FIARABANA TRATRY NY TAONA SY FIHAONANA AMIN'I HERY

1. angotiko ( 29/12/2010 15:11)
miarahaba ny rehetra ô
hisy zany ny fiarabana tratry ny taonan'ny serasera dago sady fihaonana amin'ny sefo hery izay mandalo eto dago
ny fotoana zany dia ny alahady 09 janvier 2011! mbola daty io! io no daty mety aminy raha nifampiresaka taminy izahay!
ny zavatra zay ho atao na ny toerana tsy mbola fantatra aloha hhatramin'zao! ny antony dia miandry sosokevitra avy any amintsika tsirairay avy! koa raha manana sosokevitra ianareo dia amboray eto mba ahamora ny zay tokony atao! izahay koa miezaka ary hiezaka ny hitady zay tokony atao
misy olona maromaro koa henonay we tonga eto dago ka manasa anareo ho tonga!
azo atao ny mitondra vady amanjanaka! ho an'izay tsy manana any mety mahita lol hihihi
mba hanamora ny fikarakarana sy ny ny eo amin'ny fitaterana dia tokony ilaza mialoha izay andeha!
raha misy manana fiara dia afaka miteny ihany koa ahamora ny fandaminana sao mantsy zaka samy zaka isika ka amin'zay mety tsy haka fiara manokana raha ilaina
koa mila sosokevitra avy aminareo fa ny anay fanentanana
ny filazana manaraka amin'zay atao izany dia ho lazaina eto foana
misaotra indrindra sady makasitraka tsiky d ampy
kisssssssss sady fihina

novalian'i faly1974 ny 27/01/2011 15:09
2. naritsimba ( 30/12/2010 07:48)
Dia miandry izay soso-kevitra izany e, mba lazao mialoha ihany ny toerana raha azo atao ry angotiko hiomanana an!
Mirary antsika ho tratry ny faran'ny taona 2010 sy ny taona vaovao 2011.
3. angotiko ( 30/12/2010 14:07)
naritsimba: miara mitady fanga d izahay foana! fa mba jerevo koa eee
4. angotiko ( 31/12/2010 06:16)
miarahaba ny rehetra ô

