Mety misy ve ity sa?

1. niryna ( 12/11/2010 04:56)
Rehefa manaraka ny fandaharana fivavahana aho dia itako fa maro be ny firenena manankarena no manampy ireny tany mahantra ireny.Manao sekoly,hopitaly,mampianatra ireo ankizy vavy namidy tamin'ny fivarotantena tsy nahy sy tsy fidiny sns,fanampiana maro. ara-pahasalamana,ara-panahy ary ny fiainana andavanandro maro rehetra
Dia mba lasa ny saiko hoe mba misy firenena manampy ny firenentsika tokoa ve na efa nisy sa tsy misy ?
Eritreritra ny ahy iny
répondu par vonynive le 15/12/2010 11:45
2. vonynive ( 12/11/2010 05:58)

niryna:

Rehefa manaraka ny fandaharana fivavahana aho dia itako fa maro be ny firenena manankarena no manampy ireny tany mahantra ireny.Manao sekoly,hopitaly,mampianatra ireo ankizy vavy namidy tamin'ny fivarotantena tsy nahy sy tsy fidiny sns,fanampiana maro. ara-pahasalamana,ara-panahy ary ny fiainana andavanandro maro rehetra
Dia mba lasa ny saiko hoe mba misy firenena manampy ny firenentsika tokoa ve na efa nisy sa tsy misy ?
Eritreritra ny ahy iny

finaritra niryna
nisy ary misy ary mbola hisy ka, misaotra anao nieritreritra ny firenenanao !
3. lagoon ( 12/11/2010 15:36)
fa hiandry firenena hafa foana vao ho tafarina?
moa tsy ireo firenena milaza fa manampy ireo ve no tena nanosika ny firenentsika tao anaty fahantrana?
4. niryna ( 12/11/2010 18:22)

lagoon:

fa hiandry firenena hafa foana vao ho tafarina?
moa tsy ireo firenena milaza fa manampy ireo ve no tena nanosika ny firenentsika tao anaty fahantrana?
mety ho eny ,mety ho tsia
tsy izany no tiako tenenina kosa e
mijaly ny firenena,eny mijaly,tsy olona iray no mahavita manampy na miezaka aza tsy ahavita,maro ny firenena izay mba manana ny ampy,manampy ny firenena mahantra.Aza raisina ho ampiasaina ho fitaovana anjanahantany avokoa ilay izy fa manjary tsy mandeha amin'izay tokony ho izy e,rehefa manampy ny hafa dia avelao hanampy ,izay no tiako tenenina hoe misy ve sa tsia .Misaotra anao aho
5. nanjakely ( 16/11/2010 11:37)
manohana ny hevitry niryna
6. vonynive ( 16/11/2010 12:11)
*zatra tolorana isika malagasy; zatra mangataka; (isika hoy aho an satria malagasy aho)
tsy dia mahasarika antsika loatra ny jery (vision) lavitra fa le vetivety ihany.... (fa za mino fa ho afaka @ zany isika rehefa maro ny mahatsapa tena hanampy aratsaina sy maharitra)
*saingy fanampiana ihany no anjaran'ny firenena mpanampy fa tsy maintsy isika no miezaka ary tokony hiezaka tokoa fa tsy ho saka omeomeo lava zao
*satria voafetra ihany koa ny budget sy ny fotoampiasan'ireny mpanampy ireny
*fa mifaningotra tanteraka ny arapanahy sy toekarena sy ny politika sy ny sosialy; rehefa misy ny krizy politika dia sahirana ny toekarena ary midina ny sosialy...mila leadership mahatoky hitondra (na ny politika na sosialy na ekonomika na ny fivavahana)
tsy mora ny fanovana tiankatao eto madagasikara fa mila vavaka.
7. Miharena ( 19/11/2010 10:52)
Raha toa tokoa ka fanampiana ara-bola dia azon'ny firenena hafa hatao amintsika Malagasy fa tsy maharitra izany ary tsy afaka velively hanala izay sakana ara-pivoarana eto amintsika. Ny vola manko dia mandalo ihany ary ny fanatanterahana asa fampidiram-bola iray hatao hoe maharitra dia sarotra ny hitompo teny fantatra hoe haharitra izany. Ny zavatra tsara hoheverin'ny Malagasy dia ny famokarana sakafo amin'ny alalan'ny fambolena sy fiompiana fa tsy manenjika fivoarana ara-materialy loatra.

