Azo heverina ve ny fanariana amin'izay izay mampiefitrefitra?

1. Miharena ( 19/11/2010 07:01)
Raha mijery sy mandinika ny fototry ny finoana sy ny fikarohana rehetra momba izany dia fampiraisana sy fampivondronana ny olombelona hanana fomba fijery iray no antony. Ny zava-misy anefa dia voazarazaran'ny hevitra roritina samihafa izany zava-tokana izany.

Mampametra-panontaniana izany satria zavatra tokana tsotra dia tsotra lasa zavatra misafotofoto rehefa raisin'ny olombelona tsirairay.

Iza ary no mamono ny olombelona? Raha mandinika tsara dia ny heviny ihany no mamono azy.

Koa raha mijery tsara sy mahiratra tsara dia tokony hahalala fa izay mampiefitrefitra dia azo esorina tsara ahafahana miara-miaina sy miara-mandroso.
novalian'i niryna ny 12/12/2010 04:01
2. bor2lais ( 19/11/2010 13:21)
Misaotra an'i Miharena nanokatra ny lohahevitra.

Raha ny fijeriko azy manokana aloha dia aleoko lavitra ny "union dans la diversité" toy izay "fusion".

Ny "diversité" mantsy amiko dia mariky ny "fahavelomana". Na tokana aza ny kendry dia maro samihafa ny làlana ahatongavana amin'izany (satria samy manana ny fomba fijeriny ny tsi11). Noho izany ilaina dia ilaina ny adihevitra raha toa ka heverina fa mampandroso mankany amin'ilay kendry iombonana.

Ny "fusion" kosa dia mety miteraka fijery tokana na "monotonie" izay tsy mifanalavitra amin'ny "fahafatesana" amiko.

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! Ary ialako tsiny ihany koa raha toa ka H.S satria "fusion" no fandraisako ny tian'i Miharena lazaina eto !
3. rijadolly ( 20/11/2010 02:02)

Koa raha mijery tsara sy mahiratra tsara dia tokony hahalala fa izay mampiefitrefitra dia azo esorina tsara ahafahana miara-miaina sy miara-mandroso.

Iraisako hevitra tanteraka ny hevitry Miharena. Somary notsongaiko manoka anefa io naveriko io; io indrindra amiko no mahatonga ilay fitokotokoana satria mihevitena ho marina avokoa ny atoko rehetra ka tsy mahazaka fafana ny heviny.
Averiko ihany anefa ity teniko ity, Samy manana ny mpampianatra azy io, ary iny mpampianatra itokiany iny no mitondra azy any amin' toerana misy azy. Tsy diso anefa ianao raha miheritreritra hoe tsy takonana tahaka ny mason-tsoavaly akory ny masoko dia hanaraka izay hitondrana ahy. Amin' Kristianina, raha tsy ilaza afatsy ny Kristianina aho, dia nomena fahalalahana tanteraka ny mpino, eny fa na dia ny Fanahy izay sarobidy aminy aza mba hi- test ireny na soa marina na ratsy.
Somary tena mahasaro-piaro an' RAR.DAGO indrindra anefa ny fanaratsiana ny hafa, tsy azo lavina anefa fa misy toa marina amin' FINOANA, Ahoana ary ny handresen-dahatra ireny toa marina ireny na hoe hanamarinana ny tena Marina? Eo ilay olana,

Azo heverina ve ny fanariana amin'izay izay mampiefitrefitra?
4. RAR.DAGO ( 20/11/2010 06:20)
Tsy ho gaga ianareo raha mitovy hevitra @ Bor2lais aho izany eto :-)
Ny fahafantarana ny marina dia tsy toerana iray ahatongavana fa lalana tsy misy fahataperana raha ny hevitro. Ka noho izany araky ny maha-maro ny lalana hizorana mankany no maha betsaka ny fahafantarana ny zava-misy eny an-dalàna.

