Mba ampio kely aloha fa fanina e

1. Aynah ( 15/01/2011 23:55)
Misaotra mialoha amin'ireo mamaly sy manampy hevitra!Tratrin'ny taona aloha e!
Izao ny olako ry zareoa! Mba tratra ihany aho na dia niseho ho mafy saina aza! Nisy olona niaraka tamiko efa tamin'ny 2007-2008, tena nifankatia be izahay,nefa nisara-toerana, izy tany, zà taty! Tratrin'ny problème technique amizay aho fa tapitra ny projet niasako, dia tsisy intsony koa ny vola, tapaka ny fifampiantsoana matetika satria tsisy nividianana crédit, tapaka ihany koa ny fihaonana matetika tato aoriana satria tsisy frais ivezivezena, tapaka daholo ny cadeau cadeau madinika... Nentina am-bavaka ny tohin'ny tantara nefa indrisy fa nihanangatsika ny fifandraisana, nanaraka koa ny fitiavana. Nanjary nandaingalainga madinika teny izy, niafara tamin'ny lainga vaventy am-bolana maromaro, dia tapaka tanteraka ilay kofehy... Tsy andriny izaho tsy niasa, tsy nanam-bola... Nahita hafa izy dia niady irery teny aho sisa. Nifamela izahay, dia nilokaloka hoe ho mpinamana be! Tsy zakako anefa ilay problem satri za tena nitia an'azy mafy mintsy, izy koa "hono"! Dia niavona sisa no nataoko, nijaly be za, niezaka nanadino, nanova fijery, tsy novaliako intsony na ny appel-ny na ny sms, nodorako daholo izay momba azy, novaiko ny num-ko...Nodiako tsy nofantarina intsony ilay hoe"mpinamana be"... Nandalo ny 2009, nandalo ny 2010, tonga ity ny 2011, tsy ampahafantariko azy fa mijaly be za isa-maraina vao mifoha dia ny anarany no ao an-dohako, isa-minitra isan-tsegondra dia feno azy ao anaty saiko ao, mandram-patory... Tsy vitako mihintsy ny hanova fitiavana hatreto fa dia tena niezaka nanao repos ny foko na dia mi-résiste be aza! Singany irery za hatrizao. Nisy olona niaraka tamiko ihany tao aorianany fa tena tsy mety ny saiko fa ohatrin'ny lasa vazivazy fotsiny dia misaraka foana satria ny saiko sy foko tena mbola any aminy... Amin'izao moa efa niverina amin'ny laoniny ny situation-ko arak'asa, ara-bola, nefa .... mbola banga ihany le fiainako...tsy eo izy... Za anefa tsy te ifandray aminy intsony satria mafy ny nentiko zay! Izy koa tsy haiko na matérialiste na ahoana... Mba toroy hevitra za anadinoako azy raha tokony ho adinoiko izy, sa ve tokony itady za? Za anefa sûr fa tsy ho vitako ny hisintona azy eny an-tratran'olon-kafa eny... Te hanao dingana zà hitia olon-kafa nefa otrin'ny tsy hitovy amin'ny fitiavako azy ilay izy dia manjary mampalahelo ny zanak'olona tsy manan-tsiny mandimby azy eo... SOS e! zao a mbola tsy matory fa mitady ze mba alokalokany kely aty anaty net no ataoko sao dia mba tazatazako ato ihany na dia ny endriny aza...Misaotra e! Aza omena tsiny fa tena tsy finidy e!
novalian'i vale ny 12/02/2011 00:44
2. vony501 ( 17/01/2011 06:37)
Faly miarahaba anareo tratry ny taona koa
Izao no hevitro momba ilay olanao :
- Tsy ianao no tian'ilay olon-tianao, fa ny volanao sy ny situation-nao
- Ny fitia toy ny ketsa, ka azo afindra
- Fitiavana no fanafodin'ny aretim-pitia
- Aleo ny fotoana no handamina ny fotoana
Soloy olon-kafa izy fa ho adinonao miandalana eo ihany. Izay ratsy nataony taminao sy izay mety mbola ho ataony aminao sainina ; hihamaty ny fitiavanao azy, ary hihamitombo ny fitiavanao ilay vaovao
3. Aynah ( 17/01/2011 22:23)
Merci beaucoup pour ta réponse, c'est gentil! Dorénavant, je vais essayer de l'effacer de ma mémoire et de la rayer carrément de ma vie! Tu as raison, merci encore!
4. mirananirina ( 18/01/2011 10:06)
Mitovy hevitra @ vony501..ny fanafody tsara indrindra dia ny fanaovana solony haingana,eritrereto daholo ny ratsy vitany dia halanao mainty izy.1 no lasa 10 manontany toerana sao adinonao!!

