inona no mampiavaka ny kristianiana sy ny tsy kristianina?
1. vonynive
(
28/10/2010 11:45)
inona no iavahan'ny kristianina sy ny tsy kristianina
io indray no mahalasa ny saiko...
Hevitra vary raraka atao an-tsobika no atao eto ka na avy aiza na avy aiza ny hevitra dia horaisina antanandroa tokoa.
*any aorina atao lohahevitra ny famintinanaka ka atambatra ho sokajy iray izay mitovitovy oh 1/ny fitondrantena 2/ny materialy sns...
*dia rehefa avy koa mitady vahaolana sy fanitsiana : voankazo an'ala e
atao toy ireny oe mivory ireny dia samy manoratra izay heviny avy, avy eo apetaka @ tabilao, dia ....
mirary soa daholo

novalian'i vonynive ny 11/11/2010 13:18
2. Dan23
(
28/10/2010 14:40)
Miarahaba eee,
Ny kristianina araka izany anarany zany dia ireo olona manara-dia an'iKristy dia ny ankoatrzay zany dia tsy kristianina

3. fafane
(
28/10/2010 16:38)
Marina fa ny mpanara-dia an'i Jesosy no atao hoe kristiana saingy tsy ampy zay fa tsy maintsy manao zay lazain'i Jesosy, satria hoy ny tenin'Andriamanitra hoe izay milaza fa mitoetra ao Aminy de tsy maintsy mande tahaka izay nandehananany, de tena hita mintsy ny fihavahany fa tsy azo isalorana fotsiny lay anarana; tsy manao ny fanaon'zao tontolo izao,sady tsy mandeha any @ lalana falehan'ny mpanota, afaka @fahazaran-dratsy(miteny ratsy, mijangajanga, mandainga, tia ny fahafinaretan'ny nofo sns), tsy ampy izay fanazavako izay fa lava loatra fa izay no mampiavaka ny tena kristiana marina sy ny sarintsariny
4. rijadolly
(
28/10/2010 21:31)
vonynive:
inona no iavahan'ny kristianina sy ny tsy kristianina
Somary malalaka kely ilay fanontanian' Vonynive
Eo amin' vokatra azo amin'ny maha...ve?
Sa ny Hinoana?
5. RAR.DAGO
(
29/10/2010 05:15)
fafane:
.... tsy manao ny fanaon'zao tontolo izao,sady tsy mandeha any @ lalana falehan'ny mpanota,
Ny krisitanina izany dia Extra terrestre sa jedi Master? :-)
99,99% ny fomba tsara ao anatin'ny fampianarana krisitianina dia hita any @ fivavahana hafa sy "civilisation" hafa, ka somary tokony ahitsy ihany angamba izany hevitra izany ka!
fafane:
afaka @fahazaran-dratsy(....tia ny fahafinaretan'ny nofo sns),
Fa maninona moa ny fahafinaretan'ny nofo no ratsy e? Misy tsara no izany mizara fitiavana izany ve? Atao resaka fiatsaram-belatsihy io resaka io dia avy eo ianareo gaga misy mopera pédophiles, misy manana sexualité perturbée mampirongatra ny homosexuel, ny frustré lasa violeur rehefa tsy mahazaka miaritra irery, sns.
Ny firaisana dia toy ny zavatra rehetra tsapan'ny vatana sy ny saina toy ny misakafo, manao fanatanjaha-tena, mihira, miheritreritra....Misy matianina, misy mio-pefy, misy manandrakandrana....
Fa ho an'ny sarababem-bahoaka, mila équilibre ny zanak'olombelona @ rehetra ataony fa tsy abstinence. @ iny lafiny iny dia mila mijery kely ny fahendrena tatsinanana ny kristianina fa mbola mila mianatra zavatra be dia be.
fafane:
tsy ampy izay fanazavako izay fa lava loatra fa izay no mampiavaka ny tena kristiana marina sy ny sarintsariny
Izay ve izany no tena izy?
