Zavatra hafa mahasolo kotrana?

1. hery ( 04/06/2010 08:47)
K'aiza daholo.

Resa-dehilahy efa manomboka antitra ity. :-) Tena mitady solution ankoatry ny kotrana fa mihamitombo ny kibo. Ny asa atao eto ambody ordi foana dia tsy misy fotoana hikotranana ihany koa. Indraindray mba mihazakazaka ihany rehefa ilay mody avy miasa iny fa e e e, tsy mahasehaka fa mora lanaka.

Tsisy fika hafa ankoatry ny mikotrana ve raha mba te ho en forme tsara ohatra an'ireny Van-Damme ireny?
novalian'i fijo ny 24/09/2010 19:24
2. milamm ( 04/06/2010 16:51)
sport malefaka ra-Hery a...mitsotsotsa ny hozatsa azon'reny an,mapabokna ony reny ko...steroid manimba mankonyhihi
3. ikaretsaka ( 04/06/2010 17:08)
asio dia-tongotra dia manalavi-dalana kely koa
4. maeva74 ( 05/06/2010 08:55)


asio dia-tongotra dia manalavi-dalana kely koa

Mba te hitovy amin' ny Van Dam nga ra-Hery? mifoha aloha tsy sahala amin' ny isan' andro dia manenjakenjan' hozatra eo e!!
5. diloo ( 05/06/2010 11:43)
Resaka kibotana ankoatran'ny kotrana:
Ampiana régime: ahena ny fetran'ny sakafo, tsy mihinana hena matavy, soloina sakafo légumes miampy voankazo, ohatra.
Ny kotrana: atomboy @'ny fanaovana abdominaux 500 fois isan'andro, dia mihena ny kibo no sady maniry sokola.
Hono hoy aho ra-Hery, nankaiza ilay fanaovana smileys?
6. Mirananirina ( 05/06/2010 14:59)
Ka raha tsy hikotrana Rahery ve hihena ny kibo eh!misy thé any @magasin sinoa izay anontanio ao,tena mampihena malaky sady mampihena kibo(saingy izaho tsy nahazaka dia najanoko)fa mankany @wc fonafona,fa 2 andro aho nihena 1 kg.fa ilay zandriko nahazaka fa tena nety tsara.
7. fahamarinana ( 06/06/2010 16:26)


Ka raha tsy hikotrana Rahery ve hihena ny kibo eh!misy thé any @magasin sinoa izay anontanio ao,tena mampihena malaky sady mampihena kibo(saingy izaho tsy nahazaka dia najanoko)fa mankany @wc fonafona,fa 2 andro aho nihena 1 kg.fa ilay zandriko nahazaka fa tena nety tsara.

Minoa fontsiny ihany Hery a, izay no anatranatry Rondro foana ! hihi
8. soanja ( 07/06/2010 21:40)


K'aiza daholo.

Resa-dehilahy efa manomboka antitra ity. :-) Tena mitady solution ankoatry ny kotrana fa mihamitombo ny kibo. Ny asa atao eto ambody ordi foana dia tsy misy fotoana hikotranana ihany koa. Indraindray mba mihazakazaka ihany rehefa ilay mody avy miasa iny fa e e e, tsy mahasehaka fa mora lanaka.

Tsisy fika hafa ankoatry ny mikotrana ve raha mba te ho en forme tsara ohatra an'ireny Van-Damme ireny?


Raha misotro labiera matetika i Hery dia izay aloha no ajanona na ahena voalohany.

Isany atao sakafo maraina na rehefa noana ny paoma maintso iray: Granny Smith ny anarany aty aminay fa tsy arako ny anarany amin'ny gasy. Ialana izay rehetra snack be menaka sy misy siramamy be loatra.

Salady epinara na anandrano na ireny salady maintso be ireny no atao sakafo ka ahena ny vary. Maneka oliva no tena tsara atao vinegrety.


Tsy manao voky loatra izany fa raha vao mahatsapa hoe tsy noana dia ajanona amzay. Tadidio fa afaka 20 minitra nisakafoanana eo vao mahafantatra ny olona iray fa voky satria ny saina no manome izany fampafantarana izany, fa ny tena izy anefa dia 20 mn talohan'io ianao dia efa voky raha ny ara-batana.

Mila mihinana sakafo misy proteina nefa tsy mampatavy loatra raha te hanabokona: atody vao maraina efa ho -3 tsy endasina be loatra. Hena atono toy ny akoho sy ny henomby ary trondro. Manaova lasary manga misy voasary makirana fa tsy vinaigitra haninamiaraka amin'io.

