Fananganan-tsaina !
1. Djhamhal
(
08/06/2010 05:59)
Mahatsikaritra ihany aho fa toa miha vitsy ny olona manangana saina noho ny fahatongavan'ny fetin'ny 26 jiona !! fa maninona kay ?? raha izaho aloha dia manentana ny olona hatrany hanangana saina !!
novalian'i Ratoa ny 16/06/2010 11:55
2. hery
(
08/06/2010 06:59)
Azavao amin'ny olona aloha ny dikan'ny tokony hananganan-tsaina. Raha toa mantsy ka lazaina amin'ny olona hoe midika fiandrianam-pirenena sy fahafahana ny fananganantsaina dia vitsy ny olona hanangana satria io no fomba hanehoany fa mbola tsy afaka izy. Tsy afaka miteny, tsy afaka mitsikera fitondrana ary indrindra mbola tsy afaka eo ambany vahohon'ny Frantsay.
Fa raha lazaina aminy hoe fanantenana fahafahana na fiandrandrana fiainana vaovao dia mety hisy ihany ny hanangana

3. Djhamhal
(
08/06/2010 07:09)
amiko aloha matoa aho manangana saina dia noho ny fetim-pirenena ! izay ihany ! izany oe gasy aho ary mankalaza ny fetin'ny fireneko ! tsy noho ny fitondran'iza na iza ary tsy tsanga-kevitr'olona miitsy no ananganako ny sainako fa @ maha fetim-pirenena azy ihany !
4. hery
(
09/06/2010 14:18)

Sao dia ilay fety mihitsy no tsy tokony hankalazaina izany?
Fetim-pirenena amin'ny inona moa io? Mitombina ve ilay fety?
5. Djhamhal
(
10/06/2010 06:39)
hoy Ra Hery :Sao dia ilay fety mihitsy no tsy tokony hankalazaina izany?
Fetim-pirenena amin'ny inona moa io? Mitombina ve ilay fety?
tokony ho tany @ taona 1960 izay nanomezan'ny frantsay fahaleovantena antsika Malagasy no efa nipetraka io fanontaniana io !!

6. soanja
(
16/06/2010 02:11)
hoy Ra Hery :Sao dia ilay fety mihitsy no tsy tokony hankalazaina izany?
Fetim-pirenena amin'ny inona moa io? Mitombina ve ilay fety?
tokony ho tany @ taona 1960 izay nanomezan'ny frantsay fahaleovantena antsika Malagasy no efa nipetraka io fanontaniana io !!
Inona tokoa moa no atao hoe " fahaleovantena"? Moa ve afaka tanteraka eo ambany vahoan'ny fanjakazakana isan-karazany isika Malagasy?
7. Ratoa
(
16/06/2010 11:55)
nomen'ny frantsay antsika ve ny fahaleovantena sa no takian'ireo mahery fo izay nanome ny ainy, ny fiainany sy ny rany?
Fony izahay mbola kely dia nanangatsaina tokoa rehefa 26 Juin sy 14 Octobre ary nivimbina saina kely enti-mianatra. Fanehoana amin'ireo vazaha izay mbola be dia be tamin'izany, fa takianay tokoa ny fahaleovantenanay ary aretiretinay izany fitakiana izany.
Tamin'izany fotoana izany , mbola ny zana-bazaha no mbola betsaka tamin'ny sekoly sasany . Hita sorena be izy ireo mahita ny saina kelinay izay ahofahofanay tokoa. Mino marina aho fa voatantara any antranony any izany. Karazana provocation na tena provocation.