Hafatra ho an'i amlewii
1. tsimendrika
(
27/05/2010 05:03)
amlewii,
Miarahaba anao indray. Nisy dinika lavalava ihany nalefanao ery ambany, ka mahafaly ahy ny mamaly azy, ary mangataka ny rehetra haneho ny fomba fijeriny koa.
Tsoriko fa tena mahaliana ahy tanteraka ny zavatra nambaranao, ary mino aho fa raha toy izany ny fandehan'ny adi-hevitra eto dia tsy ho ela ny famahana ny olana.
Amin'ireo anefa dia misy ny tena tsy iadian-kevitra amiko fa marina tokoa, fa misy koa ny ananako fanamarihana.
Voalazanao fa mbola misy ireo "Tsy maty voalavo an-kibo". Tena marina iny, ary ireo olona ireo dia tena tokony kapaina fa manimba ny tany. Lazaiko anao anefa fa misy an'ireo avokoa na amin'ny andaniny na amin'ny ankilany, izay tena manimba zavatra. Anjarantsika ny maminavina. Na izany aza, miara-manaiky kosa angamba isika fa tena misy koa ireo "Tsara sitrapo" te-hamaha ny olana sy te-hiala haingana amin'izao krizy izao. Koa anjarantsika ny mijery izany sy mifanantona mba hiarahana mamaha ny olana.
Nilaza ihany koa ianao hoe : "efa ela no nilazàna ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA, fa tsy tokony afangaro ny fitantanana firenena sy orinasa". Tsy iadian-kevitra iny, fa tena marina. Inoako fa iny ihany koa no nahatonga izao izy nanao sesitany ny tenany izao.
Fa ny mikasika ilay hoe "tokony tsy hanasaro-javatra Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, tahaka ny Filoha Didier RATSIRAKA tamin'ny Dakar I sy II", dia tsy dia mitovy hevitra aminao aho. Ny antony dia izao, tsy mitovy ny zava-nisy tamin'izany sy tamin'izao. Tamin'ny Dakar I sy II dia samy nanao sonia ny mpifanandrina (Filoha ZAFY Albert sy ny Filoha Didier RATSIRAKA), ary samy nanaja izany. Fa tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia tsy izay no fisehony, satria rehefa vita sonia ny Maputo, izay na izaho aza mba nanantena vaha-olana tamin'iny, dia tsy nanaraka izany ny Filohan'ny Tetezamita Andry Nirina RAJOELINA. Teo ange ry amlewii no nanombohan'ny fahasarotana e. Sa ahoana hoy ianao ? Dia izao mitarazoka be izao ny raharaha. Raha nisy zavatra tsy nety tamin'Andriamatoa Andry RAJOELINA dia tokony teo izy dia tsy nanaiky nanao sonia, ny fahitako azy. Izany no mahatonga ny Fianakaviana iraisam-pirenena tsy mety mankato antsika hatramin'izao io.
Mikasika ilay hoe "Olom-baovao tsy lany", dia manaiky anao tsara mihintsy aho. Izaho manokana aloha, tsy hoe tsy maintsy miverina i Dada fa kosa ny fiverenana amin'ny ara-dalàna sy ifanarahan'ny rehetra (ireo ankolafy efatra) no tadiavintsika. Alohan'ny rehetra dia tokony izay aloha no jerena miaraka. Fa amiko manokana, ny fanapahan-kevitra mandeha irery (unilatéralisme) dia tena vao mainka manasaro-javatra. Aoka tsy ho adinontsika ry amlewii fa na tsy ny Malagasy rehetra aza ireo manao fihetsiketsehana ireo dia hitan'izao tontolo izao fa MARO TOKOA izy ireo. Noho izany tokony jerena izany.
Milaza mantsy ianao hoe "aleo hitsngana ny Repoblika faha IV". Izany no irariana mba tsy ho ela izy io, saingy raha tsy IFANARAHANA kosa ny fitondrana ny Tetezamita dia mbola hanahirana io raha ny fijeriko azy.
Mikasika ny fanaovana ny Teny Anglisy ho isan'ny fiteny ampiasaina amin'ny fampianarana dia tsy dia mitovy hevitra aminao aho. Ny antony dia izao, ny teny anglisy dia anisan'ny fiteny voalohany eran-tany, noho izany ny fahitako azy dia fanapahan-kevitra tsara io noraisin'ny Filoha teo aloha io. Tombon-tsoa ho an'ny taranaka malagasy izany, ary manaporofo ny fivelarana ihany koa. Tena fanapahan-kevitra tsara iny, ary tokony tohizana mihintsy.
Ny fahitako ny dinika nalefanao mantsy dia tena ny Filoha teo aloha mihintsy no tsy dia mety aminao, satria raha jerena ny voalazanao dia tena tsy misy zavatra nety mihintsy na iray aza tamin'io fitondrana io. Ohatra lehibe, hoy ianao hoe "zarany aza ho bado ny Malagasy". Fa olona tena ratsy toetra faratampony mihintsy ve izy iny e ? Amiko anefa dia izao, ny olona tsirairay dia manana ny toetra tsara, ary manana ny toetra tsy dia mahomby loatra. Izaho manokana rehefa mandini-tena dia mahatsapa izany, ary rehefa mahita ilay toetra tsy dia tsara dia miezaka ny miala amin'izany.
Matoa ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA misongadina be hoatra an'io ny hareny dia anisan'ny zavatra tsara ananany ny finiavana te-hivoatra. Mety hisy lafy ratsiny izany, fa kosa, misy lafy tsarany koa. Tsotra izy, ary tsy tia zavatra miolakolaka matetika. Tsy tia zavatra ratsy rehefa manao zavatra, sns... Izany angamba no nahavitany zavatra maro, raha tsy hilaza afatsy ny làlana, sekoly, hopitaly. Ankoatra izany, ny fahaizany mandresy lahatra amin'ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy ireo mpiara-miombonantoka, sns... Ireo kosa angamba tsy tokony hodian-tsy hita.
Izay ihany no tena tsy itovizako hevitra aminao, fa ny sisa dia manaiky aho. Manainga anao mba hijery tsara, satria tsy dia tsara loatra ilay atao hoe "extrémiste". Rehefa tsy tiana dia hita hatrany ny hanaratsiana azy. Rehefa tiana kosa dia hasoavina sy tsy hita mihintsy ny tsininy. Marina io teny kanefa amin'ny toe-draharaha toy izao dia mila mandanjalanja tsara isika. Io misy Tenin'ny Baiboly izay tsaroako eto hoe "Ny fitiavana manarona fahotana maro". Rehefa tiana ilay olona dia saronana ao ihany na dia hita fa tsy izy aza.
