Fa in marina ary no ao an-tsainy eee?

1. vale ( 11/09/2010 14:47)
Bjr,

Manana "namana" lhl za, efa elabeee ( depuis 2007) izy io kay nanara-maso ahy foana, ary niditra namako (izy nangataka ahy ho namana izany e, tany amin'ny site hafa io an), tsy nahatsikaritra azy manokana za satria efa nifandray tamin'ol hafa, fa dia tadidiko fotsiny oe anisan'ireo mba mpankafy ahy izy dia izay.
Taty aoriana angamba tsikariny fa tapitra ny relation-nay sy le ol iray dia nandefa msg manokana amin'izay izy, fa tsy mbola nampiraika ahy tamin'izay fa za nanana "qipa" hafa vaovao.
Tsy nifanaraka izahay sy io sipako faha-2 io dia izy moa (ilay lhl) tsy nijanona nandefa hafatra ho ahy foana, ka tamin'izay lasa namaly azy aho, sady tsy nanam-po hoe ho tiany , tsyfantatro fa izay no fijeriko azy, lasa niova ny fijeriko azy e, taloha za tsy rototra taminy avy eo indray lasa menatra .
Dia nanaiky ny avances-nataony za, dia nande tsara ny fifandraisana, indray andro nisy vhv nanadala azy, jereko lasa rare be ny fifandraisanay sy izy, dia notsatohako izy dia nitsotra tamiko, dia tezitra mafy za satria tamin'izay niaraka, na izy mandefa hafatra dia mialza fa manana projet matotra momba anay izy, et qu'il m'aimeras jusqu'à sa mort et patati et patata, pfff! Dia naveriko taminy ireo teniny ireo dia nifona tamiko indray izy oe tsy fidiny anazy hoe, dia hoy za oe za tsy mi-pardonner satria manome fausses promesses ahy enao, ary marobe ny chances nandalo teo amiko fa nolaviko noho izany rehetra rehetra izany. Dia iny indray izy fa niteny hoe enao tsy tia ahy fa ao an-dohanao fotsiny!! O_o...dia gaga sy talanjona za, ka tsy hitako izay nahavaly azy satria za aza menatra anazy anefa izy moa talo efa nitady ahy foana fa tsy norarahiako!!
Amin'izao dia mbola mireaka izahay fa tsy masahy manao promesses be sy déclarations be ohatry ny talo intsony izy ary nilaza fa nisaraka izy sy ilay vhv, mba tiako ho fantatra hoe inona ny tena ao an-dohany? izy nilaza tamiko fa tsy tia azy aho??? Fantany tsara anefa fa na dia namadika ahy ary izy dia niandry anazy teny foana aho!!! Angamba mety te hiala amiko izy hoy aho, anefa indray rehefa miresaka aminy za oe hiala aminy dia TSY mety izy fa manda!! toa lany fotsiny anefa ny androko fa izahay tsy mbola nihaona akory anefa efa ho 1 taona izay no nifandraisana, milaza izy fa sahirana be amin'ny asany (izy aloha any @ Pays hafa no mipetraka e!!) ka mba manontany anareo lelahy za oe inona no tena but-any , tena tia ahy ve izy?! sa ilay vhv nanadala azy no tena tiany fa za nisiska dia lasa tafiaraka foana izahay?! Mba valio re azafady a!! MERCI!!!
novalian'i vale ny 27/09/2010 11:31
2. vale ( 11/09/2010 14:51)
mba mila hevitra koa na avy amin'ny namana vhv aza eee!! MERCI!!
3. mirananirina ( 13/09/2010 09:00)
Slt Vale,tantara tokoa izany,amiko aloha raha olona mifankatia ka tsy mifankahita izany dia toa mifanadala fotsiny,mifananihany(nefa aloha mahafinaritra ihany)Saingy raha mahita olona hafa afaka hihaona aminy kosa ny 1 dia lefilefy ny fitiavana ilay 1.Maninona anefa na mifanalavitra aza ianareo atao izay fomba rehetra hihaona!!Na dia atao hoe in 1 fotsiny aza.Betsaka tokoa aloha ny olona diso fanantenana @ ity net ity eh!!Ao ny milaza fa tia nefa tsy tia,ny akamaroany anefa dia lainga be daholo,na ny tena anarany aza dia tsy omeny anao akory,ohatra hoe facebook fôpla no mody omeny.Fa enao moa @firesakao dia hita fa tia an'ilay olona,ka tsy misy solution afatsy ny fahitana azy haingana.
4. soanja ( 13/09/2010 11:05)
Ny mihaona ihany araka ny voalazan'i Mirana io no mety. Raha manda na milaza izy fa tsy manam-potoana amiko dia tsy zava-dehibe aminy ny fifandraisanareo.

