Ny fiangonana tsara indrindra
21. sylvaine
(
05/12/2010 15:01)
Zoanao izany ka! Fa tsy milaza izany fa ny anao irery no lalana mankany @ ilay tena marina
Ka samy mino sy manantena fa ny finoako no marina ny sisa demony!!!!nefa tsara hialana izany toetsaina lomorina izany,satria samy manana ny finoana nampianarina azy ny olombelona eran-tany.Ohatra omeko fotsiny,ny indo ohatra...mino mafy izy ireo @ finoany,na ny faty aza dorany avy eo satria ao aminy dia misy finoana 1 izay tsy hain'ny finonana hafa ka henjehina mafy ery.
22. infiny
(
06/12/2010 12:54)
RAR.DAGO:
Io infiny ohatran'ny mpanao gazety ihany a! izay manintona ihany no atao à la une! Ny tena tokony ho izy mantsy dia hoe "misy ve ny fiangonana tsara indrindra?" sachant que la réponse est la tienne
Marina izay saingy tsy maneo hevitra no atao fa miady hevitra :). Fa na izany aza ny valin'io fanontaniana hoe "misy ve ny fiangonana tsara indrindra" anie mety ho eny e, fa arak'ilay hoe
- Mon ami, je ne suis pas intéressé de savoir quelle est ta religion ou si tu es croyant ou pas...Pour moi, ce qui est important, c’est la façon dont tu agis avec les autres, ta famille, tes collègues de travail, ta communauté, et avec tout le monde…
dia mety ho maro be ilay izy. Mety ho tafiditra na tsia ny ahy (resp. anao :))
Miherana:
Tsy ny fiangonana marina no ratsy fa ny fanehoan'ny olona ny toetrany avy miainga amin'izay notoaviny.
:)
23. pissoa
(
10/12/2010 15:47)
Tsy ny fifandraisana amin'ny samy olombelona no tena tanjon'ny Fiangonana maro. Mety misy Fiangonana, na Finoana, na inona - izay tiantsika - mety ho izay fotsiny no tanjony, fa tsy ny rehetra akory.
Ny fifandraisana amin'ny samy olombelona dia endrika iray hisehoan'ny fifandraisana amin'Andriamanitra fotsiny. Raha tsy tafa ilay fifandraisana amin'ny manodidina, dia mazava ho azy, mila revizena kely ny lafiny roa : fifandraisana amin'ny manodidina sy Andriamanitra (Inoako fa betsaka ny manao an'izany, mety isan'andro mihitsy aza satria olombelona isika). Ny fahaizana mifandray amin'ny manodidina kosa nefa, amiko, dia tsy antoka hilazana fa efa manakaiky an'Andriamanitra isika. Betsaka dia betsaka tokoa ny olona mahafinaritra sy tsara toetra tsy mino ny fisian'Andriamanitra akory, ary maniratsira Azy amin'ny fomba mihaja (mihaja araka ny olombelona io, hi hi hi). Saingy tsy haiko aloha raha manatona an'Andriamanitra izy ireny na tsia.
Fehiny : Tsy important amin'ny fifandraisana amin'ny samy olombelona angamba ny Finoana / Fiangonana - fa ny hifandray amin'ny samy olona ve no tanjona ? Samy manana ny finoany ;)

24. RAR.DAGO
(
10/12/2010 18:48)
pissoa:
... Ny fahaizana mifandray amin'ny manodidina kosa nefa, amiko, dia tsy antoka hilazana fa efa manakaiky an'Andriamanitra isika. Betsaka dia betsaka tokoa ny olona mahafinaritra sy tsara toetra tsy mino ny fisian'Andriamanitra akory, ary maniratsira Azy amin'ny fomba mihaja (mihaja araka ny olombelona io, hi hi hi). Saingy tsy haiko aloha raha manatona an'Andriamanitra izy ireny na tsia.
Fehiny : Tsy important amin'ny fifandraisana amin'ny samy olombelona angamba ny Finoana / Fiangonana - fa ny hifandray amin'ny samy olona ve no tanjona ? Samy manana ny finoany ;)
euhhh!!! ahoana re no hilazàna izany e?
Raha raisina hoe Atra mitory fitiavana dia manantona azy isika raha mihezaka @ fahaizana miara-monina. fa raha miara-monina hiatsara-velatsihy fotsiny indray dia marina fa manalavitra azy. sa ve tsy izany no izy
25. Miharena
(
10/12/2010 20:21)
Izay no ilazana hoe mila fantarina mihitsy ny hafatra voalaza dia ny hoe "tiava ny fahavalonareo" sy ny hoe "izay nilaza tompoko tompoko tsy tafiditra ny fanjakana" fa izay mifankatia dia efa manatona an'Andriamanitra sahady. Ka tsy tokony horaisina amin'ny fomba mihatsaravelatsihy ny hafatra tiana hampitaina fa raisina tanteraka amin-kitsim-po.
Ny Kristiana no tokony hanana fahazavam-po betsaka indrindra fa tsy hifandramatra ara-kodin-kevitra.

26. pissoa
(
11/12/2010 12:30)
RAR.DAGO:
uhhh!!! ahoana re no hilazàna izany e?
Raha raisina hoe Atra mitory fitiavana dia manantona azy isika raha mihezaka @ fahaizana miara-monina. fa raha miara-monina hiatsara-velatsihy fotsiny indray dia marina fa manalavitra azy. sa ve tsy izany no izy
Ilay mihatsara-velatsihy efa iaraha-manaiky angamba fa tsy manatona Azy ka.
Fa raha mahay miara-monina amin'ny olona dia tsy tena sure aho hoe midika izany fa manatona Azy. Tsy ampy amiko raha izany fotsiny.