Ilay lazain'i Rija hoe "toa marina" izany dia miankina @ fomba fahita. Ary io relativité io no noporofoin'i Einstein @ hoe ny marina jerena avy @ toerana iray dia tsy voatery ho marina @ toerana hafa nefa ny espace-temps iraisana.
5. niryna ( 20/11/2010 16:31)

RAR.DAGO:

mety ho maro tokoa ny lalana kanefa safidy ny tsirairay no ahalala ilay lalana fa tsy anaraka renirano fotsiny kosa aloha an

Ny olana dia ny fahafantarana ny fahamarinana kanefa mbola mizinizina amin'illay hevitro iny ihany aho na efa diso izao aza.
ny fisehosehoana,ny fizahozahoana,ny tsy fijerevana ilay fahamarinana,ny fandavana ilay tenin'Atra no vao maika mampisaraka antsika aminy.Omeny safidy tokoa mantsy isika ka raha hiroso aminy dia ho azavain'ny fanahy masina amintsika tsikelikely ny teniny,raha mandositra amiNy moa dia vao maika ataony jamba isika ka dia ahiratin'ireo jiron'izao tontolo izao aminy azy dia eo fa tsy afaka mivoaka raha tsy miantso vonjy

Ilay lazain'i Rija hoe "toa marina" izany dia miankina @ fomba fahita. Ary io relativité io no noporofoin'i Einstein @ hoe ny marina jerena avy @ toerana iray dia tsy voatery ho marina @ toerana hafa nefa ny espace-temps iraisana.
[/quote]
6. RAR.DAGO ( 20/11/2010 19:48)
niryna:

Ny olana dia ny fahafantarana ny fahamarinana kanefa mbola mizinizina amin'illay hevitro iny ihany aho na efa diso izao aza.
ny fisehosehoana,ny fizahozahoana,ny tsy fijerevana ilay fahamarinana,ny fandavana ilay tenin'Atra no vao maika mampisaraka antsika aminy.

Ny kristianina izany no mahafantatra ny marina rehetra?
Dia rehefa tsy minana ambolony ny prosélytisme chrétien izany dia misehoseho sy mizahozaho? Ny tianareo izany dia ilay olona manaraka anjambany toy ny ondry ireny, tsy mametraka fanontaniana fa dia vendrana lava eny? Izany no atao obscurantisme raha tsy diso ho ahy!

Ny dadanareo (Le Pape) ary izao efa manaika ny ampiasan'ny mpivarotena fimailo, nefa isika mbola any @ izany prosélytisme izany foana!

Miala tsiny fa izahay tsy mba naman'izay mihemotr'e!

7. rijadolly ( 21/11/2010 02:19)
RAR.DAGO:

Ny kristianina izany no mahafantatra ny marina rehetra?
Dia rehefa tsy minana ambolony ny prosélytisme chrétien izany dia misehoseho sy mizahozaho? Ny tianareo izany dia ilay olona manaraka anjambany toy ny ondry ireny, tsy mametraka fanontaniana fa dia vendrana lava eny? Izany no atao obscurantisme raha tsy diso ho ahy!

hoy aho talohan' io lazain'se io:

Averiko ihany anefa ity teniko ity, Samy manana ny mpampianatra azy io, ary iny mpampianatra itokiany iny no mitondra azy any amin' toerana misy azy. Tsy diso anefa ianao raha miheritreritra hoe tsy takonana tahaka ny mason-tsoavaly akory ny masoko dia hanaraka izay hitondrana ahy. Amin' Kristianina, raha tsy ilaza afatsy ny Kristianina aho, dia nomena fahalalahana tanteraka ny mpino, eny fa na dia ny Fanahy izay sarobidy aminy aza mba hi- test ireny na soa marina na ratsy.

JAONA VOALOHANY 4 : 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
MATIO 7 : 15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?
8. Miharena ( 21/11/2010 09:45)
Bor2lais:

Raha ny fijeriko azy manokana aloha dia aleoko lavitra ny "union dans la diversité" toy izay "fusion".

