AVOKO

1. rijadolly ( 05/09/2010 18:17)
http://www.basyvava.com/2010/09/02/ma%C3%AEtre-avoko-tapitra-ny-fanjakan-ny-mpanao-politika/

T s y amin - k e r y n a amin’ny tanjaka, fa amin’ny fanahin’Andriamanitra no hamoahana ny firenena, satria ny rà latsaka, dia manome vahana ny herin’ny maizina. Tenin’Andriamanitra tsy azo dinganina io, ar y hitarihan’i Maitre Avoko ny vahoaka malagasy hitodika amin’Andriamanitra. Vonona hitarika ny malagasy ho any amin’ny lalan’ny fahamarinana aho mba hialàna amin’izao krizy izao. Tapitra ny kajikajy politika rehetra hoy ihany ny maitre Avoko, ka aleo antsoina Andriamanitra hanafaka ity taniny nomeny antsika ity. Fepetra tsy arahan’ny vahoaka rehetra, dia ny fanekena fa tsy lainga ny voalazan’ny Baiboly. Mila mahatoky ihany koa fa afaka manavotra ny tanany, ary hampakatra antsika ao anatin’izao krizy izao......

Niangaran’Andriamanitra isika amin’ireo harena tsy fahita eran-tany. Isan’io ilay taolana dinôzôro goavana indrindra eran-tany hitan’ny Amerikana tany Bekopaka Mahajanga. Niangarany raha samy firenena isika, ary tsy maintsy tafavoaka amin’izao krizy izao. Araka ny hafatra nampitain’ny fanahy masina tamin’ity maître ity, dia ho tapitra amin’ity taona 2010 ity ny krizy eto Madagasikara. Ny tenin’Andriamanitra no hivahan’ny krizy, fa tsy ny mpanao politika. Fito taona aorian’izao kosa, dia ho firenena lohany indrindra eran-tany i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-toe-karena. Hosongonantsika ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany. Mila miray hina anefa isika rehetra raha tiana ny ho tojo izany fanomezampahasoavana avy amin’Ilay tsy toha izany. Fepetra raisina manomboka izao, dia ny fitodihana amin’Andriamanitra, izay efa nanentanany ny malagasy rehetra ny 15 aogositra 2008 tamin’ilay mifohaza ry Gasy, ka nivavahana isaky ny zoma tamin’ny 8 ora alina. Efa tamin’izany no nanambaràny fa hisy zavatra hitranga eto ny taona 2009, ary ny 12 Janoary no namaranana ilay mifohaza ry Gasy. Isika rehetra mahafantatra izay niseho taorian’izay. Mitaona ny olona rehetra ary ny maître Avoko ny 10 septambra izao, amin’ny 12 atoandro, mba hampaneno anjomara, na lakolosy, na ihany koa hitsoka kiririoka eo amoron’ny arabe manakaiky ny trano fonenany avy. Mila miray hina, fa raha mbola misy maningana, dia hilentika ao anaty krizy hatrany isika. Efa nisy ny taratasy nalefa any amin’ny FFKM sy ny fiangonana zandriny rehetra, mba hampaneno io lakolosy io avokoa. Nohamafisiny fa tsy maintsy averina ny hasin’ny malagasy, izay napetrak’Andriamanitra teto amin’ity nosy ity, fa tsy avela ho viravirain’ny hafa toy izao, satria ny firenena masina tsy maintsy arovan’ny Tompo. Asakasak’izay mbola tsy hitodika amin’ilay Mpahary, fa ny hafatra hampitainy amin’ny mpanompony ity efa miavosa andro aman’alina. Raleva zokiny ( basyvava.com )
novalian'i vonynive ny 08/10/2010 08:58
2. ndenn ( 05/09/2010 20:49)
Eka anaka !hihihihh!!
3. andrywui ( 06/09/2010 07:55)
ndenn eka anaka ?? ==) ny tsy kobon'i toi de mety hanaraka ny rainy tsy ho ela le anakelah ty ! , satria izay adala no toa andrainy hono ! ... vita eo elah ry avoko kely skil fa mikozy ah zay !! hampaneno anjomara à hampaneno kiririoka !! elah no vokiririoka tampoka eo ataovy eo iany !!
4. rijadolly ( 08/09/2010 18:19)
Izay aloha zany ny fitaomany antsika Malagasy mba hiaraka hiverina aminy amin' Ilay Nahary na iza izy na iza na atokom- Pinoana inona izy na inona, ka tsy hanamaritena fotsiny fa tsy tompon' andraikitra nahatonga izao krizy eto amintsika izao. Ekena fa tsy handrakandramana Andriamanitra, nefa kosa tsy misy na iray aza ny mpino no tsy mahafantatra fa hafa ihany ny fiarahana mahatsapa ny fihatahana amin' Andriamanitra ka hiarak' hiverina Aminy amin' fotoana iraisana sy miaraka. Amiko manoka dia tsy i Avoko no iza, na ny maha iza ny rainy, fa ny fahatsapan' Tsirairay fa mila sitranina ny Firenetsika.

TANTARA FAHAROA 7 : 14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.

JAONA 14 : 12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

JAONA 15 : 26 Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.