Ny eto amin'ny aterineto na online dia zava-baovao amin'ny olombelona ny famoronana fifandraisana eto- fitiavana moa izy eto. Tsy azo lazaina fa ratsy saingy inoako koa fa tsy azo ianteherana. Ny fifankatiavana dia matetika miatomboka amin'ny fihaonana sy fifandraisana ela ary fifampikasohana satria iny no ahalalanao hoe "iza" ilay olona: fihetsika, fahaizana, kilema sns sns ka raha ireo no hita no mbola tianao ilay olona, moa ilay olona mifikitra dia tia tokoa izy izay. Fa ny ankoatr'izay dia zary toa fanalana izay manahirana vetivety any amin'izay misy azy any: embona, fahanginana, filana an'eritreritra sns sns... Misy foana anefa ny exception- fitiavana goavana sy tampoka ary midonaka avy hatrany n'aiza n'aiza, efa nahita aho na eny ambony train, aviona sns sns....

Ny torohevitro dia aza miantehatra tanteraka amin'izay tsy hita maso satria ny retsikandre/ tsapa-nao rehetra dia ara-batana avokoa no betsaka indrindra, izay no maha-olombelona/biby antsika.
5. ikaretsaka ( 13/09/2010 17:42)
miombon_kevitra amin'i mirana sy i soanja
6. vale ( 14/09/2010 20:30)
MISAOTRA BETSAKA anareo amin'ireo toro-hevitra ireo, fa hiala nenina za ny hihaona aminy, milaza iz fa ao anatin'ny fi-tourné_na film ka mamita ny engagement dia izay no nandeferako, dia t@ voalohany koa iz nilaza fa ho tonga hijery ahy, dia rahoviana ary hoà, dia izao mbola sahirana be amin'ny asany izao foana no naveriny, izy koa etsy an-daniny nanana relation t@ ilay vhv nanadala azy ka dia vao mainka nihaina ny fifandraisanay! Izy ihany no nanome promesses ahy t@ voalohany anefa rehefa avy eo tsy menatra namadika akory, efa nijanona ilay fifandraisany amin'ilay vhv izao, fa dia hiala nenina farany aho ataoko izay hionana aminy dia mifanatri-tava eo ahitàko izay tena marina , ka dia misaotra amin'ny toro-hevitra rehetra, je vous promet que je le ferais, ne serais ce que pour avoir le coeur net (au moins) fa mampiasa loha fotsiny, MERCIIIIIIII ^_^
7. soanja ( 15/09/2010 21:35)

vale:

MISAOTRA BETSAKA anareo amin'ireo toro-hevitra ireo, fa hiala nenina za ny hihaona aminy, milaza iz fa ao anatin'ny fi-tourné_na film ka mamita ny engagement dia izay no nandeferako, dia t@ voalohany koa iz nilaza fa ho tonga hijery ahy, dia rahoviana ary hoà, dia izao mbola sahirana be amin'ny asany izao foana no naveriny, izy koa etsy an-daniny nanana relation t@ ilay vhv nanadala azy ka dia vao mainka nihaina ny fifandraisanay! Izy ihany no nanome promesses ahy t@ voalohany anefa rehefa avy eo tsy menatra namadika akory, efa nijanona ilay fifandraisany amin'ilay vhv izao, fa dia hiala nenina farany aho ataoko izay hionana aminy dia mifanatri-tava eo ahitàko izay tena marina , ka dia misaotra amin'ny toro-hevitra rehetra, je vous promet que je le ferais, ne serais ce que pour avoir le coeur net (au moins) fa mampiasa loha fotsiny, MERCIIIIIIII ^_^


