Fa maninona no tsy mandroso ny firenena?
1. RAR.DAGO
(
08/10/2010 06:07)
Isika rehetra eto, ary izaho no voalohany, dia samy tia teny daholo. Raha misy soa azo alaina dia ny teny sy ny manodidina aloha no jerena izay vao ny hafa. Ary 90% amintsika, raha hafaka mangalatra kapay tsy hita fery, na inona na inona resaka, dia ho voasinton'ny fakam-panahy avokoa.
Tsy hafa noho izany ireo mpano politika ireo ka rehefa tsy misy manakana azy anao "kapay tsy hita fery" dia tsy maintsy hamely izy.
Izany no ilàna rafitra mazava sy entitra hanenana arak'izay azo atao ny fanaparam-pahefana sy ny adalan'ny mpitondra izay sedrain'ny fakampanahy isan'adro satria eo ampelatanany ny fahefana ambony indrindra eto @ firenena.
Izany no antony tokony tsy hanekena ny sarisari-panovàna izany TSY manova na inona na inona toy io lalam-panorenana atolotry ny FAT io.

novalian'i milamm ny 13/10/2010 13:55
2. milamm
(
09/10/2010 00:17)
ekena zay rar.dago, fa raha ezahina tarafina akaiky ary ireo soa eny @ manodidina sy ny tena dia mazava toy ny masoandro be lohataona ireo fitaka karakarain'ny fat anamarinana ny toerana tazominy sy ny fikasan'izy ireo hanohy handroba firenena sy ny mponina rehetra tsy manan-tsafidy intsony, ala-tsiny tsy mitombina izany satria ireo fery tsy mbola sitrana teo aloha niainan'ireo voafitaka no iverenan'izy ireo kapaina, bobaka ny sahy mahavita an'izany hoy ianao nefa izao fotoan-tsarotra iainany Firenena sy ny Malagasy izao dia ny 20 millions isa no miaritra ny vokatr'izany toe-tsaina mampalahelo izany raha atao hoe marina. Ny fitiavan-Tanindrazana izany no tsy ampy intsony eo @ tsirairay sy ny mpiara-belona, mitaky fanovana lalàna fototra ny rafimpisainana any @ tsirairay. Raha ny dimam-polo taona nifandimby no jerena dia mitantara tokoa fa niaina sy nilamina kokoa ny fiaraha-monina t@ andron'i Tsiranana satria mbola kely isa ny vava homana ary mbola voakajy tsara ireo Soatoavina Malagasy toy ny Fihavanana, Firaisan-kina, Fifanampiana na dia mbola teo ambany fitantanan'i frantsa aza ny 72% ny toekarem-pirenena, ara-tafika, fampianarana ary ireo mpitondra rehetra tao anatin'ny governemanta.Ilay jiolahin-tsambo nanova izany ho mena mihoson-dra ireo fahefana nanamparany tena nanimba tanteraka ny rindra sy lamina arapiaraha-monina ary nitondra takaitra @ rafim-pisainana iainatsika izao, teo Ravalomanana izay nanao fahadisoana goavana tsy nisy ny tifitra an-dalambe na vono-moka tsy navela akory hanazava fa atokana sesi-tany> Betsaka no efa nanenina izao raha manao fampitahana, ary fitokonana no iantombohany firotsahana eny an-dalambe no iafarany alohany farany taona satria tsy hihaino na ifampiraharaha @ rehetra ny fat, ny azoko avaly eo dia tsotra efa tsy azo badoina @ fifidianana isan-karazany voakarakara mialoha ny daholobe fa mitaky fiaraha-miasa ny rehetra mahatsapa fa tsy maintsy averina ny fiaraha-misalahy @ andraikitra ambony ny fitantanana ny fahefam-panjakana. Tsy azo dongiana irery rehefa tsy vita
3. milamm
(
09/10/2010 00:36)
Ny azo anombohana azy oh. dia tsy azo adinoina ireo vondron-dalana @ fitsarana fara-tampony mpanara-maso no sady voara-maso ny daholobe tsy miankina @ fitondrana eo am-perinasa , tsy ny HCC an' rajaonarivony @ zao fotoana akory afaka manome sazy mihantona @ ireo tsy tan-dalana @ izao fotoana, mitsara sy manelanelana no andraikiny fa ny manaraka dia famongorana ireto fitondrana miaramila izay tafiditra ho mpizara silany @ fahefana nangalarina. Izay no mila trehina anio satria izao no antony tsy mampandry lavo loha ny rehetra, dia afaka mikarakara ampilaminana ireo fandaharam-potoana manaraka avy eo
4. AndriambyII
(
09/10/2010 13:14)
Kapain-tsy hita fery toy ny fananganana ny amphitheatre antsonjombe , hamoretana ny fahaizan' ny mpanankanto malagasy tsy ankanavaka ." L' art est un langage universel sous toutes ses formes , qui n'a pas besoin d' etre conditionné par les moyens spirituels de la nature " dixit sarasvatï .
