Lany mpitarika sy mpitondra mahay ve i Madagasikara ?

1. milamm ( 13/09/2010 19:17)
Na dia tsy nandalo matetika teto aza dia manan-kambara noho izao fotoana mivaivay lalovany firenentsika izao @ maha-olompirenena ny tena, ezahina ho fohy ny ambara ary ialan-tsiny izay tsy maharitra .
' Raha meloka andrian-dava vero. ' Andrianampoinimerina 1787–1810
Tiako ho tsipihina io ohabolana filazan'ilay mpitarika malaza nitondra ny firenentsika io na dia tsy fandre intsony aza satria bango tokana milaza ny tsy fahombiazana teo @ ireo mpitondra nisesy teo aloha , tompon'andraikitra tokoa mantsy izy ireo manoloana ny vanimpotoana nahateo azy ireo amperin'asa momba ny fiainam-pirenena
Raha niondrika ny foloalindahy sy ny tafika Malagasy teo anatrehan'ireo mpanani-bohitra menasofina ka nalefa sesi-tany ny Mpanjaka Ranavalona 3 dia nivoaka ny lalana fa eo ambany fiarovany Frantsa i Madagasikara ny 06/08/1896(loi d'annexion) nandritra ny 65 taona( hatr@ 26/06/1960 ).Fampatsiahivana ny niseho nandritra ny 60 Taona ( sarintsary -fahaleovan-tena ),hitohy etsy ambany


