FANASANA Filaharana andraisan'ny MALAGASY anjara aty Raleigh, USA ny 31 Jolay 2010

1. hery ( 22/07/2010 15:49)
Ho an'ny gasy any USA nalaina tao amin'ny
http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/36857

Miarahaba,


Hisy filaharana izay andraisan'ny tera-tany malagasy anjara eto Raleigh ny Sabotsy 31 Jolay 2010 amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora antoandro mamakivaky ny "downtown" n'i Raleigh renivohitr'i Karolina Avaratra.

Manasa ny malagasy mipetraka eto USA any amin'ny faritany (state) hafa mba ho tonga hanatevina. Hararaotintsika izany fotoana izany hiaraha-midinidinika sy hitapatapak'ahitra mikasika ny raharaham-pirenena sy ny ho avin'i Madagasikara ary tatitra avy any an-tanindrazana.

- Ny fanondranana an-tsokosoko ny arem-pirenena nomen'Andriamanitra ny teratany malagasy
- Aiza ho aiza ny firenena ankehitriny?


Mba fotoana hialan-tsasatra koa e!!!

MilazA mialoha hanomanana ny fampiantranoana anao fara-fahatarany ny Alarobia 28 Jolay 2010.

Mila mitafy MALAGASY na mitafy lamba (merina betsileo) na misalovana (antakarana sakalava) na antandroy sy ny faritra atsimo sns....

Izay fa dia mirary anao hanatevin-daharana fa samy manolotra izay anjara-boriky ho an'ny tanindrazana isika!

Dia samia ho tahin'Andriamanitra izay nanome antsika an'i Madagasikara sy ny areny ho lovan'ny taranatsika sy handraisantsika tombony sy soa mamy be.

Mialy Rabe
NC, USA
919 755 1283
novalian'i soanja ny 09/08/2010 22:06
2. sipagasy ( 25/07/2010 08:32)
ary tsy hita daholo koa ry zareo mponina any izany annnn
3. soanja ( 09/08/2010 22:06)
Samy elanelanin'ny tany sy ny fitadiavana dia inoako fa izay no antony. Misaotra an'ireo izay nikarakara izany fihaonana/fangatahana/filaharana izany na izany aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.136