Mba fantatrao ve ?
1. RBNIR
(
22/11/2010 15:06)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)
novalian'i niryna ny 12/12/2010 04:14
2. Miharena
(
23/11/2010 03:23)
"...na ny herin'Andriamanitra
"
Ity iray ity no tiana tsindriana amin'io fizarana io RBNIR satria vao teraka isika dia efa nomeNY ny heriny, izay Fahatsoram-po sy Fitiavana.
3. RAR.DAGO
(
23/11/2010 07:37)
RBNIR:
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)
Ny Torah ity soratra masina resahi'i Jesosy ity fa tsy ny testamenta vaovao akory. Ny Torah foana no référence rehefa miteny i Jesosy fa aza adino!
Ary mba ampatsahiviko an'i RBNIR fa fanonontononam-pahatany ny soratra masina sy ny fizahozahoana @ anaran'ny tompo sy ny Torah dia anisan'ny tsikera nataon'i Jesosy t@ fariseo.
Sa ve modina tsy hita izany? Fampatsiahivana: Lioka 11: 37-54.
4. RBNIR
(
23/11/2010 07:45)
RAR.DAGO:
Ary mba ampatsahiviko an'i RBNIR fa fanonontononam-pahatany ny soratra masina sy ny fizahozahoana @ anaran'ny tompo sy ny Torah dia anisan'ny tsikera nataon'i Jesosy t@ fariseo.
Sa ve modina tsy hita izany? Fampatsiahivana: Lioka 11: 37-54.
Ny antony voalohany nanononako an'io teny io aloha rar.dago dia ny mba hanairako ny olona hoe tokony hihezaka ny hamantatra ny hevitry ny Soratra Masina izy mba tsy ho diso hevitra ,
Faharoa, ilay teny tsy ahy fa an'ilay naniraka ahy mba hizara ka noho izany tsy azoko atao mihitsy ny miteny alohan'ilay Tompony.
Ataoko ahoana moa raha izay ny fomba fijerinao azy? (nadio ny heritreritro)
5. RAR.DAGO
(
23/11/2010 08:11)
Ka eo indrindra anie isika RBNIR e! Ianao mihitsy no tokony mamerena mamaky baiboly dia saina mivelatra entina mamaky azy.
Vous pervertissez l'esprit de l'enseignement de Jésus!!!
Olona niady t@ sanedrana sy ny fariseo ve dia hafaka ny ampianatra fanavakavahana sy fanilikilihina?
Tsy mitombona mihitsy izany e!
Marina fa ao anaty baiboly misy citation hafahafa mety manamarina izany fitondra-tena mivilana izany netin'ireo mpitondra fiangonana hanamafisana ny heriny fa tsy izany mihitsy ny hevitry ny soratra masina Na Torah io na Bible.

6. RBNIR
(
23/11/2010 08:21)
RAR.DAGO:
Olona niady t@ sanedrana sy ny fariseo ve dia hafaka ny ampianatra fanavakavahana sy fanilikilihina?
I Jesosy Kristy sy ny fampianarany mihitsy v no kianinao amin'io teny io sa izaho no diso fandray??
7. RAR.DAGO
(
23/11/2010 08:32)
I jesosy dia niady t@ sanedrana sy ny fariseo satria ny iray nanapatra ny fahefan'ny fiangonana (ny sanedrana) ary ny iray kosa dia niseho azy ho mpahay ny lalan'ny baiboly nefa mpihinana ambolony fotsiny (ny fariseo).
Ka olona toy izany (i Jesosy io no resahiko) ve dia hafaka ny hitory fanilikilihina sy fanavakavahana (izay ataonareo kristianina ankehitriny) nefa izany indrindra no niadivany?

8. RBNIR
(
23/11/2010 08:49)
Misaotra betsaka tamin'ilay fanampimpanazavana.
Mazava tsara amiko amin'izay ny tianao ambara eto!
Midika ho fanilikilihana sy fanavakavahana kosa v raha mamerina ny teny nataon'i jesosy kristy hoe « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6).
Fampafahantarana, fampahatsiahivana, fa tsy misy lalan-kafa kosa no tokony andraisana azy e!

9. RAR.DAGO
(
24/11/2010 05:37)
Ao ary fa raisiko ampitiavana e! ;)
Ny tiako ho lazaina anie RBNIR dia tsotra e!
Ianao mino an'i Jesosy ho zanak'Atra. Ny jiosy ohatra dia tsy mino izany satria izay no finoany ary finoana nisy alohan'i Jesosy izany. Hatreo angamba aloha isika dia tsy hiady hevitra satria zava-misy izany (faits) fa tsy fandikana (interprétation)
Raha miteny io Jaona 14:6 io ianao @ jiosy dia ahoana raha ny hevitrao no mba ho lazainy?