novalian'i milamm ny 20/09/2010 19:06
2. milamm ( 13/09/2010 19:55)
Raha ny tantara no zohina moa dia Itpkl Ralaimongo no tokony hisalotra ny anarana raibeny Fahaleovan-tena nefa efa maty izy ( 1941sesi-tany ),nodimbiasany Ravoahangy,Raseta,Rabemananjara talohany 1960(efa nanomboka niroborobo ny fanantotoloina eran-tany ho an'ny firenena mandroso rehetra) niakarany Itpkl Tsiranana mpitarika ny antoko PSD izay novatsiany alema SPD ara-bola,administrateur civil t@ izany
-Efa voafaritra daholo hatr@ fampianarana na ny sehatra fiaraha-monina sy toekarena araky ny tombotsoan'i Frantsa taorinany ireny ady lehibe2 ireny , voafetra izany ny fampandrosoana ireo laharam-pahamehana nilain'i Madagasikara,oh. @ izany ny fanapariahana sy fanatsarana ireo rafitra ara-toekarena na fambolena na fiompiana dia nijanona ho fara-idiny ,tsy nitsahatra ahondrana @ vidiny mora ireo vokatra ilaina an-davan'andro(kafe,jirofo,vanila,varin'Alaotra toy ny tsipala,vary lava makalioka,alikombo) niakatra andro aman'alina ny vidiny vokatra afarana any ivelany .Nanomboka ary ny plan quinquennal 1964-1969 ,nisokatra ny somalac ,sopicoma (fiompina tulear sy diego) ny Bureau de Developpement Industriel (BDI) no nisahana izany ,niakatra 50 % ny hetra ho an'ireo mpandraharaha any ivelany tsy mampiasa volany mijanona ao Madagasikara. Ny oktobra 1962 dia nanomboka nalainy fitondrany Itpkl Tsiranana ny tanimbahoaka tsy voakaraka na voavoly mihoatra ny 5 ha.Ny 1967 dia nanao fanambarana i savony vava mpamita-bahoaka( ndrema )tany @ figaro fa nanohana tanteraka ny antokom-pitondrana PSD ,namporisihany ny frantsay hatr@ voalohany ampiditra azy ireo ho foko faha-19 ao amintsika halatra tanteraka izany eo imasony mpiray tanindrazana Malagasy rehetra, efa nokatsahin'izy ireo t@ zany i Bemolanga ny kraomita any Andriamena sns... 1972 ny ankabeazany mpamboly rehetra dia mbola namadika bainga @ angady sy mikapa ala @ antsy ...hitohy...
3. milamm ( 13/09/2010 20:20)
tsapany rehetra ary teo fa voafitaka izy ireo nandritra ny 12 taona,satria ny mpitantana isan-tokony @ fanondranana-fanafarana vokatra dia frantsay nangoron-karena daholo ihany ,ny sinoa sy ny karana moa no mpifaninana tena halan'izy ireo ,izay no antony nijanonany ireny miaramila frantsay tany diego sy toby tao ivato ireny hatr@ 1972 hiaro ny tombotsoany frantsay tao amintsika fa tsy i Madagasikara akory,nikorontana ary ny PSD rehefa nikotrika fikomiana i Resampa tanankavanany Itpkl Tsiranana nanala an'i Rabemananjara sy hanongana azy tao ambadiky ny amerikana ( loholona avy @ antenimierandoholona toa an'i Rakotondrazaka/senatera no nitarika izany).Betsaka no milaza fa nampiasa toekarenampirenena Atoa Ravalomanana sy nanakana ny raharambarotry ny hafa rehetra nefa Itpkl Tsiranana dia nahavita lavitra noho izany t@ fotoan'androny oh. araky rakitra voaporofony R.Archer sy F. Deleris(ed.Harmattan),actionnaire de plusieur entreprises coloniales,grand proprietaire foncier de toute l'ile , D.G des companies de transports maritimes/nahavidy trano maromaro ho any zanany tany cote d'Azur moa izy t@ zany, ainsi pour Resampa proprietaire terrien important et possedait un des plus beaux troupeau de Madagascar ,tao koa ny afera MIMRAM izay mpanao contre-plaque nandripaka ala atsinanana maromaro tao amintsika dia nirongatra ary ny ZOAM izay mpianatra sy tsy an'asa ny 1972 ary notifitifiriny FRS (resampa), izay aloha iny satria tsy nadio tanana koa i Itpkl Tsiranana ny 13 mai 1972 ,hitohy
4. milamm ( 13/09/2010 22:21)
nitombo ny tsy fitiavany vahoaka azy raha nandalo tany Antsiranana sy nanao fitsidihana tany Mahajanga izy, satria ny 73 % vokatra naondrana tany ivelany dia niditra @ kitampombola frantsay ,380 ireo mpianatra naondrany tany Nosilava ho gadraina,200 no maty voatifitry ny FRS(maty ny 18 aprily 78 teny Befelatanana) ,na dia tsy nanaiky ny hiala aza izy fa hiara ho faty @ vadiny araky fanambarany t@ foccart lehibeny francafrique Elysee dia namindra fahefana t@ jeneraly Ramanatsoa ihany taorinany fifidianana 8 oktobra 1972,zay tsy naharitra ihany koa fa 3 taona monja taorinany fivoriany sojabe dia nomeny an'i Itpkl Kln Ratsimandrava lehibeny zandarmaria ny fitondrana ny 05/02/75 izay maty novonoiny ireo tsy mataho-tody ny 11/02/75 (brechard no voalaza fa nitifitra azy nefa i jambalahy jiolahin-tsambo nandimby azy no atidoha nikotrika ao koa moa ireo club des 48 nankahala azy fa fanjakan'andevo),tafiakatra ary i radidy nitondra ny revolisiona mena nandritra ny 27 taona izay notsofiny ndrema bemolotra rano koa,namitaka ny rehetra t@ boky mena nalaina tahaka t@ sata tanzaniana Arusha(1967),ireo fotodrafitr'asa nolazainy t@ izany moa dia ireto nizara3,
-1978-84 fametrahana ireo rafitra ara-toekarena sosialista (fandraisany fanjakana antanana ny orinasa mpitantana toekarena,fanavaozana ireo rafitra ,fototra ,fanapariahampahefana,fanofanana teknisiana,fampiakarana ny harinkarena ny famokarana 5,8% isan-taona ...)
-1984-92 fanamafisana ny toekarena sosialista sy fanodinana ny milina vaventy ny indostria Malagasy
- 1992-2000 fampitomboana ny pib,sy fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ,ary hidirany Madagasikara ho mpanondrana vokatra any ivelany
Nampanantenainy fa ho lasa dragony oseana indiana isika no Madagasikara tsy handohalika

Iaraha-mahalala ny niseho, fa noho ireo heloka bevava ara-toekarena sy fiaraha monina nataony dia nandohalika ho farany izay firenena mahantra isika(tsarovy fa ny sandambola Ariary dia 1Ar = $ 0.95 ny taona 1965 raha tafiakatra 271 Ar=$1 ny 1985 ary 1654.78 Ar = $1 ny 2001 raha niala teo izy,izy sy ireo nanodidina azy no namorona ny 4mis tao amintsika,nangalatra ny sambo Gasikara ,namono vahoaka teny andalambe marobe sy manamboninahitra marobe ,hitohy...




