Andravoahangy Fivavahana

21. vonynive ( 06/10/2010 08:20)

rijadolly:

Raha ny fijeriko an' ilay dinika dia tsy voaraitsika ilay nampetraky Niryna
Niryna:

...,raha toa ka honohono kosa dia tsy maninona fa tazomy e...

Miandry izay tena mahalala isika angamba fa i Bacouli io zao lakilosy tokana efa naneho ny zavatra fantany.

namoaka boky misy ny tantarany sy ny nihaonanay t@ i Jeso io past Randrianantoandro joseph io, ka tsara koa raha mitady io boky io any @ mpivaroboky enao nyrina
22. niryna ( 07/10/2010 04:37)

[
ydifas:

Miarahaba an'i Niryna sy antsika rehetra,
Tsy miady hevitra aho fa marina daholo izay voalazanareo. Ary mbola mamerina ny fialan-tsiny fa masiaka loatra e! Raha te hahalala fotsiny ka mijanona hatreo dia tsy manakana aho. Fa raha kosa lasa misy ady hevitra ilay izy dia lasa tsy sitrapon'Andriamanitra intsony izy amin'izay. 1Tesaloniana 5/21 "Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara"

Izany hoe, tokony jerevana akaiky izay zavatra "tsara" amin'ilay tantara. Ohatra: arak'ilay voalazan'ny namantsika teo hoe Pasteur RANDRIANATOANDRO dia niala tamin'ny FJKM, ny zavatra hitako fa tsara amin'izany izao dia hoe mandroso sy miitatra ny Fanjakan'Andriamanitra. Deraina ny Tompo e!

Izay no azoko ambara koa misaotra antsika rehetra tamin'ny dinika.

fa za koa miala tsiny aminao

Miarahaba antsika rehetra ihany koa ny tenako
Tsy misy tsiny ka,misaotra nizara sy nanoro hevitra.Izay no nahatonga ahy niteny eo ambony hoe raha honohono kosa dia aleo hijanona e
Tsara ny manontany satria izahay aty lavitra aty tsy mba mahalala izay mitranga.
Kanefa aho mba efa notaritin'ilay namako mpivady izay niangona tao ihany
vonynive:

eny angamba izahay no mahita anao masiaka fa ny Tompo kosa mahita anao ho olona afaka ampiasainy @ izany toetranao izany
mariky ny fiainanao ny tenin'Atra ny fialanao tsiny,
mifampitaiza isika eto, mifanitsy koa ary indrindra "mianatra" ho tanteraka @ fanarahana ny Tompo
de mbola maniry nyfandraisanao anjara hatrany e!
marina izany ary misaotra betsaka vony a ary samy mbola mianatra avokoa isika rehetra
23. niryna ( 07/10/2010 04:43)

rijadolly:

misaotra Niryna a! alefako ihany ty copie ko ty na dia voasongona aza....

ydifas a! Misy marina tokoa ny tenin' se fa ny ampandroso ny Fanjakan' Andriamanitra no tanjontsika mpino.Somary ampiako kely ilay tenin' Hery ao ambony ao mikasika ilay tsy fanariana ny tantara. Ny tantara dia lalana iray ahafantarana ny zavatra nety izay efa natao na ny tsy nety izay efa natao. Noho izany, tsy azotsika fafana ny tantara, indrindra raha tsy nety ilay izy satria manjary ataon' ao afara indray, andramana indray...
Ika:

dia ahoana no nahalalana fa "novangian'i jesosy" izy?
Ohatrantsika rehetra rehefa dondomiNy eo am- baravarana dia mampandroso Azy ihany izany fa tsy misy hafa raha ny fahazoako azy.
Tsikiowa:

Ny fiangonana andravoahangy fivavahana dia fiangonana fjkm protestanteotran'ny rehetra ihany , fa rehefa novangian'i Jesosy i Pasteur Randrianatoandro araka ny tenin'i Jesosy hoe" izay mino ahy dia ny asa ataoko no ataony ary anao asa lehibe noho izany aza izy "dia lasa fifohazana ka nenjehin'ny fjkm ary nanao fiangonana mahaleo tena tao antanin'anandrano , i neny Justine dia hiraka niaraka niasa t@ pasteur andrianatoandro ihany ,
Misy tsy azoko kely,
1) Fa angaha moa ny Fifohazana sy ny FJKM tsy miray làlana ihany?
2) Azonao tsorina eto ve hoe inona marina ny antony nanakanana azy tsy hanao Fifohazana na ny nanenjahana azy?
3) Ilay antso famangin' Jesoa sa ilay fanenjahan' fjkm azy ve no antony nahatonga azy hanao asa lehibe( Fiangonana mahaleo tena).

