Izany hono !!!!

1. niryna ( 04/10/2010 05:09)
Nisy fandaharana iray izay nojereko,sady dokotera ilay ramatoa no kristiana ihany koa ary nizara tao anatin'ireny atao anatin'ireo vehivavy manaraka fandaharana fivavahana ,mampianatra zavatra mety ahasoa amin'ny fiiainana,mikasika ny fivavahana,ny fahasalamana,sns izany hoe women conference no ilazana ilay fandaharana

Nampiseho ny karandohan'ny lahy sy ny vavy izy
Nisy teny maro nazavainy fa ny tena nibahana tato an-tsaiko dia hoe tsy mitovy ny fomba fisainantsika lahy sy vavy .
Haka ohatra iray fotsiny aho,raha misy manontany zavatra amin'ny reny izao dia toa fantany amin'ny antsipirihany avokoa ny fitoeran'ny zavatra rehetra.
Ao anatin'ny adin'ny 12 ora no miasa ny fisainan'ny vehivavy ka vokatr'io dia elabe koa vao afaka manala izay ao anatin'ny lohany izy
Haka ohatra aho,raha tezitra amin'ny vadiny izy ohatra na olo-kafa dia mety hiteny izy hoe mbola tezitra aminao aho fa aza miresaka amiko ,ha,ha
Elabe izany vao mety hamela heloka ny hafa ka tonga avokoa ireo fialonana,fankahalana,toetra karazany ratsy maro,ohatra ireo an
Ny lahy indray hono dia adin'ny iray fotsiny dia manadino izy /fa tsy 12 ora toy ny an'ny vehivavy
ny vokany dia ireo mora tezitra ireny,mora mitratreva,raha manao zavatra ka anontaniana toa mihaino kanefa raha averina ny fanontaniana hoe fantatrao ve ny noteneniko teo dia mety hiteny izy hoe avereno tsara hoe
Fohy ny fitadidiany,tsy mifantoka tsara izy ,mora mamela heloka,hi,hi ,hianao (vehivavy mbola tezitra) izy efa hadinony iny ,ha,ha
izany hono !!!
Fehiny ka aza gaga izany isika raha toa ka manontany zavatra kanefa tsy fantan'ny lehilahy akory izay tiantsika ho tenenina
Ny lehilahy tonga dia izay aha aingana ny asa no ataony fa tsy mitarehidrehitra izy na misaina lalina vao manao zavatra,mety hanontany ny toeran'ny zavatra rehetra ao an-trano izy,tsy hoe tsy fantany akory fa tena tsy tadidiny daholo ny toeran'ireo zavatra mipetraka ao an-trano
Mety ho sentimentale izany isika ka mety hoe tezitra fa tsy nitondrana voninkazo ha,ha
Ny azy anefa mety any anatin'ny fony any ny fitiavany antsika ary asehony amin'ny fanampiana maro isankarazany ao an-trano fa tsy ho voatery hitondra raozy lava izy
novalian'i niryna ny 29/10/2010 15:45
2. mirananirina ( 07/10/2010 13:06)
Tena mahaliana tokoa izy izany,raha resaka toetsaina aloha dia mety h marina tokoa izany,asa izany ve no mahatonga ny lehilahy mazàna rehefa miady ny lahy sy vavy dia ny lahy foana no manambitamby voalohany.Mora manadino izy zany .afatsy ireo be hambo-po.
3. vale ( 07/10/2010 14:38)
Merci Nyrina, intéressant be ilay dinikao! ;-D
4. soanja ( 08/10/2010 03:38)
Ny fahitako azy dia ny fahafantaranao ny vadinao ihany no lakilen'ny filaminana sy fifandaminana.Io dia tsy misy hoe lasy sy vavy tsy mitovy fa miankina amin'n tsirairay ara-voajanahary sy ny nanabeazana ihany (kolotsaina) ary ny maro hafa nifandraisana tao anaty tontolo iainana.

Indro misy fomba iray (azafady fa amin'ny teny anglisy) hoe ahoana no ahalalanao ilay malalanao. Rehefa mifankatia tsara dia miara-manao mameno an'io na ianao no mameno ny anao dia izy mameno ny azy araka dia mifampizara. Rahefa mifankahalala dia milamina ny zava-drehetra satria eo no tena ahitana ny tena fitiavana sy ny faharetana ary ny fifandeferana. Misy anefa olona tsy mahalala ny tenany ary eo no olana na miezaka hanatsara ny tenany, tsy manahy izany raha mahatsara ny fifandraisana na maharaka ny ankilany fa tsy mandainga. Saingy raha olona tsy manana olana fa manana balance tsara dia tsy ahita olana mameno an'io.