Isany manampy tokoa araka ny hitako amin'ny vadiko dia vao miala ny fandriana vao maraina eo ambody fandriana dia raikitra ny paompy efa ho 100, zany hoe atomboka kelikely aloha dia miakatra hatrany isanandro. Zany hoe mila mifoha alohan'ny fotoana mahazatra izany dia mandeha matory aloha fa tsy matory tarabe loatra fa manjary tsy ampy torimaso.
Izy koa dia manao abs raha vao misy zavatra andrasany eo amin'ny ordi toy ny hoe mi-download zavatra, eo ambody seza manakaiky ny ordi. Mividy ireny poids isankarazany ireny izy dia ataony tsy lavitra ny lalana alehany ao an-trano ka raha vao miodina kely dia mampiakatra an'ireny in-5 vao lasa indray.

Ilana discipline anefa ny te hanabokona sy fampihenana kibo ka tsara aza ny maka naoty ny sakafo hanina isanandro dia jerena hoe inona no manampy rehefa afaka elaela. Rehefa weekend dia ilaina ny fanaovana sport tanteraka ary ny manao parallel bars no tena fanombohana azy.

Mazotoa e.
9. McFy ( 10/06/2010 00:26)
ary hono hoa aho, raha atao kotrana virtoaly manahoana?

Nahita an'ito aho mantsy omaly dia nojereko ny kiboko fa niteny rery hoe Non, tsy lasa ty fa aleo atao Wii :)

Ilay boxe @ wii io ny ahy no mba fanaovako kotrana refa taitaitra iny fa mety ihany raha atao isan'andro. Tsy haiko nefa raha mitovy hevitra amiko ianareo fa hitako mety amiko tsara io.
10. sakaizakely ( 11/06/2010 10:35)
hahaha
iza moa le mpanisa ny trafondamosin'ny sasany iny e ?
11. Lejoba ( 11/06/2010 15:57)
misy fika hitako Ra-Hery fa mba andramo ihany a!
Ny sakafo tandremana aloha, saingy mihinana ny rehetra ihany raha jerena (ny ovy frity no ahena, sy zavatra tonga dia mahatofotofoka toy ny pizza, kebab, pates matavy be mayonnaise, gâteau sy rehefa mety ho patisserie industrielle, boisson gazeuse sns)
Atao betsaka kokoa ny legumes sy ny voankazo be fibres. Rano no tena sotroina.
Kotrana malefaka be: raha maharaka ireny kotrana fanao ireny nareo, dia averina ilay fihetsika fa atao mora dia mora ary tsy miaraka @ fitaovana. Izany hoe vesarana an'eritreritra ilay vatana. Fa tena mandaitra an!
Dia rehefa tsaroana, miaina maka rivotra tsara, dia avoaka faran'izay miadana koa : mifoka rivotra 2s, avoaka 7s. Fa tena resaka matotra fa mety ilay izy.
Ankoatr'izay moa rehefa mipetraka dia mahitsy hatrany ny lamosina fa tsy mipotetaka, fandeha mailamailaka sns
Omeo vaovao e
12. terrywui ( 11/06/2010 17:28)
andao hanao combat matetitetika isika mtsamy fa mlam io e! alaiko maraina ao atrano nareo de mankany amn parc isika mikotrana kung soul
13. Ratoa ( 15/06/2010 20:34)
hery angaha tsy mba manao baolina (foot))? Une fois par semaine ihany dia faka ny kiboa au bout d'un mois.
Raha vao afaka ianao dia mandehana an-tongotra (marche rapide fa tsy midola)

Dia ampio légume vert betsaka araky iay zakanao ny sakafo (haricot vert, petit pois, poireau concombre, courgette ets...) fihinanana manta daholo ireo
14. sipagasy ( 19/06/2010 07:15)
mmhh ka efa firy grammes izay ry Hery no lasa annn, dia atsipazo aty ilay sopapa avy eo annnn
15. hery ( 19/06/2010 08:00)
Efa mihena be mihitsy...

Tratran'ny dia antongotra malaky be isanandro...

Mbola tsy Vandamme kalou e
16. terrywui ( 25/06/2010 12:22)
nanaona ....niena ve ny kibo rahery ? nareo itako toa mbola kibotaina kely fa tsy lasa van damme zany akory aza kou...neveriko oe lasa bokon'hozatra be i hery kay tsary misy ninonninn akory !!...mitohiza iany alou manao dia maika otranle teo e!.....
17. tess ( 09/07/2010 13:18)
hihihui hajanony ny labiera hery anç!
18. tess ( 09/07/2010 13:19)
hahahaha aza mandrevierevy an'i ra vandame klou e!
19. vale ( 12/07/2010 23:42)
la marche tena mahasolo kotrana, tena mety io! :D
20. sipagasy ( 17/07/2010 13:46)
ka raha tsy mihoatran'ny 30 minitra hono ilay la marche rapide tsy manome vokany kouhhh, mmhhh ndeha hitady kiraro hanaovana izany ary aloha zah ann hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2262