HAJAO ANDRIAMANITRA, ARY MATAHORA AZY

1. RBNIR ( 01/12/2010 13:54)
« Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao? » (Malakia 1:6)
répondu par RBNIR le 03/01/2011 06:58
2. bor2lais ( 01/12/2010 15:59)
Ny fanontaniana manitikitika eto dia hoe : inona no antsoina hoe manaja ?
3. RBNIR ( 02/12/2010 07:25)
bor2lais:

Ny fanontaniana manitikitika eto dia hoe : inona no antsoina hoe manaja ?

Faly miarahaba,
Hoy Jesosy Tompo indray andro,
« Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. » (Matio 15:8)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9)
Malahelo Andriamanitra, didin'olombelona no nentin'ny olona hampianarana ny olony fa tsy ilay Didiny nomeny intsony.
Raha hanaja Azy, ny Didiny no tokony ho tandremana (Tsy azo ampina, Tsy azo analana na ovaina araka ny mampety ny olona).

4. bor2lais ( 02/12/2010 13:27)
RBNIR:

Raha hanaja Azy, ny Didiny no tokony ho tandremana (Tsy azo ampina, Tsy azo analana na ovaina araka ny mampety ny olona).

Fehiny : tsy misy manaja Azy izany ny zanak'olombelona rehetra !! Zava-poana izany ny fitenenana hoe : raiso ny haja atolotray Anao ... sa ahoana ?
5. RBNIR ( 03/12/2010 08:05)
Faly Miarahaba,
[/quote]
Fehiny : tsy misy manaja Azy izany ny zanak'olombelona rehetra !!
[/quote]
Raha araka ilay ao amin'ny Mat.7:21 aloha tsy dia hoe ny zanak’olombelona rehetra no tsy hanaja an’Andriamanitra fa dia misy ihany no hanao ny sitrapon'Andriamanitra (satria ny Jesosy Tompo tsy mpandainga !)
[/quote]
Zava-poana izany ny fitenenana hoe : raiso ny haja atolotray Anao ... sa ahoana ?
[/quote]
Raha io teny io ihany (Mat.7:21) Tsy izay v ilay hoe manao Tompoko, Tompoko! Raha ohatra ka tsy hanantateraka ny Didiny akory ny olona?
6. bor2lais ( 03/12/2010 08:27)
RBNIR > tsy misy na 1 aza ange sahy hilaza fa mahatanteraka ny didy raha tsy diso aho. Ary toa izay aza no antony nahatongavan'i Jesoa teto an-tany raha tsy diso aho ! Sa ahoana ?
7. RBNIR ( 03/12/2010 09:16)
bor2lais:

RBNIR > tsy misy na 1 aza ange sahy hilaza fa mahatanteraka ny didy raha tsy diso aho. Ary toa izay aza no antony nahatongavan'i Jesoa teto an-tany raha tsy diso aho ! Sa ahoana ?

Ka mandainga ary v izany ny Tompo ry bor2lais?
Misy dikany angeh matoa Izy niteny hoe : « Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13).
Sy hoe « ...... Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. » (Apokalypsy 7:14).
Mahereza e! ho fampaherezana dia izao : izaho dia vavolombelona fa mora ary maivana tokoa ny ziogan'i Kristy. Tsy mpandainga ny Tompo ary tena marina ity nolazainy ity :
« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:29)
« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)
Ary tsy izaho irery fa olona marobe no efa nandray fanampahakevitra amin'izao fotoana izao hitondra io ziogan'iKristy io. Koa dia mahereza daholo fa ny hananantsika fiainana mandrak'izay no tanjon'ny Tompo mba tsy ahavery ny fanahintsika.


8. bor2lais ( 03/12/2010 14:09)
RBNIR:

Ka mandainga ary v izany ny Tompo ry bor2lais?


Aiza kosa e ! Tsy mbola niteny na nieritreritra an'izany mihitsy bor2lais ka !

Fanontaniana no napetrako hoe : "inona no antsoina hoe manaja?"

Dia namaly ianao hoe : "Raha hanaja Azy, dia ny Didiny no tokony ho tandremana ..."

