vohay ny lanitrao!

1. rahery08 ( 16/06/2010 12:22)
Miarahaba ny rehetra eto @ serasera!

Mila fanampiana aho ry zareo amin'ity tononkira mitory fitiava-tanindrazana ity ka mba ampio raha misy mahay!

Vohay ny lanitrao
Andriamanitray ö
ka midina ianao
vonjeo ny taninay eh!
ka ny tananao
hiazona hampijoro
tsy ho potraka tsy ho lavo
ny nosindrazanay

Ianao anie no ho tompoina .....

tsy haiko intsony fa mba tohizo!
novalian'i Miharena ny 13/07/2010 06:45
2. nameno ( 27/06/2010 15:47)
Vohay ny Lanitrao
Andriamanitray ô!
Ka midina Ianao
Vonjeo ny taninay eh!
Ka ny Tanànao
Hiazona hampijoro
Tsy ho potraka tsy lavo
Ny Nosindrazanay
Mba ho Ianao anie no ho Tompoiny
Ataony Ambony indrindra
Hanendry izay mpitondra
Ka fiadanana anie
Sy fandriampahalemana
No mpanjakao eto amin'ny taninay
3. niryna ( 29/06/2010 21:32)

Tsy aiko aloha io na hira ny tononkalo fa dia misaotra nizara
Raha mbola mijanona eo amin'ny fahavetavetana eo foana ny firenentsika(fananana an'atra hafa dia mbola hijaly ny firenentsika ary tsy hihaino antsika Atra)
Aoka mba samy hiverina amin'ilay Atra nahary izao tontolo izao,hibebaka ka hiala amin'ny toetra ratsy,hifampizara ny tenin'Atra ary hifamela heloka,hiaiky ny fahotana ka hifona aminy ary angataka famelankeloka sy hamela heloka ny hafa .Anomboka anaiky ho tantanan'Atra amin'izay ny fiainana ka na inona mitranga dia izy no asaina mitondra ny fiainantsika ary manaiky izay mitranga fa izay rehetra mitranga amin'ny fiainantsika dia nataony mba anovana ny fiainantsika sy ny toetrantsika ka ampiaiky volana fa mahery sy matanjaka izy ary ao aminy irery no misy ny hery sy fiainana ary fiadanana
4. rahery08 ( 01/07/2010 10:37)
misaotra anao ry Nirina!
5. rahery08 ( 01/07/2010 10:41)
misaotra anao ihany koa ry Nameno nameno ny banga izay tsy haiko!
6. nameno ( 01/07/2010 11:23)
Nirina hira tena tsara be izy io
rahery08>> tsy misy fisaorana e
7. nameno ( 01/07/2010 11:23)
Nirina hira tena tsara be izy io
rahery08>> tsy misy fisaorana e
8. rahery08 ( 08/07/2010 07:42)
Tonombavaka ny mba hamonjen'Atra ny firenentsika no votoatin'ny tononkira!
Ary tena fotoana tokony hivavahantsika mihintsy ny vani-potoana toy izao,
dia ny hamonjen Atra ny firenentsika!
Isika izay milaza ny tenantsika fa Kristianina, Fotoana izao izay tokony mbola hivavahantsika misimisy kokoa,

50 taona izay no nahazoantsika ny afahaleovantena, taonjobily ity taona 2010 ity, taon-panafahana!
fanafahana @ inona anefa?
Fanafahana @ fahantrana! ....
Fa raha tsy miverina @ Atra isika eh! dia mbola ho toy izao hatrany ny firenentsika!

9. bor2lais ( 08/07/2010 10:59)
Izaho manokana aloha dia resy lahatra fa tsy mitsahatra ny mitia sy mitahy ny firenentsika Izy.

Saingy amiko dia Andriamanitra fatra-panaja ny safidin'ny tsi11 Izy : ny Malagasy no nisafidy ny mpitondra azy. Ireo mpitondra nifandimby ireo no nanao izay nataony ka mahatonga ny firenena amin'izao toerana misy azy izao.

