Seraser'alina 2 (fety sy fihaonana, amin'ny heviny manontolo)

1. Oully ( 05/10/2010 21:29)
Tonga indray ny fotoana ihaonan'ny mpisera rehetra eto. Herintaona lasa izay no nifaliantsika tamin'ny faha-10 taonan'ny serasera.org koa angamba lasa ho fahazarantsika ny hihaona manodidina ny fotoana niorenan'ny serasera.org
Koa hamboary dieny izao ary ny fotoananao fa hisy fihaonana indray karakaraina amin'ny 27 novambra 2010 izao eto Parisy. Artista fanta-daza no hampifaly antsika amin'io.
Ho lazaina tsy ho ela ny andinindininy ka manasa antsika hanamboatra ny fotoana
Seraser'alina 2 - 27 novambra 2010.
novalian'i Oully ny 23/11/2010 17:57
2. fahamarinana ( 06/10/2010 05:39)
Misaotra nampilaza e! Dia miandry ny vaovao mikasika izay izany ny tenanay o ! :)
3. cyril ( 06/10/2010 12:13)
Hon hon hon tokony sabotsy fa tsy alahady ,misy toerana mora sady tsarabe nefa hitanay aty hon hon hon , ndao fa ho hitanareo any ny kintana3 dream team project her her her
4. tess ( 06/10/2010 15:45)
Eny marina hay alahady io, tena tsy tafa vao alahady ny andro ry oully ah! hihihi
Miasa daholo ny olona ny lundi donko......
Dia efa mirary fahafinaretana ho anzay andeha reheta zany ko!
5. nyhaingo ( 06/10/2010 16:02)
fa i tess anga dia tena mpiangona alahady beeuuuu e hihihih anay hande r'ity fa andao mo na dia hody alohaloha aza e
6. tess ( 06/10/2010 16:25)
sady miangona alahady no miasa alatsinainy r'ity ah!
7. nyhaingo ( 06/10/2010 16:35)
oouuuudrry ka aiza tsony zany r'ity no mba fotoana hakana aina sy hanaovana baolina fa lany asa sy vavaka daholo ny andron'ity kay hihihihih tsa mety zany kty
8. tess ( 06/10/2010 16:49)
kou tsy aleo izany toy izay mitango lalitra...Isan'andro efa manifika rahateo
ary aza sombaina aloha lay dinika fa aleo ny hafa hamalY E!
9. tess ( 06/10/2010 17:13)
HO an"ny mpikarakara, fa maninona no natao dimanche fa tsy vendredi na samedi otran'ny isan'andro e? Natokana ho an'ny olona mipetraka parisy fotsiny angamba hoy lay namako lavitra izay , voampita ny hafatra hihih r k
10. vale ( 07/10/2010 14:53)
TOKONY mba tsy atao dimanche marina raha mba azo atao, fa na dia ny eto akaiky aza tsy ho afaka ny ankamaroany satria alatsinainy ny ampitson'io, merci ô!! :)
11. Oully ( 07/10/2010 16:43)
O rankizy a! fa kalandrié inona ny anareo fa ny anay aloha dia asabotsy tsaratsara ilay 27 nov 2010 e, sa ahoana ry zareo ?
Tsy dia mifanalavitra loatra amin'ny efa mahazatra antsika ny takariva fa ny artista no miova ee
Bisous dôly ndray ary ee
12. tess ( 07/10/2010 17:19)
hihihi ary tena lasa samedi tampoka teo ny 27? tena marina io fa dimanche no hitako omaly nojereoko indroa mintsy hhihihihi
13. vale ( 07/10/2010 19:23)
hihihihihihi, za namaky ny hevitra teo aloa rehetra ry Cyril ry Tess,,ay samedi fa tsy dimanche le 27 io, LOL, ok, merci Oully! :D hihihihi.....
14. hery ( 07/10/2010 22:17)
Any indray izany mihaona e :-)
15. sipagasy ( 09/10/2010 16:14)
misy mitady ho very à andro ato izany annnn, sabotsy 27 novambra izany e! dia ento ny tapaka sy ny namana e!
16. infinity ( 09/10/2010 23:40)
LOL, samy manana ny calendrier-ny koa io an mdrrrr !

Misaotra nizara dia any indray izany no mihaona e ! ;)
17. arialy ( 16/10/2010 18:59)
za koa oà mbo te hoany ;-)
18. sasa ( 19/10/2010 12:56)
za koa mba te ho any e!
19. arialy ( 20/10/2010 08:31)
fa aiza ny toerana ? millénaire koa ve ? hihihi
20. hery ( 20/10/2010 08:55)
Toa mbola tsy lazaindry zareo aloha hatramin'izao fa ao Paris fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2497