Izay no nahatonga ahy nanamarika fa tsy misy mahatanteraka io fitandremana ny Didy io afa-tsy Jesoa irery ihany. Ary ireo tsimpona lazainao ireo dia mikasika na mifototra amin'ny ny finoana Azy ... Sa ahoana ?
9. sylvaine ( 05/12/2010 14:41)

« Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. » (Matio 15:8)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9)



Tena misy fahamarinany tokoa io,molotra mitatatata fa Jeso! Jeso!,nefa ao anaty fo ao,saina ratsy sy tia tena
10. RBNIR ( 06/12/2010 09:57)
bor2lais:

Izay no nahatonga ahy nanamarika fa tsy misy mahatanteraka io fitandremana ny Didy io afa-tsy Jesoa irery ihany. Ary ireo tsimpona lazainao ireo dia mikasika na mifototra amin'ny ny finoana Azy ... Sa ahoana ?


Faly miarahaba bord2lais a !
Matoa ny Tompo niteny hoe « ……….; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy. » (Matio 19:17) dia azo atao tsara izany ny manantanteraka ny fitandremana ilay didy e!.
Sa ts’izany hoy ianao?? : ny Tompo v dia hila voatsiary amin’ny olona hoe ataovy ity raha tsy azo tanterahina nefa Izy marina (Juste)??? Dia sanatria v hoe zavatra tsy azo tanterahina dia hoe ataovy izao fa raha ts’izany ianareo hovonoiko??? Tsy Andriamanitra lozaB kosa v Izy raha izany no ataony ???

Zava miafina ny fomba ahafahan’ny olona mitandrina io didy io (Izay marihiko mialoha fa tsy mitovy mihitsy amin’ny fomba fitandreman’ny jiosy sy ny fariseo ary ny mpanoradalana azy izay mihezaka ny manantateraka izany amin’ny alalan’ny herin’ny tenany fotsiny ihany an). Tsy ho vita io raha izany no eritreretinao hitandremana azy.
Zava-miafina nafenina tamin’ny jiosy sasany izay mafy loha tsy nety nino tokoa io (fa tsy ny jiosy rehetra akory ) fa nomena ny olona rehetra izay tena nino an’I Kristy.
Amin’izao fotoana izao dia averin’ny Tompo indray ny fampianarana azy io (jereo ao amin’ny profilako ao misy hafatra ho anao , izay hanoro anao ny olona iray nampianariny io zavamiafina io ary mizara io zavamiafina io amin’izao fotoana izao. Ny tena nahavariana ahy dia ao anaty baiboly, mazava tsara ilay lalana (chemin) saingy tsy notoriana taminao izany na taiza na taiza. Ary na hitan’ny masonao isan’andro aza tsy fantatrao akory ny dikany fa raha mino ianao ka hanaraka an’io fampianarana io dia hiteny ohatra ahy sy ny vadiko sy ny olona marobe koa ianao hoe: fa nahoana ary izany no tsy fantatro nefa kay tao ihany???
Ka hoy aho hoe mianara e! Afaka hitsara ianao: jereo ny Baiboly, rehefa mampianatra izy.
Tsy ho vitako eto kosa aloha ny hampianatra ilay izy e, Miala tsiny be dia be, ora maromaro no nianarako azy fa raha misy fanontaniana mikasika izay henonao ao dia izay no azoko valiana.
Farany ny tiako homarihina fotsiny dia ny tena antony hamerenanan’ny Tompo an’io fampianaran io dia satria efa antomotra dia antomotra ny andro izay hanantanterahan’Andriamanitra ny fahatezerany amin’ny olombelona ka hamaranany tanteraka ny tantaran’ity tany ity (vakio ny Zef.1 : 14:18) Voalaza fa amin’izany andro izany na ny lehilahy mahery aza (les heros ngamba no azo andikana azy otran’ireny «catcher» puissant b ireny e!) hitomany mafy (higogogogo an!) mainka ka isika olontsotra????
Samy hotahin'Andriamanitra anie isika rehetra
11. bor2lais ( 06/12/2010 10:49)
RBNIR:

Matoa ny Tompo niteny hoe « ……….; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy. » (Matio 19:17) dia azo atao tsara izany ny manantanteraka ny fitandremana ilay didy e!.
Sa ts’izany hoy ianao?? : ny Tompo v dia hila voatsiary amin’ny olona hoe ataovy ity raha tsy azo tanterahina nefa Izy marina (Juste)??? Dia sanatria v hoe zavatra tsy azo tanterahina dia hoe ataovy izao fa raha ts’izany ianareo hovonoiko??? Tsy Andriamanitra lozaB kosa v Izy raha izany no ataony ???