Na koa ny ressource naturelle du sous sol malagasy ,ets ets , ....
Miverina @ ilay fanontaniana hoe , nahoana no tsy mandroso ny firenena ?
Ny influences maro tsy maintsy toherina rehetra mianjady @ lafiny ara-toekarena fiaraha-monina ,fivoarana , .... hifandraisana @ ny any ivelany dia zavatra iray tsy tokony hamaivanina mihintsy ,rapport de force titanesque izany ary tsy mila fahalemem-panahy mihintsy .

5. milamm
(
10/10/2010 00:40)
tsy ratsy njay iny rindran-tenin'i Andriambyl hoe
" Kapain-tsy hita fery toy ny fananganana ny amphitheatre antsonjombe , hamoretana ny fahaizan' ny mpanankanto malagasy tsy ankanavaka .
tany andrefa-tanana io sehatra anisan'ny fampisehoana ny hai-kanto Malagasy Anjontsombe( toerana malalaka tao ambadiky fiantsonany fibata taloha zany vao miala an'Analamahitsy), toeram-pihaonany mpanankato rehetra avy @ lafivalon'ny Nosy. Anisany nahalasa ny saiko raha averina le kozin'i rar.dago teo aloha dia ao anaty lavaka fa tsy mandroso ny firenena, mitombina io fa tsy diso marin-drano eken'ny rehetra. Maty hozatra ireo tandroka miaro ny vozona rehetra tsy naharo ireo maritioran'ny Fahafahana sy ny fitakian'ireo niharan'ny tsy rariny marina, tafika sy foloalin-dahy henatra ho an'ny tanindrazana izy ireo, mpioko tsy mahatratra arivo dia tsy voasakana hamono ny tsy mana-tsiny (aiza ireny tafika mpiady anaty an-kata t@ tabataba 1947 nanohitra ireo mpanani-bohitra frantsay fa niady @ tafondro ny lefona, resy nefa nanana rehareha tsy nilavo lefona hiaro ny tanindrazany, zao ry fis tsy mihoatra ny arivo no managadra ny daholobe ), ireo vondrom-pahefana ny mpanoa lalàna nanasonia ny famindra-pahefana 17/02/09 rehefa rava ny efitry ny filan-kevibahoaka dia manginy fotsiny boboka dolidoly reny sy ireny pds amoritra ny tany lavitr'andriana reny, tsy fibodoana an-kery fotsiny fa heloka bevava tazanin'ny rehetra ireo asa ratsy fivarotana sy fandrobana,famonoana olona sy fanagadrana tsy mitsahatra, mampiroso antsika @ ady an-trano noho ny tsy fifankatoavana intsony eo @ roa tonta ny mpisandoka fahefana sy ireo mpiara-monina iharan'ny tsindry hazo lena, ekena fa samy manana ny laharam-pahamehana ny zavatra rehetra, fa iray no itovizantsika hevitra eto voafitaky ny mpitazona fahefana an-keriny ny rehetra sady very toky tanteraka anio samy tia ny tenany daholo nefa tsy misy ny hanao izay hampahantra ny Tanindrazany mihintsy angamba raha tsy ireto fat sy ny fitondran'ny miaramila mpioko. Tsy hilamina io raha tsy miverina ny fahafana sy ny zon'ny tsirairay miaina ao Madagasikara, Ampy izay fa miha-mihandrona ny rano, efa tonga ilay fotoana hitakian'ny manan-jo rehetra hoe fahefana na alalana avy aiza moa no ahafan'ireto mpisandoka mibaiko ny rehetra izay tsy nisi nifidy azy?

