ahoana no hanampiana ny protestanta
1. ndotofetsy
(
10/08/2010 12:10)
NY protestanta hon o mantsy mivavaka @ hazo fijaliana raha mahita ianareo isakin ny miditra fiangonana katolika dia feno sary vongana ary rehefa miditra fiangonana protestanta dia misy hazo fijaliana dia ireny ve zany no hivavahana
hon hon hon
hon hon hon
novalian'i badluck ny 21/08/2010 07:12
2. hery
(
10/08/2010 12:40)
Raha resaka hoe mivavaka amin'iza na miavavaka amin'iza dia mitovy ihany ny valiny. Raha ny Protestanta no miteny hoe ie, mivavaka amin'ny hazofijaliana izahay dia izay aho vao afaka miteny hoe manompo sampy izany. Toa izany koa, raha ny Katolika no miteny hoe mivavaka amin'ny sarivongana izahay dia hoteneniko mihitsy hoe manompo sampy izany ny katolika.
Fa raha ianao ivelany fotsiny na protestanta ianao na katolika na inona no miteny hoe jereo fa manompo sampy ry zareo satria mivavaka amin'izao sy izao dia ianao no mila fanampiana fa tsy ry zareo.
Dia averiko indray hoe izay no mampiavaka itony resaka itony amin'ilay nataoko hoe "Ahoana no fomba hanampiana ny Temoins du Jehovah". Satria ny foto-pinoan'ny protestanta dia tsy misy hoe "Isika dia mivavaka amin'ny Hazofijaliana" ary ny foto-pinoan'ny katolika dia tsy misy hoe "Isika dia mivavaka amin'ny sary vongana". Fa ny an'ny TJ dia navoakany boky mihitsy ny faminaniany hatramin'izay. Saingy tsy nisy tanteraka ireny faminaniana ireny. Dia io ilay resaka hoe "Mpaminany sandoka"

3. bor2lais
(
10/08/2010 12:46)
Te-hanampy ny protestanta ianao ? Ataovy ao anatin'ny vavakao izy tahaka ny hanaovany anao ao amin'ny vavaka ataony rehefa manao "intercession" izy !
Fanamarihana fotsiny : toy ny efa nataon'i Hery sy Ika momba ny Katolika dia tsy mivavaka amin'ny hazo fijaliana akory ny protestanta, tahaka an'i ndotofetsy tsy mivavaka amin'i Monja Roindefo !!!

4. ikaretsaka
(
10/08/2010 12:54)
e-hanampy ny protestanta ianao ? Ataovy ao anatin'ny vavakao izy tahaka ny hanaovany anao ao amin'ny vavaka ataony rehefa manao "intercession" izy !
bord> aza adino ho aho fa ny vavaka koa =tolona fa tsy sento, izany hoe raha tena manampy ianao tsy vitan'ny manao jesosy jesosy ampio ra anona fotsiny fa misy asa hafa betsaka atao koa ao , fanampiana ara moraly io , ara materialy sns... ;-) vavaka aby izany
5. bor2lais
(
10/08/2010 13:03)
H.S
Ika > sobijekitra efa nandeha ny anao io ary efa samy nilaza ny heviny momba izany teto ! Ny sento lazainao mety tolona amin'ny sasany ohatra ! Araka ny filazan'i Miharena izay hoe "fijery ivelany" daholo izany !
H.S-tapitra

7. ndotofetsy
(
10/08/2010 14:37)
manaraka ny hevitr ikaretsaka aho. Raha toa izany tsy mivavaka @ hazo sy ny sarivongana izy ireo nahoana no asiana ireo fomba fihetsika ireo, tsy aleo ve tonga dia mivantana ny fanampiana fa tsy mampiasa ireo fombafomba maro isankarazany ireo. Miampita be ilay vavaka vao tonga any @ tokony hahatongavany. Aleo hoy ikaretsaka tonga dia tolona direkta fa fa manjary very fanahy raha mbola miodikodina be loatra izay no tokony hanampiana ny protestanta sy ny katolika ary ireo TJ araka ny filazanao azy atsy ambadika atsy hoe mitango olona. Tsy aleo ve ny tsirairay mba mandeha manao izay azony atao toy izay miandry ny pretra sy miantso an ikaretsaka sy hery sy bor2lai vao mba afaka mivavaka na mivavaka ho an ny hafa. Raha mankany ampiangonana koa ianao ka tsy misy pastera na pretra na imam na presbitera sy ny sisa dia tsy hivavaka fa tonga dia lasa mipitsika fotsiny ve..... mba diniho kely fa lasa mivilana be ilay fitaritana ara panahy ho anareo???