Ny tena maha samy hafa ny kristianina @ hafa raha ny hevitro dia ny kristianina irery :
1. No mihevitra fa ilay mpaminany hoe jesosy no mesia.
2. No mandray an'io mesia io tsy ho toy ny olona nahazo ny fahasoavan'Atra fotsiny fa ny zanak'Atra lahy tokana mihitsy. Dia avy eo moa lasa tena Atra mihitsy jesosy, satria Atra dia iray fa misy "bika" telo (trinité).Io consubstantialité io dia manahirana ny hafa matetika satria TENA CONSTRUCTION PURE. Ary midika fanevatevana an'Atra mihitsy aza ho an'ny sasany satria tsy eken'ireo ho mety ho olombelona mihitsy i YWVH. Marihiko fa tsy misy an'io concept io ao anaty baiboly fa ny taty ahoriana no namoronana azy PAR INTERPRETATION izay natao tao @ concile de Nicée t@ 325.
3. No namono sy nanjanaka olona be indrindra teto abonin'ny tany t@ anaran'ny fivavahana ary io no fivavahana be mpikambana indrindra eto an-tany na vitsy an'isa aza raha miohatra @ isan'ny olombelona.
Noho io antony faha 3 io, dia io fivavahana io izany no nanaparitka be indrindra ny intégrisme religieux. Fa raha ampiasaina izarana ny fomba tsara ny fivavahana fa tsy entina manao prosélytisme gaigy sy vendrana fotsiny dia izay vao hiatsara angamba ny fifandraisan'ny taranaky ny vehivavy.
Sa ve misy azo lavina izany lazaiko izany?
6. RBNIR
(
29/10/2010 05:16)
Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo,
Marina mihitsy izany an'i fafane izany e,
Sady ny Kristy Tompo koa ange efa nanafatrafatra tao amin'ny Mat.7:21 hoe tsy izay manao amiko Tompoko Tompoko no hiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra e!
Raha mitovy amin'ny fiainantsika fony isika mbola tsy kristianina ihany v ny fianinan-tsika lasa kristianina. Inona no soa azontsika amin'izany (dia anantena v isika fa ho azon-tsika ny lanitra?).
Misy mihitsy ny mampiavaka ny kristianina (tokony manaja io tenin'ny Tompo io izy dia manao ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra).
Tahin'i Jesosy

7. RAR.DAGO
(
29/10/2010 06:03)
RBNIR:
.... Raha mitovy amin'ny fiainantsika fony isika mbola tsy kristianina ihany v ny fianinan-tsika lasa kristianina. Inona no soa azontsika amin'izany (dia anantena v isika fa ho azon-tsika ny lanitra?)
Fa i RBNIR izany mihevitra fa "étre supérieur" ny kristianina? Sa ve inona no dikan'io fehezan-teny io?
8. RBNIR
(
29/10/2010 06:31)
Tsy izany mihitsy RAR.DAGO a!
Ny contrairan'izany ny kristianina satria izy nampianarina hanetry tena tanteraka : vakio ange ity e « Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Matio 23:12).
Ny dikan'io fehezan-teny io dia hoe:
Matoa isika niala tamin'ny fiainana teo aloha dia mikatsaka zavatra tsaratsara kokoa satria misy tanjona tiana hotratrarina ao.
Ny kristianina ny fanjakan'ny lanitra ihany no tanjona tokony hotratrariny.
Mba ahafahany manatratra io tanjona io dia tokony ekeny ho Tompony i Jesosy Kristy Tompo.
Ka raha tena Tomponao tokoa ary I Jesosy Kristy moa v tsy tokony hotompoinao izy izany hoe ataonao izay sitrapony???

9. RAR.DAGO
(
29/10/2010 07:16)
Aza fady izany raha diso ny fahazoako azy.