6. RAR.DAGO
(
10/10/2010 13:55)
Mimbokevitra ho'a isika @ 99% ,y zavatra voalaza eto. Ka inona ary no 'ndeha atao e? Satria raha izao no mitoy dia miverina indray ny konrontana an-dalambe, sa ve izay no ilaina dia tsy misy vaha-olana hafa mihtsy ankoatr'izay?
7. rijadolly
(
10/10/2010 16:18)
efa any aminy kosa anie ny fahefana e! se ihany eo ambony eo no milaza izany hoe kapay tsy hita fery izay mahazo fahefana ary dia tsy fantany mihitsy hoe tsy mety ny ataony na minia mikipy izy. Mba ahitany ny masony izany aloha ny fahafantarako azy dia tsy misy afatsy ny SORATANA LEHIBE (sora-dehibe) @ banderole e! sa misy hevitra hafa hitan' se?
Ka inona ary no 'ndeha atao e? Satria raha izao no mitoy dia miverina indray ny konrontana an-dalambe, sa ve izay no ilaina dia tsy misy vaha-olana hafa mihtsy ankoatr'izay?
8. ndotofetsy
(
10/10/2010 19:11)
tsss handroso ho aiza nefa ee handro aty reny be hiemotra maty ray be. Tsy nataotao foana io kozy io
hahahaha
mijanona mahantra eo ihany de rehefa misy manana kely tatahana izay no fomba gasy
hahahaha
mijanona mahantra eo ihany de rehefa misy manana kely tatahana izay no fomba gasy
9. jiolah
(
11/10/2010 04:48)
Betsaka ny hevitra efa nandeha teo amin'tanana fa rehefa mety amin'ny sasany dia halan'ny hafa indray.Ezaka be avokoa ny zava-drehetra eto amitsika fa tsy mba misy azo moramora izany.
Ny tahan'ny tsi-fahaizana mamaky teny sy manoratra no tena olana lehibe tsy mampandroso .Mazava ho azy rehefa tsy de mahay de tsy mahatakatra hevitra firy fa manaraka am-bokony fotsiny.Tsy toy ny tamin'ny andro taloha intsony fa mifampiankina betsaka amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-misy amin'izao ka mila maharaka.

10. RAR.DAGO
(
11/10/2010 05:47)
ndotofetsy:
mijanona mahantra eo ihany de rehefa misy manana kely tatahana izay no fomba gasy
Koa tsy aleo raha izany tonga dia mitsambikina avy eny Ampamarinana daholo?
Tsy tokony hilavo lefona isika satria soa ho an'ny rehetra ny sy taranaka fara-mandimby no jerena.
MIKASIKA NY FIFIDIANANA :
. Raha mandresy ny TSIA na amin'ny faritra vitsy aza dia efa izay aloha.
. @ solombavam-baoaka dia tsy mifidy TIM, TGV Arema.
. @ filohan'ny repoblika tsy mifidy ny olona atolotry ny TIM, TGV Arema
MIKASIKA NY FIAINANA ANDAVAN'ANDRO :
. Raha vao misy mahita na mahafantatra tsy mety ataon'ny mpitondra dia aparitaka aingana @ internet sy ny mpanao gazety.
. Atao takin'adala ISAN'ANDRO ny fampanantenana rehetra nataon'ny mpanao politika voafidy na ireo izay lazainy fa ho atao ao anaty lalam-panorenana. Andefasana mail isan'andro ny mpitondra, dia manao site mampatsiahy ireo fampanantenana.