Torak'izany raha rahampitso ianao ataon'ny silamo hoe minomino faha-tany na mécréant (izany no filazan'ireo izay tsy silamo) ataoko fa ho voadona @ amboponao ianao.
Izay no mahatonga aho hoe hajanony any ity resaka fitsikerana ny hafa sy fanandratandratana tsy misy farany ny an'ny tena miohatra @ hafa ity fa io no fototra mampiady voalohany eto an-tany.

10. vonynive
(
24/11/2010 07:27)

miarahaba anao
malalaka ny fanoratana lohahevitra eto @ seraserantsika ka samy afaka manoratra avokoa;
raiso @ fo tony ny hafatra rehetra !
izaho aloha mahita oe fanentanana ny olona handinika ny baiboly no hafatra napetrak'i RBNR eto fa tsy filazana oe ny anay ihany no marina e ary tsy natao hamely na iza na iza kosa e!
ary raha ataoko hoe tsy Jeso ary no niteny io teny io fa olonkendry malaza iray dia angamba tsy ho sorena loatra ianao; fa satria manana olana @ resaka kristianisma ianao dia tonga dia mihevitra hoe zay indray le miziriziry oe "ny anay ihany no marina".
raha leom-boan'anana ianao ka tsy tia zava-boribory intsony; tsy midika izany fa ratsy ny baolina kitra an !
11. RBNIR
(
24/11/2010 08:38)
RAR.DAGO:
Raha miteny io Jaona 14:6 io ianao @ jiosy dia ahoana raha ny hevitrao no mba ho lazainy?
Torak'izany raha rahampitso ianao ataon'ny silamo hoe minomino faha-tany na mécréant (izany no filazan'ireo izay tsy silamo) ataoko fa ho voadona @ amboponao ianao.
Manao ahoana rar.dago a! Mahafinaritra ny fifaneraserana e!
Ka io ange no nahatonga ahy hanao ilay tantara kely indray mandeha iry tany amin'ilay lohahevitrao hoe ahoana izany ny sasany rar.dago e!
Iza ary no homena tsiny?
Andrimanitra anie efa tamin'ny andron'i Isaia mpaminaniny no efa nanontany ny olona hoe : « Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isaia 7:11)
Nefa ny olona tsy sahy nangataka satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra dia Andriamanitra mihitsy no nanome :
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)
Ka tanteraka ary izany tamin'ny nandefasany ny Zanany taty aoriana (tsy misy afaka ny hilaza kosa angamba hoe angano iny satria betsaka ny rakitra tahiry milaza ny asa lehibe rehetra nataony ary fanampin'izany matoa nekena universellement hoe taona aotra ny taona novinaviaina ho nahaterahany dia nisy Evènement Goavana dia Goavana mihitsy tao).
Ka hoy aho amin'ny olona hoe? Raha ho avy ary ilay fotoana ka hanontany ny olona Ilay Avo Indrindra hoe:
Nahoana ianao no tsy nino? dia hilaza v ny olona hoe izaho tsy nahalala koa.
Na hoe i dadanay sy mamanay niteny hoe tsy izy iny fa inty antsika ity no izy nefa efa natao Evènement mondial ilay iray aloha iry?????
Inty no mba misy zavatra hampafatariko kely e! Andriamanitra dia marina (juste).
Tsy manao zavatra izany raha tsy efa nilaza (tamin'ny alalan'ny Zanany lahy tokana io) sy niala nenina mialoha (toy izao ataoko izaho e! ampiasain'Andriamanitra anie aho io fa tsy dia hoe fitia te hiresaka fotsiny e! tsy handany andro eto mihitsy aho fa ny business be dia be ary raha ny sitrapoko amin'ny maha olona ahy dia "nanao la vie" araka ilay fiteny no tokony nataoko fa saingy hatramin'ny nahalalako ny marina dia nofaranako tanteraka izany fa aleko mikatsaka ilay vie eternel sy mampahafantatra ny olona fa misy loza B anie miandry raha sanatria tsy mibebaka sy mino ilay Kristy ho Tompony sy mpamonjiny izy.
12. RAR.DAGO
(
24/11/2010 10:00)
Fa ilay lalana RBNIR tsy voatery ho tokana fa mety ho betsaka anie e!
Izaho aloha tsy misy maniraka fa mba miasa eto ambonin'ity ordi ity isan'andro dia mba miresaka @ hafa fotsiny.