Mety misy mivoana kely raha resaka hoe fusion araka ny filazan'i Bor2 azy eto. TSIRAIRAY manana ny fahaleovan-tenany ny olona saingy misy mampiray azy. Any angamba no tokony hilazana azy fa tsy fusion satria tsy azo heverina izany.
Ny fahalalàna indray anefa, satria natao hanana saina sy fo mandinika isika, dia tsy azo ferana na dia voafefy anaty atidoha sy vatantsika aza ny fanahy sy saintsika.

Ny famehezana azy dia ny hevi-dravina tsy mitombina azo avy amin'ny fefy apetraky ny tsirairay no tsy ahafahana maneho ny marina mampiray.

RAR.DAGO:

Ny kristianina izany no mahafantatra ny marina rehetra?
Dia rehefa tsy minana ambolony ny prosélytisme chrétien izany dia misehoseho sy mizahozaho? Ny tianareo izany dia ilay olona manaraka anjambany toy ny ondry ireny, tsy mametraka fanontaniana fa dia vendrana lava eny? Izany no atao obscurantisme raha tsy diso ho ahy!

Raha ity resak'i RAR.DAGO ity dia diso satria ny Kristiana mihitsy no efa milaza fa tsy misy marina na dia iray aza. Fahamarinana iray anefa io satria marina tokoa fa voafetra ny fahalalantsika araka ny toerantsika tsirairay avy. Ny fahamarinana resahan'ny Kristiana dia ny fanantenana fahatanterahana ao amin'i Kristy izay mihevitra mandrakariva ny hampiray antsika amin'ny RAY iombonantsika amin'i Kristy. Fahamarinana tsotra iaingana io fa ny hevitra mampisaraka dia ilay fijerena ivelany ny toetran'ny tsirairay izay manana ny stade isainany avy.
9. pissoa ( 22/11/2010 20:53)
Mety ho afaka miara-miaina na miara-mandroso ve raha ilay antsoina hoe "Fiainana" na "Fandrosoana" mihitsy no tsy hitovian-kevitra ? hi hi hi.
10. Miharena ( 23/11/2010 03:19)
Salama Pissoa,
Raha miara-mahafantatra fa samy manana talenta manavanana azy ka miaraka manome lanja izany dia afaka miara-mandroso. Fiainana andavanandro io ary hitantsika isanandro fa ny mpivarotra anana tsy hitovy amin'ny mpivaro-damba sns fa miara-miasa hatrany ny olombelona na mitovy hevitra izy na tsia. Mifamelona hatrany izy.

Raha resaka finoana indray izay mampametra-panontaniana lalandava dia tokony ho efa lasa lavitra ny olombelona ankehitriny momba izany kanefa fefiky ny hevitra etsy sy eroa dia tsy mahita ny zavatra tsotra indrindra dia ny AINA izay maha-isika antsika voary rehetra manerana tokony hifampitsinjo sy hifampitaiza mba hiara-mitombo.

Misy entana sarintsariny entintsika tsirairay dia ireo resaka honohono heno ety ivelany ka tafiditra ho anisan'ny finoantsika, latsaka am-po na dia rehefa tena dinihina lalina aza dia tsy mitombina. Ny fahaizana manavaka io karazana entana io no ilaina ahafahana manafoana azy ao anaty. Rehefa foana izany dia samy afaka maneho ny talentany avy hiara-handroso.

