Ny trano nahavokisana .....

1. niryna ( 29/01/2011 05:07)
Misy ohabola iray izay toa ohatran'ny diso ny fitenin'ny olona azy ka dia mba ampio kely hoe azafady

Rehefa manasa olona isika dia miteny ny vahiny hoe andao amin'izay andeha ry zareo fa ny trano nahavokisana hono .........dia ahoana no fieritreretanareo ny tohiny
misaotra mialoha
niryna
novalian'i niryna ny 06/02/2011 00:04
2. nannie ( 29/01/2011 05:28)
... tsy ipetrahana ela ? Izaho koa aza mba gaga amin'iny fiteny iny...
niryna:

Misy ohabola iray izay toa ohatran'ny diso ny fitenin'ny olona azy ka dia mba ampio kely hoe azafady

Rehefa manasa olona isika dia miteny ny vahiny hoe andao amin'izay andeha ry zareo fa ny trano nahavokisana hono .........dia ahoana no fieritreretanareo ny tohiny
misaotra mialoha
niryna
3. AndriambyII ( 29/01/2011 08:01)
Tsy misy hitovizany sy hifandraisany @ ilay hoe ny hava-tiana tsy hiaraha-monina ve io any ananona any ? hi hi hi !! sao dia tsy ho voky intsony any aoriana any rehefa tena tratry ny hanoanana be , dia aleo aloha mba ho mandrimandry sy hilamindamina kely ny tompon-trano havana é !! Toa ifanaovana foana izy io tsinona , indraindray ao aminao , indraindray any @ hafa !Dia ohatr' izay foana .
4. mirananirina ( 29/01/2011 09:12)
Matetika rehefa lany ny sakafo dia lasa ny vahiny....dia miteny izany izy ireo.za aloha tsy mba miteny an io mihitsy eh :) fa tsy azoko ilay lazainao hoe misy diso
5. pissoa ( 29/01/2011 10:36)
"Ny tany no nahavokisana, ny tsihy no nipetrahana ela" no izy ! Mitovitovy amin'ilay hoe "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriana no tsara" raha ny fahalalako azy.

Toy izany koa ny hoe : "Ny ela no maha reroy" no izy, raha ny fahalalako, fa tsy hoe "Ny ela maharay roa" ! Toy ilay hoe "Ny havan-tiana tsy iaraha-monina" ihany io, izany hoe rehefa mifanakaiky ao foana dia teraka amin'izay ny fifanondroana molotra hoe "reroy".

:)
6. booboo ( 31/01/2011 14:10)
Hay ve izany ny dikan'ilay reroy ! misaotra nizara. Tsisy hoe zaime izy ity :-°)
7. mirananirina ( 01/02/2011 12:51)
Hay va re ka hoe ny ela no maha reroy fa tsy hoe ny ela maharay roa eh!!!!
8. soanja ( 04/02/2011 02:19)
Ny fiteny hoe " tsy mandray ravin-dena" dia diso koa fa ny fiteny dia " tsy mandray ravin-DENO"

Inona moa "Ny Leno." Nampiasain'ny Ntaolo na ny Malagasy io ravina io hanaovana loko. Ka raha mikasika azy dia lasa miloko ny tanana. Ny olona tsy te haloto tanana no tsy tia mandray ravin-deno tamin'izany fotoana izany. Amin'izao moa ilay fiteny niova satria mety vitsy ny mahalala ny leno.
9. samoana ( 04/02/2011 17:32)
Ny fahendrena malagasy manamafy hatrany- raha sakafo no resahana- fa tsy fanao ny mampiseho toetra tenda-kanina. Isika dia " mihinana mba ho velona fa tsy velona mba ihinana . Rehefa mahandro sakafo dia atao misimisy hatrany sao misy vahiny tonga tampoka. Tsy azo atao ny mijery azy fotsiny satria ny "kibo tsy mba lamosina" ka na "valala iray (aza ) ifanapahana".
Na dia tobaka sy matsiro aza anefa ny kaly aroso dia tsy manao fihinanan'adala fa minia manao mody voky rehefa tsapa fa ampy hamonjena fodiana izany. Mangata-dalana amin'ny tompon-trano amin'izay satria ny fijanonana ela midika fa tsy namely loatra ny nahandro dia mbola miandry fanampiny hafa.
10. niryna ( 05/02/2011 23:55)

nannie:

