vavy kely !!!

1. Djhamhal ( 08/06/2010 07:33)
mba afaka manome torohevitra tsotsotra ve nareo raha te hiteraka vavy ?? raha mety dia natoraly fa tsy fanafody !! misaotra mialoha !!
2. ralaigasy ( 08/06/2010 08:55)

mba afaka manome torohevitra tsotsotra ve nareo raha te hiteraka vavy ?? raha mety dia natoraly fa tsy fanafody !! misaotra mialoha !!

Jereo ny antsoina hoe "régime Stolkowski". 80% de chances de réussite hono.
3. Djhamhal ( 08/06/2010 11:12)
ralaigasy ! m'sôtra éé !!
4. vale ( 08/06/2010 11:31)
Slt! toa oe mihinana produits laitiers bediabe hono!!
5. ravatorano ( 08/06/2010 12:41)
mioririna à gauche defa vita ny adkle e !!!!
6. maryline ( 08/06/2010 14:57)
raha te hiteraka vavy kely hono dia @ilay faha valo ka hatramin' ny faha12 no miray de tonga de vavy hihihihi fa any @ faha 14 miakatra ny lahy
7. hery ( 08/06/2010 15:16)
Theorie tsy haiko na marina na tsy marina fa lazaiko ihany mitovitovy amin'io nolazain'i maryline io.

Rehefa reradreraka hono ianao no miray ianareo MIVADY ka tonga amin'ny fotoanan'ny tsaika dia mety ho vavy kely. Io izany no ezahina tratrarina.
8. Djhamhal ( 09/06/2010 07:49)
ny mapmé be aminà ngeh dia izao é! : mianadahy ny zanako zao ary vavy ny farany ! fa ny loza dia tsy tadidiko tsouny oe inona moa no nataoko t@ naha vavy ilay zanako ?? hi hi hi !!! sady tsy nisy calcul miitsy t@ zany an ! fa tonga dia tao ! dia @ zao vô manomboka mamerina leçon !! ha ha ha !!!!
9. tafita ( 09/06/2010 08:00)
hoy i tafita , zavatra hitako sy tsapako de saika lahy anaka daholo ireo lehilahy tia zavatra masitsika ( Sakay , toaka , alccol , .. ) ka raha te ho vavy ny zanakao manaraka de mifadia aloha 2 mois avant ireo zavatra ireo , de ho hitanao fa vavy kely no hapoitrany avy any ...
O u e eeee
10. McFy ( 10/06/2010 00:19)

Slt,

Tena namako maro no hitako mifanohitra @ voalazanao ry tafita.

Ny voalazan'ny Hery indray dia efa henoko mihitsy ary mety ho marina ihany satria raha lehilahy mamba sipa be ireny ka miray matetika dia vavy daholo no hitako zanany. Tsy haiko anefa raha sendra nifanojo na tena ilay kajy no marina
11. arialy ( 10/06/2010 08:54)
za koa mahita fa mifanohitra am lazain'i tafita no hitako be dia be
fa mila mihinana yaourt betsaka herinandro vitsy alohany anaovana zaza ny vehivavy raha te
hanana vavy, dia manao vizana koa.
12. Djhamhal ( 10/06/2010 09:23)
ny vhv ve no manao vizana sa ny lhl ?? vizana mialohan'ny hanaovana zany ?? kou ra tsy mahavita eo ve kou tsy loooza ??? hi hi hi !!!!!!
13. sakaizakely ( 11/06/2010 10:30)
vinavinan'ny mpanonofy atoandro daholo izany
izay tonga eo ifaliana dia izay
14. soanja ( 13/06/2010 23:45)

vinavinan'ny mpanonofy atoandro daholo izany
izay tonga eo ifaliana dia izay

Marina io! Tsy misy mahay izay hanao kambana na hanao vavy na lahy. Ny fifandrifian-javatra no misy raha ny resaka taovam-pananahana.
15. Mirananirina ( 14/06/2010 11:43)
efa hay kosa izy @izao fotoana izao ka!na hiteraka lahy na vavy na kambana sns...,fa manaraka torohevitra aloha fa tsy natoraly araka ny tadiavin'i Djhamhal.Kanefa tsy zavatra sarotra koa na manahirana koa satria avy @natiora ihany .
16. vahiny2004 ( 14/06/2010 15:00)

Vavy : manao RS dès fin des règles jusqu'à date présumée d'ovulation , puis on arréte (normalement vizana i ramose)
Lahy : pas de RS jusqu'à date présumée d'ovulation (normalement matanjaka tsara ramose)

Mila maka courbe tsara pdt 3 à 5 mois izany hahitana hoe oviana ilay ovulation

Marina fa tsy manana maîtrise totale @ io ny olombelona fa tsy hadisoana angamba ny manampy ny vintana sy ny anjara raha toa ka misy faniriana te hanana lahy na vavy
17. soanja ( 14/06/2010 20:27)

Tsy mitovy ny havizanan'ny olombelona satria tsy mitovy ny vatantsika sy ny hery afaka avoakantsika avy.
Misy na manao firaisana isanandro isanandro aza dia matanjaka tsara ary tena mbola puissant tsara. Iny ara ilay lehilahy na vehivavy vao maika velom-bolo sy miaina tsara, mavitrika tokoa. Misy vao mahavita in-3 isan-kerinandro dia trotraka.
18. vahiny2004 ( 15/06/2010 12:17)
Tsy azoko loatra ny tian'i soanja lazaina sy hahatongavana ?

19. Logan89 ( 15/06/2010 19:33)
ampy lesona mihitsy i Soanja an passe partout @ rehetra !! Misaotra e
20. Ratoa ( 15/06/2010 20:22)
misy fikarohana nataon'i Dr Paul Radaody-Ralarosy momba izany fa tadiavo amin'ny internet na bibliothèque. Voaporofo fa raha ralehilahy no vizana sy tsy mahery alohan'ny firaisana ka ravehivavy matanjaka tsara dia lahy ny zaza.
Ary raha ralehilahy no matanjaka tsara ka ravehivavy no osa osa, dia vavy ny zaza.
Misy koa milaza fa raha kely aizana (mifanarakaraka be) ny fiterahana dia tsy maintsy samihafa hatrany ny sexe ireo zaza teraka mifanesisesy be ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1438