Dia misaotra naharitra hatramin'ny farany e.
ILAY TSY MENDRIKA

novalian'i tsimendrika ny 28/05/2010 10:38
2. amlewii
(
27/05/2010 09:44)
tsimendrika:
amlewii,
Miarahaba anao indray. Nisy dinika lavalava ihany nalefanao ery ambany, ka mahafaly ahy ny mamaly azy, ary mangataka ny rehetra haneho ny fomba fijeriny koa.
Tsoriko fa tena mahaliana ahy tanteraka ny zavatra nambaranao, ary mino aho fa raha toy izany ny fandehan\'ny adi-hevitra eto dia tsy ho ela ny famahana ny olana.
tsimendrika,
Miarahaba anao ihany koa ny tenako! Mahafinaritra ny dinika rehefa feno fifanajana toa izao ataonao izao, noho izany dia afaka miresaka tsara isika, averiko eto ilay fahendrena Malagasy manao hoe \"Rehefa miaraka @ amboa lambo dia amboa lambo ary rehefa miaraka @ mpiasa be dia mpiasa be\" izay hamafisin\'ilay teny manao hoe \" Trandraka an-tanimena ka ny volon-tany no arahina\". Ny tiako ambara dia tsotra \"Rehefa manaja ahy ianao dia tsy afaka ny an\'alika anao aho satria tsy mendrika ny toetra toa izany\" ny manahirana kely dia matetika ny fanajana atao indraindray no hiheveran\'ny sasany fa olon-dresy noho izany dia rehefa hifanaja dia mifanaja fa raha sanatria ka hifan\'alika dia azo atao tsara izany. Ny amintsika anefa dia tsapako fa olon-kendry ianao ary tena ilay Malagasy manetrin-tena (PS tsimendrika kanefa ny zavatra lazaina TENA MENDRIPIDERANA). Noho izany dia mahafaly ahy ny mamaly anao teboka isan-teboka.
tsimendrika:
Koa anjarantsika ny mijery izany sy mifanantona mba hiarahana mamaha ny olana.
Tsy misy olana mihintsy ny hihaonana sy hiresahana raha izany no azontsika atao hamahana ny olana ny zavatra mety hahasarotra izany dia ny elan\'elan-tany raha toa isika tsy iray fokontany na izany aza anefa dia tsy misy olana fa afaka manoratra ianareo amlewii@yahoo.fr io ny mail-ko aoka mba hifanaja fotsiny @ zavatra hifampiresahana fa \"FOMBA NY KELY AINA NY MANOMPA OLONA TSY HITA MASO\"
tsimendrika:
Ny antony dia izao, tsy mitovy ny zava-nisy tamin\'izany sy tamin\'izao. Tamin\'ny Dakar I sy II dia samy nanao sonia ny mpifanandrina (Filoha ZAFY Albert sy ny Filoha Didier RATSIRAKA), ary samy nanaja izany.
Asa ry tsimendrika raha mitovy ny DAkar resahantsika fa ny Dakar resahako dia ilay Dakar I sy II izay Atoa Ratsiraka sy Atoa Ravalomanana no resahako, raha manaraka ny resaka politika iraisam-pirenena ianao dia nandritra ity FANOVANA ity dia niten\'i Abdolaye Wade fa olona tsy azo hametrahana fahatokisana Atoa Ravalomanana ny antony dia satria Ato Wade no nanelanelana t@ ireny nanao sonia Atoa Ravalomanana fa tsy nanantareka izay nataony sonia... azonao atao ny manamarina ny zavatra lazaiko satria mbola hitanao @ tranon-kala izany, namanao i google fa aza matahotra, tsy misy lainga azo atao eto.
tsimendrika:
Fa tamin\'ity indray mitoraka ity kosa dia tsy izay no fisehony, satria rehefa vita sonia ny Maputo, izay na izaho aza mba nanantena vaha-olana tamin\'iny, dia tsy nanaraka izany ny Filohan\'ny Tetezamita Andry Nirina RAJOELINA. Teo ange ry amlewii no nanombohan\'ny fahasarotana e. Sa ahoana hoy ianao ?
Ny olana dia nazava tsara fa ilay fangatahana nataon\'Atoa Rakotovahiny sy Fetison mahakasika ny Fihaona-be an\'i Copenhague. Azavaiko rehefa nanaiky an\'i Maputo ny HAT dia ireto ny zavatra nangatahan\'ny Mouvance telo:
-NY fametrahana an\'ireo filoha mpiara mitantana dia midika fa mitovy ny zo sy ny fahefana ananan\'ireo co-président sy ny président dans la pratique io an, satria tadidio ny fangatahana nataon\'ireo atao hoe co-président mahakasika ny tokony hamelarana ny tapis rouge rehefa tonga eny Ivato izy ireo, fa ny tena zava-doza dia ny nandefasan\'ireo co-président fangatahana tany @ Sommet de Copenhague ny mba tsy ahafahan\'Atoa Rajoelina hiteny @ anarana maha filoha an\'i Madagasikara. Io ry tsimendrika ilay tsy maty voalavo an-kibo, tany Maputo nifanaiky fa Atoa Rajoelina no Filoha kanefa vao nihodina dia misy fangatahana mandeha milaza fa tsy tokony hisolon-tena ny firenena Malagasy @ fihaonam-be iraisampirenena Atoa Rajoelina, izany zavatra izany no natao ny mouvances telo dia ny tahotra ny réconnaissance intérnationale, izany hoe NY TROIS MOUVANCES NO NIVADIKA t@ Maputo voalohany fa tsy ny HAT, fa rehefa hita kosa fa tsy maty voalavo an-kibo ny andaniny dia rariny raha notsipahan\'Atoa Rajoelina avy eo Maputo.
Ataoko fa mazava ny @ iny, rehefa mihaona moa isika mbola afaka mamelabelatra lavalava koakoa ny tenako... fa tiako tsindriana fotsiny ny hoe \"NY FAHAFATARAN\'ATOA RAVALOMANANA AN\'IO TOETRAN\'NY MPANAO POLITIKA GOAIKA ANTITRA IO NO ANISAN\'NY ANTONY TSY NANEKENY NY RECONCILIATION NATIONALE NANGATAHAN\'NY PROFESSEUR ZAFY HATRIZAY SATRIA AHODINDRY ZAREO FOANA ILAY ZAVATRA\"
tsimendrika:
Aoka tsy ho adinontsika ry amlewii fa na tsy ny Malagasy rehetra aza ireo manao fihetsiketsehana ireo dia hitan\'izao tontolo izao fa MARO TOKOA izy ireo. Noho izany tokony jerena izany.
