Anatra @ fara aman-dimby

1. pikatti ( 12/05/2010 04:41)
Misy hafatra ao @ MyDago mba tiako alefa eto e, akama koa mantsy ry zalahy ao :wink:


TSY MATAHOTODY toa ny Foza orana ka ny mpiray tanindrazana indray no omena vazaha atao takalo !

Mitono-tena toa an'i andry rajoelina ka izay ratsy ataoko rehetra no iapangako ny hafa.

ravin-dalan'ny foza, ka tadiavina fozalahy ihany no atakalo fozavavy

Ambohitsirohitra na Iavoloha ve mety ho Antsahamarofoza?

Fitondran dradomelina ka samy manao zay saim_patany

Aza manao toy ny tafika malagasy ka tsipazana taolana ohatry ny kvà

Fitsarana mandritra ny fitondran-dRajo-Hell ka ny mpangalatra sy ny mpamono olona no arovana fa ny milaza ny marina indray no gadraina.

Manao fifanarahana tahaka ny foza ka izay nosoniaviko androany ho laviko rahampitso.

Sendran'ny foza iray ts omby vava ity ny filohan'ny mpitourne rehetra

Toy ny fozalahy domelina matimbola ka ny reniny avy no taingenany!!

Foza sasatry ny miaina ka ny bekintana avy no ambanany basy

Maramila nosorandreniny menaka ka masaikasaika toa foza mitourne

Aleo mifanena am mpamosavy toy izay mifanena am foza!

Fozalahy tsy misy atokona ka hamidy hatramin'ny vilany

Nataoko ho tandroka aron'ny vozona, kinanjo rambo hikopakapa sy aron'ny vodiny!

TSY MENA MIVADIKA TOA ANDRY RIRININA RAJOHELL

Samy manao izay saim-patany toy ny Foza misasa loha

Tsy ny mpanome ohabeolana akory ny foza an

Tena milay fa andeha hangonina sy ho tehirizina hatota ho boky ho an'ny taranaka amam-para!

"Aza manody toa ny vadina domelina"

Tsy mahalala izay tadiaviny ohatran'ny fozaorana ka ny ranomasina (canal de mozambique) avy no iampitàna.

na "Tsy mahalala izay tadiaviny ohatran-dRadomelina ka ny ranomasina avy no iampitàna."

> Mitono-tena toa an'i andry rajoelina ka izay ratsy
> ataoko rehetra no iapangako ny hafa.

Aza mihevi-tena ho lehibe sy to-teny toa an'i Andry Rajoelina,nefa ny lelo tsy afaka, ary ny hinono amin'i Mama no mahamay.

Manondro tena ho mpitondra fiara mahay tsy misy toa azy toa an'i Joelina kely, ny akseleratera sy ny frein ary ny ambreazy aza enefa tsy takatra

Manapatra fehefàna sahala @ ny fozalahy Rajoelina mahazo fanjakàna.

Manala-tena toy ny FAT, araka ny hialana no handetehan-tena

Mandray tsy raisina toa an'i Joyandet ka Any Pretoria avy no manao tsindry aloka

Ohatran'ny andevokely mahita fotsimbary ka mibitabitaka éry!
Zaza nahazo valala ka noporiporetiny ho azy irery sao lasan'ny hafa, kinanjo konetaka sisa natao nahita ity lany aina.

Ny @#$%& Sobika(.com) aza misy mpamaky

.AZA MANAO TOY NY TAFIKA MALAGASY KA NY LOHANY INDRAY NO MANGIDY .....ANAO ARY OOOO

Manonga panjakana taky ny foza, ny vaza no atao oza-pe fa ny atidoa tsisy

Rah foza elah efa namidiko

Nidiran-doza indroa takany vaza, ny fanjakana tsy azo ny vola lany!

AZA manapahendrena toa NORBOERA ka ny volofotsindray NO hosorona MALOTO

Izay adala no toa an-dreniny

Aleo very tsikalakala vaza toy zay very tsikalala gasy

> aleo very tsikalakala vaza toy zay very tsikalala
> gasy

Aleo very tgv, toy izay very riz au lait!

Toa foza milaolao valiha, ny kabary koa pilazia

Tampin-dalankaleha toy ny ny fozHAT_ay nanongam-panjakana ka ny vahoaka no poriporetina sy hampahatraina..

" Izay adala no toa an-dreniny"

Vaza milevina amorondalana, matatesa valikitsaka

Adinombalahan'ny mpenakavy, roasy ny vaza dia vonoy ny foza

Izay adala no toa an-dreniny

Izay sahy maty no mifono lambamenany governemanta foza

Manjoretra toy ny foza tapi-dalan-kaleha

Be tsy andraofana toy ny Fozat.ay

*Rongonin'i joHELLina mpirôzy no mihoatra dôzy ka ny vahoaka no voaporiporitra sy ranoritra.

*Balamaso toa an'i Taiza Gasy Vendrana Andry_jo_HELLina sy Mi(j)aly ka iny lalana any ankady iny no hiafarana.

