Eo @ post "Iza no namorona an'Atra" dia tsy mandeha intsony ny fonction "valio". Tsy hitako nefa ahoana no fampilazàna ny tompon'andraikitra ka mba ampitao ny hafatra raha misy hafaka manao izany.
Misaotra antsika.
Sa ve sazin' Atra ho an'izay mitady ny anantona azy akaiky loatra izany ;)
Ao amin'ny lohahevitra "Momba ny serasera" no fametrahana ny filazàna olana.
Hitako ilay bug ka ezahiko hahitsy.
Izany hoe mandeha ny "Valio" raha ohatra ka efa tafiditra t@ solonanarana sy tenimiafina dia tonga dia mamaly ery ambany fotsiny. Ilay manindry an'ilay rohy "Valio" raha sendra tsy nampiasa solonanarana ka mamaly any amin'ny pejy faharoa na fahatelo no tsy mandeha.