Laviko marin-drano ny filazanao, amiko dia resaka tapage médiatique ny fomba fiadin\'ny mouvances telo entina hilazana fa maro be ny olona mihetsiketsika, tsy marina izany satria raha marina izany maninona no tsy feno olona teny @ Mausolée fa olona an-jantony no tonga teny TADIDIO ANEFA FA NY ankamaroan\'ny RADIO t@ iny alina mialoha ny hetsika teny @ Mausolée iny dia niresaka ny zavatra nataon\'ny Kolonely Randrianjafy daholo raha tsy hiresaka hafa tsy ANTSIVA sy FFAHAZAVANA aho, ny tiako lazaina dia ny hoe:\" Fantatrin\'ny vahoaka tsara ny fisian\'ny hetsika fa naninona no tsy tonga ry zareo???\" Amiko ny valiny dia satria tsy misy vahoaka manaraka... iny resaka iny dia tsotra izay nahazo vola no manao an\'ilay tapage médiatique mba entiny milaza fa manao ny asany izy ireo, lazaiko anao fa io no poizina ho an\'ny mouvance telo dia ny fampiasana vola... mino aho fa horesahantsika izany rehefa mihaona isika.
tsimendrika:
Milaza mantsy ianao hoe \"aleo hitsngana ny Repoblika faha IV\". Izany no irariana mba tsy ho ela izy io, saingy raha tsy IFANARAHANA kosa ny fitondrana ny Tetezamita dia mbola hanahirana io raha ny fijeriko azy.
Amiko dia tsy mety ny HIZARANA ny fitondrana ny TETEZAMITA satria nahoana, tsotra samy hitarika sy hifampisintona an\'io fitondrana io izay mizara izany dia tsy handeha ny raharaha jereo fa vao vita i Maputo dia ireny no nataon\'ny mouvances telo dia ataoko fa azonao na tsy azavaiko loatra aza ny hevitro. Mbola ady hevitra hafa moa ny nahatonga ny CI nametraka an\'iny hevitra consensuel sy inclusif iny fa azontsika atao ihany koa ny miady hevitra ny momba an\'iny...
tsimendrika:
Mikasika ny fanaovana ny Teny Anglisy ho isan\'ny fiteny ampiasaina amin\'ny fampianarana dia tsy dia mitovy hevitra aminao aho. Ny antony dia izao, ny teny anglisy dia anisan\'ny fiteny voalohany eran-tany, noho izany ny fahitako azy dia fanapahan-kevitra tsara io noraisin\'ny Filoha teo aloha io. Tombon-tsoa ho an\'ny taranaka malagasy izany, ary manaporofo ny fivelarana ihany koa. Tena fanapahan-kevitra tsara iny, ary tokony tohizana mihintsy.
tsimendrika tena novakianao tsara ve ny zavatra nosoratako sa ahoana???
i amléwii (ataoko fa hainao ny dikan\'io teninjatovo io an), i amlewii dia manaiky ary manohana ny fampiasana ny teny anglisy ho teny entina ampianarana, fa ny antony tsy nahafahana nanao izany dia resaka teknika satria tsy voafehin\'ny mpampianatra na ny atao hoe mpanabe ny teny anglisy dia mbola nitaky fotoana be izany sy nitaky vola be dia izay no tsy nahafahana nanao azy, mba manontany anao aho firy isan-jato ny Mpanabe Malagasy mahafehy ny teny anglisy dia firy ny mahafehy ny teny frantsay ataoko fa azonao??? Hamafisiko fotsiny fa ny TSY EKEKO ARY LAVIKO MARIN-DRANO DIA NY FAMERENANA NY TENY MALAGASY HO TENY ENTINA MAMPIANATRA ARY IO NO TSY EKEKO io moa dia tena resaka tsy manjary ny antony nanaovan\'ny Fanjakana Ravalomanana an\'azy dia ny TAHOTRA NY HAHAVERY NY TENY MALAGASY OFISIALY SATRIA MIRONGATRA NY RADIOMPARITRA IZAY MAMPIASA NY TENIMPARITRA azontsika atao ady hevitra manokana ihany koa iny raha tianao...
tsimendrika:
Ny fahitako ny dinika nalefanao mantsy dia tena ny Filoha teo aloha mihintsy no tsy dia mety aminao, satria raha jerena ny voalazanao dia tena tsy misy zavatra nety mihintsy na iray aza tamin\'io fitondrana io. Ohatra lehibe, hoy ianao hoe \"zarany aza ho bado ny Malagasy\".
Novakianao ve ilay nolazaiko hoe:\"Tsy mankahala an\'Atoa Ravalomanana @ maha olombelona azy i amlewii\" hamafisiko fa fomba fanaovana politika no tsy hifanarahako aminy fa tsy @ mahaolombelona azy.
Zarany aza ho bado ny Malagasy: fomba fijeriko io satria izao ny antony :\"Nahoana ny zanany alefany mianatra any @ bekintana sy ny sisa kanefa ny zaza Malagasy tadiaviny ampianarina @ teny Malagasy\" mba fantatrao ve ny fahasahiranan\'ireo zoky nanao ny fianarany t@ teny Malagasy t@ andron\'Atoa Ratsiraka, ny zanany anefa tao Ste Antoine no nianatra izay ny teny nampianarana tao dia teny frantsay, ny teny @ EPP sy ny CEG teny Malagasy dia tsaroako ny tenin\'ilay zoki-be izay satria niaraniatra t@ zanak\'Atoa Ratsiraka izy, hoy io zoki-be io \"Tsy manantsaina hanakatra akory i kala fa ny teny frantsay kosa aloha dia mipetsopetsona\" ilay zoki-be anefa @ io sahirana miteny an\'ialy teny frantsay... Mbola averiko fa mitovy sy zavatra nataon\'Atoa Ratsiraka sy Atoa Ravalomana fa tsy sahala, mbola azo tohizana ny @ iny rehefa mihaona...
tsimendrika:
Fa olona tena ratsy toetra faratampony mihintsy ve izy iny e ? Amiko anefa dia izao, ny olona tsirairay dia manana ny toetra tsara, ary manana ny toetra tsy dia mahomby loatra. Izaho manokana rehefa mandini-tena dia mahatsapa izany, ary rehefa mahita ilay toetra tsy dia tsara dia miezaka ny miala amin\'izany.