5. AndriambyII ( 14/09/2010 10:13)
Tohizana ?
6. hery ( 14/09/2010 11:27)
Miandry ny tohiny
7. milamm ( 14/09/2010 16:12)
ho avy eo rahariva ry mpisera havana isany fa tsy azo tampenana @ maso be tsy mahita lava izao ny zava-misy , ... dia mankasikatra ny faharetantsika rehetra ,hanaraka eo i Zafy, Atoa Ravalomanana ary i lavanify hisy hisainana hoe hatraiza marina no iheverany ireto mpampihorohoro ny firenena ny fandeferany mpiray tanindrazana aminy rehetra,m'saotra mialoha
8. milamm ( 15/09/2010 00:32)
tonga ary ny fihetsehambahoaka ny 10/08/91 , rehefa tafiala le jiolahintsambo vinantony velonjara dia ireo fanapoahana tetezana marobe mangoro RN2,ambohimandroso RN7 sns ny rova sy andafiavaratra fampihorohoroana samihafa sy ra mandriaka no nentiny sendra ny tonon'andro tsy nahalehilahy azy le jamba dia niala t@ fifidianana nefa efa nisy fifanarahana mifina tao " op ramses " momba ny hiverenany ,ary tonga ny rep.3 Zafy zay hany regime parlementaire ,Mby aiza ny firenena taorian’ireny raharaha 1972, 1991, 1996 nampiatoana ny Pr Zafy Albert tamin’ny asany, 2001-2002 ary 2009 ireny ? tadidio fa mbola ireo olona nitarika sy tompon’antoka tamin’ny firodanan’ny fanjakana nifandimby teto izay mbola hita manodidina an’i lavanify ankehitriny, toa an-dry ndrema bemolotra, ratsy rahonana , marson evariste ,ramarosaona...ireo no fositra ny mpanongam-panjakana hatrizay ka hatrizao , nentina tao anatiny haizina moa ireo marobe nanaraka t@ ireny ka dia nifatratra any anaty lavaka daholo,nila fiovana tontolo politika , fiaraha-monina sy toekarena ,hitohy
9. milamm ( 15/09/2010 10:51)
tsindry sofina @ ireo antony tsy mahatafiditra an'i le jamba ao Madagasikara intsony dia tsotra , ankoatry ireo heloka fanagadrana ireo sangany natahorany ifaninana aminy toa an'i Andriamaholison vinantony Miterrand t@ zany(1977 nosamboriny sy voatazona tany manjakandriana) ary ny afera ampamoizankova namoizana an'Atoa Guy Sibon antony tsy nanome alalana izy @ maha-manamboninahitra ambony azy hanafika ny KF teny amboditsiry ary nandrara ny fananganany sovietika space station ao @ taniny Malagasy teny arivonimamo,ka notereny handray ny DC3 izay efa voaomana hianjera ,fanagadrana an'i Itpkl Monja jaona tia tanindrazana niaro ny KF ko iny lhl iny ary indrindra izy irery ihany no azo antsoina hoe andrim-panjakana mpanohitra t@ izany...marobe izy ireo tsy hotanisaina ,tadidintsika ihany koa fa ny serasera lahatsoratra an-gazety sy ny haino aman-jery no voageja voalohany raha tonga teo le jamba 75 dia niisa amam-polony maro ny gazety voatonta 35000isan'andro nitana ny laharana faha-4 eraky afrika,folo taona taty aorina 4 sisa no tafajanona ny tena dikany RDM natsangany ilay mpanorina ny revolisiona mena di Ratsy iraka Didier Mianakavy ihany , nisy ary mbola ao toamasina ilay vondrona antsoina hoe DECAGON tarihiny sophie izay nikasa ny handimby ny dynasty ratsy iraka,ny sonavam an'i xavier izry miray petsapetsa @ cartel drug baron ny oseana indiana(maorisy,seychelles,mozambika)nigadra noho izany moa tany ivelany ity farany ity,ary hortense ko dia voasambotra tany italy...
10. milamm ( 15/09/2010 10:59)
tafaverina aza ilay jiolahy mpampihoroho ny firenena ny 96-2001ratsy rahonana sy bemolotra no nahatonga izany azo alahatra tsara @ kim-il-jung izay namany akaiky sy ceausescu ao romania t@ fotoan'androny izy , ny azo notsoahina dia ireo heloka tsy toko tsy forohana vitany
anisany voalohany iandrasany ireo niharany didy kofehy lehibe itsarana azy hatr@ izao ny fanitsakitsahina ny zon'olombelona ,na ny mpanohitra na tsia ary ny fampahatrana na ara-tsaina na materialy ny fiaraha-monina malagasy , i lavanify naka torohevitra taminy nanalana an'Atoa Ravalomanana aza tsy mampiditra azy ao Madagasikara intsony ,tsy mba nanotany tena ve isika hoe nahoana ???
11. milamm ( 15/09/2010 11:21)
nitaky rivo-baovao ny fiaraha-monina politika sy toekarena ,nipoitra ny fitakiana andalambe teny @ 13mai ny 2001 ,efa niseho taratra ilay mpandimby ny fitondrana notarihiny lehibeny tanana an'Antananarivo izay lehilahy niavo-tena fa tsy nanararaotra ny toeram-panjakana notazominy akory Atoa Ravalomanana avy ao Imerinkasinina izany taorinany sahotaka dia nandalo fitsarana ambony moa ny valim-pifidianana 16/12/01 izay nahareseny 51,46% ary 35,90% no vato azony lejamba nosoloiny ity farany moa ny mambra 9 ny HCC hamadihana ny rasa ary tsy nanaiky ny amerenana ny fifidianana faharoa ny antokony Atoa Ravalomanana na dia notakiany Amara Essy aza izany(araky fanambarany ,algier sy lome), araky ny mahazatra azy moa dia nandefa ireo miaramila ,milisy zatovo(sophie) tany atsinanana,bemiranga ary miaramila vitsivitsy hanakorotana ny toe-draharaha tao andrenivohitra ry coutiti sy soaline tany avaratra namono sy nampijaly ny olompirenena tsy nakasikatra an'i lejamba intsony...hitohy
12. saho ( 15/09/2010 17:38)
Ramilamm
tena satroka miala mankasitraka ny fahaizanao
tena anisan'ny mahay tantara ianao ary misaotra mampiseho izany ny namana rehetra eto
mety gaga angamba enao hoe iza koa izany saho izany, za dia namana ihany, namana tsotra tia mandalina ny raharahampirenena any mada na taloha na ankehitriny

