Ho an'ny gasy any USA nalaina tao amin'ny
http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/36857
Miarahaba,
Hisy filaharana izay andraisan'ny tera-tany malagasy anjara eto Raleigh ny Sabotsy 31 Jolay 2010 amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora antoandro mamakivaky ny "downtown" n'i Raleigh renivohitr'i Karolina Avaratra.
Manasa ny malagasy mipetraka eto USA any amin'ny faritany (state) hafa mba ho tonga hanatevina. Hararaotintsika izany fotoana izany hiaraha-midinidinika sy hitapatapak'ahitra mikasika ny raharaham-pirenena sy ny ho avin'i Madagasikara ary tatitra avy any an-tanindrazana.
- Ny fanondranana an-tsokosoko ny arem-pirenena nomen'Andriamanitra ny teratany malagasy
- Aiza ho aiza ny firenena ankehitriny?
Mba fotoana hialan-tsasatra koa e!!!
MilazA mialoha hanomanana ny fampiantranoana anao fara-fahatarany ny Alarobia 28 Jolay 2010.
Mila mitafy MALAGASY na mitafy lamba (merina betsileo) na misalovana (antakarana sakalava) na antandroy sy ny faritra atsimo sns....
Izay fa dia mirary anao hanatevin-daharana fa samy manolotra izay anjara-boriky ho an'ny tanindrazana isika!
Dia samia ho tahin'Andriamanitra izay nanome antsika an'i Madagasikara sy ny areny ho lovan'ny taranatsika sy handraisantsika tombony sy soa mamy be.
Mialy Rabe
NC, USA
919 755 1283