Anisan'y tsy maha-kristianina aho intsony izay toe-tsaina izay. Ny aho, ny filaminana sy ny fiadanana eto an-tany no tajona fa ny any ankoatra tsy dia rarahako firy fa miala tsiny.
Toy ny filazan'ilay ranamana izay hoe "mety amiko daholo na ny afo be na ny lanitra fa samy misy namako daholo any raha ny fitsaranareo anay izao"
Tena miala tsiny aloha RBNIR fa tena tsy mety amiko izany manompo sy andevozina izany a! Olona hafaka isika rehetra ka andeha hisitrika indray?
Raha tsy diso aho ao anatin'io baiboly tononinao io ao @ Matio ao misy milaza hoe "tiavo ny namanao tahaka ny tenanao" na zavajavatra tahak'izay.
Ka raha ny tenako aza tsy tiako fa ahetriko any @ fanompoina dia inona no hozaraiko any @ hafa? Dia aza gaga raha te ho martiora no betsaka noho ny olona mizara fitiavana satria fijaliana fotsiny izany ny eto an-tany.
Tsy izay moa no resaka eto fa hoe maha samy hafa ny krisitianina @ hafa, fa asakasakareo izay te ho andevozin'ny fivavahana e!
Ny kristianina ny fanjakan'ny lanitra ihany no tanjona tokony hotratrariny

10. RBNIR
(
29/10/2010 07:37)
Manetre tena kely fotsiny RAR.DAGO a!
Maro anie no nakamamy ny fiainana sy ny fahafinaretana eto an-tany izao (izahay koa mba tena isan'ny lohany ihany koa an) fa rehefa nahita ny maminy taminy fiarahana tamin'ny Tompo dia niaiky avokoa fa tsy misy tsara mihoatra ny manompo Azy.
Ary Andriamanitra anie tena manasa an-tsika mihitsy mba hizaha e! vakio ange e!« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8).
Tahin'ny Tompo e!

11. RAR.DAGO
(
29/10/2010 08:37)
RBNIR:
Manetre tena kely fotsiny RAR.DAGO a!
Manetry tena tanteraka eo anatrehan'ny fahalalahan'ny mpiaramonina mba hisian'ny fifanajàna sy fifankatiavana fa tsy sanatria eo anoloanan'ny fiangonana na Atra izay tsy nofidiako.
RBNIR:
Maro anie no nakamamy ny fiainana sy ny fahafinaretana eto an-tany izao (izahay koa mba tena isan'ny lohany ihany koa an) fa rehefa nahita ny maminy taminy fiarahana tamin'ny Tompo dia niaiky avokoa fa tsy misy tsara mihoatra ny manompo Azy.
Tsara ho anao izany fa tohizo fa aza ferana ny hafa rehefa tsy mametra ny fahalalahanao izy fa manjary mampiady satria tsy izay mety aminao dia mety ho an'izao tontolo izao.
Lay Atra inoako nilaza tamiko hoe :
- Nanahirana aho no nanamboatra anareo ka aza mifamono sy mifanaliaka fa mifankatiava.
- Hajao ny finoana sy ny safidin'ny sasany satria maro ireo fahendrena nambarako nefa tsy enonao fa enon'ny sasany, ary mbola aharitra mandrakizay izany.
- Ary mba ampiasao io saina kely eo anelanelan'ny sofina roa io mba ampandrosoana ny fiainanareo fa aza manaiky ataon'ny sasany toy ny akoho sy ny vodihazo fa manevateva ny asako izany.
Ka sakamalao sy avozo io tompoko, ka samy manana ny hanitra ho azy fa aza lazaina fa ny anao no tsara dia ny an'ny hafa no ratsy fa tsy mety izany hoy ny Atray ;)
12. RBNIR
(
29/10/2010 09:22)
Nijoro vavolombelona amin'ilay fahatsaran'ny manompo an'Andriamanitra fotsiny aho mba hahafantaran'ny olona hoe tsara ny manompo an'Andriamanitra fa tsy hoe ratsy tsy akory e!.
