Afaka mitory teny ve ny vehivavy?
1. mpanazava
(
20/07/2010 14:05)
Misy ny namako izay velon-taraina hoe:" Gaga sy tezitra aho satria tsy mbola misy fiovana foana, Mbola tsy tendrena ho mpitondra fivavahana foana ny vehivavy ato aminay". Fahatelo izay nisy olona niteny tamiko mitovy amin'io. Malahelo izy ireo hono satria afaka mitory teny na mitondra fivavahana ny vehivavy any amin'ny toerana hafa. Samy milaza ho manaraka ny soratra masina anefa na ireo mandrara ny vehivavy tsy hitory teny na ireo mamela ny vehivavy hitory teny eny ambony polipitra. Natao ity sujet ity mba hitadiavana fanampiana avy amintsika rehetra ary ankasitrahana raha avy ao amin'ny baiboly ny hevitra. ilay teny gika "diakônôs" no tian'izy ireo ambara.
novalian'i soanja ny 04/08/2010 18:05
2. Miharena
(
20/07/2010 15:10)
Misy fifandroritana araka izay tian'ny olona handraisana azy ny Teny ao anaty Baiboly raha vao tafiditra fotsiny ilay teny hoe "Ato anaty Baiboly no hahazoana famonjena" ka nifandrombaka nadinika izany daholo ny olona rehetra. Dia misy tokoa ny fomba fivavahana voafaritra ao anaty Baiboly misy io Diakona io ary ao koa ny Dorkasy arak'ireto kitsimpona ireto:
Filipiana 1:1 Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina [episkopo] sy ny diakona izay any Filipy:
ITimoty 3:8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
ITimoty 3:10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
ITimoty 3:12 Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
ITimoty 3:13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana lehibe amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
Asa 9:36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe: Tabita, izany hoe, raha adika, dorkasy , ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.
Asa 9:39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i dorkasy fony fahavelony.
Raha ny resaka lehilahy indray no lazaina dia ireto
IKorintiana 11:3 Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
IKorintiana 11:4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
IKorintiana 11:7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
IKorintiana 11:8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
IKorintiana 11:9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
IKorintiana 11:11 Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
IKorintiana 11:12 Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavin'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.
ITimoty 2:12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
Ireo voatsipika ireo angamba no mahatonga ireo vondrona sasany tsy manaiky ny vehivavy hitory teny?
Nefa rehefa jerena indray ny soratra natao matavy dia tsy misy fanavahana indray amin'Andriamanitra arak'i Paoly.
Mampanontany tena indray izany ireo fehin-teny ireo eto hoe Paoly ve no miroaroa sa Andriamanitra?
Na izany na tsy izany amiko ny olona dia mifampitaiza ka tsy tokony ho olana na lahy na vavy no mitory.
Ahoana anefa aloha ny fijerinao ireo Mpanazava izay mitady fanazavana hatrany avy amin'ny Baiboly?

3. niryna
(
21/07/2010 18:51)
Afaka mitory teny ve ny vehivavy? fa ahoana no tsy mahazo ? angaha niteny Atra hoe ny lehilahy ihany no vonjena ?
vonjena ny olona ary omena ny Teny ka ny Jiosy dia avy eo ny Jentilisa .....Tsy nandray ny Jiosy dia nomen'Atra ny Jentilisa...tsy niteny izy hoe hianareo Jiosy lahy,na hianreo Jentilisa lahy ihany noho izany tsy misy lahy tsy misy vavy intsony ny fitoriana ny teny.Marina fa mbola maro no mankasitraka ny mpitory lehilahy saingy efa nomena an'izao tontolo izao izany fahefana izany :mandehana hianareo(lahy ,vavy ..tanora ,antitra) amin'izao tontolo izao ka mitoria ny filazantsara ary ataovy mpianatro ny firenena rehetra.
misaotra tompoko

4. LazaDaddy
(
22/07/2010 06:22)
1) Isaky ny mananatra ny zanany ny vehivavy dia efa toriteny izay.
2) Ny fitondran-tena, fihetsika ary fomba fiaina asehon'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy azy dia efa toriteny ihany koa.
3) Ny olona iray raha mbola misy fofon'aina dia mitoriteny amin'ny mpiara-belona aminy na mivantana na an-kolaka.

