FIFAMPITIFIRANA TENY FORT DUCHESNE !

1. ravatorano ( 21/05/2010 10:53)
FIFAMPITIFIRANA TENY FORT DUCHESNE
4 no maty : Fis 1, Fign 1, Emmo/Nat 1, sivily 1

Efatra no fantatra fa namoy ny ainy. Zandary avy amin’ny Fign ny iray. Iray hafa zandarin’ny Fis. Miaramilan’ny Emmo/Nat ny fahatelo, ary sivily ny iray. Ankoatra ireo maro ny sivily sy miaramila naratra.

Henjana sy tena nafotaka ny fifandonana, fifampitifirana teo amin’ny Zandarin’ny Fign notarihan’ny Kolonely Raymond Randrianjafy sy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Nat, notarihan’ny Kolonely Ravalomanana Richard, nampian’ny miaramilan’ny Fis, notarihan’ny Kolonely Lyllison René.

Efatra no fantatra fa namoy ny ainy. Zandary avy amin’ny Fign ny iray. Iray hafa zandarin’ny Fis. Miaramilan’ny Emmo/Nat ny fahatelo, ary sivily ny iray. Ankoatra ireo, maro ny sivily sy miaramila naratra. Henjana sy tena nafotaka ny fifandonana, fifampitifirana teo amin’ny Zandarin’ny Fign notarihin’ny Kolonely Raymond Randrianjafy sy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Nat, notarihin’ny Kolonely Ravalomanana Richard, nampian’ny miaramilan’ny Fis, notarihin’ny Kolonely Lyllison René.

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo Fign nioko sy ny miaramila avy amin’ny Emmo/ Reg, nampian’ny miaramilan’ny Fis, omaly teny Fort Duchesne. Zandary roa no maty, ka ny iray zandary avy ao amin’ny Fis, izay fantatra fa mpamilin’ny Kolonely Lyllison René dia izany adjudant chef Ramaroson izany. Zandarin’ny Fign ny faharoa, ny fahatelo dia miaramila serzà avy amin’ny Emmo/ Nat, ary ny iray farany dia lehilahy sivily eo amin’ny 57 taona eo ho eo. Dimy ny naratra nentina teny amin’ny Homi Soavinandriana ary fito ny teny amin’ny Hjra. Samy naratran’ny bala avokoa ireo rehetra ireo. Miaramila iray voatifitra teo amin’ny lohany raha nitarika ireo namany niakatra hamonjy an’i Mausolée. Miaramila iray ihany koa no nifoteran’ny afo nitifirana «lance rocket», avy tety ambanin’Antanimora.

Tokony ho tamin’ny 10 ora 30 no naiditra voalohany teny amin’ny Hjra ireo olona voatifitra teny Nanisana, Mausolée sy ny manodidina iny. Namoy ny ainy vokatry ny bala very tafiditra teny akaikin’ny ankasarotana ilay raim-pianakaviana iray 57 taona, sendra nandalo teny amin’ny faritr’i Mausolée iny, omaly maraina. Niezaka nanao izay ho afany ny mpitsabo, saingy tsy tana ny ain’ilay rangahy, omaly tolakandro. Voa teo amin’ny tongony kosa ny efatra tamin’ireo naratra ny maraina ka vehivavy ny iray. Ankoatra azy dimy ireo, nisy reseverana taxi-be iray koa voatifitra nandritra ny fiantsonana teny Mausolée, ny tolakandro tokony ho tamin’ny 1 ora. Nandalo teo amin’ny lohany sy ny tanany ny bala. Voatifitra teo amin’ny hatony kosa ny ramatoabe 65 taona monina eny Andravoahangy sendra nandalo teny an-toerana, tokony ho tamin’ny 2 ora ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly.

Tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any kosa no voatifitra ny Pasitera Ranaivo Rivo Harison, 53 taona, izay voa mafy teo amin’ny ilan-tratrany havanana. Mbola atahorana ny fahasalamany hatramin’ny halina. Tamin’ny 4 ora sy sasany kosa no nisy naratra niditra farany teny amin’ny Hjra, mpianatra iray voatifitra teo amin’ny hatony.

Tafiditra tao amin’ny toby Fign ny Emmo/Nat

Nandritra ny fisavorovoroana rehetra teo amin’ny miaramilan’ny Emmo/Reg sy ny Fign, nandeha hatrany ny fifampiresahana ambadika nitadiavana vahaolana mba tsy hirosoana amin’ny fifamonoana sy fifandatsahan-dra. Nanazava ny kolonely Ravalomanana fa misy ny fifanarahana atao mba handaminana ny ady. Tonga hatramin’ny filazana fa hitolo-batana ny kolonely Raymond R. Nisy tamin’ireo miaramila sasany avy amin’ny Fis anefa tsy faly noho ny namany maty voatifitra ka vonona hiroso amin’ny fanafihana ny toby Fign. Tamin’ny 4 ora sy sasany vao nanomboka nitsofoka avy any amin’ny fasan’ny Mahery fo izy ireo.