Tsy miteny an\'izany mihintsy i amlewii satria apetrako tsara fa i Jesoa irery ihany no madio tsy nisy pentina teto ambonin\'ity tany ity
tsimendrika:
Matoa ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA misongadina be hoatra an\'io ny hareny dia anisan\'ny zavatra tsara ananany ny finiavana te-hivoatra. Mety hisy lafy ratsiny izany, fa kosa, misy lafy tsarany koa. Tsotra izy, ary tsy tia zavatra miolakolaka matetika. Tsy tia zavatra ratsy rehefa manao zavatra, sns...
Mba tsy hiresahana hoe mialona an\'Atoa Ravalomanana i amlewii dia tsotra ny resaka \"Sasapoana ny be fialonana satria Andriamanitra dia mandrotsaka ny orana eny @ izay tiany\" ary satria tsy azo baikona Andriamanitra dia TSY METY amlewii ilay FIALONANA.
Momba ny nampisongadina an\'Atoa Ravalomanana dia efa maty moa i Tompokolahy Rakotovao Razakaboana fa raha tehahalala ny natao an\'Atoa Ravalomanana i tsimendrika dia ataovy izay ahafahana miresaka @ Atoa Rajaonarivelo sy Atoa Andrianarivo.
tsimendrika:
Izany angamba no nahavitany zavatra maro, raha tsy hilaza afatsy ny làlana, sekoly, hopitaly. Ankoatra izany, ny fahaizany mandresy lahatra amin\'ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy ireo mpiara-miombonantoka, sns... Ireo kosa angamba tsy tokony hodian-tsy hita.
Ekeko fa c\'est un homme de la rigueur Atoa Ravalomanana fa ny tena olany dia ny tsy fahaizany mametra ny faniriany, ary ny tena zava-doza dia ny fiheverany fa tsy misy tsy vita ny vola eny fa na Andriamanitra aza dia azo vidiana vola @ alalan\'ireo mpanompony.
Ny momba ny mpamatsy vola dia tsotra, na ianao io aza ka MAMPANANTENA NY MPAMATSY VOLA IANAO FA IZAY TIANY ATAO DIA AZONY ATAO DIA MINOA AHY IANAO FA OMENY ANAO NY VOLA, ny tsy fantatrao na hodianao tsy fantatra dia ny hoe raha nanome 1$ antsika ny mpamatsy vola dia tadidio fa miverina 15$ any aminy iny. Mbola resaka lava-be iny fa azo atao tsara ny miady hevitra ny amin\'izany.
Tsindriko kely ny momba ny lalana nataon\'Atoa Ravalomanana manaiky aho fa nanao lalana Atoa Ravalomanana fa ny nanaovany an\'ireny dia INDRINDRAINDRINDRA MBA HO AZY SY NY ASANY. Tsy midika akory izany fa izy irery no mampiasa ny lalana, fa aza taitra...
tsimendrika:
Izay ihany no tena tsy itovizako hevitra aminao, fa ny sisa dia manaiky aho. Manainga anao mba hijery tsara, satria tsy dia tsara loatra ilay atao hoe \"extrémiste\". Rehefa tsy tiana dia hita hatrany ny hanaratsiana azy. Rehefa tiana kosa dia hasoavina sy tsy hita mihintsy ny tsininy. Marina io teny kanefa amin\'ny toe-draharaha toy izao dia mila mandanjalanja tsara isika. Io misy Tenin\'ny Baiboly izay tsaroako eto hoe \"Ny fitiavana manarona fahotana maro\". Rehefa tiana ilay olona dia saronana ao ihany na dia hita fa tsy izy aza.
Aleo aloha hazava ry tsimendrika fa tsy mankahala an\'Atoa Ravalomanana i amlewii, tsy mendrika ny fanabeazana nomena anay izany, ary indrindraindrindra hatreto aloha dia tsy mbola nanao ratsy ahy na ny fianakaviako Atoa Ravalomanana, ny zavatra lazaiko aza dia tsoriko aminao fa namana akaiky ahy ny olona iray @ ireo akaiky indrindra an\'Atoa Ravalomanana @ izao fotoana izao mitovy amin\'izao firesako aminao izao ny firesako aminy rehefa tafaresaka izahay fa tsy manimba fihavanana izany fa ny zavatra fantatro aloha dia ny filazany fa mafy loha Atoa Ravalomanana kanefa hoy izy tsy maintsy atoro izy.
Mbola averiko ihany ry tsy mendrika fa \"TSY METY AMIKO RAHA TOA KA OLONA IRAY MPANANANKARENA NO SADY HIFEHY NY FIANGONANA, SADY HIFEHY NY FIRENENA SY NY TOEKARENA\" izay ihany fa RIEN DE PERSONNEL.
NOHO IZANY DIA MBOLA AVERIKO NY TENIN\'NY AMERICAIN HOE NA IZY HANAO POLITIKA NA HO MPANDRAHARAHA.
I amlewii ihany koa tsy extremiste ary tsy manohana olona fa MANOHANA HEVITRA, ka izao aleo NY POLITIKA HO AN\'NY MPANAO POLITIKA ARY NY MPANDRAHARAHA HANAO NY ASANY MANDRAHARAHA
tsimendrika:
Dia misaotra naharitra hatramin\'ny farany e.
ILAY TSY MENDRIKA
Tena lava be ilay resaka kanefa atao ahoana moa fa ny raharahampirenena tsy ahalalana fotoana ary fantatro tsara fa maro @ ireo mpanao politika moderne no mandalo @ itony trano-kala itony ny mpanolon-tsaina azy ireny mba tsy hilazana hoe izy ireny mihintsy rehefa misy fotoana, noho izany dia tsy very maina izay lazaintsika eto...
Misaotra @ fifanajana...
