IZA RATSY FANAHY

1. rahery08 ( 30/11/2010 09:31)
Miarahaba ny namana rehetra!

Araka ny lohateny dia hoe iza no ratsy fanahy?
Fa hoy indrindra ny tenin'ny Tompo hoe:

« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)

Ny hahavelona antsika indrindra no nahatongavan'Jesosy Tompo!
ny hananan'tsika ny fiainana mandrakizay!

« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jaona 3:36)

Raha tsy mino an Jesosy Tompo ianao: izany hoe tsy miankina aminy, tsy miantehitra aminy, tsy mahatoky Azy, ary tsy manao ny sitrapony! dia mbola mitoetra ho ratsy fanahy ihany Ianao eo anatrehan Atra, ary mbola mitoetra aminao ihany ny fahatezeran'Atra!

Eo ampiandrasana ny Noely isika ankehitriny, fotoana indrindra hahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mpamonjy! tonga hamonjy Izao tontolo izao!

nefa etsy andaniny ihany koa, fotoana hiandrasana ny Tompo, ho avy eny @ rahon'ny lanitra, @ heriny sy ny voninahiny!
Ary raha ho avy Izy: ho avy hitsara ihany koa!
hoy Jaona Mpanao Batisa!
« Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (Lioka 3:9)

Koa ianao izay tsy manana ny Tompo Jesosy ankehitriny! meteza, handini-tena, fa mandalo izao fiainana izao sy ny filany , fa izay manao sitrapon'Atra no maharitra mandrakizay!

Mibebaha ianareo! ka minoa ny Filazan-tsara!





novalian'i Miharena ny 06/12/2010 06:44
2. rijadolly ( 30/11/2010 09:58)
Misaotra Rahery08 a!, Manana safidy ny ts11, nefa andraikitry izay efa mijoro ho vavolombelona ny manambara ny FilazantsaraNy, Ny asa fanadiovaNy hoan' izay manolotra ny loto na dia ny mavesatra indrindra aza, ny hatsarany izay efa nataoNy tamitsika,..., ary indrindra indrindra ny Toky NomeNY rahatrizay.
3. Miharena ( 01/12/2010 08:49)

Mibebaha ianareo! ka minoa ny Filazan-tsara!


Ity no tsongaina amin'ny fizaràna eto. Ny mibebaka sy mino ny filazan-tsara dia ny fanarahana ny fampianaran'i Kristy izay mandondona ao am-po. Ny fampitoerana AZY ao am-po no fibebahana voalohany indrindra ka ny sitrapoNY no hotanteraka amin'ny tsirairay avy.
4. sylvaine ( 05/12/2010 14:55)

Citation
Mibebaha ianareo! ka minoa ny Filazan-tsara!


Ity no tsongaina amin'ny fizaràna eto. Ny mibebaka sy mino ny filazan-tsara dia ny fanarahana ny fampianaran'i Kristy izay mandondona ao am-po. Ny fampitoerana AZY ao am-po no fibebahana voalohany indrindra ka ny sitrapoNY no hotanteraka amin'ny tsirairay avy


Iza @ izao no manaraka ny sitrapony?????Ataoko fa olona vitsy dia vitsy azo isaina @ ratsan-tanana!!Mafy loatra ny fiainana ka samy manao izay fantany sy tiany ny tsi11,na olona tsy mpangalatra aza lasa mpangalatra!olona tsy mpisoloko hatry zay niainany lasa mpisoloko???Aiza ho aiza ny didin'Atra na ny sitrapony????Tsy hita intsony,ravaaaa snif snif!!Misy aza ny sasany mangalatra toerana sy mamono olona mihitsy hitadiavana place...mbola mahasahy milaza fa Atra no nametraka ahy eto!!!!!Asa
5. Miharena ( 06/12/2010 06:44)
Miarahaba an'i Sylvaine!

Aza mitomany aloha fa mila fandinihina tsotsotra ny sitrapon'Andriamanitra e!
Ny tsy fahampiana ara-nofo na ny fangalarana dia mahazo ireo izay tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy sitrapoNy velively ny hampahantra fa sitrapon'ny olona tsy te-hiasa. Tsy sitrapoNY velively ny hahatonga ny olona hangalatra (na dia efa manam-be aza) fa sitrapon'ny olona andevozin'ny vola sy andevozin'ny fametsifetsena ny hafa.

Ka ilay izy angamba tsy hatao hoe tena sarotra fa mivavaka ho an'ireny mpanota ireny hibebaka aza no hatao araka ny Tenin'ny Tompo hoe: tsy tonga hiantso ny marina Aho fa tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka.

Dia mba mizara fa tsy mitoloko fotsiny eo.

Ilay izy koa moa ianao mihitsy aloha no miezaka manao tsara sy mitady izay mahasoa ny tenanao vao afaka ho hiampita any aminizay heverina fa tsy mahitsy lalana ny fahazavanao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0618