vermicelles

1. vale ( 16/07/2010 22:08)
Bjr,

mangataka fomba rehetra azo ampiasaina ny vermicelles ( ankoatry ny anaty nems sy ny atao anaty lasopy raha azo atao ) misaotra mialoha ô!
novalian'i vale ny 07/09/2010 16:56
2. nannie ( 18/07/2010 11:18)
ie, marina izay ! izaho manandrana manao amin'izay fahaizako azy saingy tsy mety ho tsara tsiro mihitsy.

Bjr,

mangataka fomba rehetra azo ampiasaina ny vermicelles ( ankoatry ny anaty nems sy ny atao anaty lasopy raha azo atao ) misaotra mialoha ô!
3. soanja ( 19/07/2010 00:40)


ie, marina izay ! izaho manandrana manao amin'izay fahaizako azy saingy tsy mety ho tsara tsiro mihitsy.

Bjr,

mangataka fomba rehetra azo ampiasaina ny vermicelles ( ankoatry ny anaty nems sy ny atao anaty lasopy raha azo atao ) misaotra mialoha ô!



- Atinakoho ( 1/4 kilao)
-menaka oliva
-voatabia kely ireny fanao salady ireny
-tongolo vodiny
-poivron mena
- basilika
- bay leaf (tsy voatery), esorina rehefa masaka.
-Dovay fotsy fahandro
-sira sy dipoavatra
- fromazy (parmaggiano na hafa azo kikisana tsara maina ireny)
- Vermisely am pake


Hafanaina aloha ny menaka- in-4 ny sotrokely. Endasina ny tongolo voatapatapaka sy ny poivron. Avy eo endasina ny atinakoho voaretidretika tsara sy ny bay leaf. Asiana sira sy dipoavatra. Rehefa masaka tsara ireo dia esorina ary ampidirina ao anaty menaka ny votabia tsy mipotsitra.Raha vao mendy ny voatabia dia ampidirina ny divay 3 sotrokely ary atao izay hanome lelafo tsara azy mba hiala ny alikaola. Mandritra izany dia karakaraina toy ny mahandro pasta ny vermisely ary tsihifina tsara hiala ny rano rehefa masaka. Arotsaka ao anaty ilay menaka mendy sy ny votabia rehefa izany ary afangaro ao koa ny basilika voatapatapaka manify ary ny atinakoho voaendy ary azo asiana siramamy kely tapaky ny sotrokelin-dite. Afangaroana tsara dia esorina ambony afo. Aroso avy hatrany. Afafy eo ambony ny fromazy izay tiana.

Fahandronay amin'i Ramadan indray ny vermisely atao caramel. Mety diso satria efa ela loatra aho tsy nanao azy.

Manamboatra karamel- rano sy siramamy hafanaina. Rehefa mamy mamay ny rano dia arotsaka ny vermisely. Azo atao ny manamasaka azy koa amin'ny rano bebe ihany miankina amin'ny habetsany. Tsara raha ritra tsara mba ho masaka. Azo asiana dobera kely ho mendy. Azo asiana epices isan-karazany ilay izy (canelle sy dipoavatra kely sns sns ), rehefa masaka dia azo afangaro amina tantely ho mamy tsara. Io dia hanina miaraka amin'ny laoka toy ny akoho/ trondro natono sns sns...

Mazotoa homana.

4. sipagasy ( 21/07/2010 09:27)
miam miamm, efa fanaoko koa io vermicelle atao miaraka @ caramel io fa tian'ny ankizy ery!
5. soanja ( 23/07/2010 15:01)

sipagasy:

miam miamm, efa fanaoko koa io vermicelle atao miaraka @ caramel io fa tian'ny ankizy ery!


Bisous ndriako! Ie tena nambosibosika an'io mihitsy aho tamin'ny fahazaza. :) mijanona ato an-tsaiko ny tsirony hatramin'izao!
6. vale ( 07/09/2010 16:56)
Bjr dol ny namana!

Misaotra betsaka nanome conseil fa mba misy hampiharina ireo, miam miammmm be dol izy izany na dia tsy mbola nandramako aza, MIALA TSINY raha izao vao mahavaly hafatra eto fa sendra mbola tany amin'ny fakan-drivotra, MERCI ô!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.176