3. xxx3
(
27/05/2010 10:16)
akoa lasy oay an ,lisany koa anie bain miovaova ps eto dia hoe tsy hitan'olona e =)) =)) =)) ,i rawix aza efa kobo teto tena petsa mihitsy ,raha tsy nentiko tany @ lasopy a gogo lery tsy nijanona mihitsy ny alahelony ,avy eo mbola nangataka 1euros nividianana ticket metro ,antsoiko indray ialahy bain rahariva an
4. amlewii
(
27/05/2010 11:51)
xxx3:
akoa lasy oay an ,lisany koa anie bain miovaova ps eto dia hoe tsy hitan\'olona e =)) =)) =)) ,i rawix aza efa kobo teto tena petsa mihitsy ,raha tsy nentiko tany @ lasopy a gogo lery tsy nijanona mihitsy ny alahelony ,avy eo mbola nangataka 1euros nividianana ticket metro ,antsoiko indray ialahy bain rahariva an
aoka lasy xxx3 fa ny fahalalako aloha hatreto dia i amlewii ihany no i amlewii fa tsy misy anankiroa mitovy aminy eto, sa tsy marina indray izany. Dia mahafinaritra tokoa raha miantso ahy ianao araka ny teninao koa dia miandry anao amin\'i le oui hon hin hon hin hon dia mba omenao 1€ izany aho mba hanampiako ny ticket metro-ko raha alina loatra vao vita ny resantsika an!
:-D :-D :-D :-D :-D :-D io fa efa misy an\'i xxx3 hanampy antsika hidinika ry tsimendrika a!!!
5. ouioui
(
27/05/2010 12:06)
fa ny tena zava-doza dia ny nandefasan'ireo co-président fangatahana tany @ Sommet de Copenhague ny mba tsy ahafahan'Atoa Rajoelina hiteny @ anarana maha filoha an'i Madagasikara. Io ry tsimendrika ilay tsy maty voalavo an-kibo, tany Maputo nifanaiky fa Atoa Rajoelina no Filoha kanefa vao nihodina dia misy fangatahana mandeha milaza fa tsy tokony hisolon-tena ny firenena Malagasy @ fihaonam-be iraisampirenena Atoa Rajoelina, izany zavatra izany no natao ny mouvances telo dia ny tahotra ny réconnaissance intérnationale, izany hoe NY TROIS MOUVANCES NO NIVADIKA t@ Maputo voalohany fa tsy ny HAT, fa rehefa hita kosa fa tsy maty voalavo an-kibo ny andaniny dia rariny raha notsipahan'Atoa Rajoelina avy eo Maputo.
Aza miteniteny foana raha tsy mahalala ny tena fandehan-javatra ry leity a, vao nekena aza i ralavasanga fa ho prezn'ny tetezamita dia izay fotsiny no tadiaviny ka nony tonga taty an-tanintrazana dia adinony daholo ny teny sy ny voady nifanaova tsy an-katerena, ary dia nosiniaviny , tsy nisy basy natohaka teo an-dohany (ampihatsiahivana fa izany fomba izany no nanereny ny fitaovan'ny HAT namindrana ny fahefana t@ ireo miaramila sasan-tsasany.....!!)
Ary dia hadinony hatreo ary ilay fifanarahana fa raha ekena ary i ralavasanga no filohan'y tetezamita dia hanaiky kosa izy hiara-miasa @ ireo ankolafy hafa dia izay efa nifanarahana ,
Ary ny tena loza dia hita mibaribary tsy misy hafa toy ny vay an-kandrina ny fomba ratsiny io, dia ny mivadi-belirano foana , vokany dia tsy misy raha manjary ny fitantanan'ireo tetezana tapaka ireo :oops: :oops: :oops: :oops:
6. tsimendrika
(
27/05/2010 12:34)
Misaotra antsika rehetra amin'ny fifampidinihana ry namana isany.
Tena tsara tokoa raha mihaona, saingy tsy haiko na ho azo tanterahana izany na tsia noho ny elanelantany.
Ny tena zava-dehibe amiko ange dia ny fivelaran'ny toe-tsaina fa tsy sanatria mikombona be dia manjary sarotra ny fifampiresahana e.
Na izany aza anefa dia manainga antsika rehetra hiara-hientana satria miainga avy amin'izao no mety ahitantsika vaha-olana MIARAKA.
Ny olana amiko fotsiny, tsy haiko na afaka manome fanazavàna ianareo dia ity : ny Fankatoavan'ny Vondrona iraisam-pirenena. Ilay hoe vaha-olana miaraka mantsy nolazain'i amlewii teo, fa tsy mety, kanefa dia iny ihany no ambara ombieny ombieny. Ilay atao hoe fanapahan-kevitra mandeha irery ataon'ny fitondrana amin'izao dia ahiako manasaro-javatra.
Farany, ny olona manohana ny famerenana ny ara-dalàna lazaiko ange tsy ilay tany Mausolée ihany fa na ny eny amin'ny Magro koa e. Ny fahitako azy ry amlewii tena misy olona tokoa eny fa tsy vitsy izany, ary raha karamaina isan'andro ireo olona ireo dia tsy dia inoako loatra, satria raha karamaina ireo, rehefa vita ny fanamarinam-pahatongavana dia miparitaka. Ny zava-misy anefa dia tena tsy miala izy ireo na orana na hafanana. Ary ny fahaitako azy dia tena masaka ara-poto-kevitra ireo, ary sarotra akifika mihintsy.
Ka asa ny fahitantsika izany ?
Izay aloha no azoko aroso fa dia mirary soa jiaby e.

7. amlewii
(
27/05/2010 16:02)
tsimendrika:
Ny olana amiko fotsiny, tsy haiko na afaka manome fanazavàna ianareo dia ity : ny Fankatoavan\'ny Vondrona iraisam-pirenena. Ilay hoe vaha-olana miaraka mantsy nolazain\'i amlewii teo, fa tsy mety, kanefa dia iny ihany no ambara ombieny ombieny. Ilay atao hoe fanapahan-kevitra mandeha irery ataon\'ny fitondrana amin\'izao dia ahiako manasaro-javatra.
Misaotra an\'i tsimendrika, marina fa nahemotra ilay dialogue national fa ny zavatra tsara dia nahemotra ilay izy satria nisy fandraisana andraikitra nataon\'ny Malagasy Vonona sy Mino fa ny famahana ny olona dia ANJARANTSIKA MALAGASY SATRIA ANTSIKA I MADAGASIKARA FA TSY AN\'NY VAHINY, RAHARAHA TONKATRANONTSIKA IO KA TSY HIANTSOANA NY VAHINY, MBA EFA NISAINA VE ISIKA MIANAKAVY NANAO HOE \"INONA INTSONY NY MAHA OLONA ANTSIKA RAHA TOA KA NY RAHARAHA NY FIRENENTSIKA NY ANY IVELANY NO HIBAIKO SY HANAO IZAY HAMAHANA AZY.
