Aza manantena eo aloha raha mbola be ziriziry e

1. bekiraro ( 18/05/2010 08:59)
Na hanao cinema samihafa eo ary rabitro dia aza manantena fa hoe hilefitra ny mpamatsy vola , raha tsy miverina mifandinika @ fiaraha mitantana ny tetezamita ny tgv dia tsy hilefitra mihitsy izahay

"Nous sommes tous préts à revoir nos positions respectives en fonction des progrès politiques réalisés. Mais tant que ça reste gelé, nos positions le sont aussi. Il ne faut pas penser que quand le temps passe et que rien ne marche, la communauté internationale baissera la barre. Ce n’est pas comme cela que ça marche, il y a des principes qui ne sont pas négociables." a déclaré l’ambassadeur des Etats-Unis à Madagascar, Niels Marquardt, au quotidien malgache les Nouvelles.24h Mg
2. bekiraro ( 18/05/2010 09:02)
Pour l’ambassadeur des États-Unis à Madagascar Niels Marquardt il n’est question ni de reconnaissance, ni de soutien sur la base de l’annonce faite par Andry Rajoelina de se retirer des élections présidentielles bien qu’elle soit la bienvenue.

Koa inona izany fa tsy resak'hehy fotsiny ireny tabataba be hotran'ireny hoe navoaka fonja fanindroany indry ry Pety,i tgv ihany no nifoterany avy eo
3. AmiralHypopo ( 18/05/2010 09:07)
Pour l’ambassadeur des États-Unis à Madagascar Niels Marquardt il n’est question ni de reconnaissance, ni de soutien sur la base de l’annonce faite par Andry Rajoelina de se retirer des élections présidentielles bien qu’elle soit la bienvenue
:snif: :snif: :snif: :snif: :snif:
4. diloo ( 18/05/2010 09:16)
Na basy na tafondro tsy makaiza, dia hipoaka i Lita (hyppolite) sy ny kilibabam-bitro atsy ho atsy :wink:
5. falyfenosoa ( 18/05/2010 12:22)
Aleo ho hitantsika eo izay simba voalohany, na Etas-unis sy ny forongony na Madagasikara tsy miankin-doha amin'izy ireo.
Apetrako tsara eto na iza faly na iza indray ho tezitra fa : Firenena voafidin'Andriamanitra i Madagasikara, ary manana an'i Jesoa Kristy izay zanak'Andriamanitra izay hanavotra an'ity Nosy ity, ary hanasazy ireo firenena izay mihevitra ny hanjanaka azy sy ireo olona izay mivavaka @ vola mba hivarotana ny harena izay nomen'Ilay Nahary ho an'ny mponin'ity Nosy ity.
Miomana dieny izao fa ho avy tsy ho ela hanavotra ny zanany Andriamanitra sy Jesoa Kristy.
6. Vahoaka ( 18/05/2010 13:10)
Aleo ho hitantsika eo izay simba voalohany, na Etas-unis sy ny forongony na Madagasikara tsy miankin-doha amin'izy ireo.
Aza mamahan-dalitra ry falyfenoratsy a, fantatra ve aloha fa izahay vahoaka no no mijaly nohon'ny ataon'ny devolinao :?:
Ary mba fantatrao ve fa ny volanay ihany no ataon'ireto devoly faty any am-paosiny :?:
Ary fantatrao ve va ny 85% ny budgetn'i Madakasikara dia fanampiana avy @ ireo firenehin-dehibe ireo :?:
Madagasikara tsy miankin-doha :arrow: :arrow:fa mitsetritra fikam-bazaha ry domelina ary mandady @ tany izao i Ny Nosintsika nohon'ny nataony ihany :cry: :cry:
7. diloo ( 18/05/2010 14:33)
Everiko fa raha mangatam-pitahina @'ny Tompo Avo indrindra ianao, hisian'ny fandriam-pahalemana eto @'ity Nosy Malalan-tsika ity, dia tsapako ny hetahetam-panahinao.
Saingy ny filamatrao kosa, dia ny fampiasana an'i Jesoa ho fotaovam-pamoretana.
Ahoana no hamataranao izay fikasan'Andriamanitra. Sa kosa ianao te ho ambony noho ny Zanahary, ka mahalala izay fomba fijeriny ny tsirairay.
Izy irery ihany no mahafantatra ny heloka ny tsirairay. Izy irery ihany koa no mahafantatra ny sazy Tiany sy izay sahaza izay mety mpanao ratsy eran-tany.
Raha miresaka ny toejavatra ara-politika kosa, toa ny fanaovana dinika eto, dia raharahan-tsika olombelona io.
Araka izany, satria moa fandalovana sy fitsapana no napetraka amin-tsika olombelona eto an-tany, dia anjara ny tsirairay, manoloana ny Tompo (relation personnelle avec le Seigneur), no mijoro na tsia ho vavolombelony. Na koa hanaraka an'ity satana ity :evil:
Koa raha tianao hitohy ny dinika mikasika ny mety ho fahatezeran'Andriamanitra, anjrany izany fa tsy anjaranao, dia manokafa dinika sy lohateny ao @'ny dinaka natokana ny Fivavahana.
Fa ny eto dia dinika politika.
Misaotra anao
8)
8. pikatti ( 18/05/2010 23:41)
Pour l’ambassadeur des États-Unis à Madagascar Niels Marquardt il n’est question ni de reconnaissance, ni de soutien sur la base de l’annonce faite par Andry Rajoelina de se retirer des élections présidentielles bien qu’elle soit la bienvenue

