Fampiasan-kery tsy vaha-olana fa vao mainka manasaro-javatra
1. tsimendrika
(
23/05/2010 15:41)
Miarahaba daholo e.
Tratry ny Pentekosta jiaby, ary enga anie ka hitondra fiovana amin'ny toe-draharaha ity fety ity, izay nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Apostoly fahizay, araka ny voalazan'ny Baiboly.
NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY, ny TENY MAMY MAMPITSAHATRA FAHATEZERANA.
Ireo no hafatra tiako ambara amintsika ato anatin'ity dinika ity. Raha mba azo atao dia aleo atsahatra amin'izay ny fampiasan-kery amin'ny endriny rehetra. Anisan'izany, ny fisamborana, ny teny mahery, fifampihatsiana, ny fifampitifirana, satria minoa ahy ianareo fa tsy mahavaha olana izany, na inona ambarantsika na inona. Vao mainka aza manasarotra ny raharaha izany.
Raha tsy nirehareha nampiasa hery ny andaniny sy ny ankilany dia tsy ho ratsy toerana tahaka izao ny Filoha Avon'ny Tetezamita.
Tsy dia mahay Soratra Masina loatra aho, fa kosa misy anatra tsara azo raisina be dia be tokoa ao, toy ny hoe : "Ny fanetrentena mialoha ny fisandratana", ao amin'ny Ohabolana angamba no misy azy izay.
Koa raha samy manetry tena avokoa isika rehetra dia inoako fa HISANDRATRA AVO TOKOA ITY MADAGASIKARA MALALANTSIKA ITY.
Teny atsipy ho antsika Malagasy manam-panahy ihany ny ahy iny, koa dia mino aho fa tsy hisy intsony ny toy ny teo raha miara-manaiky isika mianakavy (sivily sy miaramila) fa :
"NY FAMPIASAN-KERY DIA TSY VAHA-OLANA FA VAO MAINKA MANASARO-JAVATRA"
Mirary soa daholo e.
ILAY TSY MENDRIKA

novalian'i tsimendrika ny 24/05/2010 16:48
3. rijadolly
(
24/05/2010 03:32)
amiko ry Tsimendrika dia tsy maintsy ambara sy ampifantarina ny zanaka ny hadisoany aloa mba hanekeny fa diso izy; afahana manitsy ny diany, izay atao ao anatiny teny mamy. Sao mantsy manamaritena loatra izy ka mirehareha ny hadisoany hoe tsy izaho zany.
4. rijadolly
(
24/05/2010 03:51)
Mitovy hevitra an' se aho, eny hatrany am- boalohany février 2009 isika teto dia fanambatambazana mba hirosoana ny latabatra boribory hatrany no naroso, fa misy anefa ireo izay manana ny marina ka namohy hatrany ny lakany izay efa jejo ny lohany. Na izany na tsy izany dia tsy mitsahatra hatrany isika hanoro ireo izay manam- panahy mba hifanantona tsy hanao sorona ny fiainan' Malagasy noho ny Politika maloto ( ady seza sy ny fiarovan- tseza fa tsy FITIAVANA TANINDRAZANA)
Ty koa misy hevitra tsy ratsy izay hitovizako hevitra ohatr' ny an' i Tsimendrika koa. http://kf-anawi.com/index.php/tefena-andriamanitra-ny-gasy.html