JAONA 16 : 7 Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.
5. fijo ( 08/09/2010 19:14)
fanahy inoan indray no niseho taminy hono????izay le rediredin'ny "gasy"sasany.efa tena mamon'ny finoana mihitsy ka mirediredy sisa
6. ikaretsaka ( 08/09/2010 21:46)
RD> ny mba tiako ho fantatra raha tsy mahadiso: inona no tena idiran'ilay lakolosy sy anjomara sy kiririoka @ 12 atoandro
sy le resaka tompo..
afaka hazavaina misy2 kokoa ve?
misaotra
7. ouioui ( 09/09/2010 00:04)
fijo:

fanahy inoan indray no niseho taminy hono????izay le rediredin'ny "gasy"sasany.efa tena mamon'ny finoana mihitsy ka mirediredy sisa

Ny ahy indray leisy rafijo, ry zalahy milaza nanao teolojia manazava , tsy mahay manazava, manontany nefa hanontaniana ty no tena mahazedana ahy , matahotra be ry lerony fa sao ataon'olona hoe mitory teny hono, asa maninona loatra ary ty mitory teny , sady le izy tsy izay mihitsy satria samy mamoka ny hevitra azony tany ny daholobe [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Zen/zen.gif[/IMG]
8. ikaretsaka ( 09/09/2010 12:35)
Mety le mpanontany koa no tsy mahay manontany sy mametraka mazava ny tiany ho anontaniana hanontaniana
9. rijadolly ( 09/09/2010 17:12)
Fijo:

fanahy inoan indray no niseho taminy hono????izay le rediredin'ny "gasy"sasany.efa tena mamon'ny finoana mihitsy ka mirediredy sisa
Io moa ry Zoky Fijo samy mahafantatra izay mitoetra ao anatiny, fa matoa aho mandefa an' io dia mahatsapa kosa fa lera hiverenana MIARAKA tanteraka amin' Andriamanitra tokoa izao mahazo antsika izao. Tsy fombako ny manaratsy ny Atokon' tsirairay fa kosa manda ny hoe: " ny anay ihany no voavonjy " no tsy dia ankasitrahiko ka manaratsy ny hafa ireo izay mivavaka ny Inoany ihany anefa. Ny Finoana dia azo tsaraina ho rediredy raha mbola tsy tanteraka, ary izay no maha finoana azy satria matetika dia zavatra tsy azo hazavaina na ataon' ny manampahaizana kajikajy. " TSY MARINA IZAY LAZAIN' MANAMPINOANA RAHA TSY REHEFA TONGA NY FOTOANANY " ary "NY MINO IHANY NO MAHARITRA MIANDRY FA TSY NY TSY MINO AKORY"
IKA:

RD> ny mba tiako ho fantatra raha tsy mahadiso: inona no tena idiran'ilay lakolosy sy anjomara sy kiririoka @ 12 atoandro
sy le resaka tompo..
afaka hazavaina misy2 kokoa ve?
misaotra
Raha ny fahazoko azy, raha ny fahazoako azy hoy aho an! dia tsy maintsy misy lera voatondro raha misy ny fiarahana matotra fa tsy dia misy antony manao ahoana angamba, ary ny dikan' ilay lakolosy sy anjomara sy ny kiririoka indray dia fiaraha-mientana mampiseho ny fahatsapana ny hadisoana sy ny fahavononana hanompo ilay Nahary izao rehetra izao. Dia mety hiteny se hoe tsy voatery hanao izany anie raha hivavaka e? Raha nandinika ny tenin' Avoko isika dia tsy nifidy Atoko Mpino izy raha niantso, misy tokoa ny ohatra ao anaty Baiboly ao nanao tahaka izany rehefa handrava ny sakantsakana.
Ouioui:

Ny ahy indray leisy rafijo, ry zalahy milaza nanao teolojia manazava , tsy mahay manazava, manontany nefa hanontaniana ty no tena mahazedana ahy , matahotra be ry lerony fa sao ataon'olona hoe mitory teny hono, asa maninona loatra ary ty mitory teny , sady le izy tsy izay mihitsy satria samy mamoka ny hevitra azony tany ny daholobe
tsy dia any loatra kosa angamba ry ouioui ilay izy a!Tsy hifanejehana izy ty fa tokony handinika ireo izay mihevitena ho ambony ara- Panahy fa ireo izay heveriny ho tsy dia mahavoa indray ty no mitaona fiaraha- mitodika amin' Andriamanitra miaraka tsy misy hakanavakavaka fa ny Malagasy iray manotolo. Raha izany no ataon' tsy dia manao ahoana, dia tokony ahoana ary izany ny fanetanan' tena ok!?

Te hanotany ahy izao ianareo hoe Rijadolly ve hanaraka an' io? Dia hoy aho hoe samy manana ny Kiririokany io,tsy hanandrakandrana aho fa hifona tanteraka aho ho an' Fireneko sy ho an' Malagasy rehetra. Tsy ho menatra ho an' ilay Inoako aho.
10. AndriambyII ( 09/09/2010 17:19)
RD>>>"tsy hanandrakandrana aho fa hifona tanteraka aho ho an' Fireneko sy ho an' Malagasy rehetra. Tsy ho menatra ho an' ilay Inoako aho."
Ekena ny fehezanteninao .
11. vonynive ( 08/10/2010 08:58)

rijadolly:

oy enao oe .."izay heveriny ho tsy dia mahavoa indray ty no mitaona fiaraha- mitodika amin' Andriamanitra miaraka tsy misy hakanavakavaka fa ny Malagasy iray manotolo. Raha izany no ataon' tsy dia manao ahoana, dia tokony ahoana ary izany ny fanetanan' tena ok!
-angamba efa tsy henoin'ny olona intsony ny mahavoa arapanahy raha manentana ny Malagasy :
1/ny mpaninany tsy masina antaniny
2/mifangaro loatra ny politika sy fivavahana eto Madagasikara
3/tsy fantatra intsony..
fa ho ahy de mila réforme reo mahavoa arapanahy ireo,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1126