Ny fanontaniana mety mipetraka angamba dia ny hoe : nankasitrahaNY ve ny zavatra nataon'izy ireo ? Izy irery no afaka hamaly izany, fa mialoha ny ametrahana ilay fanontaniana ihany koa dia tsara ny manontany tena hoe : nanontany Azy ve na nanankina tamiNY ny asa ve ny mpitondra ?

50 taona no efa tsy nitsahatra nivavaka ho an'ny Tanindrazana isika : marihina fa vavaka anie ilay hiram-pirenena e !

Ilay inoako dia tsy Andriamanitra lalodalovana fa Andriamanitra maheno ary mihaino, nefa ambony amiNY loatra ny fanajana ny safidin-draolombelona. Na dia tsy mifanaraka amin'ny safidiNY aza ny làlanao dia mino aho fa tsy hamela anao ho very akory Izy rehefa tonga ny fahatsiarovan-tenanao !

Ny tiako lazaina dia hoe : ny hazo hono raha tiana hirobona sy haniry tsara dia tsy maintsy rantsanana ka lasa ratsy endrika ery ny fijery azy.

Mino aho fa miasa (izany hoe mitahy ny firenentsika) Izy, saingy mety maro angamba ny rantsana tsy maintsy esorina (ka toa tsy andrintsika intsony) !!!

Fomba fijeriko ihany anefa io ka ialako tsiny amin'izay mety tohina !
10. bichette ( 09/07/2010 11:37)
hoy ny baiboly hoe :

2 tantara 7 : 14 " raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny "

dia koa hoe :

isaia 59 : 1 - 2 " Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; 2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy
. "



11. bor2lais ( 09/07/2010 16:57)
Ity koa ry bichette misy fanampin'io voalazanao io ka isan'ny mahatonga ahy miteny fa mihaino Izy ary manasitrana ny taniko ihany koa :

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=18&andininy=23-33&dika=
12. Miharena ( 13/07/2010 06:45)

Rahery08:

Tonombavaka ny mba hamonjen'Atra ny firenentsika no votoatin'ny tononkira!
Ary tena fotoana tokony hivavahantsika mihintsy ny vani-potoana toy izao,
dia ny hamonjen Atra ny firenentsika!
Isika izay milaza ny tenantsika fa Kristianina, Fotoana izao izay tokony mbola hivavahantsika misimisy kokoa,

50 taona izay no nahazoantsika ny afahaleovantena, taonjobily ity taona 2010 ity, taon-panafahana!
fanafahana @ inona anefa?
Fanafahana @ fahantrana! ....
Fa raha tsy miverina @ Atra isika eh! dia mbola ho toy izao hatrany ny firenentsika!




Eo amin'ilay resaka fanafahana amin'ny fahantrana no tiako hasiana fanamarihana kely. Mahantra inona marina moa ny Malagasy?
Raha materialy no resahana dia mazava fa ireo izay mpitsetsitra sy mpanao am-pihimamba no tsy mamela antsika hanankarena.
Raha ny kolontsaina no resahana dia ny toe-tsaina safiotra sy mivadibadika tsy misy fotony no mampahantra antsika.

Ary ity farany ity no mitarika ny rehetra satria mitady hotantanan'ny hafa manana io toe-tsaina tsy miova io foana (ka mahaleo-tena aiza àry?).

Koa vavaka ve? Asa ve?

Mila potsirina ny vay vao afaka isika. Inona ilay vay? io ilay fitsingilahilana am-pandehanana, io ilay tsy fananana hazon-damosina, io ilay tsy fijerena ny fototr'olana izay ao anatintsika tsirairay mihitsy tokony hovana, io ilay tsy fananana Mazava ao anaty.

Mila Mazava aloha izany ny ao anaty rehetra vao miombom-bavaka hampanjaka ny Mazava satria tsy misy afa-tsy io no harenantsika ary hampanankarena antsika araka ny teny hoe "Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy anao ny zava-drehetra".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0383