Noho izany dia nandray ny andraikiny ireo olona mbola mino sy mbola MIHAMBO (fier) @ maha Malagasy azy, tsy iza izany fa ireo OLO-BE, noho izany dia ireo no hikaon-doha miaraka @ ilay an-tsoina hoe société civile hanomana an\'ilay FIHAONAM-BE , hoan\'izay mpanaraka ny MFM dia efa manomboka hita taratra eny ny FANEKENY an\'ity hevitra ity rehefa hitany fa tsy tafiditra anisan\'ireo OLO-BE ny Pasitera Andriamanjato, hitantsika @ izany ilay FITADIAVANA AN\'ILAY NEUTRALITE KATSAHAN\'ATOA RAJOELINA HOTANTERAHANA NANOMBOKA T@ FANAMBARANY NY TSY HILATSAHANY HOFIDIANA.
Jereo ihany koa fa nanaiky ny nananjanonana ny namany akaiky Atoa Rajoelina ohatra akaiky @ izany Atoa Andriamananoro, nanaiky ny nanalana ireny tao @ governement Atoa Rajoelina satria entina hanehoana fa TSY MIANDANY NY TETEZAMITA. Mbola AMPIAKO ary FA MANDINIKA HATRAMIN\'NY @ FAMETRAHA-PIHALANA MIHINTSY NY EKIPA RAHA TOA KA ILAINA KA HITA ILAY OLONA TENA TSY HIANDANY. Ny olana @ ity vahaolana farany ity DIA NY MIARAMILA NO TSY MANAIKY SATRIA NY FIALAN\'Atoa Rajoelina.
Ny olana dia ny TAHOTR\'IREO MIARAMILA @ VALIFATY TADIO ILAY TENIN\'Atoa Ravalomanana tany Maputo ny @ fikasany hitondra miaramila eto Madagasikara izay novalian\'Atoa Ratsiraka hoe :\"Jamais les malagasy accèpterions de voir des militaires étranger envahir leur pays\".
Nazava anie ireny nataon\'ny Kolonely Raymond Randrianjafy ireny ééé, raha tany afrika no nisy an\'ireny dia tadidio fa maro ny olona maty ary tsy indray andro dia vita ny ady, jereo ny fahendrena nasehon\'ny RFI Ivato...
Mbola averiko amintsika FA RAHA TSY NIKITIKITIKA NY FIANAKAVIANA RAJOELINA Atoa RAVALOMANANA TSY NIROTSAKA NANAO POLITIKA IZANY NY Atoa RAJOELINA.
tsimendrika:
Farany, ny olona manohana ny famerenana ny ara-dalàna lazaiko ange tsy ilay tany Mausolée ihany fa na ny eny amin\'ny Magro koa e. Ny fahitako azy ry amlewii tena misy olona tokoa eny fa tsy vitsy izany, ary raha karamaina isan\'andro ireo olona ireo dia tsy dia inoako loatra, satria raha karamaina ireo, rehefa vita ny fanamarinam-pahatongavana dia miparitaka. Ny zava-misy anefa dia tena tsy miala izy ireo na orana na hafanana. Ary ny fahaitako azy dia tena masaka ara-poto-kevitra ireo, ary sarotra akifika mihintsy.
Ka asa ny fahitantsika izany ?
Izay aloha no azoko aroso fa dia mirary soa jiaby e.
ILAY TSY MENDRIKA
Momba ny olona eny @ Magro, asa aloha na fantatrareo any ampitan-dranomasina any fa Magro Ankorondrano efa tsy azo anaovana fihetsiketsehana intsony, Behoririka sy Tanjombato no mifandimbidimby eo.
Marina fa misy olona eny fa tsy olona an\'alina fa andao ataoko hoe an\'arivony, fa RAHA NISY OLONA AZA TENY NANINONA NO TSY TONGA TENY @ MAUSOLée IZY IRENY NANAMAFY NY ANTSO NATAO AZY IREO t@ ALALAN\'NY RADIO FAHAZAVANA IZAY RADIO MAHA HENIKA AN\'I MADAGASIKARA AN. MINOA AHY MARIMARINA IANAO RY tsimendrika fa raha maro ny olona tonga teny RAIKITRA NY ADY satria tsy maintsy nanaraka ireo miaramila nandray vola... Fa tsy afaka nihetsika izy ireo satria tsy nanaraka ny vahoaka.
Matoa ny CAPSAT sahy nihetsika t@ 2009 dia satria efa hitany fa tany @ Atoa Rajoelina teny @ 13MAI ny ankamaroan\'ny vahoaka ,satria tsy afaka hilaza ny tenako fa ny Malagasy 20.000.000 no nanaraka an\'Atoa Rajoelina an, dia mbola averiko fa raha ilay 2O Millions aloha no andrasana dia na ny filoha lany hitondra ny firenena aza dia tsy ilay 20 Millions no nifidy azy éé,
Rehefa tsy maro an\'isa ny MPANDEHA ENY @ MAGRO NO TONGA TENY à MAUSOlée dia tsy nihetsika ny miaramila satria mazava ho azy fa andian\'olona no arovany raha mihetsika teo izy, izay no maha-piaro ny vahoaka ny TAFIKA any @ izay misy ny vahoaka no misy azy...
Ataoko fa mazava ny fanazavako an...
Mbola averiko fa ALEO NY MPANAO POLITIKA HANAO POLITIKA DIA NY MPANDRAHARAHA HANAO NY ASA FANDRAHARANA FA IZAY NO TSY MAMPANDROSO AN\'I AFRIKA.
JEREO I CHINE MISY CHINOIS ANIE MPANANAKARENA BE MIHINTSY é FA NY PARTI COMMUNISTE IHANY NO MANAO POLITIKA DIA JEREO FA MANDEHA NY FANDROSOANA, NA NY TANDREFANA AZA TSY AFAKA MANAO JERIKIANA @ ILAY FITONDRANA SATRIA MANDROSO NY CHINOIS. iO moa izao ry zareo dia tsy miraharaha fa hitondra nanome an\'ilay 100 Million de Dollars mahakasika ilay fitrandrahana Vy ao Soalala...
Ny olana dia ny TANDREFANA No ao amabadik\'ireo mpanankarena manao politika aty afrika, ny tanjony dia totofany vola sy harena ny mpitondra dia tsy afaka miteny dia ataony izay tiany atao ao @ ilay firenenana.