5. ikaretsaka
(
22/07/2010 15:26)
Misy misambodika be aloha le izy, satria tsy mazava sy voafaritra hatrany amboalohany Ny mitory teny, ny mpisorona, ary ny mpitondra fivavahana
materika ireo afangaron'ny olona (ary betsaka mihitsy ny manao izany)
Raha araka ny tantara tany aloha be tamin'ny andron'ny fiangonana voalohany dia betsaka ny vehivavy fanta daza atao hoe docteur de l'eglise @ resaka fanaparitahana ny finoana: ry Catherine de Sienne, Therese de Lisieux sy d'avilla sns
Ny fisotonana ( izany hoe ny manao sorona masina ) no tsy mbola tafa...

6. soanja
(
23/07/2010 14:58)
N'inona manavakavaka sy manilikilika dia tsy izy izay. Andriamanitra dia mandravona antsika ho iray!
7. ikaretsaka
(
23/07/2010 18:41)
na 1 aza isika dia nosampanan'Atra ho 2 foana ka ary matetika tsy voatery hitovy ny asa
ny havia sy havanana, lahy sy vavy, aloha sy aoriana, alfa sy omega, lanitra sy tany, sns sns...
fanaovana mody tsy mahita ny hoe 1 ihany fa misy ny fahasamihafana
ilay "coexist" no maha iray sao hafa fandray eo indray

8. AndriambyII
(
27/07/2010 00:04)
mpanazava:
Misy ny namako izay velon-taraina hoe:" Gaga sy tezitra aho satria tsy mbola misy fiovana foana, Mbola tsy tendrena ho mpitondra fivavahana foana ny vehivavy ato aminay". Fahatelo izay nisy olona niteny tamiko mitovy amin'io. Malahelo izy ireo hono satria afaka mitory teny na mitondra fivavahana ny vehivavy any amin'ny toerana hafa. Samy milaza ho manaraka ny soratra masina anefa na ireo mandrara ny vehivavy tsy hitory teny na ireo mamela ny vehivavy hitory teny eny ambony polipitra. Natao ity sujet ity mba hitadiavana fanampiana avy amintsika rehetra ary ankasitrahana raha avy ao amin'ny baiboly ny hevitra. ilay teny gika "diakônôs" no tian'izy ireo ambara.
Raha ny baiboly ihany no boky masina amintsika , ireo boky efa raki-taonjato maro izany dia tsy misy hasiny intsony ?Mbola mampisalasala ny fahaizantsika olombelona , ekena , nefa na dia izany aza tsy tokony ho tsiratsiraina ny fahamasinan' ny sasany , na dia tsy mitovy firehan-mpinoana amintsika aza izy ireny .
9. soanja
(
27/07/2010 01:11)
ikaretsaka:
na 1 aza isika dia nosampanan'Atra ho 2 foana ka ary matetika tsy voatery hitovy ny asa
ny havia sy havanana, lahy sy vavy, aloha sy aoriana, alfa sy omega, lanitra sy tany, sns sns...
fanaovana mody tsy mahita ny hoe 1 ihany fa misy ny fahasamihafana
ilay "coexist" no maha iray sao hafa fandray eo indray
Ny fitoriana teny dia tsy amin'ny alalan'ny vava ihany fa indrindra amin'ny alalan'ny asa. Ka n'inona n'inona asa ataon'ny tsirairay, raha manao izany amin'ny fony izy ary mamita izany ho fahasoavana ho an'ny rehetra dia mitory teny izy izay.
Amiko, tsy fanavahana ny asa no zava-dehibe fa ny fahafantarana hoe mandaitra aminao sy amin'ny hafa ve ilay asa fitoriana teny, raha mandaitra dia aoka ho fiderana an'Andriamanitra no ho fisaorako anao.
Tsy natao anilihana ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra fa tokony atao lalandava ho fampiombonana. Ka izay mahavita dia isaorana ny Tompo!
10. ikaretsaka
(
27/07/2010 01:57)
Sarotra be ho'aho ny fanabotontoloana fahatany ohatran'izay.
Ohatran'ny tanana io amiko.. ekena fa mifanampy ny tanana, samy tanana no anarany. Fa aoka tsy ho hadino fa na zarina tahaka ny inona aza dia raha kavia ianao dia misy zavatra vitan'ny tananao havia tsy ho vitan'ny tananao havanana mihitsy. Eny na ambidextrous aza ianao dia misy asa sasany vitan'ny ilany tsy ho vitan'ny ilany mihitsy.
Toy izay ny lahy sy ny vavy: voajanahary io amiko