Nirefodrefotra ny basy sy ny tafondro nidirana tany amin’ny toby. Efa tamin’ny 6 ora latsaka fahefany vao tafiditra tany anatiny izy ireo. Tsy nisy olona tratra intsony tao na iray aza. Basy Kalachnikov maromaro niaraka tamin’ny bala no tratra tao. Voalaza fa nisy Fign iray maty. Tsy nisy na iray aza anefa voasambotra tamin’ireo Fign. Araka ny fantatra, navoaka mialoha tao amin’ny toby ny olona sivily. Nanaraka taorian’izay ny fivoahan’ireo miaramilan’ny Fign notarihin’ny Kolonely Raymond Randrianjafy, izay tsy fantatra mazava ny fomba nialan’izy ireo tao sy ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao. Tamin’ny 7 ora alina teo ho eo vao voafehy tanteraka ny toby ka ny Emmo/Reg no nitoby tao omaly halina tontolo.

Nangonin’i Yves S. sy Henintsoa R.
gazety taratra
21/05/2010
novalian'i feticon ny 21/05/2010 20:51
2. terrywui ( 21/05/2010 11:03)
Tsy mihomehy loza ah ravatorano fa tena Pasteur inona koa ary ry lerony ireo no anaty tobina miaramila faritra mena no itondrana ny vahoakan'israely :-D :-D efa hita fa fopla zany de mbola nentina ihany :
---zao ty ""ganagana nitety asa ka ny tena mangana , ny hanina tsy azo ...."""!!
3. terrywui ( 21/05/2010 11:06)
EFA NANDRASAKO KENDRITOHINA ELA MIHITSY ITY ANDRO ANIO TY ...ZAO TSARY MISY HITA ABY RY TAFONDRO VAVA ISANY ISAN'ANDRO MIFANABOSIBOSY AMIN RATSY TATO FA NANAO AKANJO MAINTY MISY BOUTON NOIR DAHOLO :-D :-D :-D :-D
4. terrywui ( 21/05/2010 11:09)
AIZA ELAH RABAZYLOU FA TAFIDITRA ATO AMIN FORT DSC (FIGN) = SERASERA.ORG TY NY MIARAMILA A....TSISY HITA TATO ABY RY ZALAH MPANOHITRA FANJAKANA BE TAFONDRO VAVA TATO !!! ASA NA NITAMPIFIPIFY AIZA ABY IZY REHETRA ! HATRAMIN'I SEFO RAYMOND SY SEFO HERY ABY ARY ANIE TSARY MISY HITA ABY ZE NALEHANY EEE :-D :-D :-D :-D :-D :-D
5. vitalkamaoly ( 21/05/2010 11:34)
inty lesy a de ahona ary? :@ :@ pfffff lany ny giradina jeneraly ato r8 fa mbola hampanamboatra eny @ tohatohabaton'Antaninarenina alo fa aza matahotra elah e koff koff hon hon koff
6. Mandefitra ( 21/05/2010 12:41)
ankadasitra iny zokibe a ... ra nijery le video t@ tv plus ianao de hita hoe rindrina no notifirin ny emmo reg, ra8 bodega nanao tenue de ceremonie, lany bala ry zalahy de niantso hoe ento aty ny chargeur e .. tsisy nanao casque.

Donc, fika natao handotoana ny HMF iny, sy handavana ny pretoria II.

14h00 C'est officiel, le colonel Raymond Randrianjafy a ete apprehende mais son lieu de detention est tenu secret

Raha tena mutin lery tsy hitolotena sahady zany ... ry Pety aza tsy nana basy ambolana maro vo tratra ko
7. ramosekely ( 21/05/2010 17:42)
aza be resaka lesy ry wiwi an fanjakana tsy sans qualité io mbola ho be ny sisa e
8. 3188 ( 21/05/2010 19:09)
ireny aza lesy lazainy fa 20 fotsiny iray no matiny nefa izy 1000 isa a! ireny lety no tena comando fa tsy vatatay toy ny an 'ny foza ry wiwi a!mbola miketrika hono ry zalah fa miandry kely toi a!aza mandihy tsy afa tavony lesy a!
9. fijo ( 21/05/2010 19:34)
izay indrindra .olona 20 efa mahavita to aireny,ka rah atena "camp" iray izany tsy taridositra nyan'i FIS sy ny sasany??
10. feticon ( 21/05/2010 20:51)
NY FOZA MASISO IRENY TENA BE VAVA ETO MANOHATRA DIA HOE HIJANONA EO @ FITONDRANA MANDRAKIZAY LOHAM POZA MARINA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809