Migogogo daholo koa ry FATY isany izany klé, amiral tsisy sambo :-D :-D
9. falyfenosoa ( 19/05/2010 07:18)
Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin\'ny hazo fijaliana koa?
Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony, koa izay nanolotra Ahy taminao ny manan-keloka bebe kokoa. JAONA 19:10-11


Tsy dia asiana resaka be fa dia mazava ny politikan\'Andriamanitra fa azy ny fahefana na ety ambonin\'ny tany na any an-danitra.
Izy no manome fahefana ny mpitondra rehetra na iza na iza, ary matoa miala aminao ny fahefana dia Izy no maka azy.
Na inona na inona fankahalana an\'i Rajoelina Andry dia Andriamanitra ihany no manana fahefana hanala azy eo fa tsy isika olombelona. Toy izay koa Ravalomanana Marc, na inona ataony dia rehefa tsy sitrapon\'Andriamanitra dia tsy niala teo izy.
Aoka ho fantatsika fa avy amin\'Andriamanitra daholo na ny tsara na ny ratsy.
Aleo ny tantara no hitsara. Ary aza mba ho isan\'izay tsy mino ianareo
ARY tamin\'ny indray andro koa dia avy ireo zanak\'Andriamanitra hiseho teo anatrehan\'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan\'i Jehovah.
Dia hoy Jehovah tamin\'i Satana: Avy taiza hianao? Ary Satana dia namaly an\'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin\'ny tany aho ka nivezivezy teny.
Dia hoy Jehovah tamin\'i Satana: Efa nandinika an\'i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin\'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an\'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao.
Ary Satana dia namaly an\'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin\'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan\'ny olona dia homeny ho fefin\'ny ainy.
Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony - raha tsy handa Anao eo imasonao aza [Na: hahafoy Anao mihitsy.] izy e!
Dia hoy Jehovah tamin\'i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan\'i Jehovah ka namely vay ratsy an\'i Joba hatramin\'ny faladiany ka hatramin\'ny tampondohany.
Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an\'Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin\'ny anankiray amin\'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin\'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin\'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin\'ny molony Joba.
JOBA 2 : 1-10
Atsipy ny teny ho an\'ny manam-panahy.
10. diloo ( 19/05/2010 07:54)
falyfenosoa
Aleo manao vavaka mangina.
Olona madio sy avotra toa anao anie, tsy voarakotra ao anatin'ny fijoroana ho vavolombelon'i Kristy e.
Ny ondry mainty, noho ny fitiavany, no tiany ho anisan'ny ho ao anatin'ny valam-pariany.
Enao, everinao fa avotra matoa ianao mitsara ny manodidinanao: tsara ho anao izany.
Fa aleo ny tsirairay hitantana ny fanahiny manoloana an'Andriamanitra.
Araka ny teninao, Madagasikara dia tanin(-jiosy) voafidin'ny Zanahary.
Izany hoe, kristianina daholo ny ankamaroan'ny malagasy.

Fa raha ny fitsaranao, satria ianao mihevitra ny tenanao ho madio sy manana anjara toerana d'office eo ankavan'Andriamanitra, dia hoy aho hoe: na ianao ilay mpamonany vaovao, na koa mpisoloky araka ny vakiteny ao @'ny Baiboly, koa mahafantatra mialoha an'andriamanitra izay sahaza mendrika ny tsirairay eo anatrehany.