8. ndotofetsy
(
10/08/2010 14:39)
bor2lais:
Te-hanampy ny protestanta ianao ? Ataovy ao anatin'ny vavakao izy tahaka ny hanaovany anao ao amin'ny vavaka ataony rehefa manao "intercession" izy !
Fanamarihana fotsiny : toy ny efa nataon'i Hery sy Ika momba ny Katolika dia tsy mivavaka amin'ny hazo fijaliana akory ny protestanta, tahaka an'i ndotofetsy tsy mivavaka amin'i Monja Roindefo !!!
Tsy mivavaka @ Roindefo aby aho fa milay ny idéolojikany manakorotana izay tsy mahay miaina sa ianao koa mivavaka @ toaka bord2lait ......
9. ikaretsaka
(
10/08/2010 14:55)
ndotofetsy:
manaraka ny hevitr ikaretsaka aho. Raha toa izany tsy mivavaka @ hazo sy ny sarivongana izy ireo nahoana no asiana ireo fomba fihetsika ireo, tsy aleo ve tonga dia mivantana ny fanampiana fa tsy mampiasa ireo fombafomba maro isankarazany ireo. Miampita be ilay vavaka vao tonga any @ tokony hahatongavany. Aleo hoy ikaretsaka tonga dia tolona direkta fa fa manjary very fanahy raha mbola miodikodina be loatra izay no tokony hanampiana ny protestanta sy ny katolika ary ireo TJ araka ny filazanao azy atsy ambadika atsy hoe mitango olona. Tsy aleo ve ny tsirairay mba mandeha manao izay azony atao toy izay miandry ny pretra sy miantso an ikaretsaka sy hery sy bor2lai vao mba afaka mivavaka na mivavaka ho an ny hafa. Raha mankany ampiangonana koa ianao ka tsy misy pastera na pretra na imam na presbitera sy ny sisa dia tsy hivavaka fa tonga dia lasa mipitsika fotsiny ve..... mba diniho kely fa lasa mivilana be ilay fitaritana ara panahy ho anareo???
ahoana ianao no mila stylo sy taratasy na odi sy internet (izany hoe mila intermediaire ana zavatra hafa) vao afaka mampiampita ny hevitrao ary?
10. hery
(
10/08/2010 15:03)
ndotofetsy:
Tsy aleo ve ny tsirairay mba mandeha manao izay azony atao toy izay miandry ny pretra sy miantso an ikaretsaka sy hery sy bor2lai vao mba afaka mivavaka na mivavaka ho an ny hafa
Raha mahavita vao maika tsara ka.
Fa tena mahavita tokoa ve nefa? Sao dia mamita-tena fotsiny?
Na ny mpianatra aza anie mandeha tsiroaroa e.
Ary mivavaka matetika tao amin'ny cenacle ry zareo no nilatsahan'ny Fanahy Masina
Raha mahavita mivavaka manokana ianao irery dia tohizo... fa ny olona mila fanampiana an'i mompera na pasitera na Maria moa maninona anao? Ny tanjona dia izay hahatafita ny vavaka.
