fikambanan'ny Malagasy te hiasa

1. bazylou ( 07/09/2010 18:17)
io fikambanna io dia mijoro ary tsy handrava ireo be seza sy be zity poakaty no tanjony.
Hanorina Madagasikara vaovao feno traikefa fa tsy atao cobaye isaky ny mihetsika izao.
TSy misy 4eme repoblika ao, tsy misy goaika antitra sy maty hoazy ao, ary tsy misy koa ireo fis de puite isan karazany mankarary ny Malagasy sy i Madagasikara.
Ao kosa no misy ireo tanora rehetra lahy na vavy vonona hampandroso an'i Madagasikara.
Tsy misy tanora miala bala ao fa mandray anjara daholo.
Isika aty ivelan'ny ranomasina dia betsaka isika no ao , ary natao i ndrindra io anaovana pression ny ao an tanana hiova sy hampandroso ny firenena.
MIOVA MIOVA MIOVA i Madagsikara ary manaraka ny taona 2000 sy ny 3000 manaraka fa tsy ho lany andro amin'ireo alika antitra sy maty hoazy ireo.
RAiso ny angady ry zalahy , alao hery fa aina ity hoy rainimanonja.
TSy misy polifika na politika ao fa Malagasy miasa ho an'ny Madagasikara no ao.
répondu par piozila le 16/09/2010 18:27
2. bazylou ( 07/09/2010 18:22)
tsimaintsy esorina sy ravana ireo anti dahy poakaty ireo. Tsy maintsy arodana io MAdagasikara lany daty io.
Manasa antsika tanora hikandra sy handray anjara mafimafy koka amin'ny fampandrosoanany firenena.
Indrindra fa hoantsika aty andafy rehetra.Ndeha hivondrona fa efa maty ny firenena, tsy mandady intsony fa efa miala aina farany.
3. bazylou ( 07/09/2010 18:29)
Raiso ny ampinga ry zalahy fa hiady isika , entano ny hery fa hanangana firenena vaovao isika.
Madagasikara tsy an'ny tgv, na ry le8; ,a zefa labiera na ry roi des fous irery , fa antsika , ary mila antsika tanora vonona hiasa ny firenena fatsy ho lany andro lava.
Mbola eken'ny lisany ve no hisin'izany hoe pm gasy fatim bazaha tara sambo ???
Mbola eken'ny lisany ve zany hoe preezda gasy tsy misy haf atsy izy no mahazo alalana hanao orinasa?
Mbola eken'ny lisany ve ny mahita fa tsy misy protection sociale i Madagasikara? Eny tsy manana politika sosialy akory??
Mbola eken'ny lisany ve zany hoe 50 taona fahaleovan tena nefa milalao frantsay ihany??
Mbola eken'ny lisany ve ny tsy mbola ananan'ny gasy fifandraisana mazava amin'ny vazatany 4 ankehitriny???
.....
4. andrywui ( 08/09/2010 09:21)
tena masiaka be rabazylou ato zany le ....

- ekena bainnn a ! hijoro isika hampandroso an'i M/car e ...!

- ary elah rabazylou mba midira matetika eto mba hanome moral an'ireto and co ireto kah !...
5. Annie2OO6 ( 08/09/2010 10:44)
atambaro ny hery zalahy dia avoty ary i Madagascar a, aok'izay ny adilahy politika sy ny fiadiantseza lava
6. bazylou ( 10/09/2010 06:47)
mila ny asy rehetra hiasa fa tsy andany andro hitaingina seza sy be hataka etsy sy eroa.
7. piozila ( 10/09/2010 15:50)
Efa ho rendrika ve i Radomelina vao miantso vonjy ianareo mpanohana azy? maninona rha tamin'ny dec 2008 dia niteny? tara loatra e!!!!!!!
Betsaka ny te hiasa fa ianareo no nanongana azy
8. Miharena ( 13/09/2010 13:33)
Misaotra izay olona tonga saina amin'izany fiasana izany e!

raha ny tokony ho izy aloha dia fahatsorana no ilain'ny Malagasy satria olona tsy azo tarihina amin'ny fitapitaka izy. Ny olona mahatsapa tena dia olona miasa sy manao izay tandrifiny ary mi-encourager ny hafa izay miasa. Mila neutralité de vision isika gasy fa tsy mila embrouillage politique (izay efa hita fa voizina ny maharatsy ny politika politicienne rehetra).

Efa maloto ny fisainana raha vao politika no resahana amin'ny olona, noho izany dia mila miala amin'izany resaka politika izany izao fa mila olona tso-po manao asa madio dia izay.

Efa vita vakisiny koa moa ny Gasy izao ka izay olona minia manaka-peo amin'ny zavatra tsy mety na mihatsara-velatsihy dia efa hita miharihary eo ary tsy henoina akory.

Maro be ireo Gasy mangina ary miasa hahasoa ny tenany fa tsy avelany hidiran'ny politika maloto ny fiainany. Na dia misesisesy aza ny krizy politika dia tsy voatohintohina mihitsy ireo olona tso-po sy miasa ireo.
9. piozila ( 16/09/2010 18:27)

bazylou:

mila ny asy rehetra hiasa fa tsy andany andro hitaingina seza sy be hataka etsy sy eroa.

Ka diso fiantefa anie ny hafatra alefanareo e! alefaso any amin'ny Radomelina sy ny governemanta tsy haninontsihaninona, fa le teo taloha efa niteny hoa MIASA, MIASA MAFY , MIASA TSARA. de hoy domelina hoe tsy ilaina izany fa fety dy DJ ary fampirevena ny tanora no atao. Kianjan'Antsonjombe ve zao hanina e!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.187