Ny tena zava-dehibe tokony himasoana koa dia ny fivoarana ara-poto-pisainana mihitsy hahay hahafantatra izay atao hoe maharitra hahaveloman'ny mponina eto amintsika. Ny aina no zava-dehibe voalohany amin'izany ary ny materialy dia hanaraka ho azy raha mahay mikajy aina ny Malagasy (na io ain'olombelona, na io ain'ny zava-boary rehetra ananantsika). Ireo tombon-tsoa lehibe nomen-janahary antsika ireo raha tsy hajaintsika dia mazava fa mandrora mitsilany hatrany isika, ka na politika, na sosialy toy ny inona no atao eto dia tsy hisy fahavanonana eo amin'ny toe-karentsika raha tsy hay ny mandala izay soa toavina momba ny aina izay.
8. niryna ( 20/11/2010 17:29)

vonynive:


niryna:

Rehefa manaraka ny fandaharana fivavahana aho dia itako fa maro be ny firenena manankarena no manampy ireny tany mahantra ireny.Manao sekoly,hopitaly,mampianatra ireo ankizy vavy namidy tamin'ny fivarotantena tsy nahy sy tsy fidiny sns,fanampiana maro. ara-pahasalamana,ara-panahy ary ny fiainana andavanandro maro rehetra
Dia mba lasa ny saiko hoe mba misy firenena manampy ny firenentsika tokoa ve na efa nisy sa tsy misy ?
Eritreritra ny ahy iny

finaritra niryna
nisy ary misy ary mbola hisy ka, misaotra anao nieritreritra ny firenenanao !
miarahaba koa aho e
iza ? satria toa tsy misy manampy intsony isika ankehitriny?
9. niryna ( 20/11/2010 17:32)

lagoon:

fa hiandry firenena hafa foana vao ho tafarina?

tsy ny firenena any ivelany no anarina antsika ka,isika ao ihany no manarina sy mijery ny lesoka ary miaraka mitady vahaolana
ireo mpanampy sy mpamatsy vola ho an'ny firenena mahantra,manamboatra sekoly sy manome sakafo ny firenena mahantra no resahiko ka
toy Joyce meyers,miteny ny firenena mahantra:inde,haiti sy ny sisa

moa tsy ireo firenena milaza fa manampy ireo ve no tena nanosika ny firenentsika tao anaty fahantrana?
mety ho fijerina manokana izany ,mety nisy izany fa tsy izay manampy rehetra dia hitady tombotsoa avokoa ,eritreritra ny ahy iny
10. niryna ( 20/11/2010 17:34)

nanjakely:

manohana ny hevitry niryna
ie raha mba tonga any amin'izay tokony alehany tokoa anie ny fanampiana dia ho sambatra ny vahoaka e.
asa raha mba tafiditra ao anatin'ny lisitra ao isika na tsia
11. niryna ( 20/11/2010 17:37)

vonynive:

*zatra tolorana isika malagasy; zatra mangataka; (isika hoy aho an satria malagasy aho)
tsy dia mahasarika antsika loatra ny jery (vision) lavitra fa le vetivety ihany..


vony a,aleo aloha ho hazavaiko ny tiako tenenina ,tsy ilay resaka politika ankehitriny hoe tsy mahazo fanampiana any ivelany intsony isika noho ny fitondana misy,tsy izay no tiako tenenina ,misy firenena ,ny olona ao aminy no manampy ireny organization ireny ,ary dia ampiasainy anaovana sekoly,hopitaly,trano itoeran'ny olona mahantra ilay vola,izay no tiako tenenina,misy an'izany ve ao amintsika?