. Resahina ny olona rehetra manodidina (any ampiasana, any an-tokatrano, ny namana sns) mba hitombo ny fandraisan'ny tsirairay andraikitra fa tsy miandry ho volosana fotsiny ka hanaraka ny hetsika tia mitsikera.
Toy izany no nampandroso ny etsika miaro ny tontolo ihainana (mouvement écologique) : mandroso tsikelikely, dia izay vita tananana mafy.
11. milamm
(
11/10/2010 12:05)
mipetraka tsara aloha olana @ tsy fahaizan-taratasy izay lalana mora anambakaina toy tany lavitr'andriana, fangalaram-bato dia efa tetim-panorona ireny hatr@ fifidianana solombavam-bahoaka vaovao sy ametrahany joyandet ireo saribakoliny @ fifidianana filoham-pirenena
.Tsy ny tim na arema, @ fifidianana solombavam-bahoaka no olana fa ireto tgv hitondra any an-kady satria fitaovany frantsa.
Aleo ahazava tsara aloha ny laharam-pahamehana,
1.Alalana avy aiza moa no idongiany fat io fahefana mampanao fifidianana io(avy @ lilyson, sarla,kotonandrasana ,organes ny ati-tany ary ireo mpioko ? any aminy aloha ny vava-basy dia izay no miteny alohany vahoaka io farany io no zava-misy iainana mila fongorina raha tia amerina ny filaminana), raha tsy lazaina ny fandravana ny efitry filankevim-bahoaka 2009(ireo no vilany akaiky feno arina satria nofidiany vahoaka hitondra ny teniny toa-teny eo @ fiaraha-monina, manana andraikitra sy adidy iantsorohana izy ireo nesorina taminy). Mila averina any @ izy ireo izany satria izy ireo no atokisany valala be mandry manenika isam-paritry Nosy, raha ny lalam-panorenana hatrizao dia ny filohany efitry ny filan-kevibahoaka no tokony hanana antoka voalohany handrindra izany fandaharam-potoana sy laharam-pahamehana izany
2. fat Aza adino fa tsy nisy nifidy izy ireo, fa nampiakariny kabinetrany raharaha afrikana an'i sarkozy anohizany ny fangoronan-karena ao amintsika sy ampitombo fahantrana, noho izany raha manaiky ampanaoviny fifidianana izay efa fantatra ny valiny dia manaraka ny fitondrana ankeriny, ilaina ny fitsapan-kevibahoaka voalohany indrindra ahafantarana raha ankatoaviny rehetra io fitondrana tandrametaka io na tsia fa tsy ny saim-patany saribakoly akory no arahina satria efa hita 21 volana izao ny vokany.
Na averina zato amby arivo eto aza ireo dia efa ela no fantatra izao fa nangarina ny fahefana fara-tampony sy ny safidim-bahoaka ary ny fahafahana sy ny zon'ny olompirenena tsy ankanavaka, ahoana no fomba amerenana izany ? tsy vitan'ny fifampiraharahana intsony izao resaka izao ka aiza ny fanalahidy anafahana izany geja izany. Na tia filaminana tahaka ny inona aza isika dia samy mahafantatra fa tsy raharaham-pilaminana intsony no vaha-olana, mila arafitra ny aro-fenitra fiarovana ny bodongerona , herisetra, filaminam-bahoaka . Firaisan-kina aloha no voalohany, ary izay tsy miaraka @ vahoaka dia fahavalony( ireo very zo sy fahafahana izany vahoaka izany ).

12. RAR.DAGO
(
11/10/2010 17:54)
milamm:
mipetraka tsara aloha olana @ tsy fahaizan-taratasy izay lalana mora anambakaina toy tany lavitr'andriana, fangalaram-bato dia efa tetim-panorona ireny hatr@ fifidianana solombavam-bahoaka vaovao sy ametrahany joyandet ireo saribakoliny @ fifidianana filoham-pirenena
.Tsy ny tim na arema, @ fifidianana solombavam-bahoaka no olana fa ireto tgv hitondra any an-kady satria fitaovany frantsa.
