FIADIANA MAHERY VAIKA

1. ydifas ( 08/02/2011 11:36)
Faly manoratra ho antsika indray ny tenako. Tononina amintsika sy ny ankohonantsika ny fahasoavan'i Kristy omban'ny fiadanany.
Efa nambarantsika fa tsy hiady aman'olona no niantsoana antsika ("... tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà..." Efesiana 6/12) fa hiady amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra dia ny devoly izany.

Manoro antsika ny sain-dalin'i satana sy ny fitaovam-piadiana hanoherana ity farany indray Andriamanitra anio.
Amin'ny maha-fahavalo ny devoly dia tsy faly ny hiadanantsika izy. Miandry kendry tohana antsika eny rehetra eny.

Rehefa avy nihinana ilay voankazo vaorara i Adama sy Eva dia nifanilikilika teo. Samy niala andraikitra. "Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony". Genesisy 3/14 - 15
Ny sarin'ny "menarana" dia ny devoly ary ny "vehivavy" dia ny fiangonana (isika no tarana-behivavy).
Manontany antsika aho: aiza no misy ny tongotra? tsy eny ambany? eny amin'ny tany? Manambara mazava tsara ity teny ity fa hatreo amin'ny tongon'ny taranaky ny vehivavy no hany takatry ny devoly. Tsy mahatakatra ny fotsika izy, tsy mahatratra ny saintsika izy.
Fetsy anefa ny devoly. Mampiasa ny tahotra izy, mampitahotra ny olombelona mba tsy hananany toky an'Andriamanitra.

Angamba tadidintsika ny tantaran'i Davida sy Goliata (1 Samoela 17). Nihantsy ady ny zanak'Isiraely ny Filistina (sarin'ny devoly) tamin'ny alalan'i Goliata: "Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro" 1 Samoela 17/16. Nihorohoro ny miaramila sy ny vahoaka manontolo: "ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy" 1 Samoela 17/24. Na ny mpanjaka aza dia natahotra ihany koa nefa olom-boahosotr'Andriamanitra: "Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra" 1 Samoela 17/11
Fantatr'i satana tsara fa amin'ny alalan'ny retsika (na "cinq sens": ny hita maso, ny ren'ny sofina , ny tsiro, ny fofona ary fahatsapana) no ahafahana handavo antsika olombelona. Raha mandinika isika dia eo amin'ny loha ny ankamaroan'ireo retsika ireo. Izany indrindra no anoroan'ny tenin'Andriamanitra antsika hoe: "ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan''ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;" Efesiana 6/17

Ny tahotra no fahavalon'ny finoana voalohany indrindra. Mamporisika antsika handray fitaovam-piadiana mahery vaika Andriamanitra dia ny finoana sy ny famonjena nataon'i Jesosy izany. Tsarovy fa mahery lavitra Ilay Mpanavotra antsika.
Hitantsika eny rehetra eny ny asa fampihorohoroana ataon'i satana. Mandefa krizy maneran-tany izy. Manahy isika fa ho tapaka ny fanampiana sy ny famatsiana iraisam-pirenena. Aza mino izay lazain'ny olona, aza mivadi-po noho ny tranga eny rehetra eny. Ireny no zana-tsipika alefan'ilay ratsy. Ataony izay hampatahotra antsika.
Tsy haiko na efa nisy fotoana isika natahotra fa raha ny amiko aloha dia tena malemy ny lohaliko, midobodoboka mafy ny foko, tsy mahavita misaina intsony aho ary tena tsy mahetsika mihitsy aza. Alaivo sary an-tsaina: tsy mahavita na inona na inona ny olona ao anatin'ny tahotra fa efa resy tanteraka. Toa izany no fitaovana ampiasain'i satana hamelezana antsika. Tsarovy koa fa izay matanjaka sy manana tetik'ady tsara indrindra no mandresy amin'ny ady. Izay malemy sy manaiky lembenana dia anjakan'ny matanjaka.

Mino anefa aho fa tsy izaho sy ianao izay efa manana ny ampinga hiarovana ny tratra (ny fo) dia ny finoana sy fiarovan-doha hiarovana ny saina no mety hampitahorin'ny devoly (Efesiana 6/17).
Tsarovy fa isika no tokony hanitsakitsaka azy satria eny amin'ny tongotsika izy (Genesisy 3/14 - 15)
Isika no tokony hanapaka azy. Izany hoe manana fahefana hibaiko ny satana isika (Genesisy 4/7: "Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren'ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy".)

Ankehitriny dia mangataka amintsika Andriamanitra hitoky Aminy, hifikitra Aminy, hino Azy sy ny Heriny ary izay lazainy. Handeha araka ny sitrapony mandrakariva ary indrindra indrindra handray sy hampiasa ny finoana sy famonjena ho fitaovam-piadiana hanoherana ilay ratsy.
Efa ao anatitsika "Ilay Fitaovam-piadiana Mahery Vaika" dia Jesosy Ilay manam-pahefana hampandositra ny fahavalo (devoly). Efa nomena Azy ny Fahefàna any an-danitra sy ety an-tany (Matio 28/18) satria "Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao" Salamo 110/1
Mamporisika antsika indray aho handray Ilay "Fitaovam-piadiana Mahery Vaika": Tsy misy dikany eo anatrehany ny olana misy eo amintsika. Noho izany, aza matahotra fa hamonjy antsika Izy. Nanao ahoana ny niafaran'i Goliata? toa izany no hamontsanany izay mitsangan-ko fahavalontsika dia ny devoly izany. Fahavalo efa resy ny devoly, koa aza manaiky ampitahoriny intsony isika.

Aoka ho an'Ilay Tompon'ny Fahefana faratampony mandrakizay ny voninahitra.
novalian'i majesty ny 26/02/2011 08:01
2. bacouli ( 09/02/2011 15:45)
Tsy ratsy ilay zavatra lazainao fa au niveau humain sarotra be ilay miady amin'ny devoly ,fa hasiana finoana é!
3. Dan23 ( 25/02/2011 11:41)
Tsara loatra ny zavatra teneninao ry ydifas,tsy adino le tenin'Tompo hoe"raha manampinoana toy ny voatsinapy ianao na ny tendrombohitra aza voakisakao".rehefa izay,ny didy lehibe indrindra dia ny hoe "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny sainao rehatra ary amin'ny herinao rehetra"fa refa io no tanteraka ao aminao dia ho hitanao fa ho voatandrinao daholo ny zavatra rehetra ary efa miambina sahady ianao
4. majesty ( 26/02/2011 08:01)
amen !
amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4923