Misaotra anao miezaka manome fanazavana.

Ny olana kely eto fotsiny dia tsy notohizanao ilay andalan-tsoratra masina fa najanonao eo amin'io andininy 17 io ihany. Ny tohiny anefa dia toa mitantara fa nisy olona nilaza azy nahatanteraka ilay didy nefa toa diso ihany teo anatrehan'ny Tompo, sa ahoana ?

Izaho akory tsy "défaitiste" sanatria fa ilay teny hoe "didy" resahinao ho tandremana angamba no mety tsy azoko ka ialako tsiny.

Amiko mantsy dia toa mametraka "charrue" alohan'ny omby ihany ny fametrahana ny fitandremana ny didy ho laharam-pahamehana.

Raha ny fijeriko dia ny fifandraisana Aminy no zava-dehibe : ny sisa dia (tokony) manaraka ho azy raha tsara io fifandraisana io ! Ary isan'izany ny fifankatiavana satria ao aminao ny Fitiavana.
12. RBNIR ( 06/12/2010 13:08)
bor2lais:

Ny olana kely eto fotsiny dia tsy notohizanao ilay andalan-tsoratra masina fa najanonao eo amin'io andininy 17 io ihany.

Azontsika tohizana tsara ilay izy ka,
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hœ: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Matio 19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Matio 19:19)
Hatreto izany dia mazava tsara aloha fa izay ao amin’ny didy folo no didy tian’ny Tompo ambara hoe tanterahina raha te hiditra any amin’ny fiainana fa nampiany koa hoe Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Dia hotohizantsika ihany ilay izy :
« Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy? » (Matio 19:20)
« Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. » (Matio 19:21)
Tsy ampy an’ilay zatovo ny efa tafiditra ao amin’ny fiainana fa mbola niriny fatratra mihitsy koa ny hotanteraka. Ka dia nomen’ny Tompo Azy ny fomba ahazoany izany.
Ny nampalahelo anefa dia ny tohiny satria izao ny manaraka
« Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be. » (Matio 19:22)
« Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 19:23)
« Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Matio 19:24)
« Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hœ: Iza indray no azo hovonjena? » (Matio 19:25)
« Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hœ: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. » (Matio 19:26).

Amiko manokana nitondra lesona ho ahy io : mitaky ny handrosoan’ny olona lalindalina hatrany ny Tompo,
Ny tsapako hatramin’izay fotoana nanomboako nanolorako tena ho an’Andriamanitra izay dia manefy sy mikolokolo ny Tompo mba handrosoan’ny olona misymisy kokoa hatrany, noho izany raha mahatsapa ianao fa efa tonga amin’ny toerana iray dia mbola tian’Andriamanitra hatrany ny mbola hirosoanao bebekokoa mba hamohazanao misy misy kokoa hatrany ho Azy,
Amiko ny hampandroso (hahatonga azy ho tanteraka) ilay tovolahy ny nahatonga ny Tompo niteny io teny io taminy.
Tiany mbola handroso bebe kokoa hatrany ilay tovolahy (fandrosoana izay marihina fa zavatra tsy maintsy ataon’ny kristianina koa satria mampitahotra tokoa raha sanatria ka izaho no hovoakilasy ao amin’ilay teny hoe « Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa. » (2 Timoty 3:9)
Amiko tsy olana izany, sa ahoana hoy ianao ? ny tanjona dia ny hanehoana eo anatrehan’Andriamanitra fa vonona ny hanome Voninahitra Azy misy misy tokoa hatrany ianao. Sa tsy izany ?