[/quote]
RBNIR:
....tsy handany andro eto mihitsy aho fa ny business be dia be ary raha ny sitrapoko amin'ny maha olona ahy dia "nanao la vie" araka ilay fiteny no tokony nataoko fa saingy hatramin'ny nahalalako ny marina dia nofaranako tanteraka izany....
Izaho aloha tsy misy maniraka fa mba miasa eto ambonin'ity ordi ity isan'andro dia mba miresaka @ hafa fotsiny.
[/quote]
13. RAR.DAGO
(
24/11/2010 10:03)
vonynive:
....ary raha ataoko hoe tsy Jeso ary no niteny io teny io fa olonkendry malaza iray dia angamba tsy ho sorena loatra ianao; fa satria manana olana @ resaka kristianisma ianao dia tonga dia mihevitra hoe zay indray le miziriziry oe "ny anay ihany no marina".
raha leom-boan'anana ianao ka tsy tia zava-boribory intsony; tsy midika izany fa ratsy ny baolina kitra an !
Nosoratako aryaveriko foana fa tsy manana olana mihitsy aho mikasika an'ny fampianaran'i Jesosy na dia tsy mkristianina intsony aza.
Ny fandikan'ny kristianina ny zavatra lazainy no manahirana aho. Un message de paix est transformé en outil de propagande pour un clocher dia lasa mifangaro ny ahidratsy sy ny vary
14. RBNIR
(
24/11/2010 10:28)
RAR.DAGO:
Ny fandikan'ny kristianina ny zavatra lazainy no manahirana aho. Un message de paix est transformé en outil de propagande pour un clocher dia lasa mifangaro ny ahidratsy sy ny vary
Efa ela ihany aho no saika hamaly azy ity fa izaho vao tena hitako fa tokony hiteny:
Raha ao amin'ny tokantrano iray ohatra dia miteny ny raim-mpianakaviana hoe : izao no tokony ataonareo rankizy.
Dia ny lahimatoa sy ny lahievo avy hatrany dia manao sady hendry tsara ery, fa saingy ny faralahy (izay matetika maditra sady mihantahanta izay) dia mandà sady mamalivaly mihitsy aza.
Dia izay v no tokony hilazana fa hoe ratsy ny fitaizan'i Dada ary ilay fotompampianaran'i Dada mihitsy no tsy mety?
Inty koa no tokony ho fantatry ny olona, Andriamanitra anie ka tsy miangatra e!rehefa olona dia olona : ary izay manao ihany no ahazo sao diso fanantenana eo « na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. » (Ezekiela 14:20)
15. vonynive
(
24/11/2010 10:52)
RAR.DAGO:
vonynive:
....ary raha ataoko hoe tsy Jeso ary no niteny io teny io fa olonkendry malaza iray dia angamba tsy ho sorena loatra ianao; fa satria manana olana @ resaka kristianisma ianao dia tonga dia mihevitra hoe zay indray le miziriziry oe "ny anay ihany no marina".
raha leom-boan'anana ianao ka tsy tia zava-boribory intsony; tsy midika izany fa ratsy ny baolina kitra an !
Nosoratako aryaveriko foana fa tsy manana olana mihitsy aho mikasika an'ny fampianaran'i Jesosy na dia tsy mkristianina intsony aza.
Ny fandikan'ny kristianina ny zavatra lazainy no manahirana aho. Un message de paix est transformé en outil de propagande pour un clocher dia lasa mifangaro ny ahidratsy sy ny vary
raha ny ahidratsy ve no nanao ny nataony dia ny vary no tsy hohanina e ?
fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?29 Fa hoy izy: tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.MATIO 13 25 - 30
16. RBNIR
(
24/11/2010 12:27)
RAR.DAGO:
Nosoratako aryaveriko foana fa tsy manana olana mihitsy aho mikasika an'ny fampianaran'i Jesosy na dia tsy mkristianina intsony aza.
Azafady rar.dago a! kay moa ianao tsy manana olana amin'ilay fampianaran'i Jesosy fa inty no tiako tsipihina e, raha i faralahy no nanao ny nataony tsy ny zanak'i dada rehetra akory no tokony omena tsiny na atambatra ho iray. Sady tsy tokony izany koa ny antony tokony ahasakana ny olona iray tsy handray sy ankato ilay mpampianatra raha hitany fa tsara ny fampianarany e! na ny tenindrazantsika aza milaza hoe ny saonjo iray lohasaha tsy hilaozan'izay .... (tsy haiko tsara izy izay fa mino aho fa ho azonao ilay tiako ambara).
17. RBNIR
(
24/11/2010 12:36)
RAR.DAGO:
Fa ilay lalana RBNIR tsy voatery ho tokana fa mety ho betsaka anie e!
