Noelin Antananarivo

1. soanja ( 19/12/2010 14:27)
Niakatra antanan-dehibe indray aloha mba hijery izay mamiratra eto an-drenivohitra. Nitsidika ny Braderie teo Mahamasina aho satria nanantena mafy sao mba ahita ny miraitra ho amin ilay fiainana MahaGasy. Gaga tokoa anefa aho fa dia ny entana asiatika no nameno ny tsena ary hipoka mila hifandon_kiho ny mpijery lamaody. Ho aiza ary aho hoy aho anakampo fa tsy tazako ny zava- Gasy izay ankafiziko tokoa. Raha ho any amin ny Digue anefa dia tsenam bazaha ny any ary mety ho lafo tokoa ny vidiny. Tsy manahy fa aleo ny laoka no atao tsara voatra hoy aho ihany. Nanontany ny vidin akoho ka dia gaga aho fa mihoatra ny iray alina vao hahazo akoho tsy vantony akory fa azoko lazaina fa zanany raha ny eny an-tanany eny.
Aiza no misy ny mora sy azo iafiana ho an ny daholo be?
Nandeha nitsidika ny tsenan i Anosibe aho. Ao no misy ny varotra mbola azo hioriranina. Soa fa mbola gasigasy ny ao ary mbola ireo mahazatra ahy hitako any aminay no mpivarotra. Izay vao tadidiko fa hay ny olombelona mikatsaka ny manakaiky azy ihany vao milamina.

Ahoana ary re no ataoko raha izao fahazarana lalovako izao no hiverenako indray any ampita any e. Aoka aloha hovitaina sy hotiaviana ary hiravoravoana ny Noely aty aminay. Ireo feon- kisoa sy omby, ireo hirahiran ankizy amin ny takariva, ary ny orambatravatra sy dobodokoky ny varatra. Velombolo hatrany fa ho tonga ny Noely.
novalian'i ledala ny 06/01/2011 21:25
2. ledala ( 19/12/2010 23:24)
Ie somary nisy fiovana kely tokoa tato anatin ny folo taona na mihotra.Ny andrenivohitra nitady ny vita vazaha raha ny teo amin ny fiainana andavanadro eny na ny vary aza dia misy ny mitady ireny Stoky ireny.Tsy lazaina intsony ny resaka lamody sy ireo rendrarendra tsy mampiditra loatra fa mandany aza. Ny ambanivohitra ihany koa tsy tara fa manaraka akaiky ny an-drenivohitra, ohatra fotsiny ny telefonina, sy ireo maro hafa.Mety mapandroso tokoa ve izany rehetra izany sa izany no fandrosoana sahaza? asa re
Noely, samy mankalaza izany na andrenivohitra na ambanivohitra, samy mamonjy fiangonana, mampifaly ny ankizy, manao sakafo sy koranam-pianakaviana, eo indrindra aza no fotoana fiverenana any amin' ny tany nihaviana, lononan ny mpianakavy tafahaona e! vakansy rahateo moa ny mpianatra.
Ny mahalasa saina kely ahy de ity: rehefa ny vokatra no betsaka dia miha mora ny vidiny, rehefa ny mpandeha kosa no betsaka miha lafo ny sarany.Ho an'ny taxibe manokana aza dia mahavatra miverina eny amin'ny atsasa-dalana, izany angamba no solon 'ny fampiakarana ny sarany ho azy ireny! Soa fa tsy vokatra ny olona fa ny olona no vokatra.

3. dadabe ( 21/12/2010 00:46)
humm any dago nangaha Soanja ?? bisous ndry
4. ledala ( 06/01/2011 21:25)
eritreritra mandalo ve sa tena nisy izany rehetra izany??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2906