Eto kosa aloha Milamm dia tsy hitovizana ny hevitra satria :
1. na ny Tim t@ ny androny na ny Arema t@ androny dia nangala-bato daholo, noho izany TSY MILA AN'IREO INTSONY KOSA E !!!!!!
2. Raha tsy isika manana "informations" no manitsy ny FAT dia tsy maintsy eny andalam-be indray no hifamono, ka izany ve no tanjona?
13. milamm
(
11/10/2010 20:27)
efa tsy resaka tim sy arema tsony nge zao ry rar.dago e, efa fahefana faratampony ambony sy Madagasikara 1manontolo no nangalariny lavanify sy ny ekipany ary novereziny zo sy fahafahana ny rehetra hanompo azy isika ao anatin'izany satria mbola mandoa hetra any ny tenako hotsetsefin'ireo andevom-bazaha ireo nandritra ny 21 volana ary ny fananana iombonana no robain'izy ireo. Ny resaka fitsapan-kevibahoaka sy fifidianana zany defa hay oe efa fantatra ny valiny ka tsy ilaina handaniana vola sy fotoana intsony @ zao fotoana, asa raha azonao oe izy ireo no tokony hamaly fanotaniana @ rehetra oe FAHEFANA sy ALALANA avy aiza izany fa tsy reo ndray no handidy sy hametraka fanontaniana amintsika izay tsy mahavaha olana. Saino kely nge, fa tsy entiny fankahalana tim na arema fotsiny e, io no dingana voalohany hoe hatraiza marina ny fankatoavany vahoaka ireto mpanao didy jadona sy jiolahy moderna ireto ?
14. milamm
(
11/10/2010 20:38)
hindrana teny firana tsy hay aho eto momba ireo efa voalazako
" La chute n'est pas un echec, l'echec c'est de rester la ou on est tombe"
ary koa hevitra marin-drano hafa averiko eto tsy misy atody voaendy eo raha tsy vaky ny akorany, ireo miaramila mpioko ireo mitazona ny ati-tany, bianco,hcc, antenimieram-pirenena,ambotsirohitra, iavoloha, banky foibe sns no akora ary lavanify sy ny governemantany ary reo mpiray tsikombakomba aminy no tsimoka mila endasina. Ny fahafahana dia tsy maintsy iadivana dolidoly na taiza io na taiza fa tsy tongatonga oazy eo, na ry mathma ghandi aza dia nandalo teo

15. RAR.DAGO
(
12/10/2010 03:47)
Matoa nioko ny olona (72, 91, 2002, 2009) dia satria nisy fanaparam-pahefana : TSY AZO LAVINA IO! Nanapatra fahefana ny Frantsay, i Ratsiraka sy ny namany, Nanao avo folo heny i Ra8. Ka noho izany mitovy tsy misy valaka ny ataon'i FAT sy ny Tim sy ny Arema tamin'ny androny, na ankeriny na ala-bato : kapoka iray ihany izany. Mitovy tsy misy valaka mihitsy ireo telo ireo izao. Tsy fankahalàna mihitsy izany fa ny zava-misy tsy azo lavina
Ary raha miteny ianao hoe
dia midika izany fa androba fahefana ankeriny indray no vahaolana arosonao hanalàna ny Fat eo. Dia averiko aminao ny fanontaniana hoe inona no maha samy hafa izany @ nataon'i Rajoelina sy ny Capsat? hoy ianao izay hoe "FAHEFANA sy ALALANA avy aiza izany"?
Ary raha izany "cycle de violence " izany no tohizana dia tsy ny mpitondra hafaka ny hitsoaka rehefa avy nangalatra sy nanapatra fahefana no ho voa mafy, fa izay rehetra izay mijanona eto an-tanindrazana miezaka sy maniry fandrosoana ho an'ny gasy rehetra ary LEO ADY AN-TRANO IZAHAY SATRIA TSY BIBY FANAO SORONA ka TSY MILA IZANY INTSONY !!!