13. vonynive
(
29/10/2010 09:24)
rijadolly:
vonynive:
inona no iavahan'ny kristianina sy ny tsy kristianina
Somary malalaka kely ilay fanontanian' Vonynive
Eo amin' vokatra azo amin'ny maha...ve?
Sa ny Hinoana?
salama rijadolly
ie, atao malalaka miitsy ka, io le atao oe hevitra vary raraka, na vokatra na fanahy sns..
14. vonynive
(
29/10/2010 09:28)
ohatra tsotra oy le zazalahy 13 taona izay : ny kristianina manana fiadanampo !
avy eo izy sokajiana hoe ireto avy ny ao anaty sokajy iray (oh :1/ vokatra :....) 2/ny inoana :....

15. RAR.DAGO
(
29/10/2010 09:38)
RBNIR:
Nijoro vavolombelona amin'ilay fahatsaran'ny manompo an'Andriamanitra fotsiny aho mba hahafantaran'ny olona hoe tsara ny manompo an'Andriamanitra fa tsy hoe ratsy tsy akory e!.
Eny ary fa omba anao anie ny fitiavana sy ny fandeferana ka ho ela-velona ao anatin'ny fiadanan-tsaina sy ny filaminana ianao eto an-tany.
16. vonynive
(
29/10/2010 10:54)
RAR.DAGO:
fafane:
.... tsy manao ny fanaon'zao tontolo izao,sady tsy mandeha any @ lalana falehan'ny mpanota,
Ny krisitanina izany dia Extra terrestre sa jedi Master? :-)
99,99% ny fomba tsara ao anatin'ny fampianarana krisitianina dia hita any @ fivavahana hafa sy "civilisation" hafa, ka somary tokony ahitsy ihany angamba izany hevitra izany ka!
fafane:
afaka @fahazaran-dratsy(....tia ny fahafinaretan'ny nofo sns),
Fa maninona moa ny fahafinaretan'ny nofo no ratsy e? Misy tsara no izany mizara fitiavana izany ve? Atao resaka fiatsaram-belatsihy io resaka io dia avy eo ianareo gaga misy mopera pédophiles, misy manana sexualité perturbée mampirongatra ny homosexuel, ny frustré lasa violeur rehefa tsy mahazaka miaritra irery, sns.
Ny firaisana dia toy ny zavatra rehetra tsapan'ny vatana sy ny saina toy ny misakafo, manao fanatanjaha-tena, mihira, miheritreritra....Misy matianina, misy mio-pefy, misy manandrakandrana....
Fa ho an'ny sarababem-bahoaka, mila équilibre ny zanak'olombelona @ rehetra ataony fa tsy abstinence. @ iny lafiny iny dia mila mijery kely ny fahendrena tatsinanana ny kristianina fa mbola mila mianatra zavatra be dia be.
fafane:
tsy ampy izay fanazavako izay fa lava loatra fa izay no mampiavaka ny tena kristiana marina sy ny sarintsariny
Izay ve izany no tena izy?
Ny tena maha samy hafa ny kristianina @ hafa raha ny hevitro dia ny kristianina irery :
1. No mihevitra fa ilay mpaminany hoe jesosy no mesia.
2. No mandray an'io mesia io tsy ho toy ny olona nahazo ny fahasoavan'Atra fotsiny fa ny zanak'Atra lahy tokana mihitsy. Dia avy eo moa lasa tena Atra mihitsy jesosy, satria Atra dia iray fa misy "bika" telo (trinité).Io consubstantialité io dia manahirana ny hafa matetika satria TENA CONSTRUCTION PURE. Ary midika fanevatevana an'Atra mihitsy aza ho an'ny sasany satria tsy eken'ireo ho mety ho olombelona mihitsy i YWVH. Marihiko fa tsy misy an'io concept io ao anaty baiboly fa ny taty ahoriana no namoronana azy PAR INTERPRETATION izay natao tao @ concile de Nicée t@ 325.
