teny hoe "firenena" dia "RENY". Noho izany, manomboka ao an-tokatrano no iandohan'ny fitahiana dia avy aminao izay efa voavonjy izany. Ambarao ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay ho an'ireo izay manaiky sy mankato ny handray izany famonjena izany. Asehoy azy ireo fa tena miaina ny tenin'i Kristy isika. Farany, aza hadino ny mivavaka ho azy ireo, angataho ny Fanahy Masina hikasika sy hahataona azy ireo ho ao am-balan'i Kristy satria :"...tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro" Zakaria 4/6
Anjarantsika no mieritreritra: Zakatsika ve raha ny havantsika no any amin'ny fahaverezana mandrakizay? Tsy mahafaly antsika ve ny miara-miaina mandrakizay sy midera an'Andriamanitra eo anilan'ireo havantsika?
Raiso ho andraikitra ho antsika manomboka izao ny hanambara ny famonjena amin'ireo havantsika ireo. Tonga fitahiana ho an'ny firenena no tso-drano ary manomboka ao an-trano izany. Ny firenena aza voavonjy noho isika mainka ve fa ny ao an-trano?
Koa mirary soa antsika hizara sy hampita ny "afom-pamonjena" amin'ny olona rehetra indrindra fa ny havana sy ny ankohonantsika. Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra mandrakizay.
Hafatra:
"Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory hianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba; fandrao manao ratsy hianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy, na sarim-biby izay ety ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka, na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany. Ary andrao raha miandrandra ny lanitra hianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona hianao hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra." Deoteronomia 4 / 15 - 19
ny anampiko azy kely fotsiny angamba dia hoe : raha tsy Atra no mitsidika ny fon'ny olona dia tsy andray Azy izy. Izay no nahatonga ny fanoharan'i kristy hoe misy manana sofina kanefa tsy mandre,manana maso kanefa tsy mahita,rehefa manamafy ny fo izany ny olona dia omeny safidy eny ihany,tonga avokoa ny mpizara ny tenin'Atra fa e.e. ny ataoko ihany no ataoko e.Satria isika tsy natao hanova olona(asan'Atra io ) fa natao hizara ny tenin'Atra.
Raha olona tsy mino an'Atra no zarainao ny tenin'Atra dia toy rano mitete eo amin'ny lamosin-gisa fotsiny izany na hoe henoy izany ry azon-damosina
isika no taratra,isika no sira,isika no jiro manazava ny manodidina antsika rehetra,ka tarafo ny olona,tandremo sao tsy ampy sira ary ny jiro dia ataovy ho avo mba hanazava ny rehetra.
Izany hoe afaka mizara ny tenin'Atra isika ary mijoro ho vavolombelona ho azy ireny rehefa manontany izy fa ny fihetsika,ny asa,ny fiteny ,ny fiainana iray manontolo dia efa ampy ilazan'ny olona iray fa tsy mitovy azy ireo isika
io no mba fijeriko aloha fa dia ahitsiho aho raha tsy izay e
6. majesty
(
03/03/2011 08:39)
hoy nyrina : hoana no fieritreretan'i majesty azy kosa aloha e,mba zarao izay fantatrao dia ho tohizana miandalana ilay izy ok
... raha handeha aho dia irahiko ny Mpananatra ho aty aminareo ....
Valiny : Jesosy any an-danitra fa ny Fanahy masina no eto anivontsika ankehitriny, izany hoe tsy I Jesosy no ao-pontsika izany fa ny Fanahy masina (valiny maimaika io anjaranao ny manohy ny sisa rehetra)