21 decembre 2012

1. 3188 ( 19/06/2010 13:23)
mba aona ny hevitrareo momba ity zah alou tsy mahafantatra fa ny hevitrareo .tena marina ve?
novalian'i Miharena ny 09/07/2010 15:22
2. 3188 ( 18/06/2010 19:15)
http://www.youtube.com/watch?v=0ebpnYNr0&feature=related aleo mivavaka ihany fa tsy ho izany tokoa
3. sipagasy ( 19/06/2010 06:51)


http://www.youtube.com/watch?v=0ebpnYNr0&feature=related aleo mivavaka ihany fa tsy ho izany tokoa




mmhhhh dia ahoana koa hono???? fa rehefa mivavaka izany dia mahatsiaro tena hoe ho voavonjy veh????, rehefa @ 21/12/2012??
4. 3188 ( 19/06/2010 13:04)




http://www.youtube.com/watch?v=0ebpnYNr0&feature=related aleo mivavaka ihany fa tsy ho izany tokoa




mmhhhh dia ahoana koa hono???? fa rehefa mivavaka izany dia mahatsiaro tena hoe ho voavonjy veh????, rehefa @ 21/12/2012??
tsy hoe mahatriaro voavonjy fa mba sitrany ahay e!
5. gasyjean ( 19/06/2010 14:31)
Ho hita eo ihany !! efa akaiky dia akaiky io daty io ka ny seho na ny tranga no aoka hana-porofo ny fandehany!!! sa ahoana hoy ianareo?? fa zaho aloha hiomana ihany rehefa atomotra io fotoana io eehh!! labozia sy pill ,rano amin'ny tavoahangy,sakafo sns.hahahaha.
6. rijadolly ( 20/06/2010 10:13)
Amin' ny tena Mpino dia efa ela 2000 ans lasa izay no efa fantatra izany fa hisy, raha mbola misy 2000ans manaraka aza vao maika tsara mba ahafahana miomana indray ny fo sy fanahy entina mihatrika izay mampatahotra ny tsy ampy Finoana. AZY ny fotoana, IZY irery ihany no mahalala izany daty , andro, ora izany. Vinavina sy kajikajy ny an' olombelona, ary ny fihevitsika tsy fiheviNY. Ny hany anjaratsika dia miambina mandrapahatongan' Izay FOTOANA izay. Mivavà mafy mlba sy ho amin' andro ririnina aminao izay FOTOANA izay.
7. Mpanazava ( 21/06/2010 06:09)
Araka ny fahalalako azy aloha dia ny Mayas no naminany an'io daty io izay mifanandrify indrindra amin'ny fiafaran'ny calendrien'izy ireo. Araka ny soratra masina ve anefa izany:
http://www.watchtower.org/f/20051201/

8. nameno ( 27/06/2010 14:03)
rediredin'ny olombelona no betsaka,na i Jesôsy Zanany aza tsy mahafantatra ny fiafaran'izao tontolo izao , ka ra olombelona no miseho mahalala indray, ny fahendrena tsara indrindra dia ny miomana mandrakariva satria ho avy toy ny mpangalatra Izy
9. Mpanazava ( 29/06/2010 13:37)

na i Jesôsy Zanany aza tsy mahafantatra ny fiafaran'izao tontolo izao

Ahoana no hahafahanao milaza ho tsy mahafantatra ny fiafaran'izao tontolo izao i Jesosy? Sa ny daty no tianao tenenina? hoatrandry zalahy milaza hoe 21 Dec 2012.
10. niryna ( 29/06/2010 20:46)


Amin' ny tena Mpino dia efa ela 2000 ans lasa izay no efa fantatra izany fa hisy, raha mbola misy 2000ans manaraka aza vao maika tsara mba ahafahana miomana indray ny fo sy fanahy entina mihatrika izay mampatahotra ny tsy ampy Finoana. AZY ny fotoana, IZY irery ihany no mahalala izany daty , andro, ora izany. Vinavina sy kajikajy ny an' olombelona, ary ny fihevitsika tsy fiheviNY. Ny hany anjaratsika dia miambina mandrapahatongan' Izay FOTOANA izay. Mivavà mafy mlba sy ho amin' andro ririnina aminao izay FOTOANA izay.
izay koa no hevitro ary misy mpaminany sandoka Harold Campain izay any amerika,io no efa niteny hoe 1994 dia avy eo indray ho izy hoe tsy ampy ny fahalalany fa 2012 .Aleo izay hino hino fa tsy Atra akory izy ireo fa calcul etsy sy eroa no ilazainy azy.Miambena fotsiny ataovy mafy orona ny finoanao,zarao ny tenin'Atra ,asio mibebaka ireo izay mbola tsy mety manao izany.
11. bichette ( 07/07/2010 15:10)
ny hevitro aloha dia tsy misy mahalala tokoa ny farandro, eny fa na dia jesosy aza.

famantarana no omen'i tenin'Atra antsika ao amin'ny matio 24 momba ny fiavian'ny farandro. ka aoka isika tsy hihaino ny feo etsy sy eroa ! sa ahoana ????

bizy oooooooo !!! ;-)
12. rahery08 ( 08/07/2010 12:47)
Voninahitr'Andriamanitra ny manafin'javatra, fa voninahitr'olombelona ihany koa ny mamanta-javatra!
Ny hoe tombatombana 21 12 2012 mety ho marina mety tsy ho marina! fa izao ihany koa anefa!
Atra miasa @ fomba rehetra tsy hahatonga ny olona ho very! mety ho avertissement ho an'ny olona io daty io mba hahatonga ny olona hibebaka, hitodika @ Andriamanitra, efa ela ihany izay hoe andro farany izao! kanefa mbola tsy tonga ihany ny farany, ka aleo miambina ihany araka ny tenin'ny namana ao ambony ao!
13. Miharena ( 09/07/2010 15:22)
Mila fahalalàna ny zavatra rehetra isika mba tsy hihinana amam-bolony.
Ny fanontaniana dia hoe Inona moa ny fara andro? Fahafoanan'ny zava-drehetra ve sa fahafoanan'ny fanahy ve sa fahafoanan'ny inona marina?

Raha tsy mazava ireo dia fampitahorana fotsiny ihany ny fitenenana ny hoe fara andro.
Ny 21 12 2012 dia daty mety hitrangan-javatra iray. Aoka angamba tsy ho ataontsika hoe fahafoanana no hitranga eo satria raha ny zava-misy dia tsy ho foana velively izao rehetra izao fa miova endrika fotsiny ihany.

Toy ny olona ihany io, raha ilaozany ny nofony dia mody ny fanahiny. Fampitahorana ny fahafatesana raha tsy misy io fanantenana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1381