11. ndotofetsy
(
10/08/2010 15:13)
ikaretsaka:

olombelona anie no namorona ny taratasy sy stylo ary ny ordi sy ny internet eee. Fitaovana toy izany koa ireny hazo fijaliana sy sary vongana ireny. Sao ianao mihevitra fa tsy misy ny mivavaka @ ordi???????. Raha ny haiko aloha dia mbola tsy niteny ny avo hoe manao ny sariko dia hivavao izy fa ny mpanompo sampy no manao izay. Raha mamaky ianao ny nandorana ny sampy sy ny mpanota rehetra tao @ tanana iray ao anatin ilay boky misy teny masina no misy io
12. ndotofetsy
(
10/08/2010 15:20)
hery:
ndotofetsy:
Tsy aleo ve ny tsirairay mba mandeha manao izay azony atao toy izay miandry ny pretra sy miantso an ikaretsaka sy hery sy bor2lai vao mba afaka mivavaka na mivavaka ho an ny hafa
Raha mahavita vao maika tsara ka.
Fa tena mahavita tokoa ve nefa? Sao dia mamita-tena fotsiny?
Na ny mpianatra aza anie mandeha tsiroaroa e.
Ary mivavaka matetika tao amin'ny cenacle ry zareo no nilatsahan'ny Fanahy Masina
Raha mahavita mivavaka manokana ianao irery dia tohizo... fa ny olona mila fanampiana an'i mompera na pasitera na Maria moa maninona anao? Ny tanjona dia izay hahatafita ny vavaka.
Tsy midika akory fa tsy mila n iza n iza fa mila manana finiavana toa ny nataonao t@ nanombohana ny serasera. Sa efa lasa pata be koa ianareo ka maniraka izay olona tiana hanao ny asa atao. Tandremo fa sao manao grevy eo ny avo ka ataony izay tsy mahamety ny atao. Ary aza adino fa ny avo dia mihaino ny vavakin ny tsirairay na misy na tsy misy ireo da mopra sy ny pastera sy ny presbitera sy ny imam ireo. Ny olona be loha sy mafy fanahy na ny malemy fanahy tsy matahotra an Atra no hitako fa mila azy ireo satria rehefa zarainy ny otany dia mahatsiaro maivana izy kanefa rehefa mivavaka mangina ianao ka mifona die henony foana ary mamaly vavaka izy
Andramo anie ny mivavaka @ ordinatera raha mamaly vavaka izy ee???
13. hery
(
10/08/2010 15:28)
Tsy hitako izany ilay olana
Fitaovana toy ny ordi ihany koa ny hazofijaliana sy ny sary vongana. Tsy amin'ny ordi na amin'ny hazofijaliana na amin'ny sary vongana no mivavaka fa manampy kosa ireny hampitodika amin'Andriamanitra.
Raha tsy mila an'ireny ianao dia efa mahavita mivavaka dia tsy maninona koa fa vao maika tsara. Ny protestanta na katolika koa tsy mila FOANA hazofijaliana na sary vongana rehefa mivavaka. Tsy filàna io fa fitaovana.
Sa aiza no olana amin'i ndotofetsy?

14. ikaretsaka
(
10/08/2010 15:43)
ndotofetsy:
ikaretsaka:
ndotofetsy:
manaraka ny hevitr ikaretsaka aho. Raha toa izany tsy mivavaka @ hazo sy ny sarivongana izy ireo nahoana no asiana ireo fomba fihetsika ireo, tsy aleo ve tonga dia mivantana ny fanampiana fa tsy mampiasa ireo fombafomba maro isankarazany ireo. Miampita be ilay vavaka vao tonga any @ tokony hahatongavany. Aleo hoy ikaretsaka tonga dia tolona direkta fa fa manjary very fanahy raha mbola miodikodina be loatra izay no tokony hanampiana ny protestanta sy ny katolika ary ireo TJ araka ny filazanao azy atsy ambadika atsy hoe mitango olona. Tsy aleo ve ny tsirairay mba mandeha manao izay azony atao toy izay miandry ny pretra sy miantso an ikaretsaka sy hery sy bor2lai vao mba afaka mivavaka na mivavaka ho an ny hafa. Raha mankany ampiangonana koa ianao ka tsy misy pastera na pretra na imam na presbitera sy ny sisa dia tsy hivavaka fa tonga dia lasa mipitsika fotsiny ve..... mba diniho kely fa lasa mivilana be ilay fitaritana ara panahy ho anareo???