Misaotra mialoha amin' valiny mahafa-po
rija a! mba afaka hazavanao ahy ve ny mahasamihafa ny mpiandry sy ny fifohazana?
ary samy manao asa fampaherezana avokoa ve ireo sa ? misaotra mialoha ihany koa
24. niryna ( 07/10/2010 04:51)

bacouli:

Ilay pasitera Randrianatoanadro iny kosa aloha dia niteny2 foana indraindray é! ! anisan'ny mpivavaka ta@io fiangonana io ny tenako fa niova be tsy toy ny fitondra'i pasteur Raberindra taloha ,ity Randrianatoandro ty milaza antsanga indraindray ,lazainy fa niresaka ta@i jesosy izy é! dia izao no nolazain'i jesosy é!izao hatao é!nefa izy no te hampanao izay tiany an'ilay olona !

Ny tena mampalahelo dia misy olona ao anatin'ny fahalemeny (marary mafy ny olona iray ao @fianakaviany , na maditra ny vadiny na ny zanany na very asa ) dia hararaotin'ireny pasitera sy mompera ireny !fa ny marina inona moa no sy vitan'ny vavaka refa tena ao ny finoana !
Ny tsy tsara mantsy dia ilay mpitondra fivavahana manao "publicité" ,tena resaka secte ,ilay manao hoe : "avy aty aminay fa aty misy valimbavaka haingana é! be ny olona sitrana fa nametrahantanana é!" tsy lavina fa misy ny olona sitrana fa miankina @ilay olona sy ny hamafisan'ny finoany io !
Izaho aloha efa ela no nandao ny fiangonana Andravoahangy é! aleoko mandeha mivavaka any ambanivohitra fa tsy azoazoko io pasitera io ,izany akory tsy midika hoe ratsy daolo ny pasitera rehetra fa misy miteny zavatra tsy marimpototra mba hahazoana mpiangona be2 kokoa ,ny tsara dia ny tsy manao modely ireny olona ireny na mompera io na pasitera satria ireny olona ireny natao hitondra sy hitory ny tenenin 'ANDRIAMANITRA IHANY ka tsy tokony hi manipuler olona !
Olona ohatrantsika sy ianao ireny fa tsy ANJELY ka izay heviny sy toriteny mivoaka ny baiboly dia azy manokana !

dia tsy itako izay ambara fa dia fisaorana no atolotro nizara

Tsy tsara koa ny mitsara be azy ireny fa refa tsy tiana ny toriteniny na ny fitondrantenany dia ny miova fiangonana no tsara ! [/'quote] asa aloha
[quote]
Tsy manakiana tanteraka an'io pasitera io koa izaho fa raha ny vavaka hataony aloha dia mambambo fo fa eo @ilay izy niresaka ta@i jesosy sy miitatra ilay zavatra tantarainy no tsy azoazoko satria ny famakiana baiboly dia efa firesahana amin'Andriamanitra ,mankao an'efitra dia miresaka an'Andriamanitra mangigina ,mbola voalaza ao @baiboly io fa refa izy ilay miteny hoe:" izao no lazain'i jesosy ahy manokana izao "hono" ,tokony tazominy iny azy manokana fa efa mivoaka ny voalazan'ny baiboly iny !
tsy azoko maro ny olona mitoriteny aloha dia mivavaka ka rehefa ny fanahy masina no mampiteny dia iny no toriany ,toy ny hoe anjaranao no mitarika fivavahana ,tsy tonga dia mivavabavaka eo fa mangataka ny fanahy masina mba anampy anao ,izay no fahazoako azy.
Fiainana andavan'andro koa io dia ny fanahy masina izay miaraka amintsika no mampianatra antsika ary raha misy zavatra mitranga ka tsy fantantsika dia mivavaka isika mba ny sitrapony no ataony antsika ka izay fanahy mibitsika amintsika eo dia iny no arahitsika.

misaotra betsaka e
25. rijadolly ( 07/10/2010 17:21)
Niryna:

rija a! mba afaka hazavanao ahy ve ny mahasamihafa ny mpiandry sy ny fifohazana?
ary samy manao asa fampaherezana avokoa ve ireo sa ? misaotra mialoha ihany koa
Ny fahazoako azy aloha dia samy sampana ao amin' Fiangonana izy ireo, tsy ny FJKM ihany fa na dia ny Kato aza amin' izao toa misy koa...ary ny Mpiandry raha adika tsotsotra dia ohatra ny olom- boahositra tahaka ny Mpitandrina ihany, ireny mametra-tanana ireny, mandroaka demonia...fa ny Fifohazana dia ireo olona niala ny fomban' izao tontolo izao( fanaony tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra )Tsy Fifohazana na Mpiandry aho an! fa hevitro manokana ireo...

