fiarahamonina sy kolotsaina malagasy : tia zavatra exterieur

1. vonynive ( 23/11/2010 08:43)
miarahaba antsika
mpandinika marketing frantsay iray no nilaza izao teny izao; tia zavatra exterieur hono isika Malagasy .
ka tsy mahagaga raha mandeha varotra ny friperie, ny entana sinoa, iraniana, egypte koa aza.
répondu par Ratoa le 30/05/2011 00:50
2. hery ( 23/11/2010 08:47)
Angamba tsy amin'ny resaka fripy kosa no maha zavatra ivelany antsika.
Vokatry ny fahantrana io. Ny fripy no mora kanefa azo ihafiana... dia mitsongoloka eny aloha.

Mino aho fa raha manan-karena ny gasy dia hitady zavatra hafa...
3. vonynive ( 24/11/2010 05:47)
-le varotra friperie aloha azo heverina oe vokatry ny fahantrana ihany angamba nefa ange dia misy lafo izy ireny fa vidina ihany na fitaovana tsy fantatra akory na mandeha na tsia
-dia rehefa faran'ny herinandro dia mivoaka kely ny tanàna
-dia angamba izany koa no mahatonga ny Malagasy ho lasa materialisma e; tia dénomination
-maro koa ny te ho any ivelany
-maro no te hanambady olona avy any ivelany.
...tohizo e
4. bazylou ( 30/11/2010 11:02)

tsotra ny amin'io,

rehefa tsy hanao ny eo an toerana dia tsy maintsy maka any ankafa hamalifalina tena,.............
5. Herimiafina ( 18/01/2011 18:23)
Aza afangaro ny hoe "zavatra extérieur" sy ny hoe "zavatra tsara".
Mety ho tsaratsara kokoa fotsiny ny zavatra avy any ivelany ary mahafampo kokoa, fa raha misy koa zavatra avy eto an-toerana maharaka ny kalitao tadiavin'ny olona dia tiany foana koa io.
6. Ratoa ( 30/05/2011 00:50)
Izany an?

Nahoana ary no maro dia maro ny malagasy tsy tia manao ny fitafiana nenti-ndrazana? Raha any ivelany anefa no mianatra na mipetraka, kevokevoka ery manao ireto fitafy tsy jerena akory raha eto Madagasiakara? Raha misy fivoriam-be iraisam-pirenena na ONU izany na ACP na Ocena indien, tsy manao ny fiatiana nenti-ndrazany ny gasy raha tsy misy fampisehoana isam-pirenena?
Tanai-voho, lamba , malabry sns...ny malabarin'ny sasany dia efa lasa avo dia avo, lobaka somary lavalava fotsiny... Iza avy no mirandrana ka manao randra madinika? ny any antsisin-tany (côte) angaha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889