Ary raha miteny ianao hoe
milamm:
.... Ny resaka fitsapan-kevibahoaka sy fifidianana zany defa hay oe efa fantatra ny valiny ka tsy ilaina handaniana vola sy fotoana intsony @ zao fotoana,...
dia midika izany fa androba fahefana ankeriny indray no vahaolana arosonao hanalàna ny Fat eo. Dia averiko aminao ny fanontaniana hoe inona no maha samy hafa izany @ nataon'i Rajoelina sy ny Capsat? hoy ianao izay hoe "FAHEFANA sy ALALANA avy aiza izany"?
Ary raha izany "cycle de violence " izany no tohizana dia tsy ny mpitondra hafaka ny hitsoaka rehefa avy nangalatra sy nanapatra fahefana no ho voa mafy, fa izay rehetra izay mijanona eto an-tanindrazana miezaka sy maniry fandrosoana ho an'ny gasy rehetra ary LEO ADY AN-TRANO IZAHAY SATRIA TSY BIBY FANAO SORONA ka TSY MILA IZANY INTSONY !!!
16. milamm
(
12/10/2010 14:50)
tsy sanatria famporisihana ady, lavitry ny saina izany rar.dago fa fampatsiahivana fotsiny izay miditra @ makarakara dia mivoaka @ kiloadoaka,efa be ireo tsilian-tsofina sy fifandaminana naroso ho an'ny fat tsy nisy nekeny fa izay tsy faly dia tifirina tsaramaso vy sy gadraina. Iray ihany no valiny herisetra, izay mamafy rivotra dia hijinja tadio tsy momba ny ady akory aho fa olona tia filaminana. Ny zaza tiana aza rehefa manaikitra nono akifika ihany, (fiarovan-tena voa-janahary izay fa tsy fandalinana herisetra akory) mazava izay @ rehetra ny azo hanalana azy eo dia tsy fifidianana efa voaomana na angady sy tanam-polo akory. Efa leo ny ady ny rehetra nefa ady ny fiainana fa tsy vita mora, diniho tsara ny ady lehibe 2, tofoka ny firana tsy hay teo ambany ziogany hitler(nanohitra tafika eran'izao tontolo izao nandritra ny 6 taona) nefa tsy maintsy nandray fitaovam-piadiana hamerina ny zony, fahafahany sy ny hasiny fireneny. Ny isarovoroan-kilatoana hoy ny fiteny, ny rehetra no voakasika @ izany adidy masina izany fa tsy azo averina any @ firana tsy hay ny Tanindrazana. Tsy mitovy izany mandroaka jiolahy mpangalatra sy mpandroba izany raha oharina @ olona nofidiam-bahoaka fa miala tsiny razoky rar.dago. Ny hambo-po @ maha masina ny Tanindrazana no antony ary koa Andriamanitra akory tsy hanampy izay tsy manampy ny tenany
17. RAR.DAGO
(
12/10/2010 16:07)
milamm:
.... Tsy mitovy izany mandroaka jiolahy mpangalatra sy mpandroba izany raha oharina @ olona nofidiam-bahoaka fa miala tsiny razoky rar.dago.
Miala tsiny fa kapoka iray amiko ny mpangala-bato, ny mpanapatra fahefana sy ny mpaka fahefana an-keriny. Fa tsy hisika roa lahy no hifamaly amin'iny fa aleo atao fotsiny hoe hevitra tsy hitovizana
milamm:
Ny hambo-po @ maha masina ny Tanindrazana no antony ary koa Andriamanitra akory tsy hanampy izay tsy manampy ny tenany
Tsy misy mangataka fanampiana avy any an-danitra mihitsy anie fa ny fahatongavan'ny olona saina no tanjon'e! Raha ampy ny vavaka efa ela ny gasy no tafita e!
18. milamm
(
13/10/2010 13:55)
mazava iny, olon'ny saina isika ka tsy ifamaly @ iny ka , ny hevitra toy ny dingadingana ka mamoa eny rehetra eny... marihiko kely fotsiny fa @lalana oh.tsy mitovy ny sazy mihatr @ mpangalatra sy mpamono olona, na vono olona aza mbola misy sazy dingana samihafa