12. niryna ( 20/11/2010 17:42)

Miharena:

Raha toa tokoa ka fanampiana ara-bola dia azon'ny firenena hafa hatao amintsika Malagasy fa tsy maharitra izany ary tsy afaka velively hanala izay sakana ara-pivoarana eto amintsika. Ny vola manko dia mandalo ihany ary ny fanatanterahana asa fampidiram-bola iray hatao hoe maharitra dia sarotra ny hitompo teny fantatra hoe haharitra izany. Ny zavatra tsara hoheverin'ny Malagasy dia ny famokarana sakafo amin'ny alalan'ny fambolena sy fiompiana fa tsy manenjika fivoarana ara-materialy loatra.
misaotra anao nizara

Ny tena zava-dehibe tokony himasoana koa dia ny fivoarana ara-poto-pisainana mihitsy hahay hahafantatra izay atao hoe maharitra hahaveloman'ny mponina eto amintsika. Ny aina no zava-dehibe voalohany amin'izany ary ny materialy dia hanaraka ho azy raha mahay mikajy aina ny Malagasy (na io ain'olombelona, na io ain'ny zava-boary rehetra ananantsika). Ireo tombon-tsoa lehibe nomen-janahary antsika ireo raha tsy hajaintsika dia mazava fa mandrora mitsilany hatrany isika, ka na politika, na sosialy toy ny inona no atao eto dia tsy hisy fahavanonana eo amin'ny toe-karentsika raha tsy hay ny mandala izay soa toavina momba ny aina izay.
lasa nivoana kely ilay izy kanefa marina ny tianao ho tenenina
raha miresaka ilay fotompisainana aho dia eo no tena lesoka be ,satria noho ny tsy fisiana dia lasa mihinana antoerana toy ny parasy isika ka na ny fianakaviana aza angamba dia mety tsy hifampiditra antrano intsony noho ilay tiatiakely,mangalatra sy tia rairay
eo ihany koa ilay tsy fiarahana miombokevitra raha hita eo izao ilay mpangaropaosy maka ny olona raha miaraka manenjika an'iny ny olona mihaza azy ary fehezina dia tsy hisy intsony ny sahy angalatra,nanao izany isika teo aloha ary ny loza aza dia nisy fandorana mihitsy nanala ny aina saingy tsy izany no tokony atao fa famaizany ary firaisankina tanteraka mba tsy ho afaka anao izany intsony ireo ratsy
hevitro iny anefa
13. vonynive ( 22/11/2010 07:17)

niryna:


vonynive:


niryna:

Rehefa manaraka ny fandaharana fivavahana aho dia itako fa maro be ny firenena manankarena no manampy ireny tany mahantra ireny.Manao sekoly,hopitaly,mampianatra ireo ankizy vavy namidy tamin'ny fivarotantena tsy nahy sy tsy fidiny sns,fanampiana maro. ara-pahasalamana,ara-panahy ary ny fiainana andavanandro maro rehetra
Dia mba lasa ny saiko hoe mba misy firenena manampy ny firenentsika tokoa ve na efa nisy sa tsy misy ?
Eritreritra ny ahy iny

finaritra niryna
nisy ary misy ary mbola hisy ka, misaotra anao nieritreritra ny firenenanao !
miarahaba koa aho e
iza ? satria toa tsy misy manampy intsony isika ankehitriny?

miarahaba
-ny @ ireo fanampiana efa vita fifanarahana taloha dia tsy tapaka hatramin'izao
-ny fanampiana @ fitsinjovana ny mahaolona koa dia tsy tapaka oh ny fiahiana ho an'ny zaza , ny vehivavy sns...
-fa ny fanampiana ho an'ireo projet @ asa vaventy; ny projet lehibe dia misy olana ny famatsiambola oh ny sida, ny lalana ao koa ny fisondrotan'ny vidinjavatra sasantsanay ilaina ho an'ny fahasalamana sy ny fiainana andavanandro.
14. vonynive ( 22/11/2010 07:57)

niryna:


vonynive:

*zatra tolorana isika malagasy; zatra mangataka; (isika hoy aho an satria malagasy aho)
tsy dia mahasarika antsika loatra ny jery (vision) lavitra fa le vetivety ihany..


vony a,aleo aloha ho hazavaiko ny tiako tenenina ,tsy ilay resaka politika ankehitriny hoe tsy mahazo fanampiana any ivelany intsony isika noho ny fitondana misy,tsy izay no tiako tenenina ,misy firenena ,ny olona ao aminy no manampy ireny organization ireny ,ary dia ampiasainy anaovana sekoly,hopitaly,trano itoeran'ny olona mahantra ilay vola,izay no tiako tenenina,misy an'izany ve ao amintsika?