*Marivo salosana be rendrarendra toa JoHELLina,ka ny firenena no atao varoboba.

*Mpikiky kapila nahazo fahefana ka voarangotra sy voarirotra hatramin'ny hasim-pirenena.

* Miriorio foana ny DJ kikina ka bankiropotra no hiafarana.

Sasa lamban'antananarivo, aleo rovitra toy zay maimbo foza

Sokina nananibato....
Foza nanongampanjakana,hiala matindramarosaona,hijanona matindramarasily

Manao bizna ohatran' ny foza,manafatra tgv tsy misy lalamby

Ny foza miondan-t.y

Tanora tgv, ka antitra vao ratsy laoka

*maniry mafy ny ho be galona toa an'i sesily rafy manoro_vadika tanindrazana.
*mikoto mihanta rahamahazaka tody ka mibaby poleta UZIs mandra_pahafaty.

Maimaika ohatran'ny foza hanao fifidianana

Teny ifampieran'ny foza, izay tsy mahatanty miala.

Akoholahy maneno antsena takany johell, tsy hery fa manina ny seza irodana


Satanier mangala-ketsa kizy ndray no vao vava

Horakoraka nen'ny vaza fa ny gasy no tompon'ny tany


Foza taizan-drenibe, voky hanina fa tsy mitombo saina

Miaka-tsehatra ohatran'ny Sans qualité tsy mahare fosa

Fanjakana an-tanam-poza...

Foza nangalatra fahefana,ka sady mpangalatra no dondrombelona no sans qualite no mpandainga

-Radomelina sy Asterix tafaraka,toy ny salaka sy ravim-body,andapa tsy mifandao,ampandriana tsy misaraka

-Tsy misy tsy ratsy hotran'ny radomelina,ka sady mahia ,no lava nify ,no foza,ka na ny aliaka mahita sendra mahita aza matahotra

Miray hina ohatran'ny foza voasazy, miara-maty fa tsy misy miala.

-Mivondrombondrona tahaka ny foza miaraka,raha tsy handromba dia hangalatra

-Be vava tahaka andradomelina milaza ho maminbahoaka,basy no hery ,mpangalatra sy gadra lava no mpanohana

Fozabe mahazo sazy, miandry izay higadonany

Aleo halam-bahoaka toy izay halan'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Fanjakampoza ka DJ sy makorelina mafy hozabody no betsaka!!

Zanahary nanamboatra vaza ; tsy ny bikany fa ny fofony

Miaramilam-poza nahazo basy, ny vahoaka ihany no tifirina.

-Aleo mifanena amin'ny aliaka toy izay mifanena amin'ny Mialy makosa sy nadina be solomaso,ary racris ratsy tarehY

Horohoro ihany ny an'ny hetotra fa ny tay no tompon'ny @#$%& !!!!

Mifanapaka tongotra toy ny Foza Iray Siô

" Basy tena izy atifi-kavana Malagasy ataon'ireo tafika miaro ny tanindrazany (lafrantsa io an ) "

Ny heloka ibaboana, cemgam zay

Ny tsy itivana any ipolity? leo zavatra boribory


Tsy maita ny paradisa lavitra fa takon'ny orona B -any!

Demokrasia an'i Foza Radomelina, taimbava no mba bulletin de vote.

Aza manao takany vaza ao ambatomena, efa taolana mbola fiazana iany

Vaza mitsidika cemgam, tsy fitiavana fa tsolotra

Zoandet makany pretoria, itan-jiro

Aza manao toy ny frantsay, tsipolitra mandray tsy raisina

- Foza TGV manongam-panjakàna, tsy mieritreritra afa-tsy ny anio ihany.

- TGV nanongam-panjakàna, tafakatra ambony vao tra-pahoriana.

- Mitonatonana sahala @ ny Radomelina sans qualité tsy mahare fosa tonga tany New York.

- Aza manody izay HAT, rehefa tsy matin'ny tendany, matin'ny vavam-bahoaka.

- Kabarin-dRadomelina, ka fafy lainga marivo tototra no mameno azy.

- Manamboninahitra malagasy, milanja ny maloton'i TGV no tambin'ny Grady.

Sakafom-poza ka Sahona (Ramaro-Sahona) ihany no votosan-Tsira (Ra-Tsira-honana)

*ISARERAKA_MONJA_FOUZA notsetsemam-pahefana ka manesika ny lava_poza rehetra nivoahany.

*Mihantarizaka poleta UZIs ka fisankodana ambany rangolahin'Ambohitsirohitra.

*Marosahona tarana-pozam-potaka bokan-trosa, ka netin'ny savoniny nibolisatra anaty tatatra.

Malemy ny kiboko ary latsa-dranomason'ny fihomehezana aho! Misaotra an'i Etoiledemer ka!

* Aleo very tsikalakalam-poza toy izay very tsikalakalam-pitondra fivavahana

* Fozabe mangery diavolana, tsy hay intsony na voky loatra na latsaka ho azy noho ny tahotra

- Frantsay sy I domelina eto any Pretoria miaraka eto Madagasikara tsy misaraka.