11. RAR.DAGO ( 23/11/2010 06:46)
Miharena:

miala tsiny aloha @ variaminanana fa somary maika.
Raha dans l'absolu dia 100% aho manaika, fa ny olana dia ilay fahaizana manavaka processus fa tsy état noho izany tsy maintsy misy fepetra raisina mandra-pahatongany. izay fepeptra izay ilay hoe ekeo ny fisian'ny sasany na dia tsymitovy @nao aza
12. Miharena ( 23/11/2010 07:26)

Raha dans l'absolu dia 100% aho manaika, fa ny olana dia ilay fahaizana manavaka processus fa tsy état noho izany tsy maintsy misy fepetra raisina mandra-pahatongany. izay fepeptra izay ilay hoe ekeo ny fisian'ny sasany na dia tsymitovy @nao aza

Ilay ETAT dia nitombo tao anaty processus ary tonga amin'izao ETAT ankehitriny izao. Ireo processus lazainao dia ireo fangarom-pahombiazana sy tsy fahombiazana nandalovan'ny olona mitambatra ao anatin'ny fiaraha-monina nanome ilay ETAT.
Ny zavatra tsy hitan'ny olona dia miasa (manao processus) amin'ny alalan'ny sehatra iray ihany izy, dia ny ERANA (UNIVERS) ahitana LALANA (LOI) tokana dia ny AINA sy fampivoarana azy. Koa raha amin'ny hoe misy fepetra raisina mandram-pahatogan'ny absolu lazainao dia tsy dia mitombina loatra satria ny ABSOLU dia ilay AINA iarahantsika manana.
Raha fepetra angamba dia ny filazana izany amin'ny tsirairay fotsiny dia ampy.
13. RAR.DAGO ( 23/11/2010 08:27)
Tsy mazava angamba ny teny gasiko fa aza fady.

Si la réalité et la loi absolue existent, pour l'instant l'étre humain n'y a pas accès! Méme si tu crois que Dieu est cette vérité absolu, personne ne la connait. Donc en attendant qu'on puisse avancer vers cette vérité (le processus est donc la façon d'avancer), il importe que tout le monde puisse travailler et vivre ensemble méme si on ne regarde et on ne marche pas dans la méme direction
14. Miharena ( 25/11/2010 07:36)
Mbola somary mivoana ny fandraisanao ny resako RAR.DAGO eto, satria supposition no lazainao amin'ilay hoe: Si la réalité et la loi absolue existent, pour l'instant l'étre humain n'y a pas accès!

Ny ETRE anefa na ny AINA ao anatintsika dia REALITE sady ABSOLU ary miasa sy mitombo amin'ny alalan'izany isika. Zavatra tsotra iaingana izay, ary mahasehaka zavatra betsaka.
Ny processus sy ny fangarony rehetra hitantsika eo amin'ilay ETAT ankehitriny dia hodin-javatra sy azo lazaina ho entan-kentana ivelany avokoa. Ny fahaizana mi-centrer mihitsy no hitako mamery kely anao RAR.DAGO ary zary lasa mandray hevitra etsy sy eroa nefa mahagaga fa any amin'ny dinika hafa ianao dia mananatra ny momba ny FARISEO sy ny SADOSEO. Miala tsiny raha mametraka fanamarihana toy izay fa ataoko fa azonao amin'izay ny tiana lazaina amin'ilay fahatsorana eto.

Mampahatsiaro ahy ny fahazazana ny sy ny zavatra nodiavina avy eo ny resaka hodin-javatra io. Raha nampianarina manko aho hoe Andriamanitra Tokana Olona Telo ary IZIREO no namorona izao tontolo izao, dia tonga ny olona hafa rehetra nanohitra io nefa famaritana an'Andriamanitra amin'ny endriny hafa indray no entiny handresena lahatra izay nilaza io. Nefa tsy mandà izy fa Andriamanitra no namorona izao rehetra izao xy namorona azy. Dia gaga ny tena inona no marina? dia voahozongozona hatrany raha vao tsy mijery ny FOTOTRA dia ny MPAMORONA xy ny FOFONAINY napetrany tamin'ny tsirairay. Dia mba tsy hahavery dia ilay FOFONAINA ao anatiko fotsiny no tanako tsara dia izay. Ary afaka manao adihevitra be dia be aho avy eo manohana izany.
15. RAR.DAGO ( 26/11/2010 05:09)
Miharena:

Mbola somary mivoana ny fandraisanao ny resako RAR.DAGO eto, satria supposition no lazainao amin'ilay hoe: Si la réalité et la loi absolue existent, pour l'instant l'étre humain n'y a pas accès!
Ny ETRE anefa na ny AINA ao anatintsika dia REALITE sady ABSOLU ary miasa sy mitombo amin'ny alalan'izany isika. Zavatra tsotra iaingana izay, ary mahasehaka zavatra betsaka.