http://kisa.ca/personality/
5. vonynive ( 08/10/2010 12:14)

niryna:

Nisy fandaharana iray izay nojereko,sady dokotera ilay ramatoa no kristiana ihany koa ary nizara tao anatin'ireny atao anatin'ireo vehivavy manaraka fandaharana fivavahana ,mampianatra zavatra mety ahasoa amin'ny fiiainana,mikasika ny fivavahana,ny fahasalamana,sns izany hoe women conference no ilazana ilay fandaharana

Nampiseho ny karandohan'ny lahy sy ny vavy izy
Nisy teny maro nazavainy fa ny tena nibahana tato an-tsaiko dia hoe tsy mitovy ny fomba fisainantsika lahy sy vavy .
Haka ohatra iray fotsiny aho,raha misy manontany zavatra amin'ny reny izao dia toa fantany amin'ny antsipirihany avokoa ny fitoeran'ny zavatra rehetra.
Ao anatin'ny adin'ny 12 ora no miasa ny fisainan'ny vehivavy ka vokatr'io dia elabe koa vao afaka manala izay ao anatin'ny lohany izy
Haka ohatra aho,raha tezitra amin'ny vadiny izy ohatra na olo-kafa dia mety hiteny izy hoe mbola tezitra aminao aho fa aza miresaka amiko ,ha,ha
Elabe izany vao mety hamela heloka ny hafa ka tonga avokoa ireo fialonana,fankahalana,toetra karazany ratsy maro,ohatra ireo an
Ny lahy indray hono dia adin'ny iray fotsiny dia manadino izy /fa tsy 12 ora toy ny an'ny vehivavy
ny vokany dia ireo mora tezitra ireny,mora mitratreva,raha manao zavatra ka anontaniana toa mihaino kanefa raha averina ny fanontaniana hoe fantatrao ve ny noteneniko teo dia mety hiteny izy hoe avereno tsara hoe
Fohy ny fitadidiany,tsy mifantoka tsara izy ,mora mamela heloka,hi,hi ,hianao (vehivavy mbola tezitra) izy efa hadinony iny ,ha,ha
izany hono !!!
Fehiny ka aza gaga izany isika raha toa ka manontany zavatra kanefa tsy fantan'ny lehilahy akory izay tiantsika ho tenenina
Ny lehilahy tonga dia izay aha aingana ny asa no ataony fa tsy mitarehidrehitra izy na misaina lalina vao manao zavatra,mety hanontany ny toeran'ny zavatra rehetra ao an-trano izy,tsy hoe tsy fantany akory fa tena tsy tadidiny daholo ny toeran'ireo zavatra mipetraka ao an-trano
Mety ho sentimentale izany isika ka mety hoe tezitra fa tsy nitondrana voninkazo ha,ha
Ny azy anefa mety any anatin'ny fony any ny fitiavany antsika ary asehony amin'ny fanampiana maro isankarazany ao an-trano fa tsy ho voatery hitondra raozy lava izy


maro no mampianatra ny mikasika ny tsy fitovizan'ny lahy sy vavy izany, tahaka ny fampianaran'i ratovohery eddy ohatra izay milaza fa mifamatotra @ sexe ny toetsain'ny lahy s vavy oh: ny lahy malady miakatra na mihenjana fa vetivety dia milefaka (ara-pihetsehampo, fiotanampo..) fa ny vavy kosa miadana dia miadana.. zay avy @ sexe-ny
fa ny tsara dia ny manaja izany fahalalana ny tsy fitoviana izany fa tsy mitaky ny andaniny hitovy @ hevitry ny tena akory.
6. AndriambyII ( 09/10/2010 13:51)
Efa fantatry ny maro fa ny "capacité de reflexion ' ny vehivavy dia mihena 10% mihoatra @ ny an' ny lehilahy. Preuves scientifiques irrefutables , izany akory tsy mandray ny totalité'ny QI hanànan' ny olona rehetra . Misy vehivavy mihoatra ny fisainan' ny lehilahy tokoa ny @ io , natiora sy voary daholo izany , fa dia anjarantsika ny manao izay mety .
7. niryna ( 29/10/2010 15:27)

mirananirina:

Tena mahaliana tokoa izy izany,raha resaka toetsaina aloha dia mety h marina tokoa izany,asa izany ve no mahatonga ny lehilahy mazàna rehefa miady ny lahy sy vavy dia ny lahy foana no manambitamby voalohany.Mora manadino izy zany .afatsy ireo be hambo-po.
aiza kosa dia hiandry ho tambatambazana eo foana tsy lasa iny amin'ny farany,hi,hi
araka ny nolazain'ilay ramatoa mandalina ny atidohantsika dia mora manadino,mora mamela heloka ary mahavariana tokoa fa raha misy namana lahy izao eo ka miresaka zavatra kely hianao toa mihaino fotisny izy fa tsy manome hevitra an,ha,ha
raha vehivavy indray dia tonga daholo izao hevidiso izao hi,hi ,indraindray an
8. niryna ( 29/10/2010 15:29)

vale:

