Tany Dago aho

1. locl ( 13/09/2010 19:45)
Vao tonga taminy alakamisy teo aho, 3 semaines tany Dago.
Ny zava misy aloha dia tsorina fa dia tanana tsy misy lalàna intsony ao, samy manao izay saimpatany ny olona rehetra.
Ny Police sy Miaramila rehefa hitady vola dia mody manao barage etsy sy eroa (Ex: Entre Tamatave et Full Pointe 10 barages, andoavany chauffeur taxi brousse 5000fmg isam-barage).
Dia taminy Zoma 3 sept indray,avy nisakafo tena Fenoarivo izahay dia ohatr'ireny any aminy tany miady ireny ny fisavana ao, tsy mbola niainana ny any Rwanda fa dia matsiravina (Miaramila miaraka aminy basy no miasava tout les 250m).
Aminy alina dia feno miaramila ny tanana,raha tsy misy karatra dia matory any aminy prison.
Tsy lazaiko intsony ny momba ny circulation sy ny hamaroany mpivarotra, potika tanteraka le tanàna.
Ny vahoaka moa sahirana bebe kokoa, tena maro no efa tsy misy ataoa intsony.
Ny momba ny media indray dia lainga rano raraka ny ao ary tsy mahatehijery ny vaovao zay lazainy, tsy nijery mihintsy moa aho ny tena marina e!
Mba mankanesa any ireo izay TGV hanao fampitahany ny teo aloha sy ny amin'izao
novalian'i Miharena ny 15/09/2010 14:32
2. diloo ( 13/09/2010 22:04)

Ny Police sy Miaramila rehefa hitady vola dia mody manao barage etsy sy eroa (Ex: Entre Tamatave et Full Pointe 10 barages, andoavany chauffeur taxi brousse 5000fmg isam-barage).
Dia taminy Zoma 3 sept indray,avy nisakafo tena Fenoarivo izahay dia ohatr'ireny any aminy tany miady ireny ny fisavana ao, tsy mbola niainana ny any Rwanda fa dia matsiravina (Miaramila miaraka aminy basy no miasava tout les 250m).

Tsy dia mahagaga raha voatery manao asan-dahalo ampahabemaso ireo police sy miaramila.
Iza moa no tahafiny afa tsy ny sefom-poza ihany ve!

Dinio fotsiny ny mikasika ny loi des finances rectificative fa:
-raha nampiakarina 2% ny budget-n'ny ministère de l'intérieur, Izany hoe, teo aloha 63,2 milliards Ar, ary izao 64,6 milliards d’Ariary. Io ny mikasika ny vola natokana ho an'ny polisy.
-Etsy andaniny, dia nampiakarina ho 6% koa ny budget ny ministère de la défense (miaramila)
-Ny 256 mambra ny HAT koa nahazo fiakarana 25% mitety 14,8 miliara ariary. Io anefa dia taim-pizina raha hoarina amin'ny vola natokona ho an'i andry train à vapeur, izay raha 65 miliara teo aloha dia lasa 265 miliara ariary ankehintriny, izany hoe niakatra 300%.
Raha 2% sy 6% fotsiny no anjara azon'ny polisy sy miaramila anefa ny gros lot 300% anjaran'olon-tokana, aiza moa ireo polisy sy miaramila tsy hanotra vahoaka. Izany hoe, na dia niakatra kely aza ilay budget-dreo ny karama mety tsy tena nisondrotra fa lasan'ny sefon-dreo ihany. Ny tena scandale dia i andry TGV irery no nahazo tombontsoa fa tsy ny vahoaka na ny polisy na ny miaramila. Io izany ilay atao hoe "politique de l'austérité à la TGV"manao hoe:
3. milamm ( 13/09/2010 22:33)
slt nareo mtsamm sy ny rehetra mampalahelo fa izay le oe fanjakany Baroa e(zanak'i Andriamboravina sy Andriamoraony),izay tena nisy tokoa fa tsy angano tsy misy hafa @ lavanify ,didy kofehy lehibe sy tsikoroka sy korontana izany ve no atao hoe fiovana demokrasia fotoana kely sisa io dia hihetsika indray ny pokona fa leo
4. diloo ( 13/09/2010 22:50)
[quote]
Tohiny,
Manao hoe:
5. diloo ( 13/09/2010 22:50)
Tsy misy tohiny
6. Rabefitia ( 14/09/2010 03:26)
ka ianao ary izao vao miaina izan fa mba eritrereto hoe ny vahoaka malagasy efa ho herintaona sy dimy volana no niaina izany kanefa mbola tsy leo ihany.
7. cyril ( 14/09/2010 07:41)
LOCL marinaa...! tongasoa enao ry akamako ! - arahabaina tongasoa ! ary isika lahy ray avion tao zany ! tena mampalaelo tokoa letsy le ataon'ny Rabitro voalavo mianakaby a
----PIKATTI koa zao mbola any anie ! mifamaly amin'ireo Ministres reo matetika amin'ny Mass media any lery !! - izy hono tsy miràrà na gadrain'ireo FATY paty reo aza fa ihogahogan'ilery eo Ambohitsirohitra eo rehefa maizimaizina iny ny andro hoe mivoaha tao elah Rabitro a !... efa entim-po be lery de tsy omena tsiny e !.. raha tsy mahay tsara koa alou Rapika de goaka any e