Ny hitako mahavao antsika izay tonga toerana ambony ao, dia ny fitiavan-tena fa tsy ny fitiavantanindrazana, raha tia ny tanindrazana mantsy dia mitsinjo ny vahoaka misy ao aminy hoe hatraiza ny fahafahampo azo raisina araka toekarena misy, io dia azo refesina pib raha nianatra izany. Ankehitriny anefa dia vitsy kely ireo malagasy miaina refesina 1 dollar na 2 euros mihoatra isan andro

Tena raraka be ny faripiainana ara toekarena malagasy akapobeny, satria nahoana, satria tsy stable ny resaka raharaha politika. Io no sakana voalohany manimba ny zavatra tokony handeha rehetra. Raha milamina ny resaka politika dia mandeha ho azy ny faripiainana ara toekarena. Isika betsaka no milaza fa mahay ny gasy rehefa tonga aty ivelany....

Ireo fahaizana ireo anefa raha mitambatra dia mifameno, ary tsy hisy izany fiarahana izany raha tsy misy ny organisation fampiraisana hina. Betsaka anefa no mamingana raha manana firaisankina ny manampahaizana, fa ny antsika malagasy toa voninahitra no voalohany....kanefa izany voninahitra izany tsy mampivoatra fa rendrarendra tsy mifanaraka ny fiainana ara toekarena.