ho an'izay rehetra handeha izany dia ilazana mba hiantso ireto num ireto!
0320459118 ravatorano
0343896549 angotiko
ny fantatra dia efa 12 no nisoratra anarana handeha
ny farany fisoratana anarana dia ny alakamisy 06 janvier 2011
samy mitondra ny sakafo sy ny rano sahaza ny tsirairay
afaka mitondra vady amanjanaka
ny fiara dia ho lazaina manaraka eto, arakaraky ny misoratra anarana
ny sarandalana sy ny toerana dia ho lazaina manaraka eto, satria ireo teorana noeritreretinay dia efa feno avokoa (raha misy maita toerana dia mba antsoy izahay)
misaotra
5. ouioui ( 31/12/2010 06:59)
Dia mirary soa anareo rehetra e
6. angotiko ( 03/01/2011 15:10)
inona moa fa ny mpitsidika ny maro anisa sa kamo dôly tsika
ny olona efa handeha moa zany d 18
7. naritsimba ( 04/01/2011 05:05)
Tratry ny taona daholo e!
Aiza 'lay toerana dia @ firy, zà aloha dia afaka e! dia soraty any ny anarako zany ry angotiko an!
8. angotiko ( 04/01/2011 12:07)
miarahaba antsika rehetra ô
momban'ny fiarabana tratry ny taona sy fihaonana amin'ny hery dia atao eny amin'ny ESPACE OASIS VONTOVORONA ny alahady 09 janvier 2011
toa izao ny programme:
FIANGANA: eo amin'ny VAVAHADY BE manoloana ny STADE MAHAMASINA amin'ny 8 ora sy sasany maraina tsy diso misy fiara hitatitra
FODIANA : amin'ny 5 ora hariva
1/ samy mitondra ny sakafo sy ny rano sahaza azy ny tsirairay (irarianay raha ampitoviana ny sakafo ka raha mety dia riz cantonnais), afaka mitondra tsakitsaky koa.
2/ny fandraisana anjara dia 6 000 ariary na 30 000 fmg : frais de transport + barbecue + fidirana ao amin'ny ESPACE:piscine + karaoke+dicotheque+beach volley+basket+billard+ping pong+baby foot.
ho anareo izay te hilomano dia aoka hitondra maillot (tsy eken'ny ESPACE ny tenue akoatran'ny maillot de bain)
ka mba afahana mandamina ny programme indrindra ny fiara dia hilazana isika mba hisoratra anarana amin'ireto numero ireto: ravatorano: 0320459118 angotiko: 0343896549
mirary antsika ho tonga marobe
misaotra indrindra
9. ravatorano ( 04/01/2011 12:27)
efa io voalaza io izany ny pro ry zareo fa anjaratsika sisa efa aty amit-sika reetra ny baolina koa tongava maro e !
10. angotiko ( 04/01/2011 16:22)
misy adinonay kely:
fa ho atsika rehetra zay handeha na mandeha fiara mitokana na miaraka amin'ny fiara iraisana dia mandoa ny paf: 6 000 ariary daholo
noho izany tokony hisoratra anarana daholo
efa ho 20 izao ny handeha
11. nirijimka ( 04/01/2011 17:57)
ekena e!
ho avy ny tenanay e!
12. ANARIM ( 05/01/2011 04:26)
krkrkrkrkrkrkrkrkrkrkrkkkkkrrrrrrr takizay natao tany aminay d mba afaka aho! any aminay koa anie mahafinaritra be e hin!!!
lol faly miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2011, dia mirary soa be dia be ho an'ny isam-batan'olona sy ny isan-tokantrano, Ilay Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hahatanteraka ny faniriana tsara ananantsika rehetra ka mba ho ity taona 2011 ity no ho tsara indrindra tamin'izay efa nodiavina rehetra!
Manoroka mamy anareo rehetra eto sady misento mafy satria dia raisina Mpandray ny Fanasan'ny Tompo amin'io daty io ao amin'ny FJKM Ilafy Fahazavana ny zanaka taiza ao an-trano mianadahy ka dia tena tsy ho afaka tonga any Vontovorona mihitsy! Raha akaikikaiky dia mety mba nitady fika ihany!
Mazotoa daholo dia !sintira ravatorano!
bizzz à toutes et à tous
13. rajojo ( 05/01/2011 05:43)
Tratran' ny taona daholo
milay be zany progany zany fa araka ny tenin'i ANARIM tsy mety angaha raha eto @ ville eto ihany no atao @ zay sur fa betsaka no hotonga satria mantsy mbola betsaka ny fianakams mbola ho vangiana de tsy maintsy mandeha mamangy
14. angotiko ( 05/01/2011 07:28)
miarahaba indray
io aloha izany no mety amin'ity eee amn'ny manaraka ita eo ihany! fanahinina mihitsy no nisitaka eto ville! mila rivotra vaovao sy fety milamidamina
betsaka ny manontany betsaka ny miatso fa araka ny volaza etsy ambony dia na mandeha fiara iraisana na mitondra fiaramanokana dia samy mandoa ny fandraisana anjara 6 000 ariary isan'olona
misaotra
15. yainna ( 05/01/2011 08:11)

angotiko:

miarahaba indray
io aloha izany no mety amin'ity eee amn'ny manaraka ita eo ihany! fanahinina mihitsy no nisitaka eto ville! mila rivotra vaovao sy fety milamidamina
betsaka ny manontany betsaka ny miatso fa araka ny volaza etsy ambony dia na mandeha fiara iraisana na mitondra fiaramanokana dia samy mandoa ny fandraisana anjara 6 000 ariary isan'olona
misaotra
16. monjy ( 05/01/2011 14:49)
Miarahaba anareo Tratry ny Taona 2011 daholo. Tsy afaka miaraka aminareo @ ny alahady,fa ny afanana avy any Dago no ampitao aty ,fa mangatsiaka ny Gasy Picarde eeeeeeeee!
17. tslem ( 06/01/2011 09:33)
Bjr daholo,

Ny ankizy koa ve mandoa an'ilay 30000fmg? zaza 7ans.

Misoatra ô!
18. Anhya ( 06/01/2011 10:12)
bonjour Hery, tratry ny taona, te handeha fa tsy fantatra oe @ firy de tena serieux ve lay izy e!
19. nirijimka ( 06/01/2011 10:44)
Anhya>> tena serieu io kah, tsy vazivazy akory fa tena hisy na inon-kidoan na inon-kitranga!
efa voalaza etsy ambony io ny programme fa dia antsoy i angotiko na ravato rah te handeh enao!

angotiko>> za mba hitondray kaly fa za tsy mahay mahandro!!!!!! sady za avec moto! zany an! ;-)
20. hnrajo ( 06/01/2011 10:55)
Tratry ny taona 2011 daloly e! Samia ambinintsoa sy fahombiazana ary ahita izay iriny sy tadiaviny homban'ny fitahin'Andriamanitra daloly!

Ianareo hiaraka any Vontovorona any : mampamangy any an-tanàna any e!

MWAOOOOOOOOOOO!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.15