3. No namono sy nanjanaka olona be indrindra teto abonin'ny tany t@ anaran'ny fivavahana ary io no fivavahana be mpikambana indrindra eto an-tany na vitsy an'isa aza raha miohatra @ isan'ny olombelona.
Noho io antony faha 3 io, dia io fivavahana io izany no nanaparitka be indrindra ny intégrisme religieux. Fa raha ampiasaina izarana ny fomba tsara ny fivavahana fa tsy entina manao prosélytisme gaigy sy vendrana fotsiny dia izay vao hiatsara angamba ny fifandraisan'ny taranaky ny vehivavy.
Sa ve misy azo lavina izany lazaiko izany?
-misaotra rardago a, ny religion dia fombafomba fivavahana izany oe ny olona dia miezaka hiakatra ho an'Atra fa kristianina kosa dia "Atra midina" ho an'ny olona.
-ie entina izarana ny fomba tsara miitsy ny fivavahana (izany ho anton'izao serasera izao) fa nisy nandiso zany ho fomba ratsy ka,
17. AndriambyII
(
30/10/2010 21:53)
Vonynive , mety ho tsapa ihany izany toem-panahy izany rehefa mihilana ny fotoana ,fa tsy isika @ izao vanim-potoana izao intsony akory no handeha hampahatsiahy fa mila fihezahana isanandro vaky izao ny fahafantarana ny herin' Andriamanitra @ lafiny rehetra .Ho an' ireo hafa finoana dia mahatokisa fa voatahy @ lafiny tsy fantatra ihany koa ny fiainany ny @ izay zava-mitranga miseho @ izao fotoana izao .
18. RAR.DAGO
(
31/10/2010 05:19)
AndriambyII:
Ho an' ireo hafa finoana dia mahatokisa fa voatahy @ lafiny tsy fantatra ihany koa ny fiainany ny @ izay zava-mitranga miseho @ izao fotoana izao .
Tsy azoko tsara azafady
20. vonynive
(
11/11/2010 13:18)
RAR.DAGO:
Aza fady izany raha diso ny fahazoako azy.
Ny kristianina ny fanjakan'ny lanitra ihany no tanjona tokony hotratrariny
Anisan'y tsy maha-kristianina aho intsony izay toe-tsaina izay. Ny aho, ny filaminana sy ny fiadanana eto an-tany no tajona fa ny any ankoatra tsy dia rarahako firy fa miala tsiny.
Toy ny filazan'ilay ranamana izay hoe "mety amiko daholo na ny afo be na ny lanitra fa samy misy namako daholo any raha ny fitsaranareo anay izao"
Ka raha tena Tomponao tokoa ary I Jesosy Kristy moa v tsy tokony hotompoinao izy izany hoe ataonao izay sitrapony???
Tena miala tsiny aloha RBNIR fa tena tsy mety amiko izany manompo sy andevozina izany a! Olona hafaka isika rehetra ka andeha hisitrika indray?
Raha tsy diso aho ao anatin'io baiboly tononinao io ao @ Matio ao misy milaza hoe "tiavo ny namanao tahaka ny tenanao" na zavajavatra tahak'izay.
Ka raha ny tenako aza tsy tiako fa ahetriko any @ fanompoina dia inona no hozaraiko any @ hafa? Dia aza gaga raha te ho martiora no betsaka noho ny olona mizara fitiavana satria fijaliana fotsiny izany ny eto an-tany.
Tsy izay moa no resaka eto fa hoe maha samy hafa ny krisitianina @ hafa, fa asakasakareo izay te ho andevozin'ny fivavahana e!
miarahaba rardago
ny fivavahana kristiana dia manompo ao anaty fahafahana arahimpitiavana ary tsy manandevo fa manafaka;