Fa raha araka ity teny ity aloha dia tsy misy ilay lalana hafa e! « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)
Raha tsy hoe i Jesosy Kristy mihitsy angaha no tsy hinoanao ny teniny???
18. RAR.DAGO
(
25/11/2010 04:00)

I Rijadolly angamba izy izay no nanontany hoe aiza no misy citation hors contexte eto. Ity izao ohatra iray.
Zavatra 2:
1. Aza adino fa rehefa miteny i Jesosy dia ankolaka foana (en parabole) ny fiteniny. (ohatra ny filazany fa i Jodasy no hamadika azy ao @ ity bokin'i Jaona ity. Ny antony anaovany izany dia satria izay no fomba fampianarana am-bava t@ izany (maïeutique) mba hametraka fanontaniana ilay mpianatra dia ahita ho azy ny valiny ao anatin'ny fanontaniana apetrany.
2. Misy ampahany maromaro anefa novaina tsikelikely t@ ireny conciles ireny ny fehezan-teny satria hono @ izay mazava kokoa. ary dia izay tokoa no nitranga. Lasa tsy fampianarana maïeutique intsony ny zavatra lazain'i Jesosy fa lasa révélation. NOVAIN'NY FIANGONANA IZANY NY TENIN'I JEOSY Ary ny olana @ izay dia olombelona no nanao interpretation an'ilay izy MBA HAPATANJAKA NY FIANGONANA. Betsaka izao ny éxégètes (mpandinika ny soratra masina rehetra) no milaza fa ny tian'i Jesosy ho lazaina t@ io dia hoe ny fampianarako irery ihany no lalana mankany @ Ray fa tsy ny fanarahana fahatany ny soratra toy ny ataon'ny fariseo na ny dika vilana ataon'ny sanedrana. Izany hoe fampitahàna t@ zava-nisy t@ izany sy teo @ toerana nisy azy no nataony. Izy raha teo koa moa tsy nahafantatra fa misy olon-kafa izay mitovy fisainana taminy tany an-kafa tany (ny confucianisme ohatra) ka @ fomba ahoana no ahafahany hitsara ireo? Izay no mahatonga aho milaza hoe :
1. Tandremo ny fandraisana andaingony fotsiny ny soratra anaty baiboly fa dia lasa toy ny fariseo ianao.
2. Ny fampianara ifotony no tokony ho tadidiana sy tadiavina tsara fa tsy ny formalisme externe izay matetika fanovàna taty aoriana atao fanaovana prosélytisme.
19. Miharena
(
25/11/2010 07:18)
Mahafinaritra ny adihevitra eto ary ahazoana lesona tsara mihitsy amin'ny fototra tokony hiorenana rehefa mandray fampianarana. Raha manaraka ilay adihevitra aho dia mifameno tsara RAR.DAGO sy RBNIR ary Vonynive.
Fa ireto no hitako mamintina azy tsara:
Izany hoe raha ity farany no jerena dia mazava fa ny tenantsika ihany no mahavonjy antsika tsirairay rehefa mandinika tsara ifotony ny maha-isika antsika eto amin'ity planeta sy ny erana misy ity.
Ny hany hafatra nomena tsy misy fangarony dia ny Tenin'Andriamanitra izay tsy nisy nanodinkodina ho amin'ny tombontsoany. Raha ny Baiboly no jerena dia misy hafatra fototra ao ka ny fahaizana mifantina izany no ahafahana manavaka fa misy fangarony na tena original ny hafatra.
Amin'izao fotoana izao dia tokony ho efa tonga amin'ny sehatra mahay manavaka ny hafatra tsy izy sy izy ny olombelona. Efa nisy fampitandremana betsaka ihany ao ny momba ny fivilivilianan'ny fampianarana.
Ka raha ny hoe lalana maro sy tokana, dia amiko ny lalana tokana nambaran'i Kristy ny mifototra amin'ny TENA na ATIFANAHIN'ny tsirairay. Raha Mpampianatra Jesoa dia ny hahatafita izany no imasoany ho an'ny tsirairay. Toa an'i Paoly nilaza hoe tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny ka nahatonga azy hanana tenim-pahendrena tsy hita pesimpesenina sy azo iainana tsara ankehitriny sy ho amin'ny ho avy. Toy izany koa ireo rehetra izay feno ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia ireo Mpaminany rehetra.