5. Herimiafina ( 18/01/2011 18:59)
Sarotra be ny manadino izany fa efa raiki-tapisaka ilaikely. Aza mbola misaoty kalou raha tsy misy parachute. Rehefa azo ny parachute dia izay vao manao bye bye.
6. ari.malala ( 19/01/2011 05:01)
Herimiafina:

Sarotra be ny manadino izany fa efa raiki-tapisaka ilaikely. Aza mbola misaoty kalou raha tsy misy parachute. Rehefa azo ny parachute dia izay vao manao bye bye.

tsy misy mafy tsy laitry ny zoto ry Herimiafina a! aza manakivy toy izany kosa fa le olona aza efa mba hoe hiezaka :-)
aza kivy zany kanjo ry namana fa vitanao io! ny fitivana ihany no fanafodin'ny fitiavana. Tsara b ilay naka repos d refa vita ny repos d manana départ vaovao d lasa izao! bonne chance
7. Tatypiso ( 20/01/2011 14:53)
Vehivavy aho no miteny aminao ary manamafy ireo voalazan' ny namana teo aloha. Maka namana vaovao ary aza miverina amin' ilay taloha intsony satria efa miharihary izao fa raha misy vola ihany ianao no ilainy. Ny fiainana sy fitiavana tsy voavidy vola koa aza manahy ianao fa ho adinonao izy ary tsy ho tsaronao akory fa ilay vaovao no hibahana ao amin' ny nofinao.
Mahereza
vony501:

Faly miarahaba anareo tratry ny taona koa
Izao no hevitro momba ilay olanao :
- Tsy ianao no tian'ilay olon-tianao, fa ny volanao sy ny situation-nao
- Ny fitia toy ny ketsa, ka azo afindra
- Fitiavana no fanafodin'ny aretim-pitia
- Aleo ny fotoana no handamina ny fotoana
Soloy olon-kafa izy fa ho adinonao miandalana eo ihany. Izay ratsy nataony taminao sy izay mety mbola ho ataony aminao sainina ; hihamaty ny fitiavanao azy, ary hihamitombo ny fitiavanao ilay vaovao
8. vifahninau ( 20/01/2011 16:08)
Tena marina izany, aza atao mibahana be ao anatina ny fisiany teo alou fa manaova hafa fa tsy mbola vadinao akory izy, dia ataovy izay itiavanao ilay vao2, ary zavatra hitanao fa lesoka t@ fiarahanao tamin'lay teo alou dia aza averina @ io faha 2io, fa lasa ianao no marary raha sanatria hanao ohatran'lay !er koa. Ny lelahy koa raha vao lazainao aminy fona hoe tiko ianao, tsy foiko sns... de ohatran manararaotra anao be zany izy , kanefa ny vevavy refa mitia de mitia de tena fitiavana arak'zay azony atao. Sarotra lay fitiavana, ary tena zay rehetra tsy mitandrina a, fa de mirary soa ho anao aho, mazahoa izay tena tsara dia ho lasa ho tokatranonao mitsy, tsy par interet fa tena amour
9. Aynah ( 20/01/2011 18:19)
Merci pour le conseil, cela me servira de leçons pour les jours à venir! Encore merci, je suis très touché et méme si je l'aime à fonds je vais devoir l'oublier! Merci encore.
vifahninau:

10. Aynah ( 20/01/2011 18:21)
Merci pour le conseil, cela me servira de leçons pour les jours à venir! Encore merci, je suis très touché et méme si je l'aime à fonds je vais devoir l'oublier! Merci encore.
Tatypiso:

Vehivavy aho no miteny aminao ary manamafy ireo voalazan' ny namana teo aloha. Maka namana vaovao ary aza miverina amin' ilay taloha intsony satria efa miharihary izao fa raha misy vola ihany ianao no ilainy. Ny fiainana sy fitiavana tsy voavidy vola koa aza manahy ianao fa ho adinonao izy ary tsy ho tsaronao akory fa ilay vaovao no hibahana ao amin' ny nofinao.
Mahereza
vony501:

Faly miarahaba anareo tratry ny taona koa
Izao no hevitro momba ilay olanao :
- Tsy ianao no tian'ilay olon-tianao, fa ny volanao sy ny situation-nao
- Ny fitia toy ny ketsa, ka azo afindra
- Fitiavana no fanafodin'ny aretim-pitia
- Aleo ny fotoana no handamina ny fotoana
Soloy olon-kafa izy fa ho adinonao miandalana eo ihany. Izay ratsy nataony taminao sy izay mety mbola ho ataony aminao sainina ; hihamaty ny fitiavanao azy, ary hihamitombo ny fitiavanao ilay vaovao