Merci Nyrina, intéressant be ilay dinikao! ;-D
tsy misy fisaorana fa izaho koa aza mba variana nahita ilay karandoha kely sy lehibe
9. niryna ( 29/10/2010 15:41)

soanja:

Ny fahitako azy dia ny fahafantaranao ny vadinao ihany no lakilen'ny filaminana sy fifandaminana.Io dia tsy misy hoe lasy sy vavy tsy mitovy fa miankina amin'n tsirairay ara-voajanahary sy ny nanabeazana ihany (kolotsaina) ary ny maro hafa nifandraisana tao anaty tontolo iainana.
soanja ,misaotra anao
Mety hoe ny fahafantarana ny vady mety misy kely ihany fa en general no resahina eto hoe fa maninona ny vehivavy no rehefa tezitra dia ela be vao afaka iny ,hoentiny matory mihitsy na mandra-pahafaka ilay fo kely mamela ilay izy fa maninona ny lehilahy no mora mamela satria mora manadino koa izy


Indro misy fomba iray (azafady fa amin'ny teny anglisy) hoe ahoana no ahalalanao ilay malalanao. Rehefa mifankatia tsara dia miara-manao mameno an'io na ianao no mameno ny anao dia izy mameno ny azy araka dia mifampizara. Rahefa mifankahalala dia milamina ny zava-drehetra satria eo no tena ahitana ny tena fitiavana sy ny faharetana ary ny fifandeferana.
d'accord amin'izay koa aho,ahoana tokoa moa no ahalalana ny ao am-po tsy miloaka .
Indrindra moa aty lavitra aty,vao maika mifankatia tsara satria sy misy an'i dada sy mama eo na ny fianakaviana hisitrihina raha sanatria ka misitaka oooooo
na raha misy mahavoa anao eo andeha ho aiza ka tsy hifankatia aiza ,ha,ha
Raha resaka tokantrano io fa araka ny teneniko ery ambony dia hoe fa maninona ny vehivavy no ela vao mamela ary maninona ny lahy no vetivety,dia noho ny rafitry ny fiasan'ny ati-doha no mahatonga izany hoy ilay dokotera ka mba zaraiko eto e

Misy anefa olona tsy mahalala ny tenany ary eo no olana na miezaka hanatsara ny tenany, tsy manahy izany raha mahatsara ny fifandraisana na maharaka ny ankilany fa tsy mandainga. Saingy raha olona tsy manana olana fa manana balance tsara dia tsy ahita olana mameno an'io.

http://kisa.ca/personality/
misaotra mizara

Raha kristiana koa dia tsy misy afatsy ny mametraka ny fiainam-pianakaviana hoe eo am-pelantanan'Atra ka na inona fifaliana,fahoriana adi-tsaina dia miara-mivavaka hatrany fa tena mandaitra ny vahaolana rehetra sy ny fankasitrahana ny fahasoavana nomeny na ny fivavahana ny fianakaviana sy ny firenena aza dia ilaina avokoa izany(raha misy roa na telo...)
10. niryna ( 29/10/2010 15:43)

vonynive:


maro no mampianatra ny mikasika ny tsy fitovizan'ny lahy sy vavy izany, tahaka ny fampianaran'i ratovohery eddy ohatra izay milaza fa mifamatotra @ sexe ny toetsain'ny lahy s vavy

marina izany ary tsara ho fantatra fa tsy mitovy velively isika na samy namboarin'Atra izao aza
MIsy koa anefa dia manao amboletra fotsiny izao ,mitady hitovy kanefa tsy mitovy mihitsy na ny feeling aza,tsy azo atao koa anefa ny anova ny olona satria tsy afaka anova olona isika

fa ny tsara dia ny manaja izany fahalalana ny tsy fitoviana izany fa tsy mitaky ny andaniny hitovy @ hevitry ny tena akory.
mitovy hevitra aminao koa aho ,misaotra e
11. niryna ( 29/10/2010 15:45)

AndriambyII:

Efa fantatry ny maro fa ny "capacité de reflexion ' ny vehivavy dia mihena 10% mihoatra @ ny an' ny lehilahy. Preuves scientifiques irrefutables , izany akory tsy mandray ny totalité'ny QI hanànan' ny olona rehetra . Misy vehivavy mihoatra ny fisainan' ny lehilahy tokoa ny @ io , natiora sy voary daholo izany , fa dia anjarantsika ny manao izay mety .
misaotra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2429