Dia teo no nahatonga ahy nanotany an' Tsikiowa hoe:

1) Fa angaha moa ny Fifohazana sy ny FJKM tsy miray làlana ihany?
2) Azonao tsorina eto ve hoe inona marina ny antony nanakanana azy tsy hanao Fifohazana na ny nanenjahana azy?
3) Ilay antso famangin' Jesoa sa ilay fanenjahan' fjkm azy ve no antony nahatonga azy hanao asa lehibe( Fiangonana mahaleo tena).
ary dia tsy tazana intsony Tsikiowa ary dia tsy nahazo valiny aho
26. rijadolly ( 07/10/2010 18:18)
Vonynive:

namoaka boky misy ny tantarany sy ny nihaonanay t@ i Jeso io past Randrianantoandro joseph io, ka tsara koa raha mitady io boky io any @ mpivaroboky enao nyrina
azon' Vonynive hazavaina eto indrindra ireo izay heritreretinareo ho fanenjehana?
27. vonynive ( 08/10/2010 07:24)

ikaretsaka:

dia ahoana no nahalalana fa "novangian'i jesosy" izy?

sady mamaly anao za no manitsy le nosoratako ao ambany fa misy boky misy ny tantaran'i past joseph Randrianantoadro sy ny nihaonany tà Jeso fa tsy oe nihaonanay. zafady.
ao no ahafantarantsika io valiny io
28. vonynive ( 08/10/2010 07:29)

vonynive:

rijadolly:

Raha ny fijeriko an' ilay dinika dia tsy voaraitsika ilay nampetraky Niryna
Niryna:

...,raha toa ka honohono kosa dia tsy maninona fa tazomy e...

Miandry izay tena mahalala isika angamba fa i Bacouli io zao lakilosy tokana efa naneho ny zavatra fantany.

namoaka boky misy ny tantarany sy ny nihaonanay t@ i Jeso io past Randrianantoandro joseph io, ka tsara koa raha mitady io boky io any @ mpivaroboky enao nyrina

manitsy aho fa tsy oe ny nihaonanay fa NIHAONANY ka zafady ra misy nandiso
29. vonynive ( 08/10/2010 07:33)

rijadolly:

Vonynive:

namoaka boky misy ny tantarany sy ny nihaonanay t@ i Jeso io past Randrianantoandro joseph io, ka tsara koa raha mitady io boky io any @ mpivaroboky enao nyrina
azon' Vonynive hazavaina eto indrindra ireo izay heritreretinareo ho fanenjehana?

manitsy aho fa ny nihaonany no izy fa tsy oe nihaonanay ka, zafady tena diso frappe za
niteny oe fanenjehana ve za rijadolly a, misy idirany @ le boky v sa le olana eo @ fiangonana eto Dago no tianao anontaniana, tsy d azoko fa ra afaka mamaly enao de vonona za
30. jiolah ( 08/10/2010 08:47)
lasa lava ny resaka sady tsy misy valiny mahafa-po fa manafosafo ny betsaka.
Ingahy Pasy dia olo-nalaza tao tokoa ary tena tian'ny olona.Malaza io fiangonana io amin'ny fidirana im-betsaka miantoana ao anatin'ny alahady noho fahavitrihan'ny mpino.Eto dia misy milaza fa toy ny "hypnotisen'ingahy Pasy" ny mpiangona ka tsy mahita azy ho toy ny olona tsotra intsony fa tahaka ny Atra kely.Eto amin'izay ary le "honohono":malaza ho mpanao fahagagana maro "hono" ingahy io toy ny hoe mitady vady ohatra dia atorony hoe "raiso ny bus izao dia hisy vehivavy (raha lehilahy le mitady) toy izao hiakatra eo ananona de iny ilay ho vadinao."
...sns.Ny tena "HONO" dia ilehio lazain'ny sasany fa mpanao majika mainty mihitsy.
Eo anivon'ny FJKM indray dia ireo nahavita BE tamin'ny fampandrosoana dia tsy maintsy AHISAKA hanavotra ny mbola osaosa hafa indray.Izay no nahatery ireto ondry maro tsy nankasitraka ny fandaminana ho nanara-dia an'ingahy Pasy nanorin-day hafa.
fehiny, ilay HONO no tena betsaka fa sahalahala amin'izay le tantara.
31. AndriambyII ( 09/10/2010 14:56)
Niryna >>>>>ny mahasamihafa ny mpiandry sy ny fifohazana?
Ny iray miandry , ny iray mifoha !iza no masina kokoa amintsika ? ilay miandry sa ilay mifoha ? inona no andrasan' ny mpiandry , ary inona no nampifoha ilay natory ? nisy tory ve tao @ fifohazana nilàna fanairana fa tsy nisy mpiandry ? iza no nilaza fa mpiandry ny mpiandry ?avy aiza ny filazàna nisy olona mbola matory ? avy @ fahefan' ny lanitra ve sa avy @ fahefan'olombelona ?
32. niryna ( 10/10/2010 01:40)