5. milamm
(
24/05/2010 11:57)
toy ny tantely mamy atohoka @ vava daholo ireo teny na dia marina aza dia lasa teny filamatra fotsiny fa tsy azo ampiharina ao amintsika,efa hita tany zamerika M.l.King oh.akaiky izany(fanjakany hery ny eto antany,ka na dia ambony aza ny fihavanana dia aripaky ny mpanoha riana tsy mahataho-tody ny fanahiny ireo marina).Ireny namongorana ny TTS dauphin sy tariny ireny dia hery no niasa nisy ny vokany ary nisy ny koa ny vidiny namoizana an'i sifu Pierre be,itodiho ny lasa jereo ny ankehitriny ary banjino ny ho avy fa ilaina ny mpitarika matsilo handrava ny fat vao oh,niseho iny ltn.kln Andrianjafy mendri-piderana ny toy ireny mbola betsakany ho avy
6. tsimendrika
(
24/05/2010 12:20)
Misaotra antsika namana rehetra,
Mahita aho fa marina avokoa ny nambarantsika teo, saingy ity no mba isarihako ny saintsika, mety tsy niseho ireny rehetra ireny raha ohatra ka, (miala tsiny fa mety ho mafy angamba ity teniko ity) tsy nisy ireo mpananty ran-kena, mpandrangitra sy mpihantsy isan-karazany. Maro ny sehatra mety nisehoan'izany, ohatra, amin'ny alalan'ny Gazety, Radio, Televiziona, sns... Ireo rehetra ireo dia nahitana izany avokoa, na tamin'ny andaniny izany na tamin'ny ankilany. Samy henoiko avokoa ny Radio an'ny ankolafy rehetra, fa tena nahenoako ireo avokoa (ohatra : Radio Fahazavana, Radio VIVA, Radio Antsiva,...) Tena nampalahelo ireny ry zareo, kanefa moa izay no zava-nisy ka atao ahoana. Mino anefa aho fa mbola tsy tara izao raha miara-mientana isika rehetra (na TGV na AREMA, na TIM, indrindra isika izay tsy mba niteny hatramin'izay, sns...).
Afaka mandroso hevitra ve aho ? izao ny hevitro, andeha isika rehetra, na ny mpomba ny HAT na ny mpomba ny ankolafy telo, hifanao fotoana, dia atomboka amintsika ny fifamelàna. Sarotra ve izany ? ? Kanefa raha vitantsika izany, dia milaza amintsika aho fa ho fifandraisantànana no hisy ary tena fifaliantsika samy malagasy. Asa ! ! ! rediredy ve ? ? Aoka isika samy handinika lalina satria rehefa hitan'ireo mpanao Politika ireo fa mihavana isika izay mpanaraka azy, dia azoko antoka fa ho TONGA SAINA ireo ary dia hanaraka antsika koa. Tsy aleo ve isika indray no hitarika e.
Soso-kevitra ihany ny ahy iny.
Misaotra antsika sahady amin'ny valiny, ary vonona ny handray ny soso-kevitra avy amintsika rehetra.
Mandra-pihaona indray.

7. terrywui
(
24/05/2010 15:42)
Ny tena mandreraka be amle MPANOHITRA hoa de le fivoizany mafy sy tsy ampihambahambana intsony ny resaka RACE ao aminy ao !!!! ary zay mitsy no tsy maharesy lahatra anay hiditra ao aminio Antoko io!!! rehefa Tanindrana ao na maintimainty de alikaindry lerony sy ataony ambany mihitsy !!! defa milaza anefa aho fa tsy ho tafavoaka aminio lalana izoranareo io nareo ry mpanohitra a!! raha vao io resaka razana ;, foko , fihaviana , lokontarehy sy fiheboheboana ,miseho milay io no entinareo!!!!!
--- ahita ny anganonareo foana nareo fa eto anie isika e!!! ovay mihitsy aloha le toetsaina !!! anareo MPANOHITRA ato amin serasera.org no manaova fitaratra mitarika azy voalo de angamba mety hiova ihany io loha ratsy io!!!..... :evil: :evil: :evil: :evil: :evil:

8. tsimendrika
(
24/05/2010 16:48)
terrywui,
Resaka efa lany andro tanteraka izany fanavakavahana izany r'zoky. Koa miala tsiny aho fa angamba na ny andaniny na ny ankilany dia samy efa tsy amin'izany intsony.
Zavatra efa tena mahamenatra izany, ka tsy tokony hotononina eto intsony.
Mirary soa aby e.