- Ny legaliste tsy mba foza orana, i Ravalo tsy mba domelina, fa izay foza orana mamadika ny tanindrazany.

- domelina mampandihy tsy lelafin’ny namany

- Raha Malagasy aza mifehy andry tokana

- Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa i domelina ratsy azo darohana.

Ravalo tsy andrin’ny hafa, andrin’ny legalistes

Aza ny vahoaka mangina no jerena, fa ny Andriamanitra antampon’ny loha

Mitonantonana ohatran’i TGV tsy mahare ny fitsakon’ny frein

Tsy miady, tsy miady kanefa francafrique ankelika ihany

Tapi-dalan-kaleha toy ny TGV lany plan

Raha maty aho HAT, matesa ra-tanindrazako. Raha maty ra-tanindrazako, matesa ny foza

TGV tsy mandihy foana fa ao francafrique


Aza manao loham-poza Rankizy aho hitanareo any aoriana any fa tsy mahasoa ny loham-poza :lol:

novalian'i ralaisolo ny 12/05/2010 16:20
2. pikatti ( 12/05/2010 04:46)
Tohin'ny resak'elahy io ry bekafara a :wink:
lazaDaddy=razylou=Oay kobo ialahy bainn, hay ialahy be fananaran hoe mba hampianaro ihany ny ankizy e, hay kay ialahy ity olona tsy fanao enao ;lé,
Raha handefa dinika ilahay dia tohano tsara mba misy handinihantsika azy tsara fa aza manao
"tahaka an'i lazadaddy miaro ny lohany tsy ho tapaka nefa ny vatany efa miparasaka" :-D
3. onaonafaty ( 12/05/2010 05:10)
Ralitera Andrianandraina, Ravalomanana Marc, Andrianarimanana Radinarivelo Richard, Rakotovao Ambinintsoa dit Mbinina, Raoelina Jean Heriniaina, Jadifara Laurent, Andriamihoatra Rajaomilison Jules Christian, Fikisy Lydie, Ralamboarison Anatole Marie Serge dit Rio, René Berthin dit Waints, Andrianjafimasinony Bien Aimé, Ramasy Marcel, Fatima Jeannot, Randriamidona Jean-Claude, Kotokely Manahirana dit Kotokely, Razafindraoizy Odilon Parfait, Colonel Razanakoto Ambroise, Colonel Jerry et Caporal Bruno dit Varatra. Ils sont 19 à étre inculpés d’assassinat et de tentative d’assassinat de plusieurs personnes le 07 février 2009, suivant le dossier de procédure (Ordonnance de transmission des pièces à la Chambre d’accusation n°6052-RP/09-11-CR/J3/09) transmis par le Doyen des Juges d’Instruction près le Tribunal de Première Instance d’Antananarivo au Procureur Général de la Cour d’Appel.
Tsisy fika intsony ry ikala a, efa misy handimby anao ao , sao dia heverinao fa io sinémànao io no mbola hitazonanay anao ho ministry ny fitsarana , ha ha ha, aoka ahy hihomehy tsara =)) :-@ :-@ :-@ :-@
4. pikatti ( 12/05/2010 05:19)
Tsy hoe miadany @nao aho ry ratsysalosana fa fikan'antitra iny , efa mazava ho an'ny daholo be,matahotra mafy mantsy io ramatoa io , firy ny olona nogadrainy tsy mbola nisy fitsarana foana efa ho herin-taona izay, :roll: mampalahelo fa dia lasa manaonao foana mba hitazoman-tseza fotsiny :cry:
5. bazylou ( 12/05/2010 07:50)
vive tgv, foza tsy lain'ny vavoninareo io , :-D :-D :-D :-D :-D
ary milay lavitra nohoianao reo lany bala tsy misy apoaka fa wawawaw fotsiny
6. Bazilou ( 12/05/2010 07:55)
Toy ny Rajoelina lasa prez kanjo hay ka fopla :-D :-D :-D :-D
7. Rajakoo ( 12/05/2010 08:09)
TGV tsy mandihy foana fa ao francafrique

Nandalo taty amiko ry zareo Frantsay ireo fa tsy laniko ny fikany zavatra raharahan-tsika Malagasy tsy tokony hisy baiko na kolikoly avy ivelany any ny fametrahana filoha sy ny gouvernemanta
Mila fampaherezana mafy tokoa i tgv @ izao vanim-potoana sarotra diaviny izao ka dia miangavy ee azafady e,efa nomenay toro hevitra ihany anie izy , afaka madiodio ny tenanay
8. wxxx ( 12/05/2010 12:16)
TGV iray harona ka ny ao ihany no mifandrotsirotsy sy mifanapa-tongotra

Foza milalao france à fric ka ny izy ihany no main'ny afo natsangany

Ramaroson nanadio tanàna miosin-drà ka izy indry no napotsakin'ny savoniny
9. ralaisolo ( 12/05/2010 16:20)
--manantena tsy misy toa andrajoelina ka any ankady vao mampiriotra soavaly ....
--mamy hoditra toa an'i dada ka na tangena aza dia telina ihany izy ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1299