11. soanja
(
28/07/2010 00:34)
Ka omeo eto izany ny fitorian-teny vitanareo lehilahy fa tsy vitanay vehivavy dia ho hita eo.
Ny Rafozako dia Evanjelistra malaza ao Mada. Fa ny tany tsy todin'izany olon'Andriamanitra izany dia aoka izy ireo hiantso ny an'Andriamanitra hanome azy ireo zany hafaliana izany.
Tsy resaka teoria io amiko fa pratika hoe mahavita ve sa tsia.
Ny tenako dia tsy mahavita aloha saingy tsy midika hoe i Ranona ary Tsarazaza tsy hahavita. Tsy miatomboka amin'ny soratra ny fitempon'ny fo sy ny momba azy fa manomboka amin'ny aina!

12. Miharena
(
28/07/2010 07:09)
Eto dia ilay resaka mamaritra ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fisainana voafetra hoe raha tsy izao dia tsy izy no mahatonga ny fanilikilihana. Ny mety dia anontaniana mihitsy IZY dia fantatra ny tiaNY hatao. Ny Hery manosika ao anaty hitory dia maneho fa afaka ny olona tsirairay tsy misy hanavahana.
Ny Fitiavana moa no manosika ary izy io dia zaraina samby hanana.
Ny firindran'ny fiaraha-miasa no zava-dehibe fa tsy ny fanasarahana be fahatany.
Dia miverina any amin'ny resaka anaty sy seho ivelany hatrany isika. Ny essence ny olona iray dia tsy ny maha-lahy na maha-vavy azy fa ny zava-bitany izay miloatra avy ao anaty.
Tsy tokony hatao ady koa ilay izy, satria raha samy manaiky fa voary dia tokony hiombona. Ny fiadiana ny ho lohany dia avy amin'ny fitiavan-tena avokoa fa ny manetry tena ihany no asandratra sy afaka mijoro tanteraka eo amin'ny fiainana.

13. ikaretsaka
(
28/07/2010 22:33)
Miharena:

ka le manontany an" Atra matetika le olona no mi interprete anazy arak"izay tiatiany t@ soratra taloha ko
14. ikaretsaka
(
28/07/2010 22:48)
soanja:
Ka omeo eto izany ny fitorian-teny vitanareo lehilahy fa tsy vitanay vehivavy dia ho hita eo.
Ny Rafozako dia Evanjelistra malaza ao Mada. Fa ny tany tsy todin'izany olon'Andriamanitra izany dia aoka izy ireo hiantso ny an'Andriamanitra hanome azy ireo zany hafaliana izany.
Tsy resaka teoria io amiko fa pratika hoe mahavita ve sa tsia.
Ny tenako dia tsy mahavita aloha saingy tsy midika hoe i Ranona ary Tsarazaza tsy hahavita. Tsy miatomboka amin'ny soratra ny fitempon'ny fo sy ny momba azy fa manomboka amin'ny aina!
tsy resaka guerre de sexe loatra ilay izy ry soanja na hoe ianona mahavita na tsia, fa na izany aza misy hoa faritra tsy mety mihitsy
Fony izahako mbola nianatra dia anisan'ny adidy noantsorohana ny manatitra komonio sy manao karazana therapie an'ireo olona tao @ na fonja maximum security ray izay
misy ilay section special izay fanokanany ireo olona tena grave(ilay efa voaheloka ho faty , death row sy psykopaty) , ary anjaranao koa ny manao therapy an'ireo olona ireo :misy @ ireo ny serial killer, misy amin'ireo ny tena efa aretina mihitsy ny mi rape vehivavy, misy amin'ireo ny membre ana gangsters ilay malaza be aty ireny (Aryan Brotherhood, Hell's angels, Bloods, Locos. Latin king sns...)
na izany aza dia misy kristianina ireo olona ireo, fa ny sainy sy ny fiaraha monina misy sy nisy azy mihitsy no nampisy fiaintraikany eo @ behavior-ny
fa tsy vitana vehivavy ao @ section io fa misy vao mahita vehivavy de misavoreraka
15. Miharena
(
29/07/2010 14:04)
hoy ika
ka le manontany an" Atra matetika le olona no mi interprete anazy arak"izay tiatiany t@ soratra taloha ko
Tsy manana fahatokisana izay olona miteny no mahatonga anao hiteny hoe izay tiatiany ihany. Ary raha mahatsiaro ianao fa raha izay tiatiany ihany tokoa no lazainy dia efa manana mari-drefy marina izany ianao hanakilasiana fa izay tokoa no nataon'ny olona iray maminany na milaza fa manana ny sitrapon'Andriamanitra. Tsara izany satria efa manana saina mandinika mahita ny marina sy ny marina nohaingoana na ny marina nasiana karibonetra izany ianao.
Dia izay le izy hoe ny fahitsiam-pijery no ahafantaranao fa tsy sitrapon'Andriamanitra no lazain'ny hafa raha zay tiatiany ihany tokoa no lazainy.
Ilay tsy fifampitokisana samy olombelona mihitsy no mitarika ny fisarahan-kevitra maro eto ambonin'ity tany ity. Asa loatra na iza no nametraka io tao anatin'ny olona?
Ny guerre de sexe dia tokony tsy hisy fa tokony hifameno ny rehetra raha ny tokony ho izy.