1 - Mety ho afaka manatona an'Andriamanitra ve raha tsy mino Azy akory, raha tsy mino ny fisiany ? Tsy fantatro. Fa izaho aloha tsy mino hoe afaka manatona ianao nefa ilay "atonina" aza tsy inoanao akory ny fisiany. Ny zava-misy nefa dia betsaka amin'ireny olona tsy mino akory ny fisian'Andriamanitra ireny no tena maha-miara-monina aman'olona tokoa, "madio fo", maalala-tanana, sns.
2 - Ny fiaraha-monina dia miova, ka raha te hahay hifanaja sy hifandray amin'ny mpiara-monina isika dia mila miova koa fahitantsika ny zavatra sasany, na ny fomba firesahantsika azy. Ka raha ny fifandraisana amin'io fiaraha-monina io no handrefasana ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia mety diso lalana ihany.
27. RAR.DAGO
(
11/12/2010 13:13)
pissoa:
Fa raha mahay miara-monina amin'ny olona dia tsy tena sure aho hoe midika izany fa manatona Azy. Tsy ampy amiko raha izany fotsiny.
Tsy ampy fa ilaina
pissoa:
1 - Mety ho afaka manatona an'Andriamanitra ve raha tsy mino Azy akory, raha tsy mino ny fisiany ? Tsy fantatro. Fa izaho aloha tsy mino hoe afaka manatona ianao nefa ilay "atonina" aza tsy inoanao akory ny fisiany. Ny zava-misy nefa dia betsaka amin'ireny olona tsy mino akory ny fisian'Andriamanitra ireny no tena maha-miara-monina aman'olona tokoa, "madio fo", maalala-tanana, sns.
Izay ilay hoe samy manana ny Andriamanitra-ny!,Amiko aloha rehefa mitondra mankany @ fahendrena dia manantona azy. Après chacun décrit son dieu comme il le veut ou comme il le peut.
pissoa:
2 - Ny fiaraha-monina dia miova, ka raha te hahay hifanaja sy hifandray amin'ny mpiara-monina isika dia mila miova koa fahitantsika ny zavatra sasany, na ny fomba firesahantsika azy. Ka raha ny fifandraisana amin'io fiaraha-monina io no handrefasana ny fifandraisana amin'Andriamanitra dia mety diso lalana ihany.
Ka raha atao hoe ny fahendrena fara-tampony anie Atra, dia miova koa izy arakaraky ny hitomboan'ny fahaizantsika e! noho izany miova koa ny appréhension-ny, ny fahitana azy, sns
28. pissoa
(
11/12/2010 16:07)
RAR.DAGO:
Izay ilay hoe samy manana ny Andriamanitra-ny!,Amiko aloha rehefa mitondra mankany @ fahendrena dia manantona azy. Après chacun décrit son dieu comme il le veut ou comme il le peut.
Hi hi hi, ny fahendrena toa relatif amin'ilay "Andriamanitra" ka. Rehefa samy manana ny Andriamaniny dia samy manana ny fahendrena aminy. Io angamba no tena tsy hitoviako hevitra amin'ilay voalaza hoe ny fahaizantsika miara-monina fotsiny no handrefesana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Lasa relatif amintsika samy isika, na relatif amin'ny fiovan'ny fiarahamonina eto an-tany ilay fahendrena.
RAR.DAGO:
Ka raha atao hoe ny fahendrena fara-tampony anie Atra, dia miova koa izy arakaraky ny hitomboan'ny fahaizantsika e! noho izany miova koa ny appréhension-ny, ny fahitana azy, sns
Tsy ilay Andriamanitra no miova rehefa mitombo ny fahaizantsika ka ! Ny fahitantsika Azy no miova, mety ny "fahendrentsika" no nitombo na mihena fa tsy hoe Izy no niova.
29. Miharena
(
12/12/2010 10:50)
Marina ny an'i Pissoa, fa ny rehetra dia miaina ao anaty erana goavana nataon'Andriamanitra ahitana ny zava-drehetra azon'ny olombelona (vatana saina fanahy) hitomboana. Ny fitomboana dia ny fahendrena sy ny fahalalàna. Ka rehefa tonga eo amin'izay fahalalàna tsotsotra izay ny tsirairay dia tsy mamaritra Andriamanitra samihafa intsony.Ny firafitry fo amam-panahin'ny olombelona sy ny fahafahany mamorom-pahendrena ao anatin'io erana lehibe io no mandrafitra ny maha-izy ny tsirairay. Izany no antony tsy hitsaratsaram-poana satria na dia ireo olona lazaina fa tsy mino an'Andriamanitra voafaritra ao anaty Baiboly aza dia efa naman'ny manana izay fahatsapana tsotra izay koa. Ka aza gaga raha toa ka nilaza Jesoa ny momba ireo olona tsy niasa tamin'ny anarany nefa nampidiriny soa aman-tsara.
Ny mampiefitrefitra tokony horodanina mihitsy no tian'i Jesoa ampitaina amin'ny olona raha nampianatra io Izy satria fantany fa tsy misy na iray aza hafa fijery eo anatrehan'ny Ray.
Ny olona no mety mahita dingana maro isehoan'ny olona iray fa Andriamanitra kosa dia manana fijery tokana dia ny mazava ao anatin'ny tsirairay izay fofonainy ihany.
Izay indrindra no anaingana ny rehetra handini-tena sy hianatra izay mandrafitra azy aloha ahafahany mamantatra sy mampivoitra io FOFONAIN'ANDRIAMANITRA io izay iraisany amin'ny olon-drehetra eran-tany. Tsy ny saina intsony no miasa amin'izay fa ny FO=FANAHY.