nyhaingo:

Raha ny reko indray momba an'io Pr Dieu Donnée Randrianatoandro io dia toa hoe (hono hoy aho a) namoaka demoniaka iray izy dia izy indray no nidiran'ilay demonia avy eo ary io "hono" no antony nanesoran'Andravoahangy fivavahana azy tsy ho Pastera tao intsony
asa raha misy afaka manamarina na handiso io "hono hono " reko io isika ?
AndriambyII:

Ka nisy nahita ve ny nidiran' ilay devoly tao aminy ??

asa aloha fa mamela ahy raha toa aho ka hanazava kely
Raha kristiana tena kristiana dia tsy tafiditra ao anatin'ilay olona izany intsony ny devoly na ny fanahin'ny demony satria efa manana ny fanahin'Atra izy ( tsindriko kely an,raha tena kristiana hoy aho)
Fa raha toa kosa ka kristiana anarana dia anarana fotsiny ilay izy fa ny finoana ao anatiny dia tsy mino an'ilay kristy ho tompo sy mpanjakany ary mpanavotra azy ka dia anarana izany izy.Ny bokin'i Nenilava no nahitako io ka avereno aty amiko raha diso izany fa io no nazavainy ao.
----------------------------------------------
Raha resaka hoe nisy nahita ny nidiran'ny devoly indray dia fanahy maloto io fa tsy fanahin'Atra ka izay rehetra tsy mino an'Atra dia ho mora ho azy ny hidirany ao,tsy misy kosa anefa mivandravandra hoe ity izahay fa miditra ao anatinareo na iny izy fa lasa ao anatin'ilay olona fa rehefa misy fotoana fampaherezana na fanaovana asa kosa dia eo no misy tsy mahazaka ilay hery ao anatiny ary dia manomboka hiasan'ny mpiandry ilay izy,Izay no fahafantarako azy aloha fa avereno aty amiko foana ,foana raha tsy izay ilay izy ok
33. niryna ( 10/10/2010 01:43)

AndriambyII:

Niryna >>>>>ny mahasamihafa ny mpiandry sy ny fifohazana?
Ny iray miandry , ny iray mifoha !iza no masina kokoa amintsika ? ilay miandry sa ilay mifoha ? inona no andrasan' ny mpiandry , ary inona no nampifoha ilay natory ? nisy tory ve tao @ fifohazana nilàna fanairana fa tsy nisy mpiandry ? iza no nilaza fa mpiandry ny mpiandry ?avy aiza ny filazàna nisy olona mbola matory ? avy @ fahefan' ny lanitra ve sa avy @ fahefan'olombelona ?
tena tsy azoko mihitsy andry fa mba hazavao kely azafady e
34. niryna ( 10/10/2010 01:49)

vonynive:

angamba ianareo tsy monina eto Dago ny ankamaroany, za de monina eto Antananarivo, i ydifas no tsy fantatro.
1- misy azoko anampiana anareo ity raha io andravoagy fivvahna io: jereo fa efa misy ato @ tadiavo ny lahatsoratra "FPVM - TGV"
fa angaha lasa niditra politika ilay izy izany ?