miarahaba anao
-raha ny oe isika malagasy no manampy antsika malagasy dia misy ihany saingy kely dia kely no azontsika atao satria isika aza sahirana aratoekarena fa ny firenena vahiny no tena betsaka ary raisina @ saotra tokoa
-hoy ny ohabolana sinoa oe "omeo harato (jery lavitra )izy fa tsy trondro (vonjy tavanandro)lava izao": mandrampahavita ny harato sy mandrampahitany ny vokatsoa azo avy @ harato aloha dia tokony omena trondro ihany izy (io le oe tiptop), ary fahendrena nasehon'i Jeso koa izany raha ny baiboly no jerena
-ny tena vahaolana dia tsy misy afa tsy Ilay mofon'aina velona dia jeso ihany 35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.JAONA 6 35 - 35.

mino aho fa misy zavatra apetraky ny Tompo jeso ho @ izany ao aminao matoa ianao lasa saina ho @ izany an... misaotra mialoha @ anjara biriky !
15. vonynive ( 22/11/2010 08:31)

Miharena:

Raha toa tokoa ka fanampiana ara-bola dia azon'ny firenena hafa hatao amintsika Malagasy fa tsy maharitra izany ary tsy afaka velively hanala izay sakana ara-pivoarana eto amintsika. Ny vola manko dia mandalo ihany ary ny fanatanterahana asa fampidiram-bola iray hatao hoe maharitra dia sarotra ny hitompo teny fantatra hoe haharitra izany. Ny zavatra tsara hoheverin'ny Malagasy dia ny famokarana sakafo amin'ny alalan'ny fambolena sy fiompiana fa tsy manenjika fivoarana ara-materialy loatra.

Ny tena zava-dehibe tokony himasoana koa dia ny fivoarana ara-poto-pisainana mihitsy hahay hahafantatra izay atao hoe maharitra hahaveloman'ny mponina eto amintsika. Ny aina no zava-dehibe voalohany amin'izany ary ny materialy dia hanaraka ho azy raha mahay mikajy aina ny Malagasy (na io ain'olombelona, na io ain'ny zava-boary rehetra ananantsika). Ireo tombon-tsoa lehibe nomen-janahary antsika ireo raha tsy hajaintsika dia mazava fa mandrora mitsilany hatrany isika, ka na politika, na sosialy toy ny inona no atao eto dia tsy hisy fahavanonana eo amin'ny toe-karentsika raha tsy hay ny mandala izay soa toavina momba ny aina izay.

salama e
misaotra anao @ fanampiana fa lehibe tokoa izany
16. niryna ( 12/12/2010 03:02)

vonynive:



miarahaba
-ny @ ireo fanampiana efa vita fifanarahana taloha dia tsy tapaka hatramin'izao
-ny fanampiana @ fitsinjovana ny mahaolona koa dia tsy tapaka oh ny fiahiana ho an'ny zaza , ny vehivavy sns...
-fa ny fanampiana ho an'ireo projet @ asa vaventy; ny projet lehibe dia misy olana ny famatsiambola oh ny sida, ny lalana ao koa ny fisondrotan'ny vidinjavatra sasantsanay ilaina ho an'ny fahasalamana sy ny fiainana andavanandro.

[/quote] hay ve e,misaotra anao
17. vonynive ( 15/12/2010 11:45)

niryna:


vonynive:



miarahaba
-ny @ ireo fanampiana efa vita fifanarahana taloha dia tsy tapaka hatramin'izao
-ny fanampiana @ fitsinjovana ny mahaolona koa dia tsy tapaka oh ny fiahiana ho an'ny zaza , ny vehivavy sns...
-fa ny fanampiana ho an'ireo projet @ asa vaventy; ny projet lehibe dia misy olana ny famatsiambola oh ny sida, ny lalana ao koa ny fisondrotan'ny vidinjavatra sasantsanay ilaina ho an'ny fahasalamana sy ny fiainana andavanandro.

hay ve e,misaotra anao
[/quote]
Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko.ASAN'NY APOSTOLY 24 17 - 17
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3468