11. ledala ( 22/01/2011 17:41)
Faly miarahaba anao. Tsy misy diso ireo zay voalaza etsy ambony.Ra azoko tsara ny fototry ny fisarahanareo dia ny fifandraisana raha izany ny fanafodiny dia miverina mifandray, Ianao no nanova ny laharana, ianao zany no nanapaka ifotony, niova izy nefa nefa na izany aza, ambonin'izany efa miverina amin'ny laoniny ny mahakasika anao.Azonao andramana tokoa ny miaraka amin'ny olona hafa mba hanadinoana azy, mety ho izay koa mantsy no niarahany amin'olona hafa.Tsy mora ny manadino nefa sarotra ny mamerina ny efa tapaka matetika. Tsy azo adinoina koa anefa fa misy ny anjara,; rehefa anjara io na hiodin-kovia na hiodin-kavanana tsy maintsy tanteraka, mazava ho azy ny mifanohitra amin'izay.
Fehiny: anjaranao ny manapak'evitra sady tohizo ny vavaka e, mangataha mba izay mahasoa no ho ataon'Andriamanitra ho anao.Ary dia mampahery anao.
12. Aynah ( 22/01/2011 17:47)
Misaotra betsaka! Mirary soa! Marina ny voalazanao fa manova no mety dia Andriamanitra no manome ny anjara!
ledala:

Faly miarahaba anao. Tsy misy diso ireo zay voalaza etsy ambony.Ra azoko tsara ny fototry ny fisarahanareo dia ny fifandraisana raha izany ny fanafodiny dia miverina mifandray, Ianao no nanova ny laharana, ianao zany no nanapaka ifotony, niova izy nefa nefa na izany aza, ambonin'izany efa miverina amin'ny laoniny ny mahakasika anao.Azonao andramana tokoa ny miaraka amin'ny olona hafa mba hanadinoana azy, mety ho izay koa mantsy no niarahany amin'olona hafa.Tsy mora ny manadino nefa sarotra ny mamerina ny efa tapaka matetika. Tsy azo adinoina koa anefa fa misy ny anjara,; rehefa anjara io na hiodin-kovia na hiodin-kavanana tsy maintsy tanteraka, mazava ho azy ny mifanohitra amin'izay.
Fehiny: anjaranao ny manapak'evitra sady tohizo ny vavaka e, mangataha mba izay mahasoa no ho ataon'Andriamanitra ho anao.Ary dia mampahery anao.
13. Djhamhal ( 07/02/2011 10:19)
amiko dia ny fanadinoinao azy tanteraka no vaha olana ! mafy ilay fana-pahakevitra nefa aleo mi soufre indray mandeha fa hahatsara ny ho avinao iray manontolo sy ny fo nao izay !ary hamafiso ny sainao tsy hierika aminy intsony ! mino tanteraka aho fa tsy maintsy ho avy tsy ho ela ilay anjaranao ! mahereza é!
14. vale ( 12/02/2011 00:44)
Aynah: bjr, ny fahafantarakao ilay sipanao indray dia égoiste, oe enao foana no miantso azy, ary rehefa tsy niantso azy enao dia navelany tany enao, anefa tokony mba hi-comprendre ilay situation izy raha tena tia anao marina (tsy manakivy za fa izay no fahitako azy), tsy dia mahasoa antsika vhv ny miaraka amin'ny lhl ohatr'izany, ny mifanohitra no tokony ho izy, marina fa lafo ny communication any m/car mankaty ivelany , fa tokony tsy nataony namadihana anao mints izany, satria izay ilay fitiavana, ary rehefa tsy misy ny compréhension, dia tsy misy ilay fitiavana ny dikany. Avelao any izany fa tsy mi-mériter anao ankory, lol!, tsy mora ny manadino anaz, marina izany, fa avec le temps tu finira par l'oublier, dia miaraha amin'olon-kafa, FA anefa tsy hoe, izay hitanao dia erahana, izay ilay ahatonga anao mbola tsy hanadino anaz, fa kosa izay itanao fa tena tinao iarahana (sy tia anao bien sur,lol!) , mandram-pahatonga anizay ftoana izay dia aza asina banga mints ny fotoana fa ataovy occupé foana, mihainoa musique betsaka, tena manampy hanadinoana problème koa ny musique, tandremo, tsy musique ahatsiarovana anzy a, lol!, ...bon courage! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3779