8. AndriambyII ( 14/09/2010 13:25)
Verbe "tany dago dôldôly " ny pokna.

Tany dago aho , namangy ny fianakam's
Tany dago ianao ,nijery ny asan' ny polisy ,
Tany dago izy , nitsikera ny rasily,
Tany dago izahay , hanampy ny sahirana ,
Tany dago ianareo ,nanabanty ny mpilaza vaovao,
Tany dago rizareo, nanao safary eraky ny nosy .

Tsotsotra iany lé mi-conjuguer ny fiainana ao antanàna Ralocl klé , sao dia tsy mi-reflet 'ny marina ? !
Andefaso tapatapany , fofompofony ,sary iray farafaharatsiny izahay aty eto @ sera² !
9. Miharena ( 15/09/2010 07:29)
Tsy mety loatra ny mandefa sary ratsy raha ny tena izy fa tokony hijery ny sary tsara koa eto Dago. Tokony hasiana fifampaherezana fa tsy tokony ny ratsy foana no asian-tsindrim-peo.
Raha miresaka polisy a*manotra ohatra, ireo olona izay mety horiny angamba no aoka avela hahatsapa tena fa tsy faly fotsiny hilaza izany eran'izao vaza-mototra rehetra izao. Io fivoizana polémique io hatrany no mahadomelina ny lohan'ny Gasy eto dia mbola atao ihany. Aiza ny fahatsiarovan-tena e!
Afaka manao analyse normal ve izay miresaka fanakiviana lava io sa mandefa fotsiny dia tsy manana hevitra tsara tokony hanoherana izany?
10. locl ( 15/09/2010 08:15)
andrambyl: Tsy handefa ny sariko eto aho, ary tsy hahita izany mihintsy toi, fa ny zava-misy ao no lazaiko anao, mino hianao tsara tsy mino hianao anao izany. Sa toi tsy afaka mbola mody ka dia tezitra rehefa mahita olona mba afaka manao vacance kely any.
Tena mijaly le vahoaka raha ny fisondrotry ny vidimpiainana no lazaina ao, nefa ho aiza moa, raha azo natao ve moa tsy nataoa hoe handao handositra daholo.
11. tgvravalo ( 15/09/2010 08:44)
aleo hijaly ao ra locl aa izay manambasy sy vola ihany izao no miteny. Inona anefa no azony ataony eo. Dia ohatrinona aloha izany ny nalohanareo t@ polisy sy ny miaramila?? Tsy aleo ve nijanona tao @ nisy anareo dia nanampy ny mahantra fa tsy mande mankany tamatave foulpointe sy ny karazany ee anisan ny fitiavampirenena koa izany. Sa aleonareo manome ny miaramila sy ny polisy ho fitiavampirenena
12. locl ( 15/09/2010 10:49)
Tsy nanome miaramila na ariary aza, za koa moa nanara-dalàna ihany satria taranaky na mpanaradalàna.
Avelao hoy hianao hijaly ao ny vahoaka, tena ma filozofia hafa indray ny anao izany,sa toi anisany le olona mahazo tombotsoa aminy fitanambasy.
Nandeha tany aho satria izay no tiako hatao,afaka nijanona taty tokoa aho nefa tsy misy mahasakana ahy tsy ho any Dago. Nanahirana anao ny fandehananay mahita ny zava-misy marina ao an! Tsy maintsy lazaina anefa ny marina.
13. Miharena ( 15/09/2010 14:32)
Izaho koa efa nahatsapa tany an-dafy tany ny zava-nitranga sy ny resaka pressions psychiques avoakan'ny gazety teto Madagasikara momba ny fahsarotan'ny fiainam-bahoaka Malagasy. Ny mahagaga ahy anefa dia tsy nahita hoe niadana izany akory aho tany andafy tany na dia tsy nisy olana ara-bola aza fa ny hiverina hanasoa ny tanindrazako no noheveriko hatrany. Rehefa tonga teto indray aho dia nahita hoe misy fiadanam-po ny Gasy fa izay manaraka ny filazan'ny gazety izay mivoy ny tsy fetezan-javatra rehetra sy ny tsaho no tafiditra amin'ny fimenomenonana lava.

Ny mety angamba dia ny miasa tsy amim-pimonomononana sady mandefa eritreritra tsara hatrany eo amin'ireo mpiara-belona fa tsy manaraka ny lalaon'ny mpifampikitrana. Aleon'ny Gasy mivavaka hahazoana fiadanam-po toy izay hampiditra am-po izay zavatra efa fantatra fa handeha amin'ny tsy izy raha tsy mifoha sy tonga saina ny tsirairay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0841