Tohizo any @'ny dinika Fivahana ny fijoroanao. Ho avy any aho.
Fa aleo ny tsirairay eto, mandray anjara en tant que laïc ny dinika politika.
Tena mbola 8) aho izao, ary tsy te hifandritra aminao.
Amen :wink:
11. falyfenosoa ( 19/05/2010 10:49)
diloo>> ny tiako tenenina dia tsotra, tsy te hampifangaro ny politika sy ny fivavahana aho, saingy mampalahelo ahy ny zavatra ataon'ny mpitondra fivavahana(FJKM) tsoriko fa FJKM iringiriny aho, ary mahalala ny zava-misy ao @ foibe FJKM, moa ve tsy politika no ataon'ireo mpitondra fivavahana, ary maninona izy no izao vao niteny nefa maro ireo olona nitaraina t@ andron'ny nitondran'ny ravalomanana nefa nangina izy ireo.
Noho ny tombotsoa manokana ve no nampangina azy ireo t@ izany, fa ankehitriny rehefa very ilay tombotsoa dia mitabataba? Fa maninona raha izaho no miresaka fivavahana sy politika dia tsy azoko atao fa rehefa ireo pasitera ireo dia tsy sahy miteny sy manakiana ny mpanohana an'i Ravalomanana, sa izay ilay atao hoe raha r'izareo no misiaka dia voromanga fa raha ny hafa dia vorondolo?
Ny tsapako dia marina ity voasoratra ity hoe:
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be. ITimoty 6:10
Moa tsy marina ve io voalazan'i Timoty io, moa tsy ny fihenan'ny vola sy ny tombotsoa nomena azy ireo ve no mampinaonaona azy ireo?
Samia mandinika! ary misaotra anao tsy mihafahafa mamaly dinika.
12. vitalkamaoly ( 19/05/2010 11:39)
koff..aoka aloha fa mifangaro be izy izany e ... :@ :@ pffff aiza no hisy katolika mambra ao @ FJKM??? :@ :@ koff..kof Izao no izy ry akama a: aza ny ataoko no atao fa tohizo ny lalanao :@ :@ kof..koff
13. bazylou ( 19/05/2010 17:59)
zay tsy faly honoa manao aminy e,
merci tgv
14. diloo ( 20/05/2010 00:25)
diloo>> ny tiako tenenina dia tsotra, tsy te hampifangaro ny politika sy ny fivavahana aho

D'accord ary e! Tsy misy olana Falyfenosoa an. Izaho koa faly nifanakalo hevitra taminao.
Hombanao mandrakariva anie ny Tompo avo indrindra.
(l) :-* :D 8)
15. falyfenosoa ( 20/05/2010 06:40)
hoy diloo>>
Izy irery ihany no mahafantatra ny heloka ny tsirairay. Izy irery ihany koa no mahafantatra ny sazy Tiany sy izay sahaza izay mety mpanao ratsy eran-tany


Eto mantsy dia mahavariana ihany ny fijerintsika ny filazantsara, fa ampiasaina @ izay mahasoasoa ny tsirairay fa tsy mba mijery ny tena heviny.
Haintsika ny milaza ny hoe Aza mitsara mba tsy ho tsaraina rehefa tsy mety ny ataontsika, moa ve tsy mitsara ireo olona miteny @ izao fotoana izao?
Azo atao tokoa ny mitsara:
Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa Sy hahazo fitahiana tsara. Ohabolana 24:25
Ahoana hoy ny voalaza ao @ Jaona:
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
Jaona 12:47

Mazava angamba io voalaza io. Azo atao ny mitsara @ maha olombelona fa mitsara mahitsy fa tsy mitsara mitongilana.
16. Mandefitra ( 20/05/2010 06:47)
Falyfenosoa a. fanontaniana iray monja : mety sy sahaza ny malagasy sy madagasikara ve zao zavamisy izao? moa faly sy feno soa tokoa ianao ankehitriny @ fitondran i tgv ve?

Misaotra anao mamaly.
17. falyfenosoa ( 21/05/2010 04:52)
Aleo ny tantara no hitsara ny tsirairay, io ilay fanontaniako hoe : iza no mahazo tombony @ io zavatra io? Moa ve raha tsy mahazo izay iriany ny mpitondra fivavahana sy ny mpanaraka azy dia iza no omena tsiny? moa ve Andriamanitra no tsy mamaly vavaka?
Averiko indray tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra na aiza na aiza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1505