Izany hoe ny fomba malagasy taloha misy azo raisina ihany toa ny hoe ny firaisankina no hery
Raha miray ireo malagasy nahita fianarana taty ivelany na tany toerana dia miray koa ny fahaizana ary miray koa ny lalana hikambanana.

Izany hoe tokony ho hery iray izany ny fanavaozana ny krizy ao mada ankehitriny ary mitambatra sy miray hina ireo manana fahefana fa tsy miady seza sy miady antrano foana

Mbola tsikera betsaka no hita etsy sy eroa, mifamingana sy mifamono aza no taringetra fa tsy ilay fahendren ny ntaolo hoe ny firaisankina no hery....mbola ela be vao tafavoaka arapsychologie ra malagasy raha tsy manao fanadiadiana toa ny tantara asehoan ny namana nisy hatramin izay.

Braining storming hono hahavitanjavatra ary ny fomba asa teknika Taylorismus hahafahana mamoaka vahaolana rehefa misy crise, fa ny tsikera kosa tsy hahavitan javatra miroso raha tsy mazava tsara hoe inona le tsikera, tsikera mitombona ve sa tsikera mamono hiroso

Misaotra anao namana namaky

13. milamm ( 15/09/2010 23:23)
misaotra an'i saho , tsy sehatra natao ampisehoana fahalalana na fahaizana akory no tanjoko eto , fa kosa fahampahafantarana tsotra ihany @ alalany zava-niseho sy rakitra mitantara ny fiananany Tanindrazana iombonatsika rehetra na avy any atsimo na atsinanana na avaratra na andrefana lakolosy fanairana fa ao anaty aizina ny firenena ,iza no homena tsiny ? isika sa ny vahiny sa ny mpitondra isika rehetra no tompony valin-teny ... tsy mbola nikasika politika ny tenako hatrizay niainako ka tsy manana fironana na fiandaniana @ antoko na olona na iza izy na iza ,ny hany hafatra tiako apetraka any @ farany na dia tsy mifarana aza ity lohahevitra ity dia tsotra ' Mifohaza ry zanak'i Gasikara ' ,isika rehetra no fanoitra hanova izany fa tsy ny mpandrirarira mpitady tombotsoany manokana ,misy teny milaza fa
' Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany '
' Aleo vandana imaso toy izay vandana ivoho ' hoy ny tenindrazana , mbola hasiako resaka ny momba an'Atoa Ravalomanana ,ny adidy nampiantsorohany ireo mpiara-belona aminy noho ny maha vato nasondrotry ny tany azy ny zava-bitany nanasoavana ary mipetraka tsy azo fafana, ao koa ny tsy nety nataony na dia tsy mihano ny hafa aza izy sy nataony tsinotsinona ireo soroka nilanja azy sy lamosina nibaby azy nandritra ny fitondrany anatra ho azy iny raharaha 17 marsa iny ,amafisiko fa tsy meloka iny lehilahy iny ny 26 janoary 2009 sy 07 febroary 2009
efa nanao fanambarana izy fa sahy hijoro eo anatrehany fitsarana .
i lavanify moa dia toy ny mamo niantso polisy raha nangalatra fahefana sy mandroba tsy miato ny harempirenentsika ary manao varo-boba ny fananam-pirenena , manameloka ilay lehilahy izay tsy eo antoerana akory afaka hiaro ny fiampangana azy , misy farany raha jiaby hoy jaojoby izay niaraha-nahita izany t@ ireo mpitondra 4 nifandimby nofidiam-bahoaka , izay aloha fa samy tsara ary ny aina no mateza , hitohy ...
14. milamm ( 16/09/2010 23:02)
lohahevitra hafa no anokafako ny tohiny ity resaka ity fa sahirana kely ara-potoana ,tsy mifarana akory fa aza matahotra ny hevitra tiako ampitaina m'saotra mialoha dolidoly
15. AndriambyII ( 19/09/2010 15:49)
Vita vé ? Tohizako raha tsy mahadiso milamm !
16. milamm ( 20/09/2010 19:06)
ekena,tohizo ary nefa aza avilana an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0458