16. ikaretsaka
(
29/07/2010 14:27)

Ny olona maminany ry miharena dia aoka hazava aloha fa tsy naka ny efa voasoratra taloha ka mi interprete an'izay loatra no fataony fa tonga dia izay lazainy no ambarany: ny zavatra nitranga sns, ny pensee sy ny reflexiony ,,
ny mpi interpreter soratra dia ireo mpanora dalana sy fariseo
tsy fifampitokisana kosa no ilazako izay fa tsy fanekena ny tena ho amidin'ny olona @ saka be loha ka izay charlatans sns eo akory dia atokisana aby,,, tsia, nomena saina koa isika hijery ny mety sy ny tsy mety ary araka ny nambarako atsy ambadika hoe izay mitondra soa aminao sy ny manodidina anao ihany no raiso , fa tsy izay olona eo dia hoe itokio aby..
io amiko no mahatonga ilay fisarahana satria izay mitorirory teny sy mi interpreter ka atokisana ..de misy indray amin ireo mitoritory teny sy mandambolambo @ toriteny vaovao vokatr"ilay interpretation dia misy gropy miforona mihataka de izay hatrany...
17. Miharena
(
29/07/2010 14:58)
Hoy Ika:
io amiko no mahatonga ilay fisarahana satria izay mitorirory teny sy mi interpreter ka atokisana ..de misy indray amin ireo mitoritory teny sy mandambolambo @ toriteny vaovao vokatr"ilay interpretation dia misy gropy miforona mihataka de izay hatrany...
Ka izay indrindra no hananana loha eo ambonin'ny soroka sy hanokafana ny masom-panahy hahatana ny soa toavina marim-pototra tsy azo hozongozonina.

18. bor2lais
(
30/07/2010 13:27)
Ika > hitako ratsy toerana ihany i Ika satria toa mamaly eo amin'ny toeran'ny vhv a ! Sa ... ?
19. ikaretsaka
(
30/07/2010 16:40)
bord> tsy mamaly @ toeran'ny vehivavy aho fa mamaly @ ny heveriko fa rariny sy hitsiny
miharena> ka ilay loha eo am,bonin'ny soroka ny an'i sasany voarebirebin'ny bolokim-baiboly koa

20. Miharena
(
02/08/2010 06:16)
Raha boloky dia tsy mitoetra ny loha fa mamerinteny fotsiny fa ny mahay mampiasa ny Teny Fiainana no manan-doha eo ambony soroka ary mahita tsara hoe izatsy ny diso tiana ahitsy ary izaroa no soa Fototra iorenan'izany fanitsiana izany.
Na izany na tsy izany isika dia bolokin'Andriamanitra Mpamorona rehefa mahitsy fa mandeha amin'ny sainbentsika fotsiny ary mitsipaka ny laka-nitana rehefa midrikina mampanjaka ny hevi-bitika tsy manam-pototra akory.