Raha azaoko tsara izany ny tianao lazaina dia hoe "tout est déjà en nous, il ne nous reste qu'à le révéler"? Sa tsy izay no tianao lazaina? Raha izay mantsy dia tsy manankolazaina aho fa hevitra iray toy ny hevitra hafa iny ary dia hajaina ny fisiany.

Miharena:

Ny fahaizana mi-centrer mihitsy no hitako mamery kely anao RAR.DAGO ary zary lasa mandray hevitra etsy sy eroa

Resaka posture io ny ahy izany hoe safidy nihinina natao. Ianao mino hoe ny marina ao anatinao ka ao no hitadiavana azy @ fampitomboana méditation, na fahendrena, sns. izaho indray kosa toy ny tranainy gasy, mino fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra ary ny fanangonana ny tsara no ahaizana sy ahafahana mivoatra aingana. Ka toy ny finoana ihany io, sakamalao sy avozo, ka samy manana ny hanitra ho azy.
Miharena:

Ny processus sy ny fangarony rehetra hitantsika eo amin'ilay ETAT ankehitriny dia hodin-javatra sy azo lazaina ho entan-kentana ivelany avokoa.

Ho anao ilay izy no hodin-javatra fa ho ahy kosa démarche fondamentale noho ilay resaka etsy ambony io. Raha anao fampitahana dia ny anao izany moteur à combustion interne, lasantsy na gasoil no fototra fangalàna angovo fa ny battérie manginy fotsiny. Ny ahy moteur éléctrique mandeha @ erinaratra avy any ivelany ary ny battérie no source centrale. Kely dia kely ny hitovizan' ilay fomba fanomezana angovo nefa samy mahavita mampandroso fiara ohatra. Iza no tsara, iza no ratsy? Tsy anjarako no mitsara, izay no mahatonga aho milaza hoe mandrapahitàna ny marina dia aza ahilikilika ny hafa fa samy manana ny finoany. Voir mon post Ny fiangonana tsara indrindra avec l'interview du dalaï lama
Miharena:

nefa mahagaga fa any amin'ny dinika hafa ianao dia mananatra ny momba ny FARISEO sy ny SADOSEO.

Ny sanendrana (sanhedrin) no resahiko, izany hoe ny mpitondra fiangonana sy ny fahefana jiosy t@ izany fa tsy ny sadoseo (saducéen) izay fikambanana (plutot école na courant angamba no tena marina) toy ny fariseo tao anatin'ny finoanana jiosy.

16. Miharena ( 26/11/2010 13:57)
RAR.DAGO:

Raha azaoko tsara izany ny tianao lazaina dia hoe "tout est déjà en nous, il ne nous reste qu'à le révéler"? Sa tsy izay no tianao lazaina? Raha izay mantsy dia tsy manankolazaina aho fa hevitra iray toy ny hevitra hafa iny ary dia hajaina ny fisiany.

Azonao tsara ny tiana lazaina eto RAR.DAGO!

Eo amin'n valinteny hafa rehetra eo ambany kosa dia mazava fa mametraka position tokoa ianao fa tsy miteny aminao loatra ilay resaka voambara eo ambony io fa hajaina fotsiny ihany.

Ny fanajana ny hafa dia mazava satria samy manana ny lalana ivoarany izy fa ny lalana hitodiana dia iray ihany ho an'ny manan'AINA, ary araka ny fotoany avy izany. Araka ny resaka Gasy io hoe "ny omby indray mandry tsy indray mifoha".