Raha mandinika ny soratra rehetra lazain'ny Teny isika dia mifototra amin'ny fahazavana anaty avokoa izany ary tsy misy fijery ivelany raha tsy hoe angaha fananarana (toy ny resaka Fariseo sy Sadoseo sy ny resaka fiampangana ataon'i Satana). Ity hejry ivelany ity no mahavery ny olona ka misy milaza hoe tsy hanao krisitiana intsony satria mahita ny fihetsiky ny kristiana namana tsaraintsika fa tsy manjary amintsika.
Mila fanokafam-panahy matanjaka vao ho afaka miala amin'io fijerena ivelany ny olona io satria fandrika mahazo ny kristiana mazàna ny fijerena ivelany.
Ny fanovam-pijery mihitsy no mila halalinina ary ny resaka nataon'i Kristy ny amin'ny zaza sy ny fahaterahana indray no mety ahafahana miala amin'ny fomba taloha izay nahatototra ny fahazavana napetrak'Andriamanitra Ray tao anatintsika tsirairay avy. Io ilay hoe mifoha izay nahazo olona maro teto an-tany, niantomboka tamin'ireo Apostoly ary mbola hitantsika mandrak'ankehitriny.
Fa ireto no hitako mamintina azy tsara:
RAR.DAGO:
ny fampianarako irery ihany no lalana mankany @ Ray fa tsy ny fanarahana fahatany ny soratra toy ny ataon'ny fariseo na ny dika vilana ataon'ny sanedrana
citation RBNIR:
« na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. » (Ezekiela 14:20)
Izany hoe raha ity farany no jerena dia mazava fa ny tenantsika ihany no mahavonjy antsika tsirairay rehefa mandinika tsara ifotony ny maha-isika antsika eto amin'ity planeta sy ny erana misy ity.
Ny hany hafatra nomena tsy misy fangarony dia ny Tenin'Andriamanitra izay tsy nisy nanodinkodina ho amin'ny tombontsoany. Raha ny Baiboly no jerena dia misy hafatra fototra ao ka ny fahaizana mifantina izany no ahafahana manavaka fa misy fangarony na tena original ny hafatra.
Amin'izao fotoana izao dia tokony ho efa tonga amin'ny sehatra mahay manavaka ny hafatra tsy izy sy izy ny olombelona. Efa nisy fampitandremana betsaka ihany ao ny momba ny fivilivilianan'ny fampianarana.
Ka raha ny hoe lalana maro sy tokana, dia amiko ny lalana tokana nambaran'i Kristy ny mifototra amin'ny TENA na ATIFANAHIN'ny tsirairay. Raha Mpampianatra Jesoa dia ny hahatafita izany no imasoany ho an'ny tsirairay. Toa an'i Paoly nilaza hoe tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny ka nahatonga azy hanana tenim-pahendrena tsy hita pesimpesenina sy azo iainana tsara ankehitriny sy ho amin'ny ho avy. Toy izany koa ireo rehetra izay feno ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia ireo Mpaminany rehetra.
Raha mandinika ny soratra rehetra lazain'ny Teny isika dia mifototra amin'ny fahazavana anaty avokoa izany ary tsy misy fijery ivelany raha tsy hoe angaha fananarana (toy ny resaka Fariseo sy Sadoseo sy ny resaka fiampangana ataon'i Satana). Ity hejry ivelany ity no mahavery ny olona ka misy milaza hoe tsy hanao krisitiana intsony satria mahita ny fihetsiky ny kristiana namana tsaraintsika fa tsy manjary amintsika.
Mila fanokafam-panahy matanjaka vao ho afaka miala amin'io fijerena ivelany ny olona io satria fandrika mahazo ny kristiana mazàna ny fijerena ivelany.
Ny fanovam-pijery mihitsy no mila halalinina ary ny resaka nataon'i Kristy ny amin'ny zaza sy ny fahaterahana indray no mety ahafahana miala amin'ny fomba taloha izay nahatototra ny fahazavana napetrak'Andriamanitra Ray tao anatintsika tsirairay avy. Io ilay hoe mifoha izay nahazo olona maro teto an-tany, niantomboka tamin'ireo Apostoly ary mbola hitantsika mandrak'ankehitriny.
20. vonynive
(
30/11/2010 07:39)
Amin'izao fotoana izao dia tokony ho efa tonga amin'ny sehatra mahay manavaka ny hafatra tsy izy sy izy ny olombelona. Efa nisy fampitandremana betsaka ihany ao ny momba ny fivilivilianan'ny fampianarana
ny fomba mahomby sy hitako tsara dia ny fahaizana ny atao hoeTSARA fa tsy ny fandinihana ny atao hoe RATSY : izany hoe rehefa ianaranao sy dinihinao ny TSARA dia ho fantatrao ho azy ny RATSY fa tsy oe mianatra ny ratsy dia mahay ny tsara