BILL GATES SY NY LOTERIE

1. vonynive ( 13/10/2010 10:25)
serasera erantany no anontaniako
afaka misy mijoro vavolombelona ve fa tena nahazo ilay loterie bill gates? de ahoana ny lalàna nahatongavan'ilay vola be?
novalian'i vonynive ny 19/10/2010 12:49
2. jiolah ( 13/10/2010 11:37)
ireny ilay hoe arnaque aminy.Volabe foronina fotsiny entina hisarihana ny malemy atidoha.Mody hoe laharana izao ny ticketnao dia congratulation fa azonao ilay volabe 500 000$.Avy eo fenoy eto ambany ny anarana sns...TANDREMO.
alefaso hoy izy avy eo ny frais ny transfert (mety ho vola kelikely) nefa iny mihitsy ilay tanjony.
Dia mody misy vavolombelona sandoka milaza fa safononoky ny hafaliana naharay ilay dolara.
Fitaka bevava.
3. vonynive ( 13/10/2010 12:35)

jiolah:

ireny ilay hoe arnaque aminy.Volabe foronina fotsiny entina hisarihana ny malemy atidoha.Mody hoe laharana izao ny ticketnao dia congratulation fa azonao ilay volabe 500 000$.Avy eo fenoy eto ambany ny anarana sns...TANDREMO.
alefaso hoy izy avy eo ny frais ny transfert (mety ho vola kelikely) nefa iny mihitsy ilay tanjony.
Dia mody misy vavolombelona sandoka milaza fa safononoky ny hafaliana naharay ilay dolara.
Fitaka bevava.

de nahoana no tsy misy mitory le Bill Gates e? sady tsy mitory koa raha misy mampiasa ny anarany?
4. gratos ( 14/10/2010 20:21)
sady tsy bill gates io no tsy irakany fa mpisandoka amin'ny Internet sy mpisoloky fotsiny(mandalo dia miserana fotsiny) tsy itanao zay hisamborana olona reseau na ondes zany satria izy mety manana central anazy manokana koa no tsy ahitanao ny identification-ny na caché-ny fotsiny ny IP-ny defa fanina enao e ,ny vola (frais)amin'io efa nalefanao WesternUnion na Moneygam (iny no tena tanjony ,satria raha mahafitaka olona 3000 amin'ny 75euro na 100euro izy de izay no tanjony ,mitady haza vaovao ndray izy avy eo ,moa enao ve hanaraka izay vola kely 100euro ? tsy vao maika aza ho lany be noho izay raha manitatra sy mitory ?
5. gratos ( 14/10/2010 20:23)
tandremo koa ireny ebay sy mistergoodeal sns ... ireny fa misy fantomes be dia be koa ireny ,indrindra ny mobile.de fa mivaroatra vam tsy misy akory enao ka vao manome Paypal azy eo dia vitany ,aleo mandeha eny antoerana mihitsy mijery ny entana sy maka azy "ty sy 'nday" dia samy miala ,izay ihany no tsara indrindra
6. jiolah ( 15/10/2010 07:23)
zay le hafatra ka anjaranao ny ho tenter amin'le volabe na tsia . Efa misy mpihaza an'ireny fotsiny amin'ny internet fa mbola manarotsarotra ny localisation-ny noho ireo voalaza ireo.
Malaza amin'io ny Any Cote d'Ivoire.
7. andrywui ( 16/10/2010 16:15)
ary le card green hoe mandefa oul hiasa any USA ndray ahoana e ? toa asainy manao systeme-na ankandray zany le oul azony ! asainy mandoa vola de zay tsara vintana hono no alefany isan-taona any zamerika! sa tsy zay ve izy io?
8. vonynive ( 19/10/2010 12:49)
misaotra anareo nizara ho ahy fa sady anatra ho an'ny hafa koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6391