2-tsy ny fjkm sy ny fpvm iany akory eto Dago no manana olana, tranga 1iany io, fa maro, ka ny tena mahasarotra ny miresaka itony fiangonana nisintaka t@ reniny itony de (mampalahelo sady mahamenatra) d noho izy ireo lasa mifandrangitra miitsy eto madagasikara,
tena mahamenatra sy mampalahelo tokoa raha izany vaovao lazainao izany no mitranga ary vao maika mampandositra ny ondry izay mbola tsy ao anatin'ny vala tokoa an

misy aza ange ry reto de any anaty onjampeo no mifamaly e, samy manana ny radio-ny de ny 1 mamely ny 1, de avy eo koa le 1 mamaly, de toa izany hatrany...
zavamisy izany ary toa lasa kolontsaina izany tato ho ato
antony maro no mety mahatonga ny fisintahana fa ny ankamaroany de ny tsy fifankazoankevitra eo @ mpitondra fiangonana sy ny entina. de miala ny 1 ary miala miaraka @ lonilony... tsy madio fo... tsy toy ny zanaka nivoaka nanambady tsara otrona fa de miala tsy @ fiadanana
de tsy ny hevitra no miady fa ny olon'Atra miitsy..
mampanongotena !

tena loza tokoa izany an
Ny vaovao mampalahelo mantsy dia misy vondron'olona tonga aty ivelany aty ary dia teo no nahenoko izany hoe fpvm izany,inona koa izany hoy aho dia teo no nanomboka niresaka fa toa na samy mpiandry aza toa lasa hoe tsy mahazo miaraka eny e,mila mivavaka mafy isika rehetra fa manjary ampiasan'ny satana ny tempolin'Atra ka lasa ireo nampiasainy indray no hisarabazana ve ?
35. rafahafahana ( 13/10/2010 13:03)
zaho dia mpikambana tao @ antokom-pihira AF taloha ary lasa nifindra tany antaninanandrano avy eo; nanenenako ny nialako tao andravoahangy fivavahana satria fitaka sy lainga be fitiavam-bola no betsaka ao @ taninanandrano
36. niryna ( 14/10/2010 04:28)

rijadolly:

Raha ny fijeriko an' ilay dinika dia tsy voaraitsika ilay nampetraky Niryna

Niryna:

...,raha toa ka honohono kosa dia tsy maninona fa tazomy e...

Miandry izay tena mahalala isika angamba fa i Bacouli io zao lakilosy tokana efa naneho ny zavatra fantany.

namoaka boky misy ny tantarany sy ny nihaonanay t@ i Jeso io past Randrianantoandro joseph io, ka tsara koa raha mitady io boky io any @ mpivaroboky enao nyrina
mbola hitady indray izany aho izany,ny bokin'i Nenilava izao no efa kely sisa dia ho vitako ,hi,hi, misaotra rija a
37. niryna ( 14/10/2010 04:31)

rafahafahana:

zaho dia mpikambana tao @ antokom-pihira AF taloha ary lasa nifindra tany antaninanandrano avy eo; nanenenako ny nialako tao andravoahangy fivavahana satria fitaka sy lainga be fitiavam-bola no betsaka ao @ taninanandrano
hay ve e,mampalahelo izany
misaotra anao nizara
38. niryna ( 14/10/2010 04:37)
Tsy fantatro raha lasa ny hafatro aloha fa dia mamerina ny fisaorana an'i rafahafahana aho
39. RAR.DAGO ( 14/10/2010 07:55)
Ka fampiorohoroana, fifonana, fatahorana, fijaliana sy tomany no ampianarianareo ny olona dia avy eo izy mba te ho ilay mampiorohoro, mampijaly sy mampitomany fa tsy ilay voalako foana ko!

Ny savorivoriana hono hilantoana, ny hilavoan-kiarenana, ary tsy misy tsy lavo izay mandia amin'ny tany fa izay mivarilavo no adala indrindra.

Samia anie isika miverina mamaky baiboly @ fo tony, dia ho hitanareo fa tsy izany ny fampianaran' Atra fa resaka hafa mihitsy e! Ilay fandikan'ny olona azy no lasa hoe "izay tsy milahatra vaky atody".

Izahay moa tsy milihatra nefa mbola tsy vaky atody foana ko!

40. vonynive ( 14/10/2010 08:48)

RAR.DAGO:

tsy fampianarana fampihorohoroana no ampianaran'ny fivavahana kristianina fa fitiavana anAtra sy fitiavana ny mpiarabelona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0515