Mahereza aky fa mbola ho avy ny anjaramahasoa ho andry. Raha tiandry dia azonay atao isany vavaka mafonja izany ho anareo.
8. mirananirina ( 16/09/2010 10:35)
tsisy fisaorana aky an
Ohatra ny tsy arotro ilay hoe vhv nanandala azy!!!Izy ve no niteny an'io sa fantatrao ilay vhv??Raha izy manko dia aza mino mihitsy fa hoe ny vhv no nanandala azy voalohany,lainga be io!Matetika ny lhl raha tratra ohatra avy dia hoe ka izy môla be amiko tsinona,izy nikoty ahy...izay ataoko angamba hoe 2 cas/100.
9. ngaila ( 22/09/2010 13:52)
Ka hono wa,any @pays hafa izy no mipetraka,mety tsy tafa ny ifankahitanareo an!lavitry ny maso lavitry ny fo
10. vale ( 23/09/2010 15:00)
Soanja> MISAOTRA indrindra fa manana namana tokoa e!!!!!!

Mirana> Tena marina aloha fa ilay vhv no nanadala azy satria tsy misy miafina ny resaka rehetra mandeha sy ny zavatra atao eo @ pejin'ny tsi- rairay, fa tsy nahataitra ahy satria nahatoky be ny fifankatiavanay za sy ireo teny Mamy Marobeeee nolazainy ahy hatramin'ny voalohany, dia izay no nahatonga azy niteny tamiko hoe : tsy fidiny ho azy! Ka tena ilay vhv no nanadala azy, FA na izany aza dia DISO izy satria tsy tokony namadika ahy e, za izao mba misy manadala ihany koa anefa izany ve no handeha hamadihako anazy?! tena tsy mitovy mihintsy ny fifanajàna MISY eo @ lehl sy ny vhv raha mandinika aho fa zaho koa no tsy mbola sendra promesses sy mots doux be ohatr'ity dia tsy tonga saina! (pardon ry lhl isany aaa, hihihihi), dia izay ilay izy akia Mirana ka na hà izao aza lasa ohatry ny nihaina ny fitiavako azy, ary tsy mahatoky azy intsony aho, anefa mbola eo ilay fitiavana ka tsy fantatro intsony izay hataoko, satria be loatra ny teny ataony resaka teny Mamy, dia tampoka eo lazainy fa tsy TIA azy aho, fa vahaolana mety mihintsy ny nolazainareo tetsy ambony oe: ataovy izay hiaonana aminy, ary lavitry ny maso, lavitry ny fo, ka dia ho ita eo amin'izay fotoana izay!! MERCI à tous!!! ;-D
11. vale ( 23/09/2010 15:08)
Ngaila> ie, any @ Pays hafa izy , fa tsy dia mifanalavitra loatra ny misy ahy sy izy, ny nandeferako fotsiny dia ity izy milaza fa mamita contrat ka fantatro alou fa mamita film 1 tsy maintsy maharitra elabe e, fa dia ho hita eo ny tohiny, za anefa efa manomboka leo! hihi, mamaky loha sady namadika anah tsinona, izaho ilay lazainy fa TSY tia azy, sa ve za tsy ni-draguer azy fa ilay iray ni-draguer azy dia lazainy fa tsy Tia azy aho?? zaho angaha in no za indray ny anao premier pas @ lhl eo? au moins mba hoe efa mpinamana!! ;-)
12. euh ( 25/09/2010 21:39)
Vale ko mora amidy @ promesses poakaty tsssss
mbola tsy nifankahita mivantana ko ahoana no ilazany fa manana projet matotra izy ? efa 2010 zao mba efa mandroso ny taona fa aza minomino foana, tena mbola any ankibon'ny omby ny tokinaina fa aleo tsy manantena an'izany. Rehefa tia marina izy tsy amorona pretexte bidon na asa na inona fa na lohasaha 10 na orana mikija dia manao izay ifankahitana. Adalana be raha manaiky arirarirany 1taona @ promesses vilana. Matoa izy tsy hitandry hatramin'izay dia misy antony ao fa sokafy tsara ny maso dia mahereza fa lehilahy be eraky ny tanety ireo maro isafidianana, izay mba eo akaiky ny maso ianteherana
13. vale ( 27/09/2010 11:31)
Euh> eny ary e, fantatro fa tena vendrana mintsy za e! efa nieritreritra aho fa aleo angamba hijanona mpinamana fotsiny, fa na zah koa tsy met manadino ny trahison nataony, merci pour le conseil!!! -_^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2339