Hiverenako kely iry ambony iry :
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hœ: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Matio 19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Matio 19:19)

Io angeh dia mitovy tsy misy valaka amin’ity notenenin’I Jesosy Tompo ity e :
« Ary Jesosy namaly hœ: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; » (Marka 12:29)
« koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). » (Marka 12:30)
« Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. » (Marka 12:31)
Hanaporofontsika izany dia izao :
« Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jaona 2:3)
« Izay manao hœ: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4)
« Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] » (1 Jaona 2:5)
Laharampahamehina tokoa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra satria fanantaterahana ny didy voalohany nomen’ny Tompo dia ny Hitiavana Azy.
Hitahy antsika rehetra anie Andriamanitra.


13. bor2lais ( 06/12/2010 14:42)
RBNIR:

Laharampahamehina tokoa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra satria fanantaterahana ny didy voalohany nomen’ny Tompo dia ny Hitiavana Azy.


Fehiny : ny valin'ny fanontaniako ery ambony ery hoe "inona no antsoina hoe manaja" izany dia ny mitia Azy raha azoko tsara ny zohin-kevitrao e ! Raha manontany anao indray ary aho hoe "ahoana izany mitia Azy izany" dia ho valianao hoe manajà ny didiNY ve ?
14. RBNIR ( 06/12/2010 14:47)
Laharampahamehina tokoa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra satria fanantaterahana ny didy voalohany nomen’ny Tompo dia ny Hitiavana Azy.
Hitahy antsika rehetra anie Andriamanitra.
Mbola nohamafisina ihany koa io tao amin'ny (1 Jaona 5:3) « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. ».
Mirary soa ho antsika rehetra ny tenako
15. Miharena ( 06/12/2010 15:16)
Ny fahamarinana momba ny fisiana mihitsy no tena tian'i Kristy lazaina amin'ny olona momba ny didim-pitiavana satria IRAY ao amin'ny RAY isika rehetra hoy IZY. noho izany dia mifankatia. Ny hevitra volavolain'ny tsirairay araka ny fari-pahalalany no manome didin'olombelona.

Ny fanajana voalohany indrindra dia ny fanajana ny tena izay nomen'Andriamanitra ary ny fidirana lalina dia famelomana ny fo amam-panahy mihitsy.
16. RBNIR ( 06/12/2010 15:35)
Miharena:

Ny fahamarinana momba ny fisiana mihitsy no tena tian'i Kristy lazaina amin'ny olona momba ny didim-pitiavana satria IRAY ao amin'ny RAY isika rehetra hoy IZY. noho izany dia mifankatia. Ny hevitra volavolain'ny tsirairay araka ny fari-pahalalany no manome didin'olombelona.

Salama Miharena,
Ny fifankatiavana aloha dia tena nandidian'i Kristy antsika tokoa araka ilay didy faharoa nomeny.
Fa ilay fanantaterahana ilay didy voalohany nomeny no nazavaiko hatrany amboalohany mba ahazoantsiaka sitraka marina eo imasony tokoa.
Satria tsy misy afatsy ny fitandremana ny didiny no ahafantsika milaza fa manantateraka an'io didy voalohany io isika araka ireo soratra masina nentina teto.
Samy hotahian'ny Tompo e!
17. fijo ( 29/12/2010 19:44)
aza taizana aminn'y tahotra izany ny olona fa ratsy e
18. RBNIR ( 03/01/2011 06:58)
fijo:

aza taizana aminn'y tahotra izany ny olona fa ratsy e

Faly miarahaba antsika tratry ny Taona vaovao indray, Ny Fahasoavan'ny Tompo anie ho ao amintsika rehetra,
Jesosy Kristy Tompo raha niteny dia tsy mba nitsitsy teny hotenenina satria tsy ny hampitahotra no nahatongavany fa ny hilaza ny marina mba tsy hahavoafitaka ny sain'ny olona ka hihomanany sy hiambenany mandrakariva.
Raha milaza ny marina mba hiomanan'ny olona sy hiambenany mandrakariva, tsy midika fa mampitahotra izany,
Ho tahin'ny Tompo anie, isika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3474