Misy antony ny nanasarahan\'Andriamanitra an\'i Madagsikara t@ i Afrika ka tsy tokony ny afrikanina no hibaiko antsika Malagasy @ izay tokony hataontsika sy hanapaka @ izay tiantsika hitondrantsika ny firenentsika.
Masina i Madagasikara Sy Ny Vahoakany satria manana an\'Andriamanitra Ho Mpiahy azy. Ho ela velona ny SOATOAVINA Malagasy izay tsy ananan\'iza n\'iza eto ambonin\'ity tany ity.
8. amlewii
(
27/05/2010 16:43)
ouioui:
Aza miteniteny foana raha tsy mahalala ny tena fandehan-javatra ry leity a, vao nekena aza i ralavasanga fa ho prezn\'ny tetezamita dia izay fotsiny no tadiaviny ka nony tonga taty an-tanintrazana dia adinony daholo ny teny sy ny voady nifanaova tsy an-katerena, ary dia nosiniaviny , tsy nisy basy natohaka teo an-dohany
Saika tsy hamaly an\'i ouioui ny tenako kanefa araka ilay tenin\'i tsimendrika hoe ny hevitra no miady dia hamaly an\'io ouioui ihany aho: ka izao
Alaharo araka ny fisehoan-javatra ny zava-niseho fa toa izao:
Vita ny fifanarahana tany Maputo dia rehefa nihazo an\'i Madagasikara Ato Rajoelina dia mbola tany Maputo Ato Rakotovahiny sy Ato Fetison no nanao ilay fanambarana fa TOKONY HAMELARANA TAPIS ROUGE SY HITSOFANA MOZIKA IHANY KOA IZY IREO REHEFA TONGA ETO AN-TANINDRAZANA.
NY dikan\'izany eo @ sehatra politika dia mitovy lanja @ FILOHAN\'NY TETEZAMITA izy ireo. Mino aho fa nianatra lalàna i ouioui an, dia tsarovy fa ny fahaizan\'ny mpisolovava mandresy lahatra eo @ fomba fanazavany lalàna (interprètation) dia mampiova ny didy avokan\'ny mpitsara, noho izany dia toa ny lalàna iray ny Fehin\'ny dinika tany Maputo ka rehefa vita sonia ilay izy dia hafa ny nandraisan\'ny mouvance anan-kitelo azy, ka rehefa tsy mitovy ilay fandraisana azy dia tsy maintsy rava ilay izy. Mbola averiko fa io TSY FITOVIAN-FIJERY IO NO TSY MAMPETY AN\'ILAY FIHARAHA MITANTANA NY TETEZAMITA.
Avy eo moa dia Atoa Rakotovahiny sy Atoa Fetison no nandefa ilay taratasy mangataka ny tsy hanekena an\'Atoa Rajoelina hisolon-tena an\'i Madagasikara tany Copenhague, ary ny tena zava-doza dia nampiasa ny cahet ny repoblika Malagasy izy ireo nanao izany hitanao amin\'izany fa na ianao aza no teo @ toerana dia tsy nanaiky hiara-miasa @ ireo olona ireo ianao.
Mazava izany fa ny MOUVANCES TELO NO NIVADIKA VOALOHANY DIA VOATERY NANAPAKA AN\'ILAY FIFANARAHANA Atoa Rajoelina na dia efa vita sonia aza izany.
ouioui:
(ampihatsiahivana fa izany fomba izany no nanereny ny fitaovan\'ny HAT namindrana ny fahefana t@ ireo miaramila sasan-tsasany.....!!)
Mbola averiko fa matoa nandray ny andraikiny ny TAFIKA t@ 2009 dia satria anetsiny maro ny olona nidina an-dalam-be t@ iny vanimpotoana iny ka tsy maintsy mandray andraikitra miaro ny vahoaka ny Tafika manoloana ny toedraharaha toa ireny.
Noho izany dia hamafisiko fa raha maro ny olona tonga teny @ Mausolée fa tsy amam-polony dia tsy maintsy nandray andraikitra ny Tafika fa jereo fa na ny RFI aza dia tsy nihetsika satria hitany fa andian\'olona vitsivitsy no tonga fa tsy VAHOAKA an\'hetsiny. Dia ny nataony moa dia nandray andraikitra t@ fiarovana ny ain\'ny Kolonely Raymond Randrianjafy.
Hitantsika amin\'izany fa HENDRY NY FOLO ALINDAHY MALAGASY FA RAHA TANY AFRIKA IRENY EFA ADY AN-TRANO NY TETO.
ouioui:
Ary dia hadinony hatreo ary ilay fifanarahana fa raha ekena ary i ralavasanga no filohan\'y tetezamita dia hanaiky kosa izy hiara-miasa @ ireo ankolafy hafa dia izay efa nifanarahana ,
Ary ny tena loza dia hita mibaribary tsy misy hafa toy ny vay an-kandrina ny fomba ratsiny io, dia ny mivadi-belirano foana , vokany dia tsy misy raha manjary ny fitantanan\'ireo tetezana tapaka ireo :oops: :oops: :oops: :oops:
nY fanaovana politika dia zavatra mihetsika fa tsy mijanona noho izany dia tsy maintsy misy ny fiovana eny an-dalana, ka rehefa hita fa tsy mitovy @ izay nifanarahana ny zavatra tanterahana dia azo atao ny manapaka an\'ilay nifanarahana rehefa hita ny TETINDRATSY NA VELAMPANDRIKA napetrakin\'ny andaniny, ary izay fahasahiana mandray fanapahankevitra manoloana ny zavatra toa izany no ahitana ny fahasahiana sy ny fahavonona ao @ mpanao politika iray ary eo @ olombelona tsirairay @ ankapobeany... NY RATSY TSY KELY LALANA KA REHEFA HITANAO FA NAMITAKA ANAO IZY DIA RARINY RAHA TAPAHANAO NY FIFANARAHANA TAMINY. Jereo fa rehefa tsy manaraka arabakiteny izay voalaza ao @ contrat de travail-nao ianao dia résilién\'ny patron ilay contrat é, dia afaka mitory ianao fa na tianao na tsy tianao dia zo ny patron izay, ary na ianao io ihany koa aza dia afaka manapaka fifanarahana rehefa hitanao fa lèsé ianao...
Hamaranako azy dia matoa ianao mahita anterineto dia satria olona nandalina ka mba ampiasao ilay fandalinana anananao fa aza avela ny olona no handalina eo @ toeranao ka kanao ouioui fa mba ho amIN\'le OUI... na dia ekeko fa vitsy ny olona tena miaina @ zavatra nalaliny fa maro kosa ny miankina sy miandry izay nohalalin\'ny sasany...
