Hikiribiby foana hiroso @ unilateralisme
21. amlewii
(
25/05/2010 08:57)
tsimendrika:
Tsy haiko aloha, fa ny fahitako azy dia tena ao anatin\'ny fijaliana ny Vahoaka madinika. Raha tsy hilaza fotsiny aho dia mba jereo tsara ange ny fiakaran\'ny tsy an\'asa e. Ary raha izao no mitohy dia tena hanahirana ny ho avintsika.
Tsy misy afaka ny hiteny hoe TSY MIJALY NY VAHOAKA MADINIKA, fa ny tsara ho fantatra dia ny hoe inona ny antony nahatonga izany???
Ataoko fa fantantsika tsara daholo fa ny mpiasan\'ny Zone no tena niharan\'ny an-kivy ataon\'ny americain sy ny mauricien ary ireo mpiasan\'ny zone ireo no mampitombo ny tsy an\'asa, izany zavatra izany anefa dia tohin\'ny fangatahana nataon\'Atoa Ravalomanana t@ amerikanina ny tsy hanohizana ny AGOA, ny marimarina koakoa dia tsindry (pression) nataon\'ireo mpanambola amerikanina mpiaramiasa (lobby) @ Atoa Ravalomanana t@ fanjakana americain ilay izy, izany hoe nampitombona ny mahantra mba hitroatra hahatonga ny ady an-trano, mbola averiko fa ny hisian\'ny ady an-trano eto no tanjon\'ny vahiny fa ny tena hita mibaribary dia atao IZAY MBA HAHALEMY AN\'ITY TETEZAMITA ITY, NY TANJONA AMIN\'IZANY DIA ENTINA HILAZANA @ MALAGASY FA ZAVA-POANA IZAY ATAONY RAHA TSY HANAIKY NY VAHINY IZY.
Ny tena zava-doza dia tsy nisy mpitondra teto nahavita nanohitra ny Vahiny, porofo dia jereo fa FITO taona nitondrana Atoa Ravalomanana fa mbola 60% ny investisseurs dia mbola ny Frantsay, ny secteur financier mbola ny Frantsay no mifehy azy, jereo anefa ny fihetsiketsehana nataon\' Atoa Ravalomanana milaza fa mandroaka Frantsay, ireny dia paika politika daholo fa tsy arahan\'asa, Ny politikan\' Atoa Ravalomanana sy Atoa Ratsiraka dia nitovy : NANDROAKA VAZAHA MBA HOSOLOM-BAZAHA, Norohahan\' Atoa Ratsiraka ny americain sy ny Frantsay dia nosoloiny Koreana sy Sinoa ary Russes roapolo taona aty aoriana anefa dia mbola ny Frantsay ihany no mpitondra vola be eto Madagasikara. Norohahan\' Atoa Ravalomanana ny Frantsay dia nosoloiny Zoulou, Mauriciens ary americain dia jereo fa fito taona aty aoriana mbola ny Frantsay ihany no mpamatsy vola ny Malagasy, mba fantatrareo ve fa Atoa Ravalomanana dia nanao chantage nanao hoe rehefa tsy ny Malagasy no mandray ny fihaonam-be ny tany miteny frantsay dia hiala ao i Madagsikara, fitadiavana voninahitra izany fa naninona no tsy tonga dia niala fotsiny tsotra izao.
Raha ny fanenjehana ny Vahiny dia hain\'ny Malagasy, Mbola averiko anefa fa tsy ny hatsaran\'ny masonao no ahatongavan\'ny vahiny eto fa matoa izy mandeha aty dia mitady tombony ho azy, dia jereo ny Malagasy iray avy any Imady, tonga ao Antananarivo izy dia manao izay ahitany vola sy hampitombo ny harenany, dia tezitra ny mponin\'Antananarivo miara-monina aminy ka milaza fa mpangalatra sy mpangoron-karena ilay Malagasy avy any Imady ny tsy fantany anefa dia ny hoe:\"Fidiny ve ny nivarinana antsiraka fa ny fitadiavana mahazaka maniraka\" ka rehefa tonga any dia mitady vola ary tsy maintsy manao izay fomba rehetra ahafahana manangona vola betsaka araka izay azo atao! Ka amiko tsy ny vahiny no tokony omena tsiny fa ny mpitondra izay tsy mahavita mifanatrika sy manova ireny vahiny ireny. Ny zava-misy anefa hatreto dia izay mpitondra teo dia tsy nisy nahavita an\'izay fa ny nataony dia rehefa hitany fa MAFY BE NY HERIN\'NY VAHINY DIA NAMENO NY PAOSINY NO NATAONY MBA HIANTOHANA NY HOAVIN\'NY TARANANY. Lasa fiarovana tombotsoa manokana ilay TOKONY HO FIAROVANA NY TOMBONTSOAM-PIRENENA.
Hamaranako azy dia tsotra, ALEO MITADY OLOM-BAOVAO FA TSY LANY OLOMANGA ITY MADAGASIKARA ITY ARY MANANA AN\'ANDRIAMANITRA HO MPIAHY AZY NY MALAGASY SY I MADAGASIKARA KA TSY TOKONY HATAHOTRA NA HAMERINA NY EFA NALOHAN\'NY VAHOAKA SATRIA NY ALIKA NO MIVERINA @ NALOHANY KA TSY SANATRIA AKORY ALIKA ISIKA!
22. Bazilou
(
25/05/2010 17:00)
Rediredy ny anao ry @lenon a!!!!
Efa tsy eo R8 fa tsy misy resaka hidiran-r8 ny fahantrana fadiranovany mianjady @ Ramalagasy izao,raha milay ratezevendrana dia efa nilay koa ny fiainanay,aiza rangah ty koa heritaona sy tapany no teo nefa tsisy afitsoka
VIRE TGV
Efa tsy eo R8 fa tsy misy resaka hidiran-r8 ny fahantrana fadiranovany mianjady @ Ramalagasy izao,raha milay ratezevendrana dia efa nilay koa ny fiainanay,aiza rangah ty koa heritaona sy tapany no teo nefa tsisy afitsoka
VIRE TGV
