Lesona azo hianarana ao amin'ny Joba

21. niryna ( 11/06/2010 19:01)

bor2lais:

LazaDaddy:

- Manavaka ny tena miankin-doha Aminy sy ny marivo salosana Andriamanitra
- Mitahy izay tsy mivadika Aminy Adriamanitra

Raha azoko tsara ilay tantaran'i Joba dia ireo naman'i Joba niresaka taminy no antsoina eto hoe "marivo salosana".
fa ahoana? tsy ireo indrindra ve no niaraka nijanona tao aminy tao rehefa sendra ny loza maro nahazo azy i Joba? nampahery azy na dia tsy niteny aza fa dia teo foana.Mety nanome tsiny an'i Joba izy toy ny vadiny namporisika azy hiala amin'Atra rehefa misy manjo .Mety ho toa izany koa isika,rehefa mety ny fiainana dia mety manadino an'Atra fa rehefa tsy mety dia izy no mahazo tsiny.Fihevitro irery anefa io fa asa aloha

Amiko dia samy mino an'Andriamanitra daholo na izy ireo na i Joba saingy ny halaliny angamba no samy hafa. Izany hoe resaka fahamatorana ara-panahy no andraisako azy eto : samy tsy misy mivadika Aminy, noho izany araka io lazain'i LazaDaddy faharoa io izany dia samy tahiaNY avokoa.
mety ho izay ihany koa,misaotra anao


Ny tiako lazaina dia mety misy ny heverina ho manana finoana "marivo salosana" nefa mahazo fitahiana ihany koa.

Fomba fijeriko ihany anefa izay !
samy tiany daholo antsika aloha no fantatro sy azoko antoka (Jaona 3:16-17) fa ny hoe moa ve isika rehetra dia ho tia azy avokoa na hino izay teny nomeny antsika?
Eritreritra ny ahy io
répondu par niryna le 15/06/2010 19:39
22. niryna ( 11/06/2010 19:12)

ikaretsaka:

Izay mihitsy. Amiko le resaka satana sns ohatran'ny laron'ilay literatiora fotsiny ihany ,
naninona indray satana ry ika?
Maninona eto hianao ry voritsiloza? mialokaloka eto aho tompoko o! vazivazy ny ahy fa Atra sy satana anie ka niresaka tamin'io fotoana io e,maninona aty hianao ry satana? dia niteny izy hoe mijerijery izay azo aripaka(tsy izay no ao fa izaho no manome eritreritra an!)


fa ny tena tiana hasongadina sy morality dia hoe mampihaiky volana ny rehetra, eny hatr@ Atra aza, ny olona manana faharetana @ ze inoany.
aleloia,izay ilay ika-keliko notadiaviko hatrizay,misaotra e! ba mamikely(holly kiss ho an'ika ) mmhm

Fa tsy le hoe ato @ ity fiangonana ity aho oatra dia nandeha teny ny onjam-piainana.
hi,hi inona no idiran'ilay fiangonana indray eto,tsss!
sa ireo olona mijoro vavolombelona? misy roa anie ny olona ? ny iray mpihaino ny iray mpitantara,ny iray maneho ny fahafantarany an'ilay Atra amin'ny asa soa nomeny azy ka mizara izany asa soa izany ary ao koa ny mihainoa sy manome hery ary mampahery ireo izay lavo sy tsy mbola mahalala an'Atra.Noho izany tsy misy idiran'ny fiangonana na hoe inona no hinoana fa ny tena tsara ho fantatra dia hoe MANANA FIFANDRAISANA AMIN'ILAY KRISTY VE HIANAO,INONA NO NAHATONGA ANAO HINO AZY ARY DIA MAMPISEHO IZANY JIRO IZANY NY HAFA HIANAO KA SADY MANAO SY MIANATRA NY ZAVATRA NOMENY NO AZO AMPIASAINA KOA EO ANOLOAN'IREO MBOLA TSY MANANA JIRO.-RELATIONSHIP WITH CHRIST RAHA ATAO INDRAY MIFOAKA
Sy ny sedra isankarazany dia nisy vaovao nipoitradia Aaaa... toa ato no milay dia mifindra any indray... izay amiko no hoe marivo salosana
hay ve e.Raha io filazan'ika ny marivo salosana io no lazaiko an dia soa ihany fa tsy ny fiangonana no handrandraiko fa ilay fifandraisako amin'ilay Atra nahary ahy sy ilay Zanany izay nekeko ho mpanjaka sy mpamonjy ahy ary ilay Fanahy masina miaraka amiko isan'andro isan'ora no tena fifaliana lehibe amiko fa tsy izay hitsarako ny hafa hoe marivo salosana izay .
Ny vaovao nipoitra taria sy taroa indray dia vao maika manamafy ahy ny fifandraisako amiNy satria fampisehoana amintsika ny asaNy sy ny fahagagaNy izany na amin'izao fotoana izao aza
23. niryna ( 11/06/2010 19:17)

Ratoa:

slt,
fa maninona angaha no atao hoe marivo salosana? nahoana raha atao hoe tsy mbola masaka? na mbola marefo toa ny zaza?
na hoe mbola misotro ronono fa mbola tsy afaka mihinana ventikanina sa ?