Eto aho dia mitodika manokana @ i tsimendrika miandry ny ahafahantsika mihaona aho, efa nomeko anareo io ny mail-ko ka aza misalasala fa aina ity hoy rainimanonja...
9. rijadolly
(
27/05/2010 17:03)
Somary andray anjara Kely
Ny fanamarinantena sy ny tsy fitiavana an\' zaroa, sy ny fahatahorana ny ratsy natao hibaribary ny olona koa. Raha misy anefa ny olana dia tsy maintsy misy ny vahaolana, Ny vahaolana dia ny FIFAMELANA tanteraka, avela any ny ratsy vitan\' itsy tahaka ny tsy fitiavanao hipotran\' ratsy vitanao. Samy miseho ho Kristianina daholo nefa ahoana no tsy ho vita izany? esorina ao an- tsaina ny fanamarinantena hoe itsy no vatomisakana satria izao. Ho an\' izay mahita fa reraka ny vahoaka, Inona ny vahaolana? Tsy ilaina ve ny fankatoavana avy any amin\' iraisam- Pirenena? Iza amin\'ireo mouvance 4 ireo no tsy manana tanjona mba hankatoavin\' ny iraisam- pirenena? koa raha MV Ratsiraka irery ahazo v? ra Mv Zafy irery ahazo ve? Ra MV Ravalomanana irey ahazo v? Rajoelina irery ahazo ve? Nahoana no tsy mitambatra? Ra misy tsy voavela ny heloky ny sasany tamin\' Maputo, Mitambara indray dia mifanaraha mba hifamela tanteraka fa reraka ny Gasy. Samy mitovy fijery Daholo izao isika fa tsy maha vaha olana ny fitsabahana ataon\' Firenena hafa, tsongaina manoka ireo Mpandrindra izay mikatsaka ny fisian\' fihaonana sy manome hevitra, koa maninona no tsy mifanaraka, Dia mety alaim- panahy isika miteny hoe tokony eto an- toerana izany no atao( samy Malagasy), dia hoy aho hoe @ fomba ahoana amin\' ireto didy fisamborana mavesatra be ireto? esorina daholo izany rehetra izany aloha, fa raha tsy hafaka izany dia tsy hafaka ny hifampidinika fa lasa manenjika ny hafa eto fotsiny ny asa vita. ary dia ho takotakonana eto ny vahoaka tsy afaka manambara ny heviny. Manana ny soatoavina izay tsara tokoa isika dia ny FIHAVANANA, aiza izy io amin\' izao andro maha ory izao? TSY AZO AVELA VE NY HELOKY NY HAFA MBA HANAKONANA NY AN\' TENA?

10. pikatti
(
27/05/2010 17:18)
TSY AZO AVELA VE NY HELOKY NY HAFA MBA HANAKONANA NY AN' TENA?
Ny tolona ,ny anton'ny nitoloman'ny Rajoelina iray manontolo no potika raha ny hamela an'i Sem Ravalomanana izy , hany ka izy mihitsy no manameloka alohan'ny fisian'ny fitsarana sy ny zavatra hafa rehetra, ary minoa aho fa raha afaka mirotsaka Sem Ravalomanana dia hiova hiditra hilatsaka izy , tsy ny hoe ho lany akory fa mba hanohy fotsiny ny tolon-drivotra efa natombony
Izany hoe raha mamela heloka izy dia lasa tsisy varany aby ny sain-dratsy nataony rehetra izay
12. tsimendrika
(
28/05/2010 10:38)
Miarahaba antsika indray,
Maro tokoa izay resaka efa natao izay. Tsapa sy hita tokoa, fa manoloana ny toe-javatra iray dia tena samy manana ny fomba fijeriny avokoa ny rehetra, ary io fomba fahitany ny zava-misy io dia tena itompoany teny fantatra mihintsy fa io no marina. Mety ho marina aminy io fa mety tena diso tokoa amin'ny sasany.
Ny isintonako ny saintsika mandray anjara amin'ity dinika ity dia izao, angamba tsy dia vaha-olana loatra ny fanamarinana na fanadisoana hevitry ny namana iray, satria dia samy hilaza fa manana porofo tsy azo lavina na idovirana avokoa ny rehetra, dia hihenjana eo ny tady ary dia ho vao mainka hiteraka olana hafa indray, satria ho tapaka ilay tady mihenjana. Amin'izay fotoana izay dia ilay dinika natao hamahana ny olana no vao mainka nanapaka ny fifandraisana sy fihavanana izay ezahantsika hotohizana.
Izaho manokana dia toa te-handray ny hevitr'i Rijadolly teo hoe : tsy aleo ve izay efa vita tany, ho any e. Fa 'ndao hijery ny manaraka indray isika rehetra. 'Ndao hifamela sy hanadino izany, fa raha tsy izany io dia hifandritarita eto foana isika mianakavy, dia tsy hahita ny mangirana. Dia avy eo ny VAHOAKA ihany no mampalahelo eo.
Mora resahana tokoa anefa ity FIFAMELANA ity fa ny fanatanterahana azy no toa tena gaigy be. Dia eo indrindra no iaraha-mandinika e. Sa ahoana hoy ianareo rey olona ?
Satria mantsy ireo mahita fa Andriamatoa Marc RAVALOMANANA dia tena nanao zavatra tsy azo ivalozana mihintsy dia ho sarotra aminy ny hamela azy. Tahaka izany koa, ireo mahita fa Andriamatoa Andry RAJOELINA no tena tompon'antoka amin'izao olana izao, dia toa ho sarotra aminy ny hifamela aminy. Kanefa,... kanefa, hoy aho, dia izay no làlana tsara tokony horaisina.
Dia tena maty antoka be ve ny mpomba an'Andriamatoa Filoha teo aloha raha mifamela amin'ny mpomba ny Filohan'ny Tetezamita amin'izao fotoana izao ? Na, dia tena maty momoka tokoa ve ny tolona natao tamin'ny 2009 raha tsy mamela an'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA isika ? Izaho anefa mahita fa tsy maty momoka io tolona nataontsika iny, fa tena hiteraka fiovàna lehibe tokoa raha manaiky HIFAMELA isika mianakavy.
Fampieritreretana ihany ny ahy iny ry namana hajaina, fa antsika ny mandinika tsara amin'ny tokony ho tohiny.
Misaotra antsika rehetra.