... tsy ipetrahana ela ? Izaho koa aza mba gaga amin'iny fiteny iny...
niryna:

Misy ohabolana iray izay toa ohatran'ny diso ny fitenin'ny olona azy ka dia mba ampio kely hoe azafady

Rehefa manasa olona isika dia miteny ny vahiny hoe andao amin'izay andeha ry zareo fa ny trano nahavokisana hono .........dia ahoana no fieritreretanareo ny tohiny
misaotra mialoha
niryna

Manahoana daholo indray o.
Ifonako fa misy teny kely latsaka eo ambony,fantatrareo ihany anefa ny teny tiako tenenina
io efa nahitsiko kely io " ohabolana " fa tsy "ohabola"
Dia io tenenin'i nannie io foana matetika no filazantsika azy
Toa miteny hoe voky aho ka aleo amin'izay andeha e
Tsy izay anefa no tiana ho tenenina
Ny tsihy no tsy ipetrahana ela,ny antony aloha dia asa ? toy ny hoe salon angamba ilay tsihy ka simba na mongo ilay seza raha mipetraka elabe eo foana asa aloha hi,hi
11. niryna ( 05/02/2011 23:58)

AndriambyII:

Tsy misy hitovizany sy hifandraisany @ ilay hoe ny hava-tiana tsy hiaraha-monina ve io any ananona any ? hi hi hi !! sao dia tsy ho voky intsony any aoriana any rehefa tena tratry ny hanoanana be , dia aleo aloha mba ho mandrimandry sy hilamindamina kely ny tompon-trano havana é !! Toa ifanaovana foana izy io tsinona , indraindray ao aminao , indraindray any @ hafa !Dia ohatr' izay foana .
asa aloha fa ilay hevi-teny mihitsy no tiako ho tohizana,tsy ipetraha ela hoy ny fiteny kanefa ilay tsihy izay ipetrahana ela no tiana ho tenenina eto
12. niryna ( 05/02/2011 23:59)

mirananirina:

Matetika rehefa lany ny sakafo dia lasa ny vahiny....dia miteny izany izy ireo.za aloha tsy mba miteny an io mihitsy eh :) fa tsy azoko ilay lazainao hoe misy diso
marina tanteraka izany ,fomba mba hilazana ny tompontrano hoe aleo amin'izay izahay andeha kanefa ilay teny lasa diso ny fihevitra azy raha dinihina kely
13. niryna ( 06/02/2011 00:02)

pissoa:

"Ny tany no nahavokisana, ny tsihy no nipetrahana ela" no izy ! Mitovitovy amin'ilay hoe "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriana no tsara" raha ny fahalalako azy.

Toy izany koa ny hoe : "Ny ela no maha reroy" no izy, raha ny fahalalako, fa tsy hoe "Ny ela maharay roa" ! Toy ilay hoe "Ny havan-tiana tsy iaraha-monina" ihany io, izany hoe rehefa mifanakaiky ao foana dia teraka amin'izay ny fifanondroana molotra hoe "reroy".

:)
tonga soa indray aky pissoa a
misaotra anao fa izay ilay izy.Io izany ry zareo no tokony ho fiteny an, tsy hoe hipetraka ela eo isika na hoe ipetrahana ela fa ilay tsihy no nipetrahana el
Sarotsarotra ihany tokoa anie ry zareo ny teny gasy e
14. niryna ( 06/02/2011 00:04)

booboo:

Hay ve izany ny dikan'ilay reroy ! misaotra nizara. Tsisy hoe zaime izy ity :-°)
izay indrindra ,misaotra an'i soanja koa isika nanome teny hafa tokony ho fantatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2481