ahoana ianao no mila stylo sy taratasy na odi sy internet (izany hoe mila intermediaire ana zavatra hafa) vao afaka mampiampita ny hevitrao ary?
olombelona anie no namorona ny taratasy sy stylo ary ny ordi sy ny internet eee. Fitaovana toy izany koa ireny hazo fijaliana sy sary vongana ireny. Sao ianao mihevitra fa tsy misy ny mivavaka @ ordi???????. Raha ny haiko aloha dia mbola tsy niteny ny avo hoe manao ny sariko dia hivavao izy fa ny mpanompo sampy no manao izay. Raha mamaky ianao ny nandorana ny sampy sy ny mpanota rehetra tao @ tanana iray ao anatin ilay boky misy teny masina no misy io
farito aloha ho'aho no atao hoe :"mivavaka amina zavatra 1"...
efa nisy nanao ve hoe "mr odri o? ianao no atakalonay an'i jesosy ?"?
15. ndotofetsy
(
10/08/2010 16:38)
hery:
Tsy hitako izany ilay olana
Fitaovana toy ny ordi ihany koa ny hazofijaliana sy ny sary vongana. Tsy amin'ny ordi na amin'ny hazofijaliana na amin'ny sary vongana no mivavaka fa manampy kosa ireny hampitodika amin'Andriamanitra.
Raha tsy mila an'ireny ianao dia efa mahavita mivavaka dia tsy maninona koa fa vao maika tsara. Ny protestanta na katolika koa tsy mila FOANA hazofijaliana na sary vongana rehefa mivavaka. Tsy filàna io fa fitaovana.
Sa aiza no olana amin'i ndotofetsy?
Ny mpanompo sampy koa anie mety fitaovana ihany no ampiasainy izany fa mety mitodika @ andriamanitra izy ee. Ka tsy dia eken ny ny ankamaroany mihintsy ny mampiasa fitaovana izany hitodihana @ Atra fa misy betsaka ireo tsy mahalala satria lasa mpitaribato vilambava indray. Izay no mahatonga ahy hiteny hoe tsy dia mety loatra izy ireo. Tsy aleo ve ny soratra masina no atao betsaka manjary lasa mifandrirotra be sady lasa lava be ny ahatongavana any @ Atra ny hiafarany. Mandalo ny namanao aloha ilay vavaka dia avy eo mankany @ diakona dia avy eo mankany @ masin i maria avy eo mandalo ny papa avy eo mandalo ny anjely vao tonga any aminy. Tsy aleo ve ra hery tonga dia alefa mivantana toy izay ampitaina ordi indray vao mankany @ ireo olona ireo. Lasa be loatra ilay fitaovana ko? Raha mampiasa fitaovana be loatra manjarey mivavaka @ fitaovana sisa no hiafarany mba hampita ilay vavaka
17. fijo
(
10/08/2010 18:51)
raha izany dia tsotra e,aza mivavaka fa avy di amanaova asa soa dia milamina io
18. malimalina
(
11/08/2010 06:50)
Izao aloha ry zareo a! fantatrareo ve ny dikan'ireny hazo fijaliana sy sary vongana ireny?
Amin'ny KRISTIANA dia KRISTY no fototry ny finoany dia ny fanavotana nataony teo amin'ny hazofijaliana ka ny protestanta dianandray ny hoe efa lasa any an danitra izy (naharesy) katsy eo ambonin'ny hazo fijaliana intsony, ny katolika indray dia izy mbola teo no noraisiny(fanavotana) izany
Ny hoe manelanelana indray dia ao amin'ny baiboly ao dia misy hoe JESOSY KRISTY nompanalalana antsika amin'A/tra dia izay no noraisin'ny protestanta , ny katolika indray dia noraisiny hoe ny olomasina no akaiky kokoa amin'A/tra dia ireo no nataony

19. Miharena
(
11/08/2010 06:52)
Izay ilay hoe aza jerena ivelany ny zavatra na sampy io na fomba fivavahana fa jereo amin'ny fotony ilay izy dia hita tsara.
