Aza atao valalan'alika an

1. niryna ( 29/10/2010 15:17)
Indraindray aho dia variana ireo olona izay toa manambany ny mahamalagasy( tsy misy resaka politika ity an,resaka fahaizana no tiako tenenina)
Manambanimbany hoy aho satria raha resaka hoe tsy fahampiana boky sy tsy fananana vola hividiana boky na andoavana ecolage dia zavatra hafa fa ny zavatra itako no lazaiko dia izao,mbola manampahaizana lavitra noho ny vahiny isika raha tena ampy fitaovana.Samy manana ny fomba fampianarany ny firenena tsirairay fa ny fomba fampianarana ny ankizitsika dia hafa.Variana aho mijery ireto mpianatra mianatra amin'ny college na universite aty amintsika fa ny math ataony dia mitovy ny an'ny kilasy 6-5 eme ,tssiii
Santionany fotsiny io an,ny antsika asiana manao memoire ny rehetra ,ny andry zareo ka multiple choise no betsaka na eny na tsia
novalian'i niryna ny 10/11/2010 06:44
2. ledala ( 30/10/2010 01:16)
Asa na azoko ny tianao hambara fa isan'ny tsy nitiavako Histo geo tamin'izany fotoana ny fibodoan'ny tantara vahiny tao amin'io taranja io. Ny antsika anefa, mety izaho angamba no tsy mahatsiaro fa , toa tsy dia nianatra loatra hoe ahoana moa ny tena fomba nitondran izany Mpanjaka Ralambo, Ranavalona, ...sns? Mety misy fahendrena azo trandrahana ihany angamba ny teo amin'ny Razan-tsika teo aloha saingy ...ho alefa aiza moa? aiza no sehatra?
Jereo ange, ty fomba fiteny amin' izao eh!vary amin'anana , ary ny fomba fanoratra ny tenin-tsika, vary manta moaka eny na dia izao soratako izao aza maro ny diso, zao no hahaizako manoratra azy. ka raha izaho tsy mahay aza mahita diso maika fa ireo nandalina manokana?
Santionany ireny , ary tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy, sendra nahita mitovitovy dia mba nanoratra ko miala tsiny indrindra e
3. niryna ( 02/11/2010 16:51)

niryna:

Indraindray aho dia variana ireo olona izay toa manambany ny mahamalagasy( tsy misy resaka politika ity an,resaka fahaizana no tiako tenenina)
Manambanimbany hoy aho satria raha resaka hoe tsy fahampiana boky sy tsy fananana vola hividiana boky na andoavana ecolage dia zavatra hafa fa ny zavatra itako no lazaiko dia izao,mbola manampahaizana lavitra noho ny vahiny isika raha tena ampy fitaovana.Samy manana ny fomba fampianarany ny firenena tsirairay fa ny fomba fampianarana ny ankizitsika dia hafa.

aleo aloha ho hazavaiko kely ,izany hoe na tsy ampy fitaovana aza ny antsika dia mahay,manana fomba ahafahan'ireo ankizy ireo mitadidy
Ny an'ny firenena misy ahy dia e,e, tsy misy izany memoire izany,manisa 5+4 avy dia isaina amin'ny ratsan-tanana fa tsy hainy,tsy kely ity tsy lehibe an

Variana aho mijery ireto mpianatra mianatra amin'ny college na universite aty amintsika fa ny math ataony dia mitovy ny an'ny kilasy 6-5 eme ,tssiii
miala tsiny fa aty aminay no tiako tenenina,loza koa izany ,isika sy izahay dia efa mampiova zavatra betsaka
Dia ahoana ity ry niryna hoy ry zareo,navelako nanao ny methode teo ka teo ,farany nampalahelo ahy dia nomeko ny methodentsika fa e,e,tena ela

Santionany fotsiny io an,ny antsika asiana manao memoire ny rehetra ,ny andry zareo ka multiple choice no betsaka na eny na tsia

raha tsy atody dia .... ,tsy misy saina mikaroka fa tonga dia manao akitsapaka
4. mirananirina ( 08/11/2010 11:59)
Amin'ilay hoe mana-pahaizana na tsia,ohatra omeko fotsiny ity ny nahazo anay fahiny,
tany @ primaire izahay tao @ providence dia teny gasy daholo,ohatra,lazaolana:valiny! asa-marika!iray ampiana iray mira roa.....fiarahamonina,sns..rehetra.Tonga @ izay ny 6ème:teny vazaha daholo,histoire ee,géo ee,math ee...tsy nampianarina izahay hiteny français,nefa avy tonga dia histoire be manadala en français no mahazo....,hany ka raha tsy manao tsianjery maimbo tsy mahay.Soa ankehitriny fa efa en français daholo ny rehetra asa ny fanjakana(primaire io)
5. niryna ( 10/11/2010 06:44)

mirananirina:

Amin'ilay hoe mana-pahaizana na tsia,ohatra omeko fotsiny ity ny nahazo anay fahiny,
tany @ primaire izahay tao @ providence dia teny gasy daholo,ohatra,lazaolana:valiny! asa-marika!iray ampiana iray mira roa.....fiarahamonina,sns..rehetra.Tonga @ izay ny 6ème:teny vazaha daholo,histoire ee,géo ee,math ee...tsy nampianarina izahay hiteny français,nefa avy tonga dia histoire be manadala en français no mahazo....,hany ka raha tsy manao tsianjery maimbo tsy mahay.Soa ankehitriny fa efa en français daholo ny rehetra asa ny fanjakana(primaire io)
ny fandinihiko an'ireny kosa aloha dia tena nisaina kely akory fa avy avy fotsiny dia nesorina avokoa ny teny frantsay,tsy nahatsampa angamba ireo mpampianatra sy izay nitarika an'iny programme iny hoe inona no mety ho vokatra ateraky ny taranaka aty aoriana.
Soa ihany fa ankehitriny dia misy teny vahiny roa ary manampy ny ankizy tokoa ny fahaizana azy ireo any aoriana any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801