Ny mahagaga ahy koa dia ity fitsapana na test lazain'ny maro eto. Andriamanitra amiko dia mahalala ny ao ampo tsy milaoka ka tsy mila manao test fa mampanao zavatra ka raha mino ianao dia tonga dia manao izany.
o Ratoa a,test be goavana io nahazo an'i Joba io ary tsy misy na olona iza ahazaka izany.Mety nasehon'Atra amintsika angamba hoe jereo i Joba na dia niantra taman'aina sy ny hareny aza ny zavatra nahazo azy tsy mba niala tamin'Atra izy na nanompa an'Atra fa tsy nitsahatra nivavaka sy nandohalika nidera sy nankalaza ny anaran'Atra foana foana izy
Amiko dia i Satana no mitsofoka eo anelanelany ka mahatonga izay voahiraka hisalasala satria i Satana dia mandrafy an'Andriamanitra sy tia haka ny fahefaNy.
raha izay angamba dia mety ho hisy fahamarinany.Satana dia fahavalo efa resy ary amin'izao fotoana izao dia efa fantany fa kely sisa ny heriny ka izay rehetra azony dia tsy ataony ho afa-bela,Soa ihany isika fa mbola nomen'Atra tombon'andro hibebahana sy hianarana ny teny izay nomeny mba ahafantarana ny fahamarinana rehetra
24. niryna ( 11/06/2010 19:23)

Ratoa:


Mahery Andriamanitra
- Voafetran'Andriamanitra ny fahefan'i Satana
- Tsy mivadika amin'ny fampanantenany Andriamanitra (manaiky ny sonia nataony Izy , LOL)
- Manavaka ny tena miankin-doha Aminy sy ny marivo salosana Andriamanitra
- Mitahy izay tsy mivadika Aminy Adriamanitra
- Mandalo ny "fahefan'i Satana", fa ny an'Andriamanitra mitoetra mandrakizay
eny é! ny ankapobeazan'ny voalaza eto no ataoko hoe Amen fa tsy ny fitsarana hoe marivo salosana
amena ! resy lahatra tokoa aho raha izay
nomeny fitsampana marobe Joba
nalainy ny fananany rehetra(potika sy ritra tao anatin'ny fotoana fohy)
ny zanany rehetra ripaka avokoa
ny tenany boka
ny vadiny namporisika azy hiala amin'Atra ka nahatonga azy namaly hoe moa ny soa ihany ve no omen'Atra antsika fa tsy ny ratsy koa

Na nitranga avokoa aza izao fahoriana rehetra izao dia tsy nitsahatra nidera an'Atra izy ary naneho ny voninahiny foana
Afaka fanadinana izy(na nandalo fitsampana aza izy dia tsy mba nanome tsiny na nanompa an'Atra
Inona no niafarany?
Mahavariana ary mila tsy ampino kanefa rehefa mijery ny fiainantsika isika dia resy lahatra tanteraka fa na ny tendrombohitra aza dia afaka ahisaka rehefa mino azy( na koa hoe na inona mitranga amin'ny fiainantsika rehefa mino sy manankina izany amin'Atra isika dia ahita vahaolana foana)
Niverina tamin'i Joba avokoa ny hareny,niteraka indray izy ary sitrana tamin'ny aretina nahazo azy
25. ikaretsaka ( 13/06/2010 03:16)
azonao io na teny gasy na teny grika na teny inona no ilazako azy raha toa ka "misy fanahy" marina ao aminao ka
26. ikaretsaka ( 13/06/2010 03:17)
azonao foana io na teny inona na teny inona raha misy ny "fanahy Masina tokoa ao aminao an" teny "tsy fantatra aza azo" sa moa tsy izany?
27. niryna ( 08/07/2010 19:19)
ikaretsaka:
azonao foana io na teny inona na teny inona raha misy ny "fanahy Masina tokoa ao aminao an" teny "tsy fantatra aza azo" sa moa tsy izany?

hi,hi fa angaha tonga dia mahazo ny dikany avy ny olona ? oaka woa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1425