Ny an'ny olona manana fanantenana indray anefa dia izay fahendrena mety hety anio mety tsy handaitra intsony rahampitso, ireo no fahendrena tsy maharitra ka raha miankina amin'izany dia ho lavo any am-para. Izany no antony hananana fomba fijery tsotra satria izay tsotra indrindra no maharitra (Ny fampianarana momba ny fitiavana madio, ny fahatsoram-po ary ny fandeferana ohatra dia ahafahana mandroso lavitra mihitsy).
17. niryna ( 12/12/2010 03:53)

niryna:

Ny olana dia ny fahafantarana ny fahamarinana kanefa mbola mizinizina amin'illay hevitro iny ihany aho na efa diso izao aza.
ny fisehosehoana,ny fizahozahoana,ny tsy fijerevana ilay fahamarinana,ny fandavana ilay tenin'Atra no vao maika mampisaraka antsika aminy.
RAR.DAGO:

Ny kristianina izany no mahafantatra ny marina rehetra?

Tsy misy marina na iray aza fa ny finoana an'Atra no zava-dehibe amiko.Tsy izaho no nifidy azy fa izy no nifidy ahy,noho izany fantany sahady koa ny olona miziriziry amin'ny heviny fa tsy mikaroka ilay fahamarinana.Kristy no fahamarinana fa tsy ny kristiana ka,amiko io an
Ny fahotantsika no mampisaraka antsika amin'Atra ka raha mifona aminy isika ,mibebaka aminy fa tsy anao an'iny intsony dia mino koa aho fa tokony ahafantatra ny marina sy ny tsy marina isika .Eny na tsy mpino aza dia mahalala izany fa ny fisainan'ny fieritreretana dia efa anenjika azy amin'izany tsy fahamarinana izany.Ho an'ny kristiiana kosa dia ny fanahy masina no anazava azy izany ary ampahatsiahy azy izany

Dia rehefa tsy minana ambolony ny prosélytisme chrétien izany dia misehoseho sy mizahozaho?
dia tsy fantatro indray ny amin'izany satria tsy natao hitsara olona aho satria izaho koa aza mbola ho tsaraina
Ny tianareo izany dia ilay olona manaraka anjambany toy ny ondry ireny, tsy mametraka fanontaniana fa dia vendrana lava eny?
fa maninona no mihevitra ny tenany ho vendrana izy aloha? ny vavany ve no niteny izany sa ny olona no nanavendrana azy?
Ny fametrahana fanontaniana tsy fantatra dia tsy hitsarana ny olona ho vendrena,raha izaho no anontanianao na lany eo aza ny ora maro raha aiko dia zaraiko raha tsy aiko kosa dia tsy milingilingy amin'ny zavatra tsy aiko aho.Mahafinaritra ny manome noho ny mandray .Fahasoavana lehibe nomen'Atra ho an'ny kristiana ny fahafantarany ilay Atra velona miaina ao anatiny ka tsy mba reraka na konjo izy mizara izany fitiavana izany ny hafa

Izany no atao obscurantisme raha tsy diso ho ahy!
dia tsy fantatro indray izany fa ny vavanao no niteny izany ka izay izy izany aminao fa tsy amin'ny hafa

Ny dadanareo (Le Pape)
aoka aloha hazava tsara fa tsy manana papa roa aho,ny dadako niteraka ahy no dadako ety an-tany ary ny Raiko ara-panahy kosa dia Atra izay hivavahako isan'andro ary angatahiko sy resahiko,hisaorako ,deraiko ny anarany ary dia omeko voninahitra .
Ny Zanany no mpanelanelana ahy amin'ny Atra Ray dia tsy iza izany fa Jesosy kristy ,ny ankoatr'izay dia tsy misy .Mazava aminao izay?

ary izao efa manaika ny ampiasan'ny mpivarotena fimailo, nefa isika mbola any @ izany prosélytisme izany foana!