Ny zava-poronin'ny sain'olombelona tsy misy fotony no sampy. Na io sary na io hevitra dia sampy avokoa raha hita fa tsy misy fahamarinam-pototra.
Mila asa fandinihana izany aloha vao miteny hoe tsy izy izatsy na izaroa.
Io ilay hoe jereo aloha ny andry be eo anoloan'ny masonao vao afaka hanaisotra ny poti-kazo amin'ny mason'ny rahalahinao ianao.
Mila madio fisaina aloha ny tena vao mandinika tsara ny ataon'ny hafa.

20. hery
(
11/08/2010 07:34)
ndotofetsy:
Ny mpanompo sampy koa anie mety fitaovana ihany no ampiasainy izany fa mety mitodika @ andriamanitra izy ee.
Tsy manana olana amin'ny mpanompo sampy aho raha io no ataony. Fa ny atao hoe manompo sampy ange dia maka zavatra iray ho andriamanitra e. Manompo zavatra iray fa tsy hoe manao fitaovana an'iny zavatra iny hahatongavana amin'Andriamanitra. Sao dia diso mantsy ny fiheveranao momba ilay hoe MANOMPO sampy.
ndotofetsy:
Izay no mahatonga ahy hiteny hoe tsy dia mety loatra izy ireo. Tsy aleo ve ny soratra masina no atao betsaka manjary lasa mifandrirotra be sady lasa lava be ny ahatongavana any @ Atra ny hiafarany.
Mazava ho azy fa ny risika dia ny fanadinoana hoe fitaovana ihany ireo. Manadino ilay tena tanjona.
ndotofetsy:
Mandalo ny namanao aloha ilay vavaka dia avy eo mankany @ diakona dia avy eo mankany @ masin i maria avy eo mandalo ny papa avy eo mandalo ny anjely vao tonga any aminy.
Ianao ve mivavaka ohatra an'izany? :-) Tsy mbola naheno aho mantsy hoe hivavaka dia mandalo fitaovana be dia be na dia hoe ilaina aza ny fitaovana.
ndotofetsy:
Tsy aleo ve ra hery tonga dia alefa mivantana toy izay ampitaina ordi indray vao mankany @ ireo olona ireo. Lasa be loatra ilay fitaovana ko? Raha mampiasa fitaovana be loatra manjarey mivavaka @ fitaovana sisa no hiafarany mba hampita ilay vavaka
Raha TENA mahavatra tsy mila fitaovana ianao dia tsara ka. Arahabaina mihitsy. Fa ny olona malemy izay te hampiasa fitaovana INDRAINDRAY ho fanampiny kosa dia tsy azonao sakanana raha toa ka izay no hitany fomba hahatongavany amin'Andriamanitra.
Fehiny:
Ny fahazoako azy dia tombony ihany ho an'ireo olona izay mampiasa fitaovana ny fampiasana fitaovana. Ireny olona ireny dia afaka ary tena mivavaka mivantana amin'Andriamanitra ihany koa. Ny vavaka anefa tsy indray na indroa fa isanandro mandavan-taona. Ka mba haharetana amin'ny fivavahana (Rom. 12, 12) dia mampiasa fitaovana koa indraindray.
Anisan'ny fitaovana amin'izany ny tena (mandohalika, manandratra tanana, mikipy, mandihy, mihira), ny namana (pasitera, mompera, mpiara-miangona sns), ary ny tontolo manodidina (ny zava-boahary, ny hazo, ny sary, ny rano, ny afo sns.)
Manandrama anie mivavaka tsy ilay sentosento izay ny eo ihany no miverina iny e? Fa mampiasa indray fitaovana, ohatra hoe rehefa mivavaka dia sady mihetsika ny vatana no mikipy, na hoe mihira fiderana miaraka amin'ny zava-boahary, na miaraka mivavaka amin'ny olona maromaro (chaine) sns... dia ho hitanao fa manampy anao hivavaka be be kokoa hatrany izany.