Dia ahoana indray ity ry zareo?

1. niryna ( 07/02/2011 17:26)
Indraindray hoy aho izay raha tsy mitandrina dia mety hiteniteny foana an!


Ny amboa ve no fady manao lamba sa
Ny amboa sy ny lambo ve no tsy mety miaraka mihitsy
sa ny lamba tafiana no tsy azo atao miamboha ? ( any ivoho)

Dia ahoana izany no fiteny raha ireo teny ireo no ilaina dikany?
Misy mantsy milaza hoe fady damba amin'ny amboa
misy indray fady amin'dambo sy ny amboa ooops
ary misy indray miteny hoe fady amim-damba miamboha
ahitsiho aho e
novalian'i niryna ny 25/02/2011 15:49
2. soanja ( 07/02/2011 21:00)

niryna:

Indraindray hoy aho izay raha tsy mitandrina dia mety hiteniteny foana an!


Ny amboa ve no fady manao lamba sa
Ny amboa sy ny lambo ve no tsy mety miaraka mihitsy
sa ny lamba tafiana no tsy azo atao miamboha ? ( any ivoho)

Dia ahoana izany no fiteny raha ireo teny ireo no ilaina dikany?
Misy mantsy milaza hoe fady damba amin'ny amboa
misy indray fady amin'dambo sy ny amboa ooops
ary misy indray miteny hoe fady amim-damba miamboha
ahitsiho aho e


Raha ny fahaizako azy dia " Fadin-dambo amin'amboa" satria ny Ntaolo fahizay na ny foko sasany hatramin'izao dia mbola mihaza lambo. Rehefa handeha hiaza ry zareo dia misy karazana alika na amboa izay natokana foentina na miaraka ho namana mihaza amin'izy ireo. Misy fadifady mifandraika amin'ilay fihazana ary miditra an-tsehatra amin'izany ny alika mpihaza na ny amboa. Zany hoe misy fombafomba atao alohan'ny handeha hiaza. Rehefa mahazo koa na maty ny lambo na haza ny lambo dia misy faritra na hena ao amin'ilay lambo tsy hanin'olombelona fa omena ny amboa na ny alika ary fady ny mihinana azy satria lasa tezitra ny zanahary mpanome ny lambo raha toa ka tsy mahazo izany anjara izany ny alika niasa mafy tamin'izay. Ka eo no niseho ny fiteny satria indraindray dia te ho tia tena ny mpihaza dia te hitondra mody ilay hena. Io hena io dia any anaty ala dia efa omena ny alika fa tsy miandry an-tanana akory, ary misy koa anjara omena ilay ala nazahoana ny hena. Dia teo amiko no nahatonga ny fitenenana hoe "fadin-dambo amin'amboa"

Mety misy manana hevitra hafa anefa.

Mbola mitohy amin'io ihany ilay fiteny hoe " Izay miaraka amin'ny lambo dia amboalambo" zany hoe samy manana ny andraikiny avy ny amboa natao hihaza ary ny lambo moa natao ho hazain'ny olona sy ny amboa ary ho sakafo rehefa avy eo. Ka raha ny amboa no tsy mahalala izay tokony ataony fa manjeny miaraka amin'ny lambo dia lazaina fa "amboalambo" zany hoe samy ratsy avokoa. Ny alika mantsy tamin'ireo Ntaolo ireo dia namana koa amin'izay natao tany anaty ala tany.
3. soanja ( 07/02/2011 21:02)
Ny voay sy ny alika no mpirafy amin'ny fisainan'ny Ntaolo anefa fa tsy ny amboa sy ny lambo.
4. niryna ( 25/02/2011 15:49)

soanja:

Ny voay sy ny alika no mpirafy amin'ny fisainan'ny Ntaolo anefa fa tsy ny amboa sy ny lambo.


misaotra betsaka soanja a,azafady fa izao indray aho vao afaka niditra tato

ny saka sy ny totozy tsy mety miaraka mihitsy
ny saka sy ny alika koa saingy raha miray trano izy ireo dia miaraka ihany ka

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1482