dia aleo ary aloha averiko kely ny teny tao amin'ny soratra masina.Nisy mpivarotena iray izay nohenjehina saika ho vonoina.Maninona no ilay ramatoa irery no saika novonoina,maninona no tsy nohenjehina ilay rangahy niaraka taminy? mahavariana ihany an
Dia saika hitorabato azy ireo manampahefana rehetra ,ny mpanora-dalana,ny mpisorona be ,ny fariseo ,entiko ilazana izany fa ireo olona avo indrindra nanana ny fahefana anao izany no nandeha hitsampa ny fahaizan'i kristy ? asa ?
Inona no nataon'i kristy? nanoratra izy(tsy nisy nahalala izay nosoratany na inona na inona) mety hoe nisy olona iray ambony teo ary dia nasehony azy ny fahotany ohatra ,tsy fantatra izany ary tsy voasoratra koa moa saingy ny ahatongavako dia nanontany azy Kristy hoe aiza ireo olona nanenjika anao,moa nisy sahy nitorabato azy ve ireo na iray aza? Tsia tompoko ,tsy nisy .Satria niala hatramin'ny ambony indrindra ka hatrany amin'izay kely fahefana.
Ny tiako ahatongavana izany dia izao na mpangalatra ,na jiolahy na tontakely ,na mpijangajanga ,na mpamosavy na inona heloka vitan'ny olona iray ka mibebaka sy miaiky ka tsy manao an'iny intsony ary mangataka fifonana amin'Atra izy dia ho afaka avokoa izany ary tsy ho tsaroan'Atra intsony -ka averiko indray fa tsy anjarantsika ny mitsara olona ,avereno aty amiko ny teniko fa izay ny ahy aloha

Miala tsiny fa izahay tsy mba naman'izay mihemotr'e!

Mandrosoa ry mpanaraton'i Jesoa ...izay no baiko azontsika ka mandroso

.....arotsay ny haratonao amin'ny lalindalina kokoa .. tsy misy mihemotra izany ny mpino Azy fa mandroso sy tsy kivy na izy manakivy na izy hanenjika na izy anao tsinotsinona azy satria ny anaran'i kristy no hoentiny,ny teniNy no omeny ary ny asa ataoNy no ataony
18. niryna ( 12/12/2010 04:01)
niryna:

Ny olana dia ny fahafantarana ny fahamarinana kanefa mbola mizinizina amin'illay hevitro iny ihany aho na efa diso izao aza.
ny fisehosehoana,ny fizahozahoana,ny tsy fijerevana ilay fahamarinana,ny fandavana ilay tenin'Atra no vao maika mampisaraka antsika aminy.
RAR.DAGO:

Ny kristianina izany no mahafantatra ny marina rehetra?

Tsy misy marina na iray aza fa ny finoana an'Atra no zava-dehibe amiko.Tsy izaho no nifidy azy fa izy no nifidy ahy,noho izany fantany sahady koa ny olona miziriziry amin'ny heviny fa tsy mikaroka ilay fahamarinana.Kristy no fahamarinana fa tsy ny kristiana ka,amiko io an
Ny fahotantsika no mampisaraka antsika amin'Atra ka raha mifona aminy isika ,mibebaka aminy fa tsy anao an'iny intsony dia mino koa aho fa tokony ahafantatra ny marina sy ny tsy marina isika .Eny na tsy mpino aza dia mahalala izany fa ny fisainan'ny fieritreretana dia efa anenjika azy amin'izany tsy fahamarinana izany.Ho an'ny kristiiana kosa dia ny fanahy masina no anazava azy izany ary ampahatsiahy azy izany

