ADY
1. Ydifas
(
28/01/2011 08:28)
Ho amintsika anie ny fiadanan'i Kristy
Tohizantsika ny hafatra tamin'ny farany (Mitsangàna: http://forum.serasera.org/forum/message/m4d3a9fe38c4b1). Rehefa nasaina nitsangana isika dia vonona handeha sy hiatrika ny haizina alefan'ny fahavalo dia satana izany.
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakàna sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra". Efesiana 6/12.
Andro farany izao: manao izay fara - heriny ny devoly handavoana ny olona sy hampitomboana ny miaramilany. Maro no voafitaka sy voataonany hiala amin'Andriamanitra na ny olom-boafidy aza (Marka 13/22)
Zaraiko indray ity tantara kely izay reko tamina toriteny ity:
Nanao veloma mandrakizay ny namany ity tovolahy iray fa hoe handeha ary tsy hifankahita intsony izy ireo. Talanjona ilay namany ka nanontany azy: handeha ho aizy ise? ho any am-pitan-dranomasina? hamono tena?
Tsia hoy izy, handeha any amin'ny toerana tsy misy devoly aho fa leo be ny fiainako.
Nihomehy ilay namany ary nilaza taminy fa tsy hahita toerana tsy misy devoly izy. Ho faty tokoa ise raha izany hoy izy.
Marina tokoa izany ry hava-malala. Raha mbola eto amin'ity izao tontolo izao ity dia eo foana ny devoly: eny amin'ny rivotra izy hoy ny teny; isika nefa tsy maintsy mifoka rivotra mba ho velona. Hevero izany fa isaky ny mifoka rivotra isika dia eo koa ny devoly.
Ny tiana hambara dia hoe: manoloana antsika sy eny amin'ny tontolo misy antsika eny dia mandefa fakam-panahy ny devoly. Mety ho amin'ny zavatra hitan'ny masontsika izany, mety amin'ny alalan'ny zavatra renesintsika izany, mety ilay asa ataontsika mihitsy aza...
Izany indrindra no ivononana mandrakariva satria tsy maintsy hisy ny fifanoherana (mitolona hoy ny voalazan'ny teny). Voalaza etsy ambony fa mitolona amin'ny fanahy ratsy isika.
Ny olana ara-pitiavana dia vahana amin'ny fitiavana, ny olana ara-bola dia vahana amin'ny vola, ... Toa izany koa, ny tontolon'ny fanahy dia misy olana, misy ady ary amin'ny Fanahy no entina mamaha sy miady amin'izany.
Rehefa miady dia tsy maintsy manana fitaovam-piadiana ny olona iray. Ny antsika zanak'Andriamanitra dia ny Fanahy Masina no apinga (fiarovana) sy sabatra hoenti-miady amin'ny fanahy ratsy sy ny fakam-panahy alefany. Diniho fa miroborobo fatratra ny asan'ny maizina manodidina antsika.Tsy hahatohitra ny fanahy ratsy sy ny fakam-panahy isika raha tsy manana ny Fanahy Masina. Mila mifoha amin'izay isika hiady.
Tsarovy fa rehefa miady koa dia ny matanjaka sy ny mahery ihany no mibata ny fandresena. Ny zaza dia azo avilivily amin'izay saina ibaikona azy satria mbola kely izy ary tsy mbola manana hery. Ny zaza dia tsy mbola ampy fahalalàna ka azo atao amin'izay itiavana azy. Tambitamby sy ronono no levon'ny vavoniny. Toa izany ny ara-panahy.
Tonga amintsika ny fahalalàna ary fantatsika tsara fa Mahery lavitra ny Fanahy Masina mihoatra ny herin'ny devoly. Noho izany, meteza isika ho olon-dehibe amin'izay, meteza hitombo amin'ny fiarahana amin'Andriamanitra. Ny olon-dehibe dia mahalala ny zavatra tsy maintsy atao sy ny zava-dehibe (important) fa ny zaza dia milalao.
Toa izao ny dingana tsotsotra amin'ny fitomboan'ny zanak'Andriamanitra: nateraka indray, zaza ara-panahy, tanora fanahy ary miaramilan'i Kristy. Sampona raha mijanona ho zaza foana ny olona iray. Ny ara-panahy dia mitovy tsy misy valaka amin'izany. Jesosy koa dia nandalo fahazazàna fa tsy tonga dia olon-dehibe namita ny asany.
Fehiny: Mandrovi-tsihy ny devoly handavoana ny olombelona. Alefany ny fahantrana, korontana, fifandirana, fahavetavetana... Fahafatesana mandrakizay no miandry izay lavony. Aza manaiky intsony fa ndeha hifoha sy handray Fitaovam-piadiana hoenti-manohitra izany asa ratsy mahafaty izany. Fanahy Masina no tanjaka sy ampinga ary sabatra handresena ny devoly. Angataho fa homena antsika maimaimpoana Izany Fanahy Masina izany.
Noho izany, aza mivoaka ny trano raha tsy efa feno ny Fanahy Masina, aza manomboka asa raha tsy efa heniky ny Fanahy Masina, aza manatrika olana raha tsy efa nandray ny Fanahin'i Jehovah, aza manomboka n'inon'inona raha tsy efa manana ny Fanahy Masina ho Fitaovam-piadiana fa ny devoly dia mitady izay harapany ary tsy misangy izy, izay azony dia tsy amelany fa ataony manompo azy (fatorany amin'ny fahotàna maro).
Farany, izay maharesy ny fakam-panahy dia handova an'Andriamanitra, hahazo satro-boninahitra.
Hafatra:
"Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany" 1 Petera 5 / 8
"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?" Lioka 11 / 13
"Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly." Efesiana 6 / 11
"Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany." Apokalypsy 3 / 21
"Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako." Apokalypsy 21 / 7

novalian'i niryna ny 06/02/2011 00:55
2. Ilo
(
01/02/2011 11:49)
Misaotra @ fampahatsiahivana sy famporisihana fa indraindray varimbariana rehefa sempotry ny olana ka tsy manaiky ny fiasan'ny Fanahy masina ka mora tafihin'ny devoly.
3. mirananirina
(
01/02/2011 13:06)
Ka zay zany le t@ mbola kely hoe eo ankavia demony,moa ny eo ankavanana Andriamanitra
5. niryna
(
06/02/2011 00:55)
Misaotra nizara ,mila mihomana mandrakariva isika ary kristy efa naharesy ny fahavalo satria efa fahavalo resy ireny.Mila mivavaka mandrakariva,fenoina ny teny masina,mangataka amin'Atra no anomezany ny Fanahy Masina hiaraka antsika ary mampiasa izany tenin'Atra izany amin'ny fiainana isan'andro ka mizara ireo izay mbola tsy mahalala ilay famonjena na manadino na varimbariana.Ny jironao no fanazavana ny manodidina anao ka raha mazava hianao dia hazava koa ny manodidina anao .