tena misy ve ny vampire

1. xxx ( 19/05/2010 05:48)
saika mba hanontany anareo ny tenako fa lasa lavitra ny saiko, fampitahorana sa tena misy marina ve ny vampire sa film fotsiny izy ireny. Efa nisy namana na havana nivadika vampire ve taminareo?
novalian'i bichette ny 07/07/2010 14:52
2. Mirananirina ( 19/05/2010 13:01)
Film izany aka
3. soanja ( 19/05/2010 14:03)
xxx:

saika mba hanontany anareo ny tenako fa lasa lavitra ny saiko, fampitahorana sa tena misy marina ve ny vampire sa film fotsiny izy ireny. Efa nisy namana na havana nivadika vampire ve taminareo?



Ny vampira dia misy fa karazana biby ramanavy iray ilay izy fa tsy olona.
Ny olona nihinana olona dia efa nisy be dia be tokoa. Ny olona nifampitsetsitra ra dia efa nisy be dia be koa.
Saingy ny toy ny olona nivadika biby ny tarehiny amin'ireo filma hitanao dia hevitra avao natao mba handanianandro sy hanala sorisory.


4. xxx ( 20/05/2010 22:30)
Ny moka kou anie ka vampire é !!ny sangsue , ny parasy , ny kankana , ets ets ... :lol: :lol:
5. soanja ( 21/05/2010 14:05)
Tantaraiko zavatra ianareo.

Tao anaty Rova tao tamin'ny andron'i Mpanjakavavy Ranavalona I ny tantara.
Izy moa iny tsy refesimandidy sy ratsy fanahy iny ka namono olona be dia be tokoa. Nisy iray tamin'ireo mpanolo-tsainy no noheverina fa rain-janany. Ka io rangahy io dia tena isan'ny ratsy fanahy indrindra tokoa tao an-dRova tao satria miara-matory amin'ny Mpanjaka indraindray. Betsaka tokoa no naniry ny hahafatesan'io rangahy io. Indray mandeha dia nomamoana ny Mpanjakavavy ary nilazana izy fa tsy mety manaraka ny didiny ilay rangahy. "Vonoy izy e" hoy ny Mpanjaka efa zatra loatra miteny io teny io. Vetivety dia nohidiana tao anaty trano iray maizina ilay rangahy dia novonoina ary sarotra hono no namonoana azy fa tena ela vao maty izy. Nony maty anefa izy ka nalevina dia isanalina ny Mpanjakavavy dia manonofy ratsy foana ary tena mahatsiaro ampijalian'ilay rangahy. Satria moa ny vazaha efa zatra ilay resaka vampira avy any aminy any dia nampiharina ny fanokafana fasana ary nasaina notapahina ny lohan'ilay razana. Mbola nanonofy ratsy foana anefa ny Mpanjaka ary nitady hevitra rehetra hanafoana izany nofy izany satria angatr'ilay rangahy mihitsy hono no hitany mitady hamono azy sy hitsetsitra azy. Dia natao indray ny fanatrobarana ny fon'ilay razana. Mbola nanonofy ihany izy anefa dia nampifamadiahana ny loha natao teny amin'ny tongotra ary ny teo amin'ny loha natao amin'izay lohan'akoholahy satria efa lany haika. Tsy nanova n'inona n'inona izany. Taty afara dia niteny mihitsy ny mpanjaka hoe nanenina izy nampamono ilay rangahy. Ka mandrapahafatin'ny mpanjaka dia tsy nitsahatra nampijalian'ny nofiratsiny izy.

Raha misy ny vampira dia izay no noheverin'ny vazaha ho vampira voalohany tao Madagasikara.
6. bichette ( 07/07/2010 14:52)
eny misy ny vampire. na irony sataniste mihinana rà irony fotsiny aza, manao sacrifice humain irony dia efa vampire.
henoy ny temoignagen'ilay pasitera Monteiro ao amin'ny youtube, ancien sataniste izy no niala ary lasa pasitera manaradia an'i Jesosy Kristy, mitantara antsipirihiny ny nataony taloha. ny nahafaka azy tao dia i Jesosy Kristy

http://www.youtube.com/watch?v=9kK7HPDOGss

raha tsy misokatra dia ataovy ao am google hoe "temoignage pasteur monteiro ancien sataniste"

bizy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.168