Dia rehefa tsy minana ambolony ny prosélytisme chrétien izany dia misehoseho sy mizahozaho?
dia tsy fantatro indray ny amin'izany satria tsy natao hitsara olona aho satria izaho koa aza mbola ho tsaraina
Ny tianareo izany dia ilay olona manaraka anjambany toy ny ondry ireny, tsy mametraka fanontaniana fa dia vendrana lava eny?
fa maninona no mihevitra ny tenany ho vendrana izy aloha? ny vavany ve no niteny izany sa ny olona no nanavendrana azy?
Ny fametrahana fanontaniana tsy fantatra dia tsy hitsarana ny olona ho vendrena,raha izaho no anontanianao na lany eo aza ny ora maro raha aiko dia zaraiko raha tsy aiko kosa dia tsy milingilingy amin'ny zavatra tsy aiko aho.Mahafinaritra ny manome noho ny mandray .Fahasoavana lehibe nomen'Atra ho an'ny kristiana ny fahafantarany ilay Atra velona miaina ao anatiny ka tsy mba reraka na konjo izy mizara izany fitiavana izany ny hafa

Izany no atao obscurantisme raha tsy diso ho ahy!
dia tsy fantatro indray izany fa ny vavanao no niteny izany ka izay izy izany aminao fa tsy amin'ny hafa

Ny dadanareo (Le Pape)
aoka aloha hazava tsara fa tsy manana papa roa aho,ny dadako niteraka ahy no dadako ety an-tany ary ny Raiko ara-panahy kosa dia Atra izay hivavahako isan'andro ary angatahiko sy resahiko,hisaorako ,deraiko ny anarany ary dia omeko voninahitra .
Ny Zanany no mpanelanelana ahy amin'ny Atra Ray dia tsy iza izany fa Jesosy kristy ,ny ankoatr'izay dia tsy misy .Mazava aminao izay?

ary izao efa manaika ny ampiasan'ny mpivarotena fimailo, nefa isika mbola any @ izany prosélytisme izany foana!

dia aleo ary aloha averiko kely ny teny tao amin'ny soratra masina.Nisy mpivarotena iray izay nohenjehina saika ho vonoina.Maninona no ilay ramatoa irery no saika novonoina,maninona no tsy nohenjehina ilay rangahy niaraka taminy? mahavariana ihany an
Dia saika hitorabato azy ireo manampahefana rehetra ,ny mpanora-dalana,ny mpisorona be ,ny fariseo ,entiko ilazana izany fa ireo olona avo indrindra nanana ny fahefana anao izany no nandeha hitsampa ny fahaizan'i kristy ? asa ?
Inona no nataon'i kristy? nanoratra izy(tsy nisy nahalala izay nosoratany na inona na inona) mety hoe nisy olona iray ambony teo ary dia nasehony azy ny fahotany ohatra ,tsy fantatra izany ary tsy voasoratra koa moa saingy ny ahatongavako dia nanontany azy Kristy hoe aiza ireo olona nanenjika anao,moa nisy sahy nitorabato anao ve ireo na iray aza? Tsia tompoko ,tsy nisy .Satria niala hatramin'ny ambony indrindra ka hatrany amin'izay kely fahefana.
Dia notohizan'i kristy ny teniny,izaho koa tsy manameloka anao,mandehana ary aza manao ny fanaonao intsony.

Ny tiako ahatongavana izany dia izao na mpangalatra ,na jiolahy na tontakely ,na mpijangajanga ,na mpamosavy na inona heloka vitan'ny olona iray ka mibebaka sy miaiky ka tsy hanao an'iny intsony izy ary mangataka fifonana amin'Atra izy dia ho afaka avokoa izany ary tsy ho tsaroan'Atra intsony -ka averiko indray fa tsy anjarantsika ny mitsara olona ,avereno aty amiko ny teniko fa izay ny ahy aloha

Miala tsiny fa izahay tsy mba naman'izay mihemotr'e!

Mandrosoa ry mpanaraton'i Jesoa ...izay no baiko azontsika ka mandroso

.....arotsay ny haratonao amin'ny lalindalina kokoa .. tsy misy mihemotra izany ny mpino an'i kristy fa mandroso sy tsy kivy koa izy na misy manakivy na misy manenjika na misy manao tsinotsinona azy satria ny anaran'i kristy no hoentiny,ny teniNy no omeny ary ny asa nataoNy koa no ataony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1235