confirmation adresse email

1. vonynive ( 28/10/2010 11:27)
bjr daolo
mbola serasera erantany ihany izy ity :
matetika aho no mahazo email izay milaza fa te-hi-confirmer ny adresy email-ko hono izy dia manontany ny momba ahy ary ny "mot de passe-ko"
ahoana ny anavahana oe tena ny mpandrindra any @ yahoo miitsy io mila confirmation io sa olona te hisandoka ny adresy email fotsiny.
misaotra mialoha ho antsika hamaly.
novalian'i vonynive ny 29/10/2010 11:54
2. Dan23 ( 28/10/2010 14:33)
ra za enao ts manome fa aiza no ahafantarana anzany,efa ho 7 taona za zay nampiasa yahoo mbola tsis nanontany zany za oe firy ny mot de pass-ko.mailomailo fa ny ratsy zao tsy kely lalana a
3. hery ( 29/10/2010 07:07)
Tsy misy ao amin'ny yahoo mila mot de passe izany :-)

Tsy misy banky na service mila ny mot de passe-nao izany hanaovana zavatra amin'ny kaontinao. Matoa mangataka mot de passe dia mpisandoka izany. Io ilay antsoina hoe "phishing" http://fr.wikipedia.org/wiki/Hame%C3%A7onnage

Tandremo mihitsy ny manome mot de passe n'aiza n'aiza.

4. vonynive ( 29/10/2010 11:54)
misaotra daolo,
tena efa avo lenta ny halatra sady efa manerantany kay a, ny aty Mkara mbola variana @ halabotry,ny harompaosy sns..ary ze fetsy manao zavatra sandoka fa ry zareo katraka any ivelany efa any @